Rehefa misy fahoriana dia mifamela

1. niryna ( 07/04/2008 16:12)
Mba mahalasa ny saiko ity,toa miady misy levona ,mifampiteny mihitsy aza ny olona indraindray hoe tsy hifandevo-maty rehefa tena samy tofoka ny ataon'ny mpiray tampo aminy ny sasany.Matetika tsy ilay mpiray tampo indray hoy ny sasany fa ilay fianankaviana miditra ao amin'ilay fianakaviana no mety tsy mitovy hevitra na fifandraisana amin'ilay fianakaviana hidirana, dia rafitra eo ny ady.
Ny mahagaga anie rehefa misy maty ka tsy maintsy mifanerasera ireo nifanao lolom-po dia miombona,dia avy eo indray miady ,dia toa izany hatrany.Misy aza ny zanany tsy maninona ery no tsy mahazo miarahaba na miditra ny tranon'ny olona niady azy.Toa mampalahelo ilay izy e,fa maninona tokoa rehefa misy maty matetika io an,fa tsy hoe foana akory izay vao miombona sy mifampiteny ny mpianakavy?
Tsy mba misy fomba azo atao ve mba hampihavanana azy ireny?
Sa aleo izay affaireny any ho azy ireo?
niryna
novalian'i niryna ny 11/04/2008 16:37
2. Jeankely ( 08/04/2008 01:25)
Satria voatery hiaraka hiasa dia tsy maintsy miresaka ary tonga hatrany @ mifamela. Ny loza anefa dia faty vaovao no ho avy raha misy ratsy saina satria afaka mifamosavy na miady mivantana eo. Tsy vitanao irery ny hilanja ny razana, hamono lamba, hanasa, andray olona sns dia miantsara ivelantsihy. Misy kosa anefa tena milamina satria tonga saina fa tokony ahavita zavatra tsara raha miray hina.
3. niryna ( 08/04/2008 15:38)
Jeankely:

Satria voatery hiaraka hiasa dia tsy maintsy miresaka ary tonga hatrany @ mifamela.
dia lasa mihatsaravelatsihy fotsiny izany e
Ny loza anefa dia faty vaovao no ho avy raha misy ratsy saina satria afaka mifamosavy na miady mivantana eo.
koa tsy loza no ahazo raha izany,aiza kosa dia ho sahy hifamosavy ve ny mpihavana,asa aloha anefa
Tsy vitanao irery ny hilanja ny razana, hamono lamba, hanasa, andray olona sns dia miantsara ivelantsihy.
izay mantsy
Misy kosa anefa tena milamina satria tonga saina fa tokony ahavita zavatra tsara raha miray hina.
izay no tokony ho tadiavina sy hirina e
misaotra jeankely a

4. Jeankely ( 08/04/2008 23:32)
Ny zava-misy @ ankapobeany no noresahiko. Tsarovy fa ny ady na tsy fifanarahana eo @ samy mpihavana dia nohon'ny fisian'ny ratsy saina ihany. Ao ny manararaotra ny havana, ao ny mialona ny zava-bitan'ny havana somary lasa aloha. Raha samy misy saina sy mandinika tsy tonga mihintsy ny fialonana satria tsapanao fa ny ezaky ny olona no mahatafita azy noho izany tsisy tokony hifaminganana. Izany anefa mbola sarotra satria miala bala ny maro hoe olombelona rehefa tratra amin'ny ataony.
5. hira ( 09/04/2008 01:20)
Hitako mbola fahendrena lehibe ananan'ny Malagasy ny hoe "tsy miady amam-paty". Na miady indray aza avy eo au moins mba nisy fotoana ni méditer-na hoe: inona izany havana? tsy misy mahavita tena, fandalovana eto antany, rehafa velona aza lany andro miady fa ny aina tsy mifametra sns sns... Avy eo moa ny hendry mahatsapa tena, ny adala misesika ihany, tsy noho ny fahafatesana izany fa arakaraky ny tsi11.
6. Jeankely ( 09/04/2008 09:52)
Tandremo koa fa mifanohitra @'ny tsy miady amampaty ny hoe MATY VAO RAMALALA. Mbola velona no mila mifanampy ary tsy mifamingana fa ny maty tsy mety voky sy tsy mahare mangatsiaka.
7. niryna ( 10/04/2008 13:22)
Jeankely:

