mora malahelo , aretina ve?

1. xxx ( 28/03/2008 15:14)
Bnj daholo
Tsy haiko hoe ahoana, asa na efa aretina fa izaho dia olona mora malahelo izany amin'ny zavatra rehetra,eo anivon'ny zahay mivady , fiarahamonina, any ampiasana ,ohatra misy manabedy indrindra ohatra miasa aho nefa nisy tsy nety ohatra, tsy avy amiko anefa le zavatra tsy nety , avy hatrany anefa ilay chef dia manabedy be na miteny avy hatrany izy; zaho nefa mbola tsy nanazava ny antony akory fa dia avy hatrany dia tsy mahateny aho fa dia maharary be any anatiko ary latsaka ny ranomasoko avy eo. Otran'izany ihany koa zaho sy eo amin'ny vadiko refa mifamaly , ohatra mitrerona be avy hatrany izy nefa ohatra zavatra tsy dia misy dikany dia mitabataba be izy, na zvt tsy nifanaraka hevitra ohatra, izany hoe matetika aho izany ohatra tokony hanazava aho dia hita le marina nefa le olona no mivatravatra miteny avy hatrany , avy hatrany dia tsy mahatafavoaka ilay fanazavana sy tsy mahateny aho fa dia feno dia feno ny foko ary mitomany.Tena matahotra aho sao dia ho lasa aretim-po le izy, aho izany mba miezaka hoe tsy dia mba te hiasa-saina izany nefa dia izay olana miseho rehetra hatramin'ny kely indrindra aza dia mampalahelo ahy, zaho aza na mijery filma mampalahelo ireny na mihaino tantara dia mahalatsa-dranomaso ahy , misy aza ny zanak'olona ao ambadikay no bedesinay dia izaho no malahelo sy mangoraka. Ny tena olana aza dia matetika aho refa tsy mahateny izay zavatra tokony ho lazaiko refa misy fifandirana iny eo aminay mivady dia mandray zavatra izay hitako aho dia azerako amin'ny tany, refa izany matsy dia mba maivamaivana ery ny foko refa manao izany aho, nefa dia fahapotehan-javatra no hita amin'izany, tiako hialana mihitsy io fihetsika io nefa dia otrany hoe tonga ho azy izany, ny atahorako ihany koa matsy dia sao sanatria aho refa tonga ny fotoana itondrako vohoka sao hisy fiatraikany be dia be amin'izany zanako izany fihetsika izany, INONA NO TOKONY HATAOKO ??????
novalian'i bichette ny 10/04/2008 11:32
2. Gie ( 28/03/2008 16:24)
isika vehivavy de mbola bdb no tratran'io mahazo anao io. Trop susceptible...

Amiko aloha de tsy haretina io fa mila mihatrika ny olana fotsiny isika.

Raha mampitomany anao ny fijerevana film de aza jerena fa ireny mapihomehy ireny jerevana.

ataovy ity test ity raha ohatra ka tena susceptible enao.

http://www.doctissimo.fr/test-psychologie-SUSCEPTIBLE_SUSCEPTIBILITE.htm

de vakio anié ity fa mino aho fa mahatsara anao io.

