Inona ihany no tena marina???
1. badboy
(
29/03/2008 05:08)
> Teny zato, kabary arivo
Asehoy ny marina
vendredi 28 mars 2008, par Naivo kely
Mandeha ny fisamborana manamboninahitra. Tsy vao izao fa efa ela, hoy ny mpandinika, ary maro no efa nahiditra am-ponja. Fikenokenonana hanongam-panjakana no fototry ny fisamborana.
Andraikitra lehibe ho an’ny firenena ny fitandroana ny filaminana, indrindra ny maha-iray tsy mivaky ny firenena. Ezaka lehibe heverina fa tsy azo hamaivanina ny fepetra henjana ho an’ireo minia te-handrava ny filaminana eto.
Mipoitra indray ity fanonganam-panjakana ity tao ho ao. Tsy ny mpanao politika mivantana no voakasik’io, fa ny eny anivon’ny tafika. Re fa mandeha ny fisamborana etsy sy eroa, ary efa mandeha ny fanadihadiana isan-karazany. Manana ny tsiambaratelony ny fanadihadiana, saingy mila ho fantatry ny rehetra ihany ny tena marina. Raha hitodiana kely ny mikasika ilay ambara ho fikasana hamono ny filoham-pirenena ny datin’ny Aprily 2007 lasa teo, dia nambara fa voasambotra ilay olona. Iza izy io, ary nanao ahoana ny tohin’ny raharaha ? Nahoana no tsy aseho vahoaka toy ny nahazo an’ilay lehilahy antsoina hoe Ivan teny Ambohibao izy io ? Asehoy ny marina mora hitandreman’ny tsirairay. Misy hifandraisany ihany koa ve ny fanehoan-kevitra politika mateti-pitranga tao ho ao sy ity fisamborana manamboninahitra ity ? Miandry ny fanadihadiana ny rehetra, ary ho hita eo ny marina.

novalian'i badboy ny 04/04/2008 11:21
3. badboy
(
29/03/2008 11:15)
kanota:
I badboy ilay izy.
Misaotra anao manome voninahitra lehibe manohana hoe izaho ilay izy!! Saingy tsy manana zo ny hangalatra ny hevitry ny hafa ny tenako noho izany dia asehoko eto fa ao @ gazety tribune io ary i Naivo no naoratra azy!! Izaho mampiseho fotsiny hoe izao no fahitan'ny mpanao gazety ny zavamisy!
:idea: :idea: :idea: :idea:
4. Jeankely
(
29/03/2008 12:39)
Fa aiza ny fahitanao azy lazao ary mba ahitana ny tena fijoronao na mitongilana havia na mihanavanana na matory mitsangana :-D :-D :-D
5. badboy
(
29/03/2008 18:34)
Fanga mila mitongilana zany!! Mitady ireo izay hatafavoaka an'i dago zay no tanjona aloha @ zao!! Hita eo ihany ny tohiny aveo!! :idea: :idea: :idea: :idea:
6. Jeankely
(
30/03/2008 06:20)
Inona no ahatafavoaka an'i dago zahavinao raha ny hampisavorovoro saina no ataonao? Ny rehetra samy manana ny andraikiny ary ilay mifampitsabaka no tena fototry ny olana. Ny zaza mbola any andakilasy dia ny famitany ny fianarany faingana no tokony hataony fa tsy ny hanana tra ny mpitondra. Ny mbola tsy niteraka tsy mananatra ny efa dada. Ny dada mahay mitondra tokatrano no mananatra ny mivarilavo. Ireo millaza mahay nefa tsy nitondra nankaiza koa tsisy lesona azo avy aminy. Tsy fototra napetrany. Ireo izay mpamitaka vahoaka dia ahoana? Etsy ambany mitaraina ny voatifitra fa naninona no nanaraka tsy ampieverana ary tsisy finoana angaha ka rehefa sendra ny mafy dia manenina? Ny tena marina dia vitao aloha ny fianarana avy mandraisa andraikitra. Tsy sahala ny taloha izy izy ka ny mbola any andakilasy no mpanolotsaina na ny tsy nahavita fianarana no manolontsaina teny @ Ministeran'ny Ambaratonga Ambony. Izany no tantara napetraka nefa miseho favy.
7. badboy
(
30/03/2008 08:36)
Inona no ahatafavoaka an'i dago zahavinao raha ny hampisavorovoro saina no ataonao?
