Sitrapo fa tsy avy @'Andriamanitra ny Fahantrana.

1. Jeankely ( 01/04/2008 00:19)
Tsy Andriamanitra mihintsy no mahatonga ny FAHANTRANA fa sitrapon'ny olombelona. Asaina miezaka dia milaza ny fisian'ny mandeha hoazy. Ny vahoaka asaina mifidy milaza tsy tia ahalala izay mitranga sy lany ao. Ny mpanao politika lazaina fa izay tsy mangalatra sy manapitra ny volam-panjakana dia vendrana. Ny mpivavaka toa misy manafangaro ny vavaka sy ny fikafika politika sns. Ka raha tsy tafavoaka dia tsy Andriamanitra fa ny sainaben-dra-olombelona tompon'andraikitra no mahatonga ny tsy fetezana sy fahantrana. Raha ny fikambanam-pivavahana na ny mpitory fivavahana no mivilana fijery dia ireo no mivilana fa tsy Andriamanitra.
novalian'i Jeankely ny 07/04/2008 22:22
2. kanota ( 01/04/2008 06:30)
Dadaben'i badboy no nampahantra ny gasy owaywaywayn
3. Jeankely ( 01/04/2008 08:44)
Manakarena Badboy fa mahantra ara-tsaina. :-D :-D :-D :-D
4. rabingogilabanga ( 01/04/2008 10:58)
mety ho marina, saingy ratatouille, vary amin'anana, illisible ny hevitr'i toi: hevitra gasy (sasantsasany)

responsable daholo ny rehetra = dia midika tsy misy responsable

satria, responsable ny tsi-1-1,responsable ny politika, responsable ny mpivavaka, responsable ny manampahaizana, responsable ry dadabe, responsable ry nenibe, responsable ny zanaka, responsable vady, responsable angahy, responsable ramatoa, responsable ny vinanto, responsable ny zafy, responsable ny mahantra, responsable ny manankarena, responsable ny adala, responsable ny hendry, responsable ny vorona, rsponsable ny akoho, responsable ny VIH, responsable ny parasy, responsable ny kongona, ...

illisible, tsy hay vakiana, tsy misy responsable
5. Jeankely ( 01/04/2008 14:49)
Manahoana ry kongona aaaa :-D :-D :-D :-P
6. mmmhh ( 01/04/2008 15:59)
misy kongona koa kay ato?
7. razaordira ( 01/04/2008 16:22)
Aiza koa no mbola nisy olona hoe naniry te-hahantra e.
ounntsss... Dia ho sitra-po ve ny fahantrana ? ounntsss...

8. Jeankely ( 01/04/2008 23:12)
Mifoka sigara marary ary manepotra ny sasany : sitrapo. Misotro toaka, mamolava: sirapo. Miseho ho mana, bogosy, mapirafy, milalao fitaovampananahana: sitrapo. Asaina mianatra mahita fa tsy nianatra indray no manakarena avy eo mitady fahalalana: sitrapo....Ireo avy amin'ny tena. Fa ny eo amin'ny fokotany na fiaraha-monina. Atsipy etsy sy aroa ny fako, ny hoditra ankondro, manjera ny sasany, manentsina lalan'ny rano: sitrapo. Misafidy na miaro ny manao politika tsy mahavoa: sitrapo. Kendan'ny nasesiky ny tanany: sitrapo. Mahantra tsy mivoatra ny firenena: sitrapo. Tsy avy @ Andriamanitra daholo.
Tezitrabe fa manao resaka alika JK: sitrapo :-D :-P :-D :-P :-D :-P
9. Rasiligaoma ( 02/04/2008 04:18)
ary sitrapon'iza ny mampahatra olona?... manjanaka olona sy ny sisa?
http://www.dailymotion.com/relevance/search/nee%2Bsur%2Bla%2Bmeme%2Betoile/video/x20k1u_diams-soprano-nee-sous-la-meme-etoi_music
10. Rasiligaoma ( 02/04/2008 04:21)
http://www.dailymotion.com/relevance/search/nee%2Bsur%2Bla%2Bmeme%2Betoile/video/x4e5lh_iam-nee-sous-la-meme-etoile_music
11. Jeankely ( 02/04/2008 06:19)
Tsy nojereko hatr@'ny farany fa hitako fa mbola manamafy ny soratro aho. Tsy andriamanitra no nahatonga ny fahantrana. Ny olombelona misy saina noho izany raha biby misy kilema dia mety mbola hisaina lalina aho saingy nahazo tombony ny olombelona. Sitrapo ny miteraka fa tsy zanaky ny fanahy masina ny zaza vao teraka. Ny zaza tsy manantsiny fa sitrapo sy fitiavan'ny ray sy reniny no nahatonga azy. Izaho tsy nianatra tany Parantsa sahala anareo fa aty @ misy aho no itoerako. Avy amin'ny ezaky ny tenanareo na ny Ray amandreninareo no nahatonga izany ary tsy tokony ho tezitra na hialona aho satria izay no sitrapo.
Satria ato @ Politika dia averiko @ politika. Matoa sahirana ny firenena dia ny safidiny. Andao hanao Boky Mena olombelona izany, andao asiana Zafy Albert dia ampihinano PAISOMANTA, avereno ny deba, asio TIM malaza sns. Sitrapo fa tsisy avy @'Andriamanitra izany. Raha sahirana dia ny tsy fahaizana mitady vahaolana, na tsy nahay nisafidy hatrany amboalohany. AZA MAMPIDITRA ANDRIMANITRA MIHINTSY.
12. Rasiligaoma ( 02/04/2008 06:28)
ny olona manjanaka olona no mahatonga ny fahantrana ry JK raha fintinina a!
13. rabingogilabanga ( 02/04/2008 11:23)
Mifoka sigara marary ary manepotra ny sasany : sitrapo. Misotro toaka, mamolava: sirapo. Miseho ho mana, bogosy, mapirafy, milalao fitaovampananahana: sitrapo. Asaina mianatra mahita fa tsy nianatra indray no manakarena avy eo mitady fahalalana: sitrapo....Ireo avy amin'ny tena. Fa ny eo amin'ny fokotany na fiaraha-monina. Atsipy etsy sy aroa ny fako, ny hoditra ankondro, manjera ny sasany, manentsina lalan'ny rano: sitrapo. Misafidy na miaro ny manao politika tsy mahavoa: sitrapo. Kendan'ny nasesiky ny tanany: sitrapo. Mahantra tsy mivoatra ny firenena: sitrapo. Tsy avy @ Andriamanitra daholo.
Tezitrabe fa manao resaka alika JK: sitrapo


