Ilay Fiangonana tsy manan-drindrina.

1. soanja ( 09/04/2008 05:07)
Tany amboalohany dia tao anaty natiora no nanompoan'ny rehetra ilay andriamaniny. Io no fiangonana voalohany nisy ary natetika naneho ny momba azy tokoa Andriamanitra tamin'izany.
Taty afara anefa dia niha nanalavitra izany natiora izany ny olombelona nony nanampo ilay Andriamanitra, izay mbola heverina fa notompoin'ireto voalohany ireto ihany.
Naorina ireo rindrina hanasaraka antsika amin'ny natiora. Natahorana ny olombelona sao hanompo ny zavatra hitany maso fa tsy ilay heveriny fa tompoiny. Nataony fomba rehetra sy noforonina ny lalana rehetra mba hanakanana ny olombelona tsy hifandray amin'ilay nahary azy ao anaty natiora.

Katsaho ilay Mahery fa tsy manalavitra anao akory fa ao aminao, ao/eny anaty natiora- manoloana, manatrika,ambony, ambany lavitra, any aoriana ary ny ho avy- ny tsapa sy ny tsy tsapa ary indrindra eny amin'ny mpiarabelona aminao.

Tanteraka ny asam-panahy raha mifandray amin'ny hafa am-panetretena nefa ampitiavana ao anaty natiora voarindran'Andriamanitra ho antsika. Soanja
novalian'i fijo ny 16/04/2008 22:14
2. Rafotsy ( 09/04/2008 10:07)
Salut indry Soanja !
Misaotra aky a !
Izahay aty rehefa été dia manao culte en plein air rehefa avy eo dia manao pique nique ! Ary tena mahafinaritra ny maharé ny vorona sy ny tana masoandro manafana ny vatana , ny maso akipy mitady an'ilay nahary ! Tsara io kah
3. booboo ( 09/04/2008 10:56)
Lay fomba filazan'i Soanja sy Rafotsy ilay izy kounkou tena :} :} :} :} :}

Miombon-kevitra ary misaotra " nampahatsiahy " an'izay indray :D
4. ikaretsaka ( 09/04/2008 14:13)
soanja:

Tany amboalohany dia tao anaty natiora no nanompoan'ny rehetra ilay andriamaniny. Io no fiangonana voalohany nisy ary natetika naneho ny momba azy tokoa Andriamanitra tamin'izany.
Taty afara anefa dia niha nanalavitra izany natiora izany ny olombelona nony nanampo ilay Andriamanitra, izay mbola heverina fa notompoin'ireto voalohany ireto ihany.
Naorina ireo rindrina hanasaraka antsika amin'ny natiora. Natahorana ny olombelona sao hanompo ny zavatra hitany maso fa tsy ilay heveriny fa tompoiny. Nataony fomba rehetra sy noforonina ny lalana rehetra mba hanakanana ny olombelona tsy hifandray amin'ilay nahary azy ao anaty natiora.

Katsaho ilay Mahery fa tsy manalavitra anao akory fa ao aminao, ao/eny anaty natiora- manoloana, manatrika,ambony, ambany lavitra, any aoriana ary ny ho avy- ny tsapa sy ny tsy tsapa ary indrindra eny amin'ny mpiarabelona aminao.

Tanteraka ny asam-panahy raha mifandray amin'ny hafa am-panetretena nefa ampitiavana ao anaty natiora voarindran'Andriamanitra ho antsika. Soanja

tsetsatsetra kely
misy style ana architecture hoe "light gothique" dia io mihitsy ny filozofiany,
ilay nosoloiny vitraux ny rindrina sns... izay vato be tany aloha
5. fijo ( 09/04/2008 20:19)
na dia tsy mino aza aho,dia mifanakaiky ny fomba fijeriko ny tokony ho finoana sy io voalazan'i soanja io.
6. soanja ( 10/04/2008 04:58)
Faly aho raha misy tokoa mahatsapa ny zavatra tsapako. Ilaina ny fitadiavana an'Andriamanitra eo anivon'ny Natiora fanomezany. Tsara ny fampiasana ireo tsapa rehetra ananantsika, notoloran'Andriamanitra mamaim-poana antsika ho fitaovana hampifandray antsika aminy.
Namaste! Soanja
7. soanja ( 10/04/2008 05:06)
Rafotsy:

Salut indry Soanja !
Misaotra aky a !
Izahay aty rehefa été dia manao culte en plein air rehefa avy eo dia manao pique nique ! Ary tena mahafinaritra ny maharé ny vorona sy ny tana masoandro manafana ny vatana , ny maso akipy mitady an'ilay nahary ! Tsara io kah


Mbolatsara Rafotsy!

