lozam-pifamoivoizana nahatsiravina omaly maraina

1. ravatorano ( 04/04/2008 10:07)
Namono olona indray ny RN 7

14 no maty tany Ambohimandroso



Namono olona indray ny RN 7

14 no maty tany Ambohimandroso

14 no indray namoy ny ainy ka tao no maty tsy tra-drano, nisy no maty teny an-dalana sy tao amin’ny hopitalin’Ambatolampy. Izany no vokatry ny lozam-pifamoivoizana nahatsiravina nitranga tany Ambohimandroso (RN 7), omaly vao mangirandratsy.

Olona 14 be izao no indray maty ! Iray fiara ry zareo ireo. Omaly, tokony ho tamin’ny 4 ora maraina teo no nitrangan’izany, tany Ambohimandroso teo amin’ny fokontany Ambatomainty Pk+91. Fiara Mazda iray avy aty Antananarivo no nifandona tamin’ny kamiaobe iray avy any Antsirabe. Mafy ny fifandonana ! Vokany, olona 12 no indray maty teo noho eo tao amin’ilay Mazda, ary maty teny an-dalana ho any amin’ny hopitaly ny iray hafa. Tany amin’ny hopitalin’Ambatolampy kosa no namoy ny ainy ilay faha-14.

Marihina fa izy 14 indray maty ireo dia tao amin’ilay Mazda avokoa. Handeha hiasa any Vangaindrano ry zareo no izao niharan-doza izao. Niainga avy any Tsiroanomandidy.

Olona 3 no tao amin’ilay kamiao, ka ny 2 no voalaza fa maratra mafy, anisan’izany ny mpamiliny. Tsy naninona kosa ny fanintelony. Nentina teny amin’ny Hjra omaly ihany ry zareo.



Niforitra tanteraka

Nifanenjika tamin’ny fiara Mazda efa hatrany Antsirabe ilay kamiao, araka ny fanazavan’ny mpanao fanadihadiana. Teo amin’ilay toerana nitrangan’ny loza anefa no nampihena hafainganam-pandeha tampoka ilay Mazda nenjehiny. Niala an’io ilay kamiao ary nihevitra ny hisongona kanjo nifanehitra tamin’ilay Mazda faharoa avy aty Antananarivo. Niforitra tanteraka ity fiara farany. Ny ilany tany amin’ny mpamily kosa no tena voa mafy tao amin’ilay kamiao. Nanahirana ny namoaka ny razana tao amin’ilay fiara Mazda, hoy ny fokonolona sy ny zandary niara-nisalahy teny an-toerana. Nopoirina ny fiara, novahana tsirairay ny seza vao tafavoaka tao ny ankamaroan’ireo niharam-boina. Ny trakiteraben’ny Colas mihitsy no nampiasaina tamin’ny fanalana ireo fiara teo amin’ny arabe. Nalefa teny amin’ny Csb II Ambohimandroso ny razana.



Ho henjana ny sazy, hoy ny PM

Tonga tany Ambohimandroso omaly antoandro nizaha ny zava-nisy ny Praiminisitra niaraka tamin’ny minisitry ny fahasalamana, ny polisy, ny fifandraisan-davitra ary ny lehiben’ny zandarimaria. Hentitra ny teny nataon’ny Praiminisitra tamin’ireo tompon’andraikitra voakasika amin’ny fampiasana ny lalana rehetra «Ataovy mafy ny fanaraha-maso, ny fiambenana. Ampiharina mafy mihitsy ny lalàna manoloana izao toe-javatra izao», hoy izy . Ho henjana, araka izany, ny sazy miandry ny mpamily mamoa-doza tahaka izao, raha ny filazan’ireo tompon’andraikitra samihafa ireo.

Nanolotra vola 2 tapitrisa Ar hitsaboana ny naratra ary hikarakarana ireo razana ny fanjakana omaly teny amin’ny hopitalin’Ambatolampy.

Marihina fa nisy lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona 2 ihany koa tany amin’iny Rn7 iny ihany, tany Ihosy, afakomaly hariva tamin’ny 5 ora. Kamiao sy Mazda ihany koa ireo nifandona ireo.

Tsiahivina fa tranga mitovitovy amin’izao ihany koa no nitranga teny amin’ny Rn2, teny Ambanitsena vao tsy ela akory izay, olona 9 no indray maty tamin’izany. Fandehanana mafy, tsy fitandremana… hatrany no anton’izao.


Nangonin’i Yves S. sy r.r

Sary : Fred R.