Mandeha ny fisamborana manamboninahitra. Tsy vao izao fa efa ela, hoy ny mpandinika, ary maro no efa nahiditra am-ponja. Fikenokenonana hanongam-panjakana no fototry ny fisamborana. (...) Misy hifandraisany ihany koa ve ny fanehoan-kevitra politika mateti-pitranga tao ho ao sy ity fisamborana manamboninahitra ity?
F'angaha lainga io voalaza eo io?????
Ny zaza mbola any andakilasy dia ny famitany ny fianarany faingana no tokony hataony fa tsy ny hanana tra ny mpitondra. Ny mbola tsy niteraka tsy mananatra ny efa dada. Ny dada mahay mitondra tokatrano no mananatra ny mivarilavo.
F'inona moa no hidiran'ny la kilasy, tokatrano, ..... sa ny tin'i jean petit lazaina hoe fianampianakavian'ny mpitondra ny fitondrana ???? Raha izany no marina dia adala zany ny mpifidy nifidy azireo hatrizay ary nanatena hoe ny vahoaka no ho voavonjy fa tsy ny fianakaviana sy ny tokatranon'ilay dadanao io!!! :idea: :idea: :idea: :idea:
Ireo millaza mahay nefa tsy nitondra nankaiza koa tsisy lesona azo avy aminy. Tsy fototra napetrany
Sao kosa hoe tsy navela hametraka fototra amin'ny fomba malalaka, na taloha na ankehitriny, satria natahorana mafy fa manantsaina sy malitsaina ka hanelingelina ilay tokatrano lazainao :-D :-D :-D :-D
Ireo izay mpamitaka vahoaka dia ahoana?
Voalazanao. Izay teo na eo na mbola ho eo toa tsisy ataony afatsy ny mampandry adrisa!
Tsy sahala ny taloha izy izy ka ny mbola any andakilasy no mpanolotsaina na ny tsy nahavita fianarana no manolontsaina teny @ Ministeran'ny Ambaratonga Ambony.
Taiza no mbola nisy an'izany??? Sao de kosa hoe ilay Amerika andrandrainao sy matanjaka no tinao hambara eto : ny mpitondra matetika mpilalao sarimihetsika (REGAN, SCHWARZENEGGER ......). Ka ra izany, inona moa ny olana raha olona manatsaina sy mahavita ny teny nomena no mitondra na dia hoe tsisy diplôma aza??? :idea: :idea: :idea:
8. Jeankely
(
30/03/2008 13:03)
I badboy dia fantatra ny ilany misy azy fa tsy sahy mijoro. maro ny efa voasoratrao teto ka tsy vavao amiko ny tianao hambara. Ny mpitondra vizana ary sahirana sy misomokotra raha ny fahitako azy saingy maro dia maro ny zavatra tsy mandeha ary manepotra azy. Ny sasany moa dia io tsy mandeha io no heveriny veloma mba ahazoany fon'olona ary ahazoany seza. Saingy aza adino fa tsy vitanao haingana izany io raha ny famotehana no hataonao aloha.
Tsy niombonako hevitra aloha ilay dingana lehibe satria na handingana mafy aza ny sasany dia misy betsaka ny mirefarefa ary ao ny tsy tia handeha.
Miandry anao milay angamba ny Malagasy. 2012 afaka hanehoanao ny maha-favy anao fa aza matahotra. tena mitady ny milay mihintsy ny Malagasy.

9. xxxx1
(
30/03/2008 13:57)
Miala any indray ra Jeankely sy ny taimbany,
Ianao anefa no tena miseho ho favy mpila vanony eto, mitsikera sy manabatibaty olona isaky ny mihetsika.
Dia inona izao nomba tanjonao io anefa moa ? Ilaozana manao kivindro eto fa tsy aseho izay mba vita hisy ho tsikerainay eto ? Sa tsy sahy miseho masoandro eto raBaininabe ? Blabla no betsaka, mora ny mitsikera rehefa tsy mahavita na pitiny kely akory aza =)) =)) =)) =)) =))

10. Jeankely
(
30/03/2008 14:44)
Izay indrindra no handomana mafy ireo be tsikera. Kay nanaraka indray bainina xxxxone. izay misy rambo sahala anao no mety bainina.
11. badboy
(
31/03/2008 08:51)
I badboy dia fantatra ny ilany misy azy fa tsy sahy mijoro. maro ny efa voasoratrao teto ka tsy vavao amiko ny tianao hambara.