Mahafinaritra aky izany.
Ary nareo tsy mba manao fanompoam-pivavahana amin'ny mamantonalina eo anivon'ny ranomandry fotsy manjopiaka sy diavolana mibaliaka ary ny natiora tony mandray ny fisiantsika manodidina azy. Tsara koa ny feon'ny alina. Tony ary mamelombelona. Manao an'io izahay indray mandeha isan-taona. Manako mihitsy ny rindrim-baton'ny tendrombohitra mifandray amin'ny feo mangan'ny Mpino. Andramo indray andro any.
Mety matahotra an'io anefa isika gasy sa ahoana?
Zahao sy katsao Andriamanitra na anaty mazava na maizina. Izy eo anivontsika lalandava ary mitantana antsika.
8. prime ( 10/04/2008 10:39)
Tsy ny toerana na ny trano no atao hoe fiangonana... tsy nisy koa ny fanakanana ny olona hifandray tamin'ny natiora fa Andriamanitra mihitsy no nandidy ireo taranak'i Levy hanao trano Lay ho Azy, ary nandidy an'i Davida sy ny taranany (Solomona) hanorina Tempoly ho Azy satria masina Izy...

Hoy indrindra ny voasoratra amin'ny anaran'i Kristy :
"Dia ho entiko ho any an-tendrombohitro masina, ka hampifaliko ao an-tranoko fivavahana; ny fanatitra dorany sy ny fanatitra hafa alatsa-drà dia hankasitrahana eo ambonin'ny alitarako, fa ny tranoko hatao hoe trano fivavahana ho an'ny firenena rehetra." Isaia 56:7
9. Fody ( 10/04/2008 13:03)
Tany amboalohany dia tao anaty natiora no nanompoan'ny rehetra ilay andriamaniny. Io no fiangonana voalohany nisy ary natetika naneho ny momba azy tokoa Andriamanitra tamin'izany.
Taty afara anefa dia niha nanalavitra izany natiora izany ny olombelona nony nanampo ilay Andriamanitra, izay mbola heverina fa notompoin'ireto voalohany ireto ihany.
Naorina ireo rindrina hanasaraka antsika amin'ny natiora. Natahorana ny olombelona sao hanompo ny zavatra hitany maso fa tsy ilay heveriny fa tompoiny. Nataony fomba rehetra sy noforonina ny lalana rehetra mba hanakanana ny olombelona tsy hifandray amin'ilay nahary azy ao anaty natiora.

Katsaho ilay Mahery fa tsy manalavitra anao akory fa ao aminao, ao/eny anaty natiora- manoloana, manatrika,ambony, ambany lavitra, any aoriana ary ny ho avy- ny tsapa sy ny tsy tsapa ary indrindra eny amin'ny mpiarabelona aminao.

Tanteraka ny asam-panahy raha mifandray amin'ny hafa am-panetretena nefa ampitiavana ao anaty natiora voarindran'Andriamanitra ho antsika. Soanja

Fanamarihana:
1 - Tsy ny Trano ivavahana no atao hoe: Fiangonana, araka io voalaza ambony io, fa ny olona. Donc, ny fisian'ny Fiangonana dia tsy manasaraka ny olona amin'ny natiora velively.

2 - Lalana inona no lazain'i soanja fa napetraka sy noforonina mba hanasarahana ny olona amin'ny natiora? Lalan'ny Fiangonana ve ? Dia mba lazao hoe aiza io lalana io ?
Amiko dia mbola tsy nahita aho na dia lalana iray aza ao amin'ny Fiangonana manakana ny olona tsy hanatona na tsy hifandray amin'ny natiora. Ny mifanohitra amin'izany aza no hitako.

Misy ohatra vitsivitsy ireto:

Hoy Md Ignace: " Mahità an'Andriamanitra amin'ny zava-boaary rehetra". Io dia mitondra ny tena "Hidera sy hisaotra an'Andriamanitra ao amin'ny zava-boaary rehetra, amin'ny zava-boaary rehetra"....

