Andry TGV = Ravalomanana

1. Mio21 ( 06/04/2008 13:08)
Samy mpitantana orinasa, samy tsy olon’antoko, samy nanangana haino amanjery, samy nirotsaka ary samy lany Maire.
Ravalomanana : nahay naka ny fon’ny vahoaka dia nirotsaka tampoka tsy nampoizin’ny Fitondrana nisy t@ zany fotoana izany sy lany Filoha, satri olom-baovao sy nalaza teo @ firoboroboan’ny orinasany ary nahitàna fahombiazana teo @ fitondrana an’Antananarivo renivohitra.
Andry Rajoel : olom-baovao, nalaza teo @ naha TGV azy sy ny firoboroboan’ny orinasany, ohatran’ny efa fantapantatry ny mpitondra ny mety hisian’ny halatahaka teo @ làlana nodiaviny ka mety handrombaka ny ho Filoha atsy ho atsy. (ny tsy fantatra aloha h@ zao dia hoe misy mpanao politika ve ao ambadikany)
Raha tena izay no tanjon’ny Andry TGV, hanaiky an’zany ve ny TIM izay mety ho efa manomana ny azy ny dieny zao ihany koa, ireo antoko mpanohitra koa samy mbola te hiverina eo @ fitondrana?
novalian'i Jeankely ny 09/04/2008 17:21
2. Jeankely ( 06/04/2008 13:55)
Angaha io ry havana misy hoe manaiky sy tsy manaiky fa ny mpifidy maro anisa no manapaka anio. Rehefa taitra tapoka ny mpifidy dia avy izy ary tsy hainao ny voka-mpifidianana. Ny tena loza dia mamaimaika mifidy indraindray fa tsy mihevitra fa hazakazaka hatrany no miandry satria mbola taraiky be ny firenena. Ao ny mihevitra fa vao miala ny iray dia hiadana hany ka maneninanenina @'ny tsy antony.
Ny TIM dia manana olona favy fa asakasany raha simbainy ao koa. Be ihany izay nifandimby izay fa tsy sahala an'io Ministry ny Economie ankehitriny io TGV na nitantana orin'asa aza. Ary mino aho fa Malagasy favy io.
3. ainaheri ( 06/04/2008 15:14)
Ny vahoaka no manaiky an'iza na iza fa tsy ny antoko politika akory ry Mio raika ambiroapolo a
4. madera2 ( 06/04/2008 17:13)
ny tim tena maro olo favy fa ny gasy nihanahantra , porofon' zany ny jiro tsizarizary , ny vahoaka tsy voharo @ fananay , nitombo tahan' fahantrana sy tsy fanana' asa , ny vahoaka mpifidy any ambanivohitra dia mbola maro tsy mahalala vokatry ny habadoana ka mora reberebena , ohatra : raha tsy mifidy tim anareo dia esorina eto ny mpampianatranareo , satria ny mpampianatra @ zao dia raha tsy tim dia ratsy stuation ka matahotra ny vahoaka madinika ka mandatska vaton' tim tsy nahy ! ka R8 dia efa hita ny lainga hampanana ny tsy manana , ny TGV dia ho hita eo koa : ilaina izy mba misy mpanaitaitra ny mpitondra !
5. Tsiaritra ( 06/04/2008 18:58)
Asa alo e! Mety ho posibila, ny olona koa mantsy mitady olom-baovao, efa leo an'ireo efa nandalo rehetra teo nefa tsy alehany, Ravalomanana te hanao dingana lehibe nefa ohatran'ny mbola mahantra ihany ny vahoaka, tsy hay hoe ny ekipa ve no tsy mamely sa làlana tsy maintsy andalovana mihitsy aloha ilay fahantrana miha mitombo andro amanalina mialohan'ny tena hahatafavoahan'ny firenena.
6. Jeankely ( 07/04/2008 00:08)
Ny dingana lehibe tena vitan'i Ravalomanana tsisy lainga. Miaraka @'ny vahoaka hoy aho efa ela fa tsy vao izao dia sarotra ny dingana lehibe satria ao ny tsy tia hivoatra, ao ny mpametraka hoditr'akondro, ao ny variana @ resaka mampiady toy ny resaka foko sy fiaviana sns.
Ny fanimbana toe-tsaina io ihany no tena tsy mampandroso. Mba ahoana raha nisy nanafika i Madagasikara amin'ity finaritra mifanaratsy tsy mitondra mankaiza ity ? Angamba atsasakadiny dia azo ny firenena ary ny samy Malagasy aza no mifampitifitra voalohany mahagaga ny mpanafika.
Ny firenena ivelany sady manampy anao no mifaninana aminao nefa ny mpanao politika sasany dia mamahan-dalitra ary sahalan'ny milaza hoe misy firenena ivelany hanatobaka volabe ampandroso haingana an'i Madagasikara. Na ho lany aza ny rora dia averiko fa tsy vita mora ny fandrosoana fa ezakabe ary mety ahafaty aza. Rehefa mihevitra ny ahita fiadanana haingana dia ny ezakao manokana no ataonao. Porofon'izany ahoana no olona tsy nianatra manao mofogasy no mahavita trano fa ny nianatra mivezivezy tsy an'asa ?
7. abcdefg ( 07/04/2008 06:48)
ny zava-bita niova betsaka, kapitalisma ny tanjon'ny mpitondra,misy mahatsara azy fa ny malagasy maro,miakatra tanan-dehibe daholo hitady vola,ra mora hita ra io :tafita aby isika,tgv zao mbola mikaroka làlana,tsy mitovy zalahy fa io no nisy itovizana kely,aleo tgv ho tafita eo dia mety ho manga lanitra madagasikara
8. Jeankely ( 07/04/2008 10:11)
Izany koa ilay manadala vahoaka ihany. Raha miteny ianao hoe aleo TGV no tonga ary hiaraka hilofo sy hitady isiaka dia zavatra hafa fa ny filazana lanitra manga fotsiny eo famahanana lalitra olona ary mitarika ny olona hanenina lava. Miezaka ary mifanampy foana vao tafavoaka na iza na iza. Tonga ny iray ny sasany mpanakorontana dia izay hatrany hatrany. Inona no ho azo eo?
9. abcdefg ( 07/04/2008 11:33)
ny gasy ry JK mbola tsy mahay politika re!zay tonga eo @ fitondrana mitsetsitra ihany no atao re!
10. Jeankely ( 07/04/2008 13:22)
Dia maninona raha tsy mahay politika? Sa izay no hoe araraotina fa donto?
11. nanas ( 07/04/2008 21:01)
abcdefg:

