Fari-bolana MAHALEO

1. volazara ( 30/03/2008 09:05)
novalian'i imeva ny 31/03/2008 05:59
2. volazara ( 30/03/2008 09:10)
mba homeo lay tonon'ny Fari-bolana an'i MAHALEO zaho ok. Misaotra mialoha
3. Gie ( 30/03/2008 11:12)
Olona samihafa loko , samihafa firazànana
Tsy tia mitsitokotoko fa mifandray tànana

Samy faly sy mahatsapa fa ratsy ny mizarazara
Ka aleo iray lapa mitovy zo mitovy anjara

Ireo tanana izay mifandray toa sarotra sarahana
Toa miloko rano iray tsy hita ho havahana

Toy ny ankizy miara milalao , toa lavitry ny olana
Jereo ireto izy malaina hifandao manao faribolana

Dia mihodina tsy misy fiafarany miodidina fitiavana
Fa tsara sy mamy aok’izany izany hoe mifampihavana

Hadino hoe Rakoto ilay mavomavo , Rabe ilay manana
Fa samy hazoto hanandratra izany fihavanana

Jereko ny manodidina ahy toa mianjona mangarika
Antsoiko hoe ndao isika hiray tsy misy voasarika

Fa misy ny loko tsy mety hifangaro, misy harena tsy hihavanana
Dia mitsitokotoko miala amin’ny maro ny fotsy sy ireo manana

http://tononkira.serasera.org/index.php?rub=tononkira/hira&id=468
4. imeva ( 31/03/2008 05:59)
Samy faly sy mahatsapa fa ratsy ny mizarazara

Samy leo sy nahatsapa fa ratsy ny mizarazara

----------------------------------------------------------------------------
Fa samy hazoto hanandratra izany fihavanana

Fa samy hazoto hanandratra ny hiram-pihavanana

http://www.dailymotion.com/relevance/search/faribolana/video/xj2s5_mahaleo-faribolana
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0466