http://www.doctissimo.fr/html/psychologie/mag_2000/mag1229/ps_3226_susceptible2.htm
3. niryna ( 29/03/2008 16:15)
Misaotra anao nizara an'izany.Ny vehivavy hono dia be sentiment ary ny lehilahy kosa dia tonga dia action.Ilay mora malahelo anefa dia mety nisy zavatra nitranga taminao tamin'ny fahazazanao na fahatanoranao ka mety nataon'ny olona dia tsy mba afaka niteny hianao fa nandefitra foana.Mety manana toetra tsy tia miaraka amin'ny olona ihany koa hianao fa ilay olona mitokana ireny,ny antony dia hianao irery no mahalala an'io (confront zone ) no hilazana azy,samy manana an'io isika fa ny fitrangany no tsy mitovy,misy olona tsy tia miaraka aman'olona fa sarokenatral,misy olona sarokenatra ka avona no hitondrany azy ,misy olona tiany ho fantatry ny olona ny toetrany dia abaribariny mba hanitona ny hafa ary misy ny olona izay misy zavatra mankarary azy ao am-pony dia tsy afaka manoatra izy satria tsy tafavoakany ilay izy dia ny rindrina no asiany totondry ,ny zavatra no vakiny,ary ny tena mety mahazava-doza an'io dia mety hitarika depression ilay izy raha tsy voatsabo,tsy ho voatery hanatona dokotera anefa hianao ,afaka mizara ny olana nisy anao taloha amin'izay olona tena fantatrao fa izarana an'izany ,andramo fa ny mamboraka ny olana amin'ny fiainana amin'ny vadinao na dia zavatra kely fotsiny ihany aza dia efa manampy.Mitadiava olona izay azonao antoka na dia mihaino ny tantaranao ihany aza.Ilay fandeferana diso tafahoatra ka tsy mba afaka ny miteny mantsy dia tony hy hoe te hiteny aho kanefa tsy misy mihaino,manana ny marina aho kanefa ahoana moa no ampahafantarako ny olona fa marina aho?
Raha kristiana hianao dia ity misy toro-hevitra omeko anao:manatona an'ikristy,tantarao azy daholo izay zavatra mampalahelo anao nataon'ny olona,ary anjaranao kosa no mangataka aminy famelana an'ireny olona ireny na mangataka famelana anao,tsy afaka ny hamela antsika Atra raha tsy mamela ny olona izay noheverintsika fa noratraintsika sy nanao toetra tsy nety tamintsika ,izy.Dia mino fa ny miaraka amin'i kristy dia hainy foana ny manova ny zavatra izay heverin'ny olombelona fa tsy voaova,ny toetranao izany ohatra,mivavaha aminy mba hanampy anao ny fanahy masiny hanova ny toetranao,raha misy zavatra mamkarary anao dia misento kely aloha,fihino ny tanana tsy hanimba zavatra,ny vava moa dia efa mahay tsy mamaly izany hianao ,dia mianara miaina,manisa folo ary dia mivavaha hoe omeo hery aho ATra mba tsy hamimba zavatra,ampio aho amin'ity hatezerana ity.
mahereza ary ataovy ny fanandramana toy isika mandeha any amin'ny dokotera ka mila mihinana ny fanafody manasitrana,toy izany koa ny fanahintsika mila tenin'Atra mba ahafahana miaina sy malalaka amin'ny sioga mitranga rehetra
hialako tsiny fa fanampiana ny rehetra no hizarako an'ity satria maro ny vehivavy no voan'io zavatra mahazo azy io
(l) nmiryna
4. Veloo ( 02/04/2008 17:03)
mora malahelo , aretina ve?


ie lasa aretina io raha tsy mahay mitandrina ianao.. Ny fo no ho tratra sy simba voalohany. za dia mitovy aminao mihitsy, ary ataoko fa tsy dia susceptibilite ihany io fa ( miala tsiny fa asa na ity ny diakany), ny self-estime-nao no ambany be... Misy tahotra ao aminao izay tokony ho resena mihitsy. ilay mamaky zavatra no mba defense-nao, ny ahy ndray dia ny manadio ny trano rehetra no maha afaka azy. Ianao ihany anefa no maha-afaka an'io. Mianara mianatra tsy mirahara izay lazain'ny olona - Ampatanjaho ny sainao sy ny fonao fa misy effet io raha hanana zanaka ianao manajary lasa hitovy aminao izy. Zay aloha ny fantatro. Ny distraction izay tianao no ataovy, sur mihitsy aho fa tena tianao ny mande manao voyage na dia mande any ambanivohitra aza... asa aloha fa mi-dependre izay zavatra tianao izy io, ny ahy mantsy io no tena tiko.. Ka ataovy izay tianao atao fa manampy be mihitsy. Manova exercice na dia mandede fotsiny ary mihira foana....
Dia apetraho @ Jesosy ny fiainanao arak'ilay lazain'i Nyrina io.
5. abcdefg ( 03/04/2008 15:43)
asiana fialamboly ihany ny fiainana fa diso mikobona loatra dia tsy mahazaka sy tsy manana humour intsony,hiomehezana daholo ny tranga andavan'andro, izany no hoe miaina, asio mozika ao antrano, miaraka mihira sy miventy eo e!
6. hira ( 08/04/2008 23:48)
aza raisina ampo daholo izao rehetra izao. mety tsy contre anao daholo anie fa mety mi extérioriser ny stress sy ny pression ny olona dia mivazavaza, hentitrentitra, taitaitra sns sns...manaova la part des choses: mianara manampitsofina, aza manaiky hitsahin'ny olona koa fa hijaly be ianao raha lasa souffre douleur-n'ny manodidina anao eo. dia aza misalasala koa manantona radoko @ resaka depression, na surménage, fa matetika rehefa ianao manana impression ianao hoe "tout le monde" manao zavatra ratsy na tsy mety aminao, dia ianao mihintsy no mety misy pbm.
mirary soa an'i XXX, maro ny vhv au boulot mizaka mm pbm toy ny anao.
7. bichette ( 10/04/2008 11:16)
Ho an\'i xxx