ny gasy ry JK mbola tsy mahay politika re!zay tonga eo @ fitondrana mitsetsitra ihany no atao re!

Efa zany ny zava-misy amin zao fotoana e! zay vavety ihany no mitsetsitra ny madinika e! ny madinika indray tsy afaka ny hitsetsitra vavety izany mintsy aloha e! sady dradradraina foana amin io ilay hoe "izay avo halan-drivotra' dia lazaina fa ny gasy foana no kamo e! vendrana e! be fialonana e! nefa ny hataon ny mpitondra amin zao fotoana efa hita mibaribary hoatran ny saribao antampikandrina.
12. Jeankely ( 07/04/2008 22:14)
Koa na ratsy io na tsara mandany andro ny famisavisana izany satria tsy mahavaha olana na mapiditra mofo ao anaty vava. Raha ratsy ny eo dia manomantena ny tsara ary miseho fa hain'ny vahoaka mpifidy ny atao azy. Raha tsisy inona fa miaina @ fiainana andavan'andro eo no tokony izy fa tsy mianananana tsisy mpiheno
13. nanas ( 07/04/2008 23:46)
Jeankely:

Tena mahazo place tsara ao anatinao zany zao ny devoly a! tsy de mahagaga loatra satria miseho amin ny zavatra soratanao andavan andro eto ( fanaratsiana olona, fandrangitana ady, ny complex manginy fotsiny)

Fa zao koa oa e! nareo mpanohana fitondrana minananana demokrasia reo toa tsy mahazaka zany atao hoe demokrasia zany akory? Ra-Jeabotika zao eto miakatra hotran-drenindreny rehefa misy tsy mitovy hevitra aminy. Asaivo hakombon -ravalo mipetsipetsina etsy sy eroa iny ny vavany @ ity demokrasia ity fa na ny dikany aza hay tsy fantany akory raha atao ny fandinihana
14. Jeankely ( 08/04/2008 01:17)
Andafy ianao ka mba mahaiza mandinika. Ny demokrasia tompoko samihafa daholo ny fitrangany eran'ny firenena rehetra fa tsy misy mitovy na iray aza eny fa na any US aza amin'ny different states samy hafa. koa ahoana no terenao hanaraka ny sainao ny an'i Madaagasikara. Momba ny Prezida RAVALOMANANA dia tena Prezida milay izy. Izaho tsy fantany ary tsy mitady ho fantany satria Malagasy tsotra. Izay lesona demokrasianao dia lesona iny fa ny fampiharana ny rehetra mifanaraka @'ny zava-misy. Lesona tsara izay :-D :-D :-D :-P :-P :-P
15. nanas ( 08/04/2008 15:56)

ieeh hay na ianao aza tsy mahalala ny tena dikany sy votoatin izany atao hoe demokrasy zany akory fa mipetsopetsona hoatran azy ihany fotsiny koa, mivoaka ihany eto ny kary nafenina. Ianao aloha zao no tokony hianatra lesona fa be taim-bava sy manopa sy manadroadro olona eto @ serasera eto fotsiny kay no asanao. Mety efa karazanareo TIM reo mintsy zany le be-taimbava hatrany @ filoha ka hatrany mpikambana. Na izany na tsy zany teneno ihany Ravalo fa mahamenatra sy mampanongo-tena, ataon ny olona fihomehezana hoe " president ny gasy"
16. Mio21 ( 08/04/2008 19:37)
Anisan’ny resaka tiako nasongadina ny hoe mety ho anisan’ny hifaninana @ TIM @ fifidianana Filoha manaraka Andry TGV.