misy daholo ireo n'aiza n'aiza, na @ fotoana inona na @ fotoana inona, ny olombelona dia toa izany hatrany.

ny mamolava, ny mampirafy, ny mifoka sigara, tsy voatery hahantra , satria mety hanankarena koa.

ny responsable: dia ny politika.

1960-1972: gasy ihany no netina, anisan'ny nanakarena isika taty afrika.
1972-2008: gasy ihany no oentina, faran'ny mahantra isika aty afrika.

le constat sy ny fait sont là, et têtus
14. Jeankely ( 02/04/2008 12:29)
Ka manantona any amin'ny resako ihany Ra-bingobogosy kay. Vao niditra teto aho dia nosoratako any aloha any fa ny MPANAO POLITIKA no nahavizana an'i Madagasikara satria izay tonga milaza mahay avy eo voalaza tsy mahavoa daholo hoy ny mpanoratra. Nosoratako io ry ledada ary manjoy ny resako aho fa tsy mitranga mihemotra sahalan'ny sasany. Ny ahy tsy miova amin'ny resako mihintsy aho fa mifanohy. Sao manao sahalan-dry zalahy tia ahazo ny sain'ny kil dia manafosafo ary atsy ambadika mamely daka mandrivorivo. Izay no Bazylou, Badboy, Tezitra sns. Sitrapo daholo no mahatonga izany fa tsisy resaka Andriamanitra eny fa na milaza mamoaka demony aza ny sasany etsy sy aroa :-D :-D :-D :-P :-P :-P
15. rabingogilabanga ( 02/04/2008 13:05)
Ka manantona any amin'ny resako ihany Ra-bingobogosy kay. Vao niditra teto aho dia nosoratako any aloha any fa ny MPANAO POLITIKA no nahavizana an'i Madagasikara satria izay tonga milaza

oui saingy alefaso lalindalina,

matoa possible t@ 1960-1972

dia soloina izay tsy mahavita, sty mahavita hoy aho, fa tsy voatery nangalatra. mety nanao izy fa tsy vitany le asa. dia atao ny hanoloana, na ny rafitra (federalisme pur ohatra), na ny mpitondra.

Tadidio 17 millions isika, donc tsy maintsy misy iray compétent ny 17 millions

fa tsy ze eo ka hiaro ny toerany, dia hilaza hoe: aza mety rebireben'ny politika.

