Ilay Fiangonana tsy manan-drindrina.

21. cutie ( 11/04/2008 04:27)
merci soanja t@ info fa tsy nahalala an'zany mitsy za raha tsy zao e :) :-*
22. soanja ( 11/04/2008 05:31)
Zina:

ie mety ko zany ka rehefa avy ny orana dia eny amban'ny hazo njy dia tonga dia tratran'ny varatra. :wink:
fiangonana=tempoly= isika


Rehefa mivavaka dia tsy misy ahiana na ny kely aza. Na varatra nipoaka na avandra handrava, rehefa miaraka amin'Andriamanitra dia tony lalandava.




23. soanja ( 11/04/2008 05:32)
cutie:

merci soanja t@ info fa tsy nahalala an'zany mitsy za raha tsy zao e :) :-*


Elaela aky izay. Inona ny malaza any?


:-* :-* :-* :-* (l)
24. Fody ( 11/04/2008 07:49)


Soanja:
Io andalan-tsoratra Masina noraisinao io dia efa nohavaozin'i Kristy ao amin'ny Evanjely. Jereo ity resaka nifanaovany tamin'ilay vehivavy samaritanina ity:

Ilay vehivavy Samaritana: "Tompoko, hitako fa mpaminany Hianao. Ny razantsika nivavaka teto amin'ity tendrombohitra ity; fa hianareo kosa milaza fa any Jerosalema no tokony hivavahana.

Jesoa: Ravehivavy, minoa Ahy, fa avy ny andro ka tsy amin'ity tendrombohitra ity, na any Jerosalema aza, no hivavahanareo amin'ny Ray. Hianareo mivavaka amin'izay tsy fantatrareo; izahay kosa mivavaka amin'izay fantatray, satria avy amin'ny Jiosy ny famonjena. Fa avy ny andro sady tonga ankehitriny, raha ny tena mpivavaka hivavaka amin'ny Ray amin'ny fanahy sy ny fahamarinana; fa ny Ray koa mitady ny mpivavaka aminy ho tahaka izany. Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin'ny fanahy sy ny fahamarinana.
Resaka nalaina tao amin'ny Joany 4, 19 - 24.


Misaotra!
25. cutie ( 11/04/2008 11:51)
Elaela aky izay. Inona ny malaza any?

ocp foana akia fa efa akaiky le fotoana handehanana a :) :-*
26. niryna ( 11/04/2008 15:44)
prime:

Tsy ny toerana na ny trano no atao hoe fiangonana... tsy nisy koa ny fanakanana ny olona hifandray tamin'ny natiora fa Andriamanitra mihitsy no nandidy ireo taranak'i Levy hanao trano Lay ho Azy, ary nandidy an'i Davida sy ny taranany (Solomona) hanorina Tempoly ho Azy satria masina Izy...
ary ny fiangonana dia ny fitambaran'ny olona roa na maromaro ka miaraka miombokevitra,misaotra,midera,mivavaka amin'ny anaran'Atra.
----------------------------------------------------------------
Harold Camping izay mpamianatra tenin'Atra sandoka dia milaza hoe miala hianareo ao anatin'ny fiangonana ka manao fivavahana mitambatra,roahiny hiala ao amin'ny fiangonana ny olona fa lazainy fa tsy ao intsony hono ny fanahy masina hi,hi, ... soa ihany fa efa betsaka no mahalala ny nataony ka tsy mihaino ny toriteniny intsony fa tsss ....

oops,mpampianatra sandoka ilay rangahy ary mifanohitra ny tenin'Atra foana no ataony,lazainy fa ho avy ny andro farany 1994,izao indray lazainy fa ho avy indray amin'ny 2011 hi,hi,

Aoka isika ahalala ny inoantsika ary aza manalavitra ny tenin'Atra fa io no ampinga ahafahana miady ny satana
27. ikaretsaka ( 11/04/2008 15:49)
pasiteran'iza izany ry niryna?
28. soanja ( 11/04/2008 16:19)
Fody:



Soanja:
Io andalan-tsoratra Masina noraisinao io dia efa nohavaozin'i Kristy ao amin'ny Evanjely. Jereo ity resaka nifanaovany tamin'ilay vehivavy samaritanina ity:

Ilay vehivavy Samaritana: "Tompoko, hitako fa mpaminany Hianao. Ny razantsika nivavaka teto amin'ity tendrombohitra ity; fa hianareo kosa milaza fa any Jerosalema no tokony hivavahana.

Jesoa: Ravehivavy, minoa Ahy, fa avy ny andro ka tsy amin'ity tendrombohitra ity, na any Jerosalema aza, no hivavahanareo amin'ny Ray. Hianareo mivavaka amin'izay tsy fantatrareo; izahay kosa mivavaka amin'izay fantatray, satria avy amin'ny Jiosy ny famonjena. Fa avy ny andro sady tonga ankehitriny, raha ny tena mpivavaka hivavaka amin'ny Ray amin'ny fanahy sy ny fahamarinana; fa ny Ray koa mitady ny mpivavaka aminy ho tahaka izany. Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin'ny fanahy sy ny fahamarinana.
Resaka nalaina tao amin'ny Joany 4, 19 - 24.


Misaotra!



Fa maninona no nohavaozina nefa mazava be ny resaka ery ambony. Tsy nifandray ve izy roa Andriamanitra tamin'io sa nandefa mesazy diso ny voalohany????