Andry TGV : mety mieritreritra fa olombaovao mety ho eo @ ilay tadiavin’ny olona, mieritreritra ihany koa fa raha ry zalahy Mpanohitra ny fitondrana ankehitriny ireo dia tsy hahazo olona ka raha mbola ireo Mpanohitra ireo irery no hifaninana @ TIM dia sûr fa tsy hanantsafidy ny olona ary ho lany hoazy ny TIM, mety mieritreritra koa izy fa Ravalomanana no tian’ny olona fa tsy ny TIM, niharihary izany t@ fifidianana Maire izay nahareseny ny Kandidà TIM nifaninana taminy. Na izany na tsy izany dia mety ho diso hevitra ihany izy satria tsy mitovy ny « départ »n’ny Ravalomanana sy Andry TGV, anisan’ny propagandy vita hoazy t@ Ravalomanana ny « Produit Tiko » ary saika isaky ny tanandehibe nanerana ny nosy dia saika nahitàna « Agence Tiko » daholo ka « Base » vita ho azy ho an’ny Antoko izany.

TIM : Ekena araka ny voalazan’ny Jeankely fa manana olona favy ny TIM, betsaka ihany koa ny olona indrindra indrindra any ambany ravin-kazo rehetra any fa Ravalomanana = TIM, @ maha antokon’ny fitondrana azy koa dia manana « Atout » be dia be izy ankoatran’ny mampatanjaka an’io antoko io.

Ny Antoko mpanohitra : Na hitambatra ho iray aza ( hanolotra kandidà tokana) dia ohatran’ny mbola kely finoana aho ny @ mety ho hahazahoany antsasamanilan’ny vaton’ny mpifidy, marina fa betsaka ny olona efa nanome lamosina an’Ravalomanana nefa tsy midika izany fa hitodi-doha any @zareo ny olona. Manantena ihany anefa, h@ zao aloha dia ny miezaka manao tsikera manomboka hatrany @zay bitika indrindra sy mampahafantatra izany @ olon-drehetra mba hampien-danja ny TIM farafaharatsiny mandrapahatongan’ny fifidianana manaraka raha tsy voailiky zareo mialohan’ny fotoana.

Fanontaniana ary : Fakafakao dia mba omeo ahy ilay vinavinanao hoe tsy maintsy ho ny TIM ihany ve no lany eo sa iza dia tohano ny hevitrao, sao dia Pasteur Maihol (zao moa le fanoratana azy ?) araka ilay faminaniany.
17. nanas ( 08/04/2008 21:30)
Mio21:

Ny mpanohitra aloha dia tena mahakely finoana ahy e! soavaly be tongatra reny tsy afaka mankaiza intsony
18. Jeankely ( 08/04/2008 23:52)
Fa firenena firy eran'izao tontolo izao no nalehanao ry mi-nanasnanas ? Mitovy daholo ny fitrangan'izany filazana hoe demokrasia izany ve ? Fa olona andafy ve no tsy mahalala ny "Theorie & Pratique". Vao mivoaka ny mpianatra dia alefa manao stage ahalalany fa hafa ny "definition" sy ny "application". Hisy ady sy hifamono eran'izao tontolo izao ve raha manaraka tsotra ny "principes" rehetra?
Izaho tsy TIM ka raha tsy resinao ny TIM dia nohon'ny fahavendrananao sy ny nataonao no manosika azy hitana ny toerany. Na hi-nanasnanas otrika mila potserina eo hoy ilay namana dia tsy mahasakana ny tany tsy hiodina ka tsisy ilaina azy. mi-nanasnanas nefa tisy vokany. TIM = Favy = Milay = TIM.
Jeankely = Vahoaka tsotra tsy mila mpandany andro.
Mpanohatra = Minanasnanas tsisy mpihaino. :-D :-P :-D :-P :-D :-P
19. fetrakens ( 09/04/2008 10:03)
De maninona nefa e!! iza indray aza no hofidin'ny olona eo ka!!!?? Dinosaure ve? sa chameau? aleo ho avy zé ho avy e!, ka ahoana moa no ahafahan'ny mpanao politika andresy lahatra ny vahoaka raha tsy @ alalan'ny haino aman-jery ka!! sa misy fitaovam-pifandraisana mahasolo ireny e!!
Ok!
20. abcdefg ( 09/04/2008 12:59)
tena marina fa misy fanonagana any o any,raha mahomby re zany dia ahoana indray ny fandehan'ny tanatara re????????
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1855