gazety taratra
04/04/08











2. kiadi ( 04/04/2008 10:21)
mapalahelo fa de ny tsy manatsiny no matimaty @ adalan'ny hafa!
3. zoky ( 04/04/2008 10:57)
Loza zany ka loza, tena mampalahelo,hanatra ho an'y hafa,az d mifanenjika2,n tampoka ts ampoizina, ny tonga ian no arabaina.
kiadi: marina io ny ts manatsiny maty2 fona,
ka iny lalana iny ko tena maha be faka-mpanahy @ fandehanana mafy mits e, maro ny mitsapa2 fahaizana...
4. kiadi ( 04/04/2008 11:11)
ka na izany aza ange de milalao ain'ol enao vô mifanenjika eny @ in lalana in
5. ari.malala ( 04/04/2008 11:43)
mirary fiononana hoan'ny namoy havana izany ko:cry::cry: anatra hoan'ny tia mirimorimo io
6. ravatorano ( 04/04/2008 12:06)
misy amin'ireo olona namoy ny ainy ireo no fantatro ary tena fantatro mihitsy
satria mbola ao anatin'ny fianakaviana mihitsy tena nampalaelo mihitsy tokoa lery namela zanaka kamboty ary vady mananon tena nefa andeha hitady vola no nialany tao antranony.
:cry: :cry: :cry: :cry:
:snif: :snif: :snif:
7. abcdefg ( 04/04/2008 12:48)
tsy ny làlana no mpamono fa ny mpitondra,fanka-panahy ahoana moa ?tsy aleo ve manana làlana tsara, tsy manimba fiara toy ny taloha,lavorary ny fitanterana, mavita tatitr'olona in'2 na 3 isanandro!ary ra misy autoroute zany aty dago :?: :?: :?: maty aby ny gasy :evil: :evil: :evil:
8. melody ( 04/04/2008 13:01)
mampalahelo tokoa ilay fisehon-javatra, vao miasa tena mampalahelo rehefa misy aina very ka miara miory @ ireo fianakaviana tratran'io zava-doza io ny tenako :(
9. menalamba ( 04/04/2008 14:02)
Somary nanafintohina ahy ilay sary t@ gazety ,mampiseho ilay razana tsindronina formol eo @ kibo Toa tsy manisy hasiny ilay olona.Angaha dia tsy mba nisy sary hafa azo napetraka afa tsy izay?? Mirary fihononana ho an'ny havan'ny maty ny tenanay .
10. kiadi ( 04/04/2008 14:03)
abcdefg:

tsy ny làlana no mpamono fa ny mpitondra,fanka-panahy ahoana moa ?tsy aleo ve manana làlana tsara, tsy manimba fiara toy ny taloha,lavorary ny fitanterana, mavita tatitr'olona in'2 na 3 isanandro!ary ra misy autoroute zany aty dago :?: :?: :?: maty aby ny gasy :evil: :evil: :evil:



diso enao fa tsy ny autoroute no tena mamono ol!! rah tena atao ny statistika de ny route national no be maty fa ny autoroute no be accident!
11. ainaheri ( 05/04/2008 00:46)
tokony ndray gadraina ny chauffeur mazda sy camion nifanenjika
12. xxx ( 05/04/2008 11:59)
fa sakay sy maso ve izany ny kamiao sy ny mazada amin'iny RN7 iny izany e????
tsy azo ekena mitsy kosa ny mifanenjika toy izany...NY TSY MANAN-TSINY foana no voa sy matimaty foana....
mila ampiharina mihitsy ny lalàna .....
13. rush ( 05/04/2008 15:35)
tena mampalahelo koa ty,vao mahita lalana tsara ve izany ny saofera dia manitsaka avy eo mamono olona toy zao?mamangy @ fahoriana ny fianakaviana namoy havana aho,mamporisika ny hanasazina mafy ny mpanao kitoatoa aho,mpilalao ain'olona tsy valahary,
14. tsiambaratelo ( 05/04/2008 20:17)
Manaona dôly ndray ny namana ô!Tena mampalahelo be lay loza-piarakodia!Mandefa teny fampiononana hoan\'ny fianakavian\'ireo nodimandry!Mety tsy nahay ny code de la route kory angamba lreo mpamily nifanenjika!Fa ny mahazendana ahy dia camion sy mazda fona no mifandona matetika @iny Rn7 iny!Tsy ela koa nisy camion sy mazda nifandona t@iny route d\'Ambositra iny,ao Antsirabe.Le chauffer ny mazda rendremana dia nangalatra à droite,le camion tany @droite ny somary nisy kihondalana teo @le croix rouge teo,olona 2 naratra mafy no sisa ny rehetra maty aby ny chauffer ny camion sy le mazda samy maty daholo,zahay saika tao no raisina,soa ihany fa nitaretra be le olona nalaina fa ratsy zay de glii tao zahay!Tena nivadika le camion d voatsindry tao le mazda!
15. zoky ( 08/04/2008 09:29)
ka ra vo resaka camion d ts tokony hifanenjika mits alo ratokony ho izy na koa fiara mpitatitra olona e, olona no tanterina fa ts hanao rallye akory, camion anie misy mantanjaka e, ka ts voafehinao ra sendra ny tampoka.
ts misy afa ts ny mitandrina iany dia fanenjanana sy fampiharana ny lalana @ zay miho-pefy mba hisorohana ny toy izao @ manaraka
16. tsiambaratelo ( 08/04/2008 14:17)
ravatorano:

misy amin'ireo olona namoy ny ainy ireo no fantatro ary tena fantatro mihitsy
satria mbola ao anatin'ny fianakaviana mihitsy tena nampalaelo mihitsy tokoa lery namela zanaka kamboty ary vady mananon tena nefa andeha hitady vola no nialany tao antranony.
:cry: :cry: :cry: :cry:
:snif: :snif: :snif:



ka ny sasany matikambo be fotsiny ireny mpamily ireny,lalana haiko tsara io
ka tsy misy tokony hitenenana ahy!nefa ny tampoka tsy mahalehilahy!
tsisy manaraka tsony ny lalan'ny fifamoivoizana,hafa ndray izy raha we,nisy menaka ny lalana dia nibolisatra!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2704