29. Fody ( 11/04/2008 16:41)
Fa maninona no nohavaozina nefa mazava be ny resaka ery ambony. Tsy nifandray ve izy roa Andriamanitra tamin'io sa nandefa mesazy diso ny voalohany????

Tsy hoe tsy nifandray. Fa ireo voalohany nandray ny hafatr'Andriamanitra dia nihevitra fa ho azy ireo irery ihany ny Famonjena, azy ireo irery ihany Izy Andriamanitra Mpahary. Ary ireo nanodidina azy ireo koa nihevitra toy izany. Izy Andriamanitra anefa dia ho an'ny rehetra, Andriamanitry ny olona rehetra fa tsy vondron'olona vitsivitsy ihany.

Misaotra anao!
30. cutie ( 11/04/2008 17:03)
Harold Camping izay mpamianatra tenin'Atra sandoka dia milaza hoe miala hianareo ao anatin'ny fiangonana ka manao fivavahana mitambatra,roahiny hiala ao amin'ny fiangonana ny olona fa lazainy fa tsy ao intsony hono ny fanahy masina hi,hi, ... soa ihany fa efa betsaka no mahalala ny nataony ka tsy mihaino ny toriteniny intsony fa tsss ....

oops,mpampianatra sandoka ilay rangahy ary mifanohitra ny tenin'Atra foana no ataony,lazainy fa ho avy ny andro farany 1994,izao indray lazainy fa ho avy indray amin'ny 2011 hi,hi,

:-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D
31. Veloo ( 11/04/2008 18:26)
Rehefa mivavaka dia tsy misy ahiana na ny kely aza. Na varatra nipoaka na avandra handrava, rehefa miaraka amin'Andriamanitra dia tony lalandava


:-) Za kosa aloha tsy hivavaka any ivelany raha avy ny orana e.... Tsy azo limitena fotsiny amin'izao oe tsy ilaina ny "church" ilay trano hivavahana... nilaina foana ny trano natokona ho an'Andriamanitra ary faly mihitsy izy fa misy manaja azy ao amin'n'ilay trano.

32. cutie ( 11/04/2008 19:01)
veloo:)
tsy misy rindrina nge le izy fa mety misy tafo e ( ravinkazo io ) :-D : :-D :-D :-D :-D :* :* :* :* :* :* :*
33. cutie ( 11/04/2008 19:03)
Rehefa mivavaka dia tsy misy ahiana na ny kely aza. Na varatra nipoaka na avandra handrava, rehefa miaraka amin'Andriamanitra dia tony lalandava

tena marina io ka :)
34. ikaretsaka ( 11/04/2008 19:11)
veloo>tsodrano be mihitsy iznay tratran'ny orana eo am-pivavahana izany ko....
35. Veloo ( 11/04/2008 19:44)
=)) =)) =)) =)) =)) tsy ratsy ndray iny kle
36. fijo ( 11/04/2008 20:54)
sady matoria no mivavaka,fa sady vita ny vavaka eo no tsy reraka ny tena
37. ikaretsaka ( 11/04/2008 22:10)
izay koa mety
38. cutie ( 11/04/2008 22:31)
=)) =)) =)) =)) =)) =)) =))
39. soanja ( 12/04/2008 04:44)
Fody:

Fa maninona no nohavaozina nefa mazava be ny resaka ery ambony. Tsy nifandray ve izy roa Andriamanitra tamin'io sa nandefa mesazy diso ny voalohany????

Tsy hoe tsy nifandray. Fa ireo voalohany nandray ny hafatr'Andriamanitra dia nihevitra fa ho azy ireo irery ihany ny Famonjena, azy ireo irery ihany Izy Andriamanitra Mpahary. Ary ireo nanodidina azy ireo koa nihevitra toy izany. Izy Andriamanitra anefa dia ho an'ny rehetra, Andriamanitry ny olona rehetra fa tsy vondron'olona vitsivitsy ihany.

Misaotra anao!


Ny fijeriko azy indray dia nazava ny hafatra tany amboalohany fa ny azy irery ihany no izy fa ny hafa tsy izy ary ravaina sy potehina ary vonoina izay manelingelina tsy hahatafita ilay tena izy.

Taty afara tokoa i Kristy vao nanome hafatra vaovao.

Noho izany misy tsy fifandraisana ao matoa mifanipaka ny hafatra nalefa. Matoa sahirana i Kristy nanazava ombieny ombieny fa Izy no Izy. Nanome fanoharana isan-karazany ampifandraisina tamin'ny fiainana tamin'izany. Firy tamin'ireo naheno moa anefa no nanaiky sy nino azy. Azoko atao voaisa amin'ny tongotra aman-tanana. Ireo aza nino fa samihafa ny fandraisany ilay finoana.

Noho izany amiko dia aza mifikitra loatra amin'izay voasoratra sy sarin-teny sy ny hafa maro milaza ilay Andriamanitrao, TIANAO SY TIA ANAO. Katsaho ary ampifandraiso aminao ny fahatra omeny anao mangina satria tsy lavitra izy fa ao aminao ary manerana.

Amiko tsy Andriamanitra no olana akory fa ny soratra izay no heverina fa io no Andriamanitra miteny, kanefa ilay boky heverina fa tena izy nandiso be dia be sady mivadibadika no mampiodikodina.

Tsy voatery manan-drindrina ny toerana ivavahana ary tsy voafetran'ny boky ilay Mahery tia sy maniry anao hiaina mandrakizay ao aminy.
40. fijo ( 16/04/2008 22:14)
aza mivanitika moa ry cutie kely an
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.105