Ianao aloha zao no hita be oe mankaiza ny fijery sy ny fanohanana. Ary ilay "économiste" tsy mahay manao "prévision" fa mpaminany sandoka mampatahotra ihany satria raha milaza enao fa vokatr'ireo voalazako dia hainao ilay fijoroko oe mankaiza dia diso be ianao.
Ny mpitondra vizana ary sahirana sy misomokotra raha ny fahitako azy
Ianao no aoka ilaza azy. Misahirana mafy tokoa ny mpitondra manao izay hanampenambava ireo izay tsy mitovy hevitra aminy. Misomokotra tokoa izireo manao izay hamehezana ny économie @ alaln'ny monopolisation. Ary ampiko hoe miady mafy izireo ny hanafay ny mponin'analamanga nifidy an'i TGV.
Misy hifandraisany ihany koa ve ny fanehoan-kevitra politika mateti-pitranga tao ho ao sy ity fisamborana manamboninahitra ity?
12. Jeankely
(
31/03/2008 09:52)
Tratra ary niseho Ra-badboy:
"Ianao no aoka ilaza azy. Misahirana mafy tokoa ny mpitondra manao izay hanampenambava ireo izay tsy mitovy hevitra aminy. Misomokotra tokoa izireo manao izay hamehezana ny économie @ alaln'ny monopolisation. Ary ampiko hoe miady mafy izireo ny hanafay ny mponin'analamanga nifidy an'i TGV."
Ny resaka TGV aloha tsy hidirako satria raha toa ka olona favy izy dia mandrora mitsilany ny mandany andro manimba ny favy ka any aminy ihany no mivadika ny fahavoazana ary tsy ho ela.
Fa eo amin'ireo eo amniny kosa dia ny tompon'orin'asa sy ny fikambanan'ny tsy miankina ve VONGANY ka nitady anao HISOLO VAVA AZY ? Sa ianao no dedaka ka ny ny tompony aza tsy miteny. Araka ny teniko dia tokony samy maka ny andraikiny. Rehefa mandona Miaramila ny Fitondrana dia aoka ny Miaramila no hiresaka. Raha mikitika orin'asa dia ny fikambanany no aleo hitaraina. Ny mpianatra aoka hamita faingana ny fianarany ary handray ny fitondrana raha mahazaka.

13. badboy
(
31/03/2008 17:51)
Ny resaka TGV aloha tsy hidirako satria raha toa ka olona favy izy dia mandrora mitsilany ny mandany andro manimba ny favy ka any aminy ihany no mivadika ny fahavoazana ary tsy ho ela
Ary ilay fomba fandinihana mitombona tsara saingy ratsy fiantefa. Satria iza @ zao no mandrora mitsilany (nohon'ny fanaporetana an'antananarivo tao aorian'ny nahalany an'i TGV) ka lasa mahita fanonganana etsy sy eroa nefa hevitra tsotra no apotran'ireo tsy faly????
Fa eo amin'ireo eo amniny kosa dia ny tompon'orin'asa sy ny fikambanan'ny tsy miankina ve VONGANY ka nitady anao HISOLO VAVA AZY ? Sa ianao no dedaka ka ny ny tompony aza tsy miteny.
Fa iza moa no nolazaiko hoe soloiko tena eto??? F'anga tsy afaka ny manana hevitra manokana fa tsy maintsy hanao adimboritsiloza foana??
Tena afangaron'i litle jean daholo ny rehetra. Aok'izay ilay faminanina sandoka ary ndana mba jereo ny dossier afoma ohatra fa miteny tsara ny mpitondra orinasa.
Araka ny teniko dia tokony samy maka ny andraikiny.
Oadray, ianao ndray koa no mbola nilaza azy!! F'angaha moa tsy io koa no andrasan'ny rehetra hoe mandray ny andraikiny ny mpitondra?????
