Fanononana na fiantsoana olona iray

1. ni81 ( 06/04/2008 07:47)
Tsaroako tsara taloha, raha sendra manonona anaran'olona lehibe nohon'ny tena, fa mitovy taona, na efa mihoatra noho ireo ray aman-dreny aza dia bedy, ary voalaza fa tsy manaja olona, raha vao tsy asiana RA...ilay anarana. Ohatra hoe: RASOAMALALA Bernadette no anaran'ilay olona, dia raha miteny hoe Bernadette dia bedy, fa tokony atao hoe hono: Ra-Bernadette na Ra-Bery. Ny mahavariana ahy dia: maninona no tsy nantsoina hoe RASOAMALALA? fa maninona no ny fanampin'anarana no asiana RA... nefa @ anarana efa misy lay hoe:RA....
Dia ity koa no mampihomehy: ny anaran'ilay olona dia hoe i JUSTIN, dia tonga dia nogasiana hoe : Jistà, ary maro ny anarana mitovitovy fanonona toy io. :lol:
2. fasaly ( 06/04/2008 07:57)
tena tsy nahafantatra io indray ho no mbola tsy nanao ireo fanononana ireo....
fangasigasiana sy fanafohezana kosa angamba lay hoe , justin = zistà
na hoe celestin = sely
jean paul ohatra na jean claude = zàmbôlida
rajoleina = rajou
britney= brit
silto : sitl
ikaretsaka : ika
papoose: papoo
otrzay ihany sa tsy izay?????

:°) :-P :-P

ilay RA indray mbola henoko miasa be io amin'izao rehefa ohatra i patrick dia antsoindry zalah hoe Ra-pà
3. milaibe ( 06/04/2008 09:37)
Dia misy koa ilay Ikala ,ikalafanja sns misy le efa mpinamana dia mifanono anarana tsorina @ mahapinamana fa ilay RA(Aina ...) tena fanajana RAmatoa, RAmose, fa ny ankizy(ho Rankizy dia manondro ankizy betsaka) fa tsy RAnkizy, dia misy koa ny Itompoko izao sy izao fanajana daholo
4. pissoa ( 06/04/2008 14:30)
Ny teo amin'ny Malagasy taloha be matetika, raha tsy diso aho, dia tsy nantsoina tamin'ny anarany ny olon-dehibe fa amin'ny mahaRay aman-dRenin'ny zanany azy. Matetika ny anaran'ny lahimatoan'izy miady no mitondra azy. Ilay anarana misy hoe Raini... ireny izany.

Amin'izao koa aza mbola betsaka ny hoe Maman'i ... na Dadan'i ... saingy tsy mahavery anarana toy ny tamin'ny andro taloha intsony.

Ny Ra- amin'izao (Ra-ika ohatra) raha ny fahitako azy manokana dia toa karazana mpanondro ilay izy fa tsy dia fanajana loatra.

:-D :-D :-D
5. ni81 ( 06/04/2008 16:18)
Ekeko daholo ireo lazainareo ireo. Fa ny tena tiako hiaviana dia ilay hoe: fa maninona no nasaina nasiana RA... ilay prénom, raha miantso ilay olona? Satria lazaina fa hoe tsy manaja na manivaiva raha manonona ilay prénom @ zao fotsiny; nefa afaka manonona tsara @ ilay nom satria io efa misy hoe: RA...azo iantsoana ilay olona sy ho fanajana azy koa. Taloha ireo tiako ho resahina eto io, satria ankehitriny mantsy dia tena mahazatra be ny mahita ny olona mifampiantso @ fanampin'anarana dia asiana RA...
6. voara ( 06/04/2008 20:04)
slt dohol ;raha ny fazahoako azy angamba ry ni81 ,le nom tsy fiantso matetika loatra @ tsika gasy ,satria mety maro @ izi pianakavy no mitondra anio nom io ,dia antsoina @ anarany fa asiana RA kosa mba hofanajana azy ,io fomba fiantsoantsika lai prenom io de tena tiko tokoa ,rha tonga teto andafy aho dia somary sadaikatra ihany antsoin'ny olona @ nom 'ny vadiko ,efa zatra anilay tany dago Mme..de lai prenom ny vadiko zany .
7. ikaretsaka ( 06/04/2008 23:24)
Ny fahitako azy le Ra ....+ prenom dia manambara fa akaiky anao kokoa ilay olona sady hajainao.

Misy olona tsy mahafantatra ny anaran'ilay rangahy (Nom) fa dia i Zan ba no ahalalany azy, dia lasa heo Razanba

Misy aza faritra sasany eto amintsika miantso heo Rajesoa, Ra Piera, Ramaria, sns.
Ary nony nanontaniana ny antony dia heo rehefa raisiny olona akaiky azy kokoa dia izay! Fa raha mbola misy distance dia ataony heo madama na Ramose..
tsaroako taloha raha vao nanambady Ilaikoto (Namako taloha tany bira izay) dia niova ho Rakoto izy dia ny vadiny mandra pa zatran'ny olona diua hoe "madaman-drakoto aloha" izay vao hoe Raberta! nony antotra izy dia lasa i Dadakoto!
8. ari.malala ( 07/04/2008 08:50)
Tadidiko nianaranay fahiny dia hoe fanajana ny fanisiana Ra ny anaran'olona, ary ny anarany no tononina (le nom) fa tsy ny prenom no asiana Ra fa ts azoko loatra ilay hoe efa misy anarana de maninona no mbola asiana Ra ilay prenom iantsoana ilay olona?
9. ikaretsaka ( 07/04/2008 14:39)
satria hoa matetika tsy hay ilay nom
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0604