Raha ny fahitako azy dia tsy aretina izany aloha, fa sao dia psychologique ??? misy comportement-tsika izay tsy haintsika hoe inona no antony anaovantsika an\'izany (miala tsiny fa hampiasa teny frantsay matetika). Te hiala isika anefa tsy mety, hitantsika izao fa tsy mety ilay izy anefa tsy fitantsika ny mi-dompter ny emotion, ny fihetsika sns. Rehefa misy situation particulière dia mivoaka ilay toetra toa hafahafa sy tsy normal

raha ny fahitako ny fihetsiky ny xxx notantarainao etsy ambony dia olona renfermé ianao, olona mi se laisser-faire ary tena emotive. Misy toetrantsika tsy tongatonga foana fa misy antony tany aloha tany no nahatonga antsika hanana fihetsika iray ohatra.

Raha te ho sitrana amin\'izay ianao dia inty andramo :

- Maka fanamapah-kevitra aloha hoe te ho sitrana ny ami\'nizany
- Mandraisa taratasy dia ataovy colonne 2 : coté positif sy coté negatif dia lazao ao daholo ny zavatra momba anao, ny fahitanao anao, physique. Avy eo ny fahitanao ny toetranao, ny point fort sy ny point faible. Mila tena sincere ianao ny amin\'izany. Lazao ao raha timide ianao, raha mitsikitsika matetika, raha malahelohelo foana, raha sahy manambara ny hevitra eo imason\'olona sns. Ny coté tsara atao ao anati\'ny colonne positif ary ny coté hitanao fa tsy tsara ao anatin\'n\'y ilany. Avy eo mila dinihinao ilay izy hoe inona no mety antony mahatonga ireo. auto-critique
- Fantaro sy karohy ao anatin\'ny lasanao ny scène mety ni-traumatiser anao ka mety nahatonga anao emotif ohatra, karohy ary aloavo antsoratra avokoa izany, ny ratrampo-nao sns
- mety bedy angamba ianao taloha na voateny mafy ka traumatiser tamin\'izany taloha, na voaendrikendriky ny mpampianatra ka mahatonga anao tsy mi s\'affirme, na tany ampianarana dia nataon\'ny ankizy \"souffre douleur\" ka nipirimpirina be ka lasa toetra izany ???? na tsy navelan\'ny RAD ni s\'affirmer taloha, nolazaina fa tsy mety foana izay nataonao ? manezaka ianao anefa toa tsy hitan\'ny olona ? nasaina mangina foana rehefa eo imason\'olona fa hoe miteniteny foana ? mila fantarina daholo izany. NY TANJONA DIA NY HAHAFANTARANA HOE AVY AIZA NY TOETRANAO MALAHELOHELO IO.

raha manao ireo ianao ka tsapanao fa misy zavatra tsaroanao ka tonga dia mampalahelo anao ny tamin\'ny lasanao dia eo izany ilay aretina.