Ny zava-misy @ ankapobeany no noresahiko. Tsarovy fa ny ady na tsy fifanarahana eo @ samy mpihavana dia nohon'ny fisian'ny ratsy saina ihany. Ao ny manararaotra ny havana, ao ny mialona ny zava-bitan'ny havana somary lasa aloha. Raha samy misy saina sy mandinika tsy tonga mihintsy ny fialonana satria tsapanao fa ny ezaky ny olona no mahatafita azy noho izany tsisy tokony hifaminganana. Izany anefa mbola sarotra satria miala bala ny maro hoe olombelona rehefa tratra amin'ny ataony.

misy fahamarinana izany ary matetika rehefa tafita ny hafa dia tonga ho azy ra fialonana e,sitomy ihidina fa aza avela hiakatra,na koa manao havana raha misy patsa,ary ao ihany koa ny manana tsy mijery ny tsy manana ,toa tsy miaraka intsony ny manana sy ny tsy manana ,lasa voavidin-dravola ny fihavanana.
fialonana ,tsy fitovizan-tsaina,ny fahaizan'ny iray izay nifikitra mafy ,samy manana ny anjara avy ny tsirairay kanefa dia tsy mety misy mionona avokoa e

8. niryna ( 10/04/2008 13:25)
hira:

Hitako mbola fahendrena lehibe ananan'ny Malagasy ny hoe "tsy miady amam-paty". Na miady indray aza avy eo au moins mba nisy fotoana ni méditer-na hoe: inona izany havana? tsy misy mahavita tena, fandalovana eto antany, rehafa velona aza lany andro miady fa ny aina tsy mifametra sns sns... Avy eo moa ny hendry mahatsapa tena, ny adala misesika ihany, tsy noho ny fahafatesana izany fa arakaraky ny tsi11.

:D :D marina tokoa izany tsy misy mahavita tena.Ilay miady lova mbola manaraka ny arabe eo ihany ,lova nosasaran'ny rar ary vao mikipy ny masony dia efa raikitra ny ady ,tsy vitan'izany ihany koa fa noho ra vola dia mivarotra an'iny no tena ataon'ny sasany,toa tsy nisy dikany ilay tanana sy hery nanangonana an'iny andro aman'alina .
9. niryna ( 10/04/2008 13:26)
Jeankely:

Tandremo koa fa mifanohitra @'ny tsy miady amampaty ny hoe MATY VAO RAMALALA. Mbola velona no mila mifanampy ary tsy mifamingana fa ny maty tsy mety voky sy tsy mahare mangatsiaka.

ie, ary ilay hoe eny am-pasana dia efa mitady solony ? :D
10. Jeankely ( 11/04/2008 12:37)
Izany indray efa haretina hatrany ambohalohany. Raha mpivady ara-dalana tsy mety hitranga ny vao eny ampasana dia mizaha soliny. Ny mifanohitra @'izay aza no mitranga. Ny fanambadiana ankehitriny moa ny filana no mibahana ka mazava ho azy fa raha tsy mahita dia mitady izany. Loza fa ny biby aza manjonitra fotoana maro vao manadino.
11. niryna ( 11/04/2008 16:37)

misy biby iray izay (fosa ) izay iray ihany ny partenerany mandra-pahafatiny ,raha toa izany daholo angamba hiadana ny tany aman-danitra,sa misy iray lozabe dia tsy afaka mivoaka intsony fa dia tafitsoka ao ?

:D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.8454