Mihamaro andro amanalina ny antso atao ny vahoaka

21. Jeankely ( 11/04/2008 12:16)
Rehefa mahazo halalana dia azo atao ny rehetra. Na inona na inona. Ny didjadona no mety satria mivahavaha ka tsy tratra ny tiana hatao. :-D :-D :-D :-D
22. ari.malala ( 11/04/2008 14:48)
samy manana ny filazany momba ilay omaly teny am 13/05 moa ny filazam-baovao,fa ny aceem radio zao nilaza fa tsy nahazo olona ry zareo, na d nitsoka siflet sy nilanja banderoles aza, ny matv kosa indray nilaza fa nahazo olona ary ingahy Lecacheur mits no nilaza fa 3min taorian'ny nidinany teo sy nitsofany sifflet d vory ny vahoaka, nefa tsy mba naseho akory ilay vahoaka vory... asakasak'izay mbola hovoatarika aloha e!
23. Jeankely ( 11/04/2008 15:12)
Aza sakanana ny olona fa hamporisio andeha amin'ny tiany. Rehefa mahatsapa aleo hisaina. Sao manenina sahala ilay nolazain'ny iray voatifitra tary manko. Malemy ampandriana vao gaga. Aza adino fa ny Miaramila tsy mitifitra mpitarika fa ny mpanaranaraka no lerany.
24. menalamba ( 12/04/2008 08:08)
Tsy mitifitra mpitarika??? Tsy tsaroan'i Jeankely angaha ry Laha Gaston sy ingahy Monja Jaona? Ataoko voatifitra teo @ tongony ity farany teny @ CAPSAT ka tsy nety sitrana intsony ilay fery ka nitarika ny fahafatesany.Ilay voalohany tonga dia dangy teo. Raha izaho aloha dia manafatra fara-mandimby tsy hitetateta @ ireny fa dia efa nahita ny t@ 10 août aho ka fay.Jereo fotsiny ity nolazain'ny gazety omaly fa raha vao nihetsyka ny mpitandro ny filaminana dia nandray ny fiarany 4X4 ingahy Lecacheur nilefa ,ianao no tavela lelafin'ny bala eo...izy lasa... :roll: :roll:
25. Jeankely ( 12/04/2008 09:03)
Ka izay ilay hoe amporisio hiditra fa tsara ny mihaino ilay hoe takizay aho tsy tany. Tehafo ary lelafo fa mety hitondra any @ fiadanana satria mijaly. :-D :-D
26. ravatorano ( 12/04/2008 11:04)
Kianjan’ny 13 mey
Vaky nandositra i Lecacheur


samedi 12 avril 2008, par Naivo kely
madagascar tribune


« Na higadra na hamoizako ny aiko, tsy hiemotra aho amin’ny fitarihana ny olona etsy amin’ny kianjan’ny 13 mey. Vonona aho na dia rahampitso ihany aza, satria raha ny filazako ny marina no hisamborana ahy ho any amponja tsy olana ».

Isan’ny teny heno tamin’ny fanehoan-kevitra nataon’ingahy Henri Lecacheur tamin’ny mpanao gazety andro vitsy lasa izay. Vaky nandositra anefa ny lehilahy omaly raha vao natazana ny mpitandro ny filaminana saika hisambotra azy teny Analakely. Nifandrotehin’ny olona ihany koa ny mpanao Gazety, izay saika haka sary teny, soa fa nahay nandositra fa raha tsy izany voaroba teo. Gaga ny maro nahita itsy mpitari-tolona vaky nandositra tany anaty fiara 4x4.

Raha nisy fifandonana izany teo, dia naratra na voasambotra fotsiny ireo olona notarihana, satria ny mpitarika manana fiara afahana mitsoaka. Ny toy izao no mampalaina ny olona hidina andalam-be. Nilamina ny tanana na dia teo aza ireo savoritaka kely ireo, ary nanohy ny asany andavan’andro ny tsirairay. Mbola hitohy ve ny tolona sa vita hatreo ?
27. Jeankely ( 12/04/2008 13:06)
Efa nisy ny voan'ny daka sy totohondry ary hianaran'ny bandy misidina Jacky Chan fa aleo ho avy ihany. Sinoa iny fa tsy gasy sa doma daholo ny gasy hiringiriny. :-D :-D :-D :-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0366