Mandraisa taratasy indray dia PRENDS UNE DECISION :
- je prends ma vie en main
- je profite de l\'instant présent et j\'oublie les mauvais moments du passé. le passé est le passé, heureusement que c\'est du passée et je me rejouis que ce soit du passé
- apprends a ne pas te plaindre
- fais du sport pour la santé et l\'humeur
- tu es une personne entière que Dieu a crée, tu es unique, tu as tes capacités, tu as ta valeur, tu as tes talents, tu as tes dons. A TOI DE LE DECOUVRIR (eto dia izay no ilàna ilay nanao tao anaty taratasy ny auto-critique)
- si tu as echoué sur une chose, prends-le a la legère et dis toi que tu feras mieux demain ou la prochaine fois. Inutile de s\'appitoier sur soi meme. Et que heureusement que tu as echoué, ca te permettra de savoir que ce n\'etait pas la bonne et ca te servira une bonne lecon pour ameliorer l\'avenir
- dès le matin, rejouis toi de la journée que Dieu donne. Dis-toi : woauaw, une journée encore aujourd\'hui qui va etre meilleur qj\'hier
- Souris dès le matin, au debut c\'\'est un peu difficile mais c\'est un exercice
- regarde les bons cotés de la vie : tu es en bonne santé, tu as une famille alors qu\'il y en a qui sont malade, pas de famille / rejouis toi d\'avoir un travail, meme si c\'est chiant dès fois et que tu n\'as pas envie de travailler, dis toi : je vais travailler aujourd\'hui, y en a qui n\'ont pas de travail
- regarde les bons cotés de la vie : si quelqu\'un t\'a poussé sans faire exprès, ne t\'enerve pas mais dis toi : ops ! mampalahelo izy fa tsy nahita tsara angamba na manana prb ka variana be, izaho koa tratran\'izany indraindray ka inona no hampatezitra ahy amin\'izany ?
si ton boss t\'a crié dessus, dis toi qu\'il s\'est peu etre disputer avec sa femme ce matin et qu\' inconsciemment son enervement se retourne chez les autres mais ne te laisse pas affecter par les mauvaises humeurs des autres
- Si tu te sens triste, explose, quand tu es seul, pleure un bon coup et cri ce qui te fais mal, ca fait toujours du bien d\'evacuer
- DECLAME que tu es heureux, que la vie est belle meme si c\'est difficile, bénis ta vie, bénis ton corps, dis du bien mais ne te maudis pas toi meme
- ne te laisse pas affecter par les personnes de mauvaises augures, les humeurs des personnes, c\'est leur problème pas le tien

.../....

Mila manao exercice kely isan\'andro

sarotra be ilay manoratra manazava eto amin\'ny net

:-*
8. bichette ( 10/04/2008 11:32)
Adino

Apetraho amin'Adtra,
- prends ton temps avec Dieu
-Dis lui que tu as envie de changer et dis le carrement mais pas seulement dans tes pensees, mais parle-lui
- accepte qu'il te change ; Dieu propose son aide mais il ne nous impose pas. Il veut faire beaucoup de chose pour nous mais sans notre accord, il ne peut rien. car Dieu est amour, il est la liberté alors il ne nous force pas du tout sans notre consecentement. Il nous propose.
- donc tu l'invite dans ta vie
- tu lui expose ton problème, tes difficultés, deverse tt
- quand tu auras decouvert sur le papier qui tu es vraiment alors remets-le lui.
- Demande à Dieu la force pour que tu puisses arrivé à un changement
- Demande à Dieu de te donner la joie, que le sourire que tu vas peut etre forcer à faire soit accompagné d'emotion, de la joie divine
- Demande à Dieu pour que tu saches contempler les merveilles de ses mains, les oiseaux, la vie, la santé.
- demande a Dieu qu'il mette une barrière dans ton coeur, qu'il te donne un filtre, un coeur et un esprit de discernement pour que tu puisses mettre une barrière sur les choses negatives et que ca ne t'affecte pas personnellement

Il faut savoir que Le changement peut prendre des jours et meme des mois car mais il faut perceverer, alors demander aussi la perceverance en Dieu.

- ne pas oublier que Jesus sur la croix a vaincu alors en Dieu, tout est possible

bon courage et bisous a tous
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4741