Tena mahafinaritra ny hevitrao fa ianao ihany no mampiseho ny lesoka rehetra misy @ zao!!! Tohizo fa tena ilaina. Izay ilay hoe démocratie : samy maneho ny heviny sy manambara izay hitany! :idea: :idea: :idea: :idea:
http://www.lexpressmada.com/display.php?p=display&id=16195
14. Jeankely
(
31/03/2008 21:42)
Ianao no tsy mahay mamaky teny. Efa nilaza aho fa tsisy fifandraisana amin'ny mpitondra ary ny asako tsy politikafa tsemboka vao mihinana. Saingy tsy tantiko ilay manakiana nefa tsy manao ary ny vita na kely aza hampiana fa tsy potehina. Izay no nilazako hoe miakara aza ianao Ra-badboy raha mahay fa izany no zahavin'ny vizana. Tsy mahavaha olana ny fianakaviana mahantra ny firesahana hoe ianareo mahantra fa omenao asa na omenao vahaolana izy. Ny Comorien Mpanao Rap resahinao atsy ambadika tsy anjaran'ny olona ivelany ny mitsikera ny hafa fa ny azy no ataony tsara. Na marina aza izany tsy andraikitry mavoranjo ny manivaiva an'i Madagasikara. "Incident diplomatique" izany amiko.Ianao badboy sy ry tezitra ary bazylou izay nilaza fa MANOZONGOZONA NO ANJARAN'NY MPANOHATRA ARY MAKA FITONDRANA REHEFA MIANJERA no tsy hifanarahako satria tsy fanamboarana fa fizahavana seza. Tsisy ho an'ny vahoaka koa izany.
15. badboy
(
01/04/2008 15:57)
ary ny vita na kely aza hampiana fa tsy potehina
Tena miaiky anao aho litle jean fa tena zavatr'ianao. Ianao indray koa no mbola namaoka io teny io. Io voalazanao io mihintsy no andrasan'ny mpitantana orinasa any Madagasikara.
Tsy mahavaha olana ny fianakaviana mahantra ny firesahana hoe ianareo mahantra fa omenao asa na omenao vahaolana izy
Dia mbola ianao ihany koa no nahita io. Manaja anao ny tenakao. Arak'io voalazanao io dia miandry asa sy vahaolana ny Malagasy. Ny miseho anefa dia ny fanafaran'entana avy any ivelany tsy iharan'hetra no mamono ny orinasa misy ao antoerana, izay ianjeran'ny hetra mavesatra. Tena ianao économiste mihintsy no namaritra ilay olana sy ilay vahaolana. Manohana ny hevitrao ny tenako.
Ianao badboy sy ry tezitra ary bazylou izay nilaza fa MANOZONGOZONA NO ANJARAN'NY MPANOHATRA ARY MAKA FITONDRANA REHEFA MIANJERA no tsy hifanarahako satria tsy fanamboarana fa fizahavana seza.
Aza afangaro hoy aho ny zavatra rehetra. Etsy ambony ianao tena lafatra dia eto solafaka.
Tsy mitovy ny hoe mandinika ny zavamisy ka manakihana rehefa misy azo kihanina sy ilay hoe miady seza. Afangaron'i litle jean ilay izy. Ny fandinihana sy ny fanehoankevitra dia afaka miseho @ hevitry ny tsi11 avy na mpanao pôlitika na tsia. Indrindra ny tsy mpanao pôlitika no afaka mampiseho hevitra tsy mitongilana satria ny tanjony dia ny hanaitra ny mpiandraikitra @ tsy mety eo @ fiainany andavanandro fa tsy hiady seza. Isan'ireo mpandinika sy maneho hevitra ny tenako.
Etsy andanin'izay, maivana be koa ilay fijery hoe rehefa manambara hevitra dia mitady seza. Koa tsy ny gasy iraimanontolo ve izany no mitady seza raha izany no marina?????? :idea: :idea: :idea: :idea:
16. Jeankely
(
01/04/2008 23:22)
Ho ry badboy milaza mpandinika. Raha tia ampandroso ny firenena ary raha mpikaroka dia mamoaka ny zavatra hitany ho an'ny mpiara-belona. Manao proposition ho an'ny mpitondra fa tsy sahala anao faly @ mpanao Rap Mavoranjo ary mitatatata ny tsy mety tsisy vahaolana. Ny mpanohatra lazainareo dia milaza ny tsy mety fotsiny fa tsy mijery ny antony mahatonga ilay izy. Hany ka vao azo ilay seza dia efa mitsingilahila satria eo vao hita hoe kay ity tsy afaka alefa. Dia eo ny firenena miverina @ resaka teo aloha indray dia miodikodina eo. Inona izany? Izay no manahirana ny vahoaka fa tsy misy tokony hiarovana izay tsy mahatafavoaka akory.
17. badboy
(
02/04/2008 06:38)
Raha tia ampandroso ny firenena ary raha mpikaroka dia mamoaka ny zavatra hitany ho an'ny mpiara-belona. Manao proposition ho an'ny mpitondra fa tsy sahala anao faly @ mpanao Rap Mavoranjo ary mitatatata ny tsy mety tsisy vahaolana.
