Afabaraka i Madagascar aty ivelany

1. rajoelina ( 29/03/2008 08:30)
FIFA?

ny politika gasy hono ny antony izao,ary sambany aho vao nahita lohahevitra fanantajahantena malagasy nivoaka tamin'ny gazety taty ivelany, kay TSY zavatra tsara akory no novakiako tao fa zavatra ratsy be manalika...
2. BRILLANTE ( 29/03/2008 09:06)
asio rohy hoe izany fanakianana izany ry rajoelina!
3. rajoelina ( 29/03/2008 09:21)
BRILLANTE: tamin'ny gazety AS real madrid no nahitako an'ity vaovao ity, raha tsy matoky nareo soraty ao amin'ny GOOGLE, ohatra http://www.radiotrece.com.mx/2008/03/20/fifa-suspende-a-madagascar/

Afabaraka wa, fa iza indray ity Ramiaramanaity e!!!!??? :-D:-D

Si la suspensión sigue, Madagascar no podrá participar en los clasificatorios para el Mundial de Sudáfrica-2010, que comienzan en el mes de mayo.

Zany oe.. efa tsy afaka mandray anjara intsony i Mscar amin'ny mondial 2010 raha mbola tafakatra teo.

Tena tsy azoko maintsy ny antony izao zavatra izao. Kanefa isika dia mampalahelo dia mampalahelo amin'ny resaka baolina kitra.
4. milaibe ( 29/03/2008 09:55)
Io ko lesy tena tsy azoko mintsy lehaka ty fa mifangaro politika be lay sport de zay ny aminy !!!
5. Jeankely ( 29/03/2008 12:37)
Fa taloha ve tsy nifangaro Politika dia nahazo Champion d'Afrique iza? Ny politika dia fositra hatr'izay na izany koa tsy ny fanatanjahatena ihany angamba no tsy mahavoa. Sa ianao mahavoa? :-D :-D :-D
6. zandikely ( 29/03/2008 13:42)
Mila miala ny Ministra sy ny Staff rehetra ao amin'ny Federasionina fa ny structure tsy tokony ho ravana.
Izany ve ny ministre reharehana fa compétent e?
:x
7. rajoelina ( 29/03/2008 18:53)
:-D :-D :-D Firenena mizaka tena marina ity, de tsy malala menatra ve ny gasy amin'izao vaovao ratsy izao?
8. kiadi ( 29/03/2008 19:19)
de toute façon tsy nety lasa lavitra ny kitra gasy ka na voasazy na tsy mitovy ihany!
9. tovolahy007 ( 29/03/2008 19:40)
Salut doly!
Mba alefaso lavitra ny saina ry zalahy a. De ra hoe mbola afaka niatrika lalao iraisampirenena ve zany ny Barea de ahatoky i rajoelina fa ho tafakatra hanao Mondial ?? tsssss. Aleo mitsy aloha hidaboka de samy mandinika tsara zao e. Nga zany Mondial zany heverinareo fa Jeux Des Iles kle???hahaha. CAN ary na de 1/4 de final tsy mbola tratrany gasy ka zay Mondial ve?? Asa @ nareo zany hoe resy lava zany tsy baraka be ve??Amiko aleo afabaraka hoe tsy milalao toy izay afabaraka fa resy lava.
10. zandikely ( 29/03/2008 20:31)
Mbola manatrika lalao iraisam-pirenena aza ve isika mbola sahirana, ka vao maika ve tsy hanatrika dia inona ny fahatasarana ho azo amin'izany.
Azo atao tsara anie tsy mandray anjara amina lalao iraisam-pirenena fa nefa tokony sitrapo fa tsy noho ny sazy.
Tsy baraka velively ny resy zany fa mety ny fomba faharesanao angamba. Ny sport dia natao hisy handresy sy resy, fahaizana mandresy sy fanekena rehefa resy izay ny Sport e!
Sady angaha moa ny Mondial irery no tsy azo handraisan'i Madagascar anjara amin'izany, na ny lalao Afrikanina, na aty amin'ny Ranomasina Indianina dia tsy hahafahany mandray anjara intsony, na dia match amical aza tsy ho azony atao.
11. milaibe ( 29/03/2008 22:30)
Tsy hoe tsisy politika lesy jeankely ny nahazo amboara fa le nepotisme fa tsy compétence no tena mitondra an'io fa aza manao valim-boraingina, io zay ny aminy dia hisainany zay mitady toerana fotsiny tsara ho azy zany ,mba ho départ bonne base lehaka
12. Jeankely ( 30/03/2008 12:53)
Ny tiako ambara dia mety tsy hazonao tsara. Milaza aho hoe hatrany amboalohany lavitrabe dia afabaraka ny Malagasy fa tsy vao izao noho izany mila miezaka mafy daholo daholo na izaho na ianao. Fotoana firy no nakan'ny vazaha an'i madagasikara rehefa niady? Vitany fotoana fohy ary ny samy Malagasy aza no mbola mifanenjika hatramin'izao sady vitany nangina mihintsy ny fanjakana Andriana. Raha mijery Miaramila Jeneraly na Colonel ianao dia tsy niaina izany Guerre izany fa antitra tsy nahita ny tena mazana fa sahala izay ve ny sasany lazao. Raha ny Mpampianatra @'ny University Malagasy indray, dia mba ahoana no ataon'ireo mpianany vao mivoaka sy mandray Bourses ivelany? Eny hatramin'ny bibilava sy ny biby anaty ala aza dia misy Bibilava afaka mitelina olona nefa vao mahita sahala ny fehy dia efa sahirana raha Malagasy. ny hafa misy Lion, Tigre, sns...Resy @'ny maro io re-dada fa tsy zavatra vitsy.Ezakabe no ilaina.. Koa aza variana @'ny zavatra tokana ary io ve no tokony hiazakazahana voalohany?
13. xxxx1 ( 30/03/2008 13:14)
tsisy lohany sy vodiny zay resaky ra Jean kely