I Md François d'Assise: Azonao vakina ny tantaram-piainany, fa nahavarina ny fifandraisany tamin'ny zava-boaary, ary tsy nisy nandrara azy tamin'izany.

Misaotra anao!
10. ikaretsaka ( 10/04/2008 16:29)
Lalana inona no lazain'i soanja fa napetraka sy noforonina mba hanasarahana ny olona amin'ny natiora? Lalan'ny Fiangonana ve ? Dia mba lazao hoe aiza io lalana io ?

liana amin'ny valin'io koa aho!

Fody> misaotra @ le ohatra :wink: AMDG hatrany e
11. fijo ( 10/04/2008 20:55)
tsy voatery kosa hoe tao anaty boky no nisy fanakanana,fa ny fomba nentina sy nampiasaina hatrizay.ny nitarihana ny mpino hivavaka foan atao anaty trano,na faritra voafefy na mifidy.
12. cutie ( 11/04/2008 00:27)
Mpandefa : soanja [ Valio ] 09-04-2008 07:07:14
Lohateny : Ilay Fiangonana tsy manan-drindrina.
Tany amboalohany dia tao anaty natiora no nanompoan'ny rehetra ilay andriamaniny. Io no fiangonana voalohany nisy ary natetika naneho ny momba azy tokoa Andriamanitra tamin'izany.
Taty afara anefa dia niha nanalavitra izany natiora izany ny olombelona nony nanampo ilay Andriamanitra, izay mbola heverina fa notompoin'ireto voalohany ireto ihany.
Naorina ireo rindrina hanasaraka antsika amin'ny natiora. Natahorana ny olombelona sao hanompo ny zavatra hitany maso fa tsy ilay heveriny fa tompoiny. Nataony fomba rehetra sy noforonina ny lalana rehetra mba hanakanana ny olombelona tsy hifandray amin'ilay nahary azy ao anaty natiora.

Katsaho ilay Mahery fa tsy manalavitra anao akory fa ao aminao, ao/eny anaty natiora- manoloana, manatrika,ambony, ambany lavitra, any aoriana ary ny ho avy- ny tsapa sy ny tsy tsapa ary indrindra eny amin'ny mpiarabelona aminao.

Tanteraka ny asam-panahy raha mifandray amin'ny hafa am-panetretena nefa ampitiavana ao anaty natiora voarindran'Andriamanitra ho antsika. Soanja

interesting :wink:
13. Zina ( 11/04/2008 01:00)
Tsy ny Trano ivavahana no atao hoe: Fiangonana, araka io voalaza ambony io, fa ny olona. Donc, ny fisian'ny Fiangonana dia tsy manasaraka ny olona amin'ny natiora velively.


Ekena tanteraka mihitsy. isika no fiangonana ary i Jesosy no lohan;ny fiangonana
14. cutie ( 11/04/2008 01:08)
ka raha isika no fiangonana de tsy mila trano zany fa azo atao koa ny mivavaka eo anivon'ny natiora :) :-D
15. Zina ( 11/04/2008 01:12)
ie mety ko zany ka rehefa avy ny orana dia eny amban'ny hazo njy dia tonga dia tratran'ny varatra. :wink:
fiangonana=tempoly= isika
16. cutie ( 11/04/2008 01:21)
ambanin'ny ravinkazo :-D :-D :-D :-D :-D
17. Zina ( 11/04/2008 01:24)
mila atao ngeza be mihitsy izany ilay ravinkazo raha izany,
eny e tsy any ny olana , rehefa tsara be ny andro tsy misy maharatsy ny mivavaka eny @ natiora, zay aty la plupart de temps eny @ plage foana mahafinaritra ary mahatsapa mihitsy fa akaikin'Andriamanitra ka :wink:
18. cutie ( 11/04/2008 01:26)
Australia sa NZ zany any aminareo zany ? :)
19. soanja ( 11/04/2008 03:55)
ikaretsaka:

Lalana inona no lazain'i soanja fa napetraka sy noforonina mba hanasarahana ny olona amin'ny natiora? Lalan'ny Fiangonana ve ? Dia mba lazao hoe aiza io lalana io ?

liana amin'ny valin'io koa aho!

Fody> misaotra @ le ohatra :wink: AMDG hatrany e


Raha mahatsapa ianao fa tsy manakana anao na namela malalaka anao hiangona any anaty natiora ny finoana dia aza manahy akory ny tiako ambara satria tsy mahakasika anao tokoa izany ilay izy.