Io ndray litle jean fa lasa solafaka : mba vakio tsara moa ilay teny voalazako ery ambony. Noheveriko mba hahay haminany ianao @ ty indray mitoraka ity fa indrisy! :-o :-o
Vereno vakiana ireto dia lazao amiko hoe aiza ho aiza ao ilay kihana tsy miampy vahaolana???
Voalaza teo :;-) ;-) ;-)
ary ny vita na kely aza hampiana fa tsy potehina
Tena miaiky anao aho litle jean fa tena zavatr'ianao. Ianao indray koa no mbola namaoka io teny io. Io voalazanao io mihintsy no andrasan'ny mpitantana orinasa any Madagasikara.
Voalaza teo :
Tsy mahavaha olana ny fianakaviana mahantra ny firesahana hoe ianareo mahantra fa omenao asa na omenao vahaolana izy
Dia mbola ianao ihany koa no nahita io. Manaja anao ny tenakao. Arak'io voalazanao io dia miandry asa sy vahaolana ny Malagasy. Ny miseho anefa dia ny fanafaran'entana avy any ivelany tsy iharan'hetra no mamono ny orinasa misy ao antoerana, izay ianjeran'ny hetra mavesatra. Tena ianao économiste mihintsy no namaritra ilay olana sy ilay vahaolana. Manohana ny hevitrao ny tenako.
18. Jeankely
(
02/04/2008 12:39)
Izaho dadakoto badboy tsy mamaky tokana ny resakao mipoitra iray fa hatambatro daholo ny resakao eran'ny sehatra rehetra hatrany @ resaka fiaraha-monina, fanabeazana sns... Hita ny tanjonao asa mazava angamba izay dadakoto :-D :-D :-D
19. badboy
(
02/04/2008 13:03)
Ka indro ndray ary ny manaraka : dia lazaovy ndray koa hoe mitongilana aiza io olon'io???????
COURRIER DES LECTEURS
Hafatry ny tambanivohitra
Miara-manesika ny vomanga nasisiky ny tanany isika Malagasy izay nametraka ireo mpitondra eo ankehitriny.
Alao ambony ary diniho tsara ity lafiny 7 izay isa masina ity, nandritra ny fotoana nitondran'ireo nifandimby nanomboka tamin’ ny taona 1991.
Zafy (1992-1996):
1- Ny vidin'ny vary 1 kilao: 300 ariary.
2- Ny karama farany ambany : 3 500 ariary.
3- Mino an'Andriamanitra ve ny mpitondra? Eny
4- Nanao ramatahora sy kely tsy mba mamindro ary didy jadona ve ny mpitondra? Tsia.
5- Manararao-pahefana mba hananan-karena ve ny mpitondra? Tsia
6- Nahantra ve ny vahoaka malagasy, ary ho anareo any an-dafy, ny havanareo tafajanona eto ve nihatsara ny fari-piainany : Nahantra.
7- Afaka milaza ny hevitrao eny am-pahibemaso na ao amin’ny radio sy television-mpanjakana ve ianao ka tsy matahotra ho voasambotra : Eny.
Ratsiraka (1997-2001):
1- Ny vidin'ny vary 1 kilao: 600 ariary.
2- Ny karama farany ambany : 4 000 ariary.
3- Mino an'Andriamanitra ve ny mpitondra ? Eny.
4- Nanao ramatahora sy kely tsy mba mamindro ary didy jadona ve ny mpitondra? Eny.
5- Manararao-pahefana mba hananan-karena ve ny mpitondra? Eny
6- Nahantra ve ny vahoaka malagasy, ary ho anareo any an-dafy, ny havanareo tafajanona eto ve nihatsara ny fari-piainany : Nahantra sy fadiranovana.
7- Afaka milaza ny hevitrao eny am-pahibemaso na ao amin’ny radio sy television-mpanjakana ve ianao ka tsy matahotra ho voasambotra : Tsia.
Ravalomanana (2001-200...):
1- Ny vidin'ny vary 1 kilao: 1200 ariary.
2- Ny karama farany ambany : 5 000 ariary.

Raha mahatsapa tena fa tsy voakasiky ny iray amin’ireo zavatra 7 izay isa masina ireo ianao dia ario ary aza vakiana akory ity resaky ny tambanivohitra ity.
Fa raha hitanao fa miantraika aminao ny voalaza etsy ambony, dia mba manontania tena hoe avela hifandrafy sahala amin’ izao ve ny Malagasy?
Jonathan Rakotomalala
Date : 01-04-2008