Ratsiraka en 19991 sy 2002, nilaza aza mety tarihin'ny politika, nefa ny sezany no tiany tsy hisy hanankorotana.

dia toy izany t@ tsiranana; (tiranana aza mba competent)

dia izany no lazain'ireo mitondra @ izao, aza mety mikasika politika sao manimba ny toeranay, nefa izy nanao an'io taloha
16. Jeankely ( 02/04/2008 14:52)
Ny teniko aminao rabingobosy dia izao: Tsy misy maharo ny tsy alehany fa rava foana rehefa tsy mahavita na nangalatra izay voalazanao. Tsy voaharo izany fa ny mpanohitra no tena tsy hitokisan'ny olona ka na hevitra mety ho manja aza no entiny dia lasa boribory satria ireo tsy nahavoa teo aloha no mitondra azy. Mbola miverina ihany aho avy amin'ny sitrapo daholo izany.
17. badboy ( 02/04/2008 16:53)
Tsy voaharo izany fa ny mpanohitra no tena tsy hitokisan'ny olona ka na hevitra mety ho manja aza no entiny dia lasa boribory satria ireo tsy nahavoa teo aloha no mitondra azy

Io njay litle jean fa manao mpaminany sandoka!! Tsy voatery hoe rehefa tsy mitovy hevitra @ mpitondra dia satria vokisan'ireo teo aloha!! Misy tokoa ireo mitady mafy ny hiverenan'ilay raika lahy taloha satria izay ihany no hahafahany mahazo seza, mangorombola sns sns!!
Saingy, manao ny hafa ho tsy manankevitra izany sady hevitra zatra lalandririnina!! Misy ny mitady hevibaovao sy fomba fanoavana vaovao!! Ohatra lehibe TGV!! Hita eo ihany izay ho vitany fa @ zao aloha ny misongadina dia ny fanakanana ataon'ny sasany eo @ fanataterahany ny fanavaozana tiany hatao sy ny tsy fahakiviany miatrika ireo olana ireo!! :°) :°) :°) :°) :°)
18. madera2 ( 02/04/2008 17:22)
tsy misy azo ambara momba zany fa sarotra be lay izy ko:mety avy @ andriamanitra koa no mampahantra satria izy no nampiditra lay sitrapo t@ olombelona ! :^)
19. Jeankely ( 02/04/2008 23:00)
Olombelona donto baikon'ny demony hatrany ampiandohana ka ny voarara no nohanina. Mampiasa Baiboly loatra ny Malagasy nefa tsy mifanaraka amin'ny fiainany sy ny ataony ny ao anaty Baiboly hany ka lasa olana daholo ny rehetra. Sitrapo daholo. Ho an'i badboy dia mampiomehy satria be no nilaza io TGV io TGVendrana teto nefa avy eo lazaina fa lalan-tokana ahazoana ny fanjakana indray. Mba rohizo ny zavatra noranitina teo aloha.
Averiko fa adalana ny manenjika ny favy satria vao mainka manosika azy hiakatra izany. Tsy mbola nandeha ny fifidianana dia efa nilaza izany aho teto. Izaho tsy karazan'ny mpijapy train ka rehefa andalana ny olona dia avy. Izay no tsy nahatafavoaka izay tonga rehetra. Ny mpijapy train sy lomorina foana no mameno ny trano. Io no mahatonga an'i Madagasikara sahirana. Ny saina tia ho ary amin'ny lalana hafa saingy miaraka amin'ny olona mandeha amin'ny resaka mifanohitra. Dia variana mifandrirorirotra eo. mbola sitrapo ihany izany.
20. nanas ( 07/04/2008 21:12)
Jeankely:

Olombelona donto baikon'ny demony hatrany ampiandohana ka ny voarara no nohanina. Mampiasa Baiboly loatra ny Malagasy nefa tsy mifanaraka amin'ny fiainany sy ny ataony ny ao anaty Baiboly hany ka lasa olana daholo ny rehetra. Sitrapo daholo. Ho an'i badboy dia mampiomehy satria be no nilaza io TGV io TGVendrana teto nefa avy eo lazaina fa lalan-tokana ahazoana ny fanjakana indray. Mba rohizo ny zavatra noranitina teo aloha.
Averiko fa adalana ny manenjika ny favy satria vao mainka manosika azy hiakatra izany. Tsy mbola nandeha ny fifidianana dia efa nilaza izany aho teto. Izaho tsy karazan'ny mpijapy train ka rehefa andalana ny olona dia avy. Izay no tsy nahatafavoaka izay tonga rehetra. Ny mpijapy train sy lomorina foana no mameno ny trano. Io no mahatonga an'i Madagasikara sahirana. Ny saina tia ho ary amin'ny lalana hafa saingy miaraka amin'ny olona mandeha amin'ny resaka mifanohitra. Dia variana mifandrirorirotra eo. mbola sitrapo ihany izany.


Ra-Jeanbitika zany zao baikon ny demony tsara an????
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0079