Raha ny fahafantarako ny atao hoe Fiangonana tamin'izaho tany Dago dia Eglizy na trano fivavahana.

Efa sarin-teny tokoa raha hisy hiteny hoe handeha any ampiangonana dia handeha any anaty tenana sa inona tokoa moa???

Marina izany Tempolin'Andriamanitra ny tenantsika ary izay no ilazako hoe n'aiza n'aiza tsy voatery any am-piangonana na an-dEglizy na Sinagaoga sy izay misy rindrina rehetra vao ahita sy hifandray amin'Andriamanitra fa n'aiza n'aiza ary tsy misy afaka hitsara ny namany hoe ny Andriamanitrareo tsy mamely fa ny anay no mamely ka tongava any am-piangonanay , izay mpiseho matetika. Ny rindrina no tiako soritana eto ary io rindrina io no hitako fa mampisaraka antsika amin'ny Natiora izay nisy antsika hatramin'izay ary mahatonga antsika hihevitra fa izay tompoina ao anaty natiora dia diso avokoa.

Indro ary ny lalana na ny didy: Ny tian'i Jehovah resahina eo dia ao JEROSALEMA ihany no toerana tokony hanaovana fanompoam-pivavahana.

Det 12:1- 7

Izao no didy sy fitsipika izay hotandremanareo harahina any amin'ny tany izay omen'i Jehovah, Andriamanitry ny razanao, anao holovana amin'ny andro rehetra hiainanareo ambonin'ny tany.

2 Horavanareo mihitsy ny fitoerana rehetra izay nanompoan'ny firenen-tsamy hafa izay horoahinareo ny andriamaniny teny ambonin'ny tendrombohitra avo sy ny havoana ary teny ambanin'ny hazo maitso rehetra.

3 Dia horavanareo ny alitarany, ary hotorotoroinareo ny tsangam-baton-tsampiny, ary hodoranareo amin'ny afo ny Aserahany, ary ny sarin-javatra voasokitra, izay andriamaniny, dia hokapainareo, ka dia hofoananareo tsy ho eo amin'izany tany izany intsony ny anarany.

4 Aza manao toy izany amin'i Jehovah Andriamanitrareo hianareo.

5 Fa ny tany izay hofidin'i Jehovah Andriamanitrareo amin'ny firenenareo rehetra hasiany ny anarany sy honenany no hohatoninareo sy halehanareo.

6 Ary any no hitondranareo ny fanatitra doranareo sy ny fanatitrareo hafa alatsa-dra sy ny fahafolon-karenareo sy ny fanatitra asandratry ny tànanareo sy ny fanalam-boadinareo sy ny fanati-tsitraponareo ary ny voalohan-teraky ny ombinareo sy ny ondry aman-osinareo;

7 ary any no hihinananareo sy ny ankohonanareo eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrareo ary hifalianareo amin'izay rehetra harin'ny tànanareo, izay efa nitahian'i Jehovah Andriamanitrao anao.


Nahoana no sahinao no hanapotika ny an'ny hafa??? Lalana mankaiza io ka ho aiza???





20. soanja ( 11/04/2008 04:04)
Raha tsy mahamety ny teny avy aminareo ny hoe fiangonana dia soloy fotsiny hoe Toerana ivavahana isanalahady ny Fiangonana tiako lazaina eo. Satria rehefa miteny hoe Fiangonana aho dia trano ivavahana izay no tiako resahina. Izay no nampianarina ahy tany Mada hatramin'ny fahakeliko. Fa raha ny aty aminay mantsy mazava be fa "handeha hamonjy church" ary io tsy midika fa tempoly = vatantsika sns izany fa tranobe misy rindrina tokoa.

Fa raha hiresaka hoe aiza no misy Andriamanitra dia manerana ary tsy tokony hisy akory izany hoe fiangonana fa hoe n'aiza n'aiza dia miangona isika izany aminareo satria miaina ary tempoly tokoa ny tenantsika. Anjarantsika tsirairay no mampihatra izany fanahy ao anatintsika izany ka hampamirapiratra ny hasina omenao azy.

Taloha dia tsy nisy ny trano fiangonana na eglizy na sinagoga fa dia teny anaty natiora no nifandraisana tamin'Andriamanitra.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1744