Mila ezaka be @ fitondrana lohahevitra ialahy ra Bainina. Variana manenjika olona eto @ sera² fotsiny fa rehefa tena resaka milamina tsy hita izay mba votoatiny

:°)
14. Jeankely ( 30/03/2008 14:38)
Iza no miresaka milany aminao raxxxx one a. Tsisy bainao eo. Izay sahala aminao ataovy fehikibo raha mahatakatra.
15. ikaretsaka ( 30/03/2008 23:03)
kiadi:

de toute façon tsy nety lasa lavitra ny kitra gasy ka na voasazy na tsy mitovy ihany!



miova taranja hoa
16. ronaldo09 ( 02/04/2008 11:05)
Nareo ampiresahan' rajoelina fotsiny bandy sasatry ny manohana an'i Barca izy io ka te hakany Bernabeu!
17. andryrabe ( 03/04/2008 14:34)
mbola ho ela wa isika fa zany hoe aoka tsy hanary fanantenana....io nge anjato taonany vao nandroso ny olona e, isika vao haingana fa mbola ho avy eo ihany. manana faharetana. ny kapoka sy ny sazy isankarazany ange tsy maintsy iainana dooly amin'ny fiainana e.
18. tovolahy007 ( 06/04/2008 14:34)
O ra zandikely a
Efa niova marina anie zany sainareo zany e. Tsy mahamenatra nareo mitsy ve zany ny hoe tsy mba misy fivaorana mitsy???? De gaga aminareo aho kle. Amiko zany rakoto de mahamenatra. Misy teny malagasy mazava zay hoe:" Tsy maintsy misy ny lavo fa izay mahay miarina kosa, zany ny tena olona". Ka asa mba t@ fotoana inona ny Club M de niova ho Barea no mba nihotra sy mba naneho ny ezaka zay nataony?? Diniho tsara ndray aloha zay vao mamaly eo. Ka asa aminareo zany zavatra efa hita fa maparary sy efa hita le aretina de tsy rarahina fa avela ho eny foana. Ny zaza tiana tsy tsitsina ratsakazo ranamana a, ra tena tianao ny zanakao de kapoy refa manao ny tsy mety ,sazio fa ho hitanao fa ho tadidiny ary tsy ho ataony tsony ny ratsy nataony avy eo fa hiezaka izy hanao ny zavatra tsara. Ka aleo ahazo sazy mitsy aloha e, de mbola averiko ndray, @ zao samia mandinika tsara doly @ zay.
19. andryrabe ( 06/04/2008 19:21)
marina izany ry zazalahy a, nefa mba koziko ihany koa hoe tandremo fa sao maty daroka de tsy tafarina intsony avy eo.
20. tovolahy007 ( 06/04/2008 22:45)
Salama e!
Andryrabe> zay le kozy zay, tsy natao hamono lay kapoka lazaiko rahalahy fa kosa kapoka ahatonga saina. Misy ny sazy sy kapoka tena ilaina. Izao mahzo antsika zao de ilaina mitsy de samy mandinika tsara @ zao na ny Federasionina na ny Ministera, ny mpilalao,ny mpijery iany ko, ary ny malagasy retra
Za dia menatra mitsy aloha @ faharesendava,tsy mba misy fivoarana na de kely azany,mahamenatra zany amiko fa ny sasany efa tsy mahalala menatra tsony ka de aleo andeha foana fa aza rarahina any na resy lava aza. izany ve apandroso? Inona le hoe fandrosona e???? Mahonena isika Gasy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1032