mitady recette mofo baolina

1. hira ( 25/03/2008 14:01)
manao ahoana daholo ô! mba mitady recette mofo baolina ila miparasaka tsara ireny aho raha sandra mba misy mahay, fa ny ahy ho aho lasa beignets mbazaha, ny tsirony ao ihany, fa tsy miparasaka mihintsy e! misaotra mialoha
novalian'i lemurbaby ny 24/01/2010 17:22
2. fahamarinana ( 25/03/2008 15:20)
:arrow:za koa mitovy am hira,lasa tsy ilay mafimafy ireny koa dia miandry koa aho,merci d'avance e(l)
3. fasaly ( 25/03/2008 15:59)
Atody 4
-Siramamy 8 sotro
-Menaka
-farine 450g
-Levure kely
-rano(tsy atao be loatra,izay mamparihitra azy)

afangaro dool ireo rehetra ireo dia kapohy hanome fangaro tsara, ny tena tsara aloina indray alina de ampitso amzay endasina....:P, tsy hatao be fandrotsaka fa manjary tsy masaka ny ao anatiny.
afaka asina ronona
4. kelly13 ( 25/03/2008 16:14)
fasaly>za nanao mofo bôl une fois d au lieu de menaka d nataoko beurre fa hum! matsiro!
5. fasaly ( 25/03/2008 16:43)
ieny aky ! toa efa henoko kounkou izay hoe matsiro be fa tsary mbola nananjana za! mbola ho hataoko io refa tonga ny vokansy!:wink::-D
6. milaibe ( 25/03/2008 16:49)
Miandry invitation zay ô! Hitondra bonbon anglais kah na thb zay tianareo
7. fahamarinana ( 25/03/2008 17:09)
:arrow:[size=13px]MERCI[/size] fasaly an,hanandrana indray zany aloha za dia lazaiko eo rehefa mety.(l)
8. tess ( 25/03/2008 18:03)
milaibe: tsy tain toi fa afaka asina fanasàna io!:wink:

fahamarinana: aza atao mitsiranoka be loatra ny ranon'ilay paty an! sao lay paty koa no mahatonga azy tsy hety fa mafotafota marihitra tsara lay izy!
9. ainaheri ( 25/03/2008 18:52)
Ty ndray efa nanoarako d nety ...tsy miteny we tsy mety ny an'i tess an lol


-farine 1/2kg
_atody 3
_karibonetra(bicarbonate de soude,any @ pharmacie)1/2sotrokely

_levure 1 sotrokely
_siramamy 150gr
_ronono1/2 vera

Miaraka afangaro;siramamy,atody,karibonetra

Rehefa levona tsara reo d atapoka ny ronono,
Ampifangarona tsara ny farine sy levure(mitokana),dia araraka tsikelikely ao anatin'ilay fangaro(siramamy sns)
Arohina tsy mijanona tsy azo atao miverina,
Raha oh ka tsy manaratanan tsony raha raisina d vita zay
Raha tsy manana vata fampangatsiahana enao d saromy vilia ary apetrao @ toerana mangatsika mandritra ny 4 ora farafahakeliny.
Refa hanendy azy;raisina @ sotro,dia arotsaka anaty menaka tsy dia mangotraka loatra.

Mazotoa homana d mba sisao zà
10. ainaheri ( 25/03/2008 18:55)
keliterezy:

fasaly>za nanao mofo bôl une fois d au lieu de menaka d nataoko beurre fa hum! matsiro!


Mety mlay marina ...fa dobera firy kg vô ahavita an'zany klé


11. hira ( 25/03/2008 18:55)
merci fasaly t@ ilay recette!
misy fanontaniana kely manitikitika ny lohako:
- ilay atody zany ve tsy kapohina fa tonga dia atao tambabe ao? raha kapohina dia atao @ fouet sa batteuse? mila mousser na ve sa tsia?
-ilay pâte "kapohina" comment? @ batteuse? nefa raha marihitra de ahoana?

zà mantsy tsy de ao @ clé ako lôtra le mahandro, dia misy détails kely ohatr'ireny tena tsy évident amiko!
ni déprime mihintsy aho t@ rns fa nisy mpivarotra mofo baolina ngôza be sady mipasaka be tao @ gymnase, tsy mba afaka nanandrana akory fa tsary nitondra vola madinika 'nefa ry zareo tsy mandray CB tsss :snif:
12. tess ( 25/03/2008 19:08)
hira: tonga dia miaraka kapohina anaty bôl be ireo ka! otran'ny mikapoka mayo gasy any amitsika ireny ka! raha marihitra be dia somary tapohy rano na ronono, aza avela marihitra be an! ny ahy manandrana manao aloha aho ka ra diso mitsoranoka loatra de ampiko la farine kely aza adino ny siramamy raha manampy la farine kely....
zà aza teh hanao ndray efa ela be no tsy naao mofo baolina amity fiainana miazakazaka ity tsy hahavitandraha mitsy....

hahahaha kou nanin raha nitalaho kely mba hahazo ilay mofobaolina miparasaka e! fa angah indry tany am RNS??????? de nanao ahoana?


KELLY13: de ahoana tokotra aky raha beurre????
atsiranoka ve aloha ny beurre sa ahoana???? tsy maninona ve raha moitié beurre moitié huille fa matavy lotra raha beurre????
13. hira ( 25/03/2008 19:38)
hi hi tany aho, fa niserana kely fotsiny ny sabotsy. saika mba hi participer t@ arts martiaux, kay tsisy ninoninona mihintsy tao fa papozy kely be dia be fotsiny no nanao teo dia aleoko tsy niditra fa tsa namely.
naka ankizy avy nanao basket fotsiny no nidirako tao @ ilay gymnase io dia tao no nahitako ilay mofo bôl be mipasapasaka!!! saika hanontany recette mihintsy aho, fa tsy sahy fa ohatran'ny masiaka be ilay ramatoa:-D:-D:-D

andramako ilay tenenindry io @ week end dia hitako eo ny valiny
14. kallie ( 26/03/2008 05:48)
VDLB zany klé
Vlan Dans Les Bourelets :-P
15. tess ( 26/03/2008 06:06)
hira: :-D:-D:-D
ny mofo bô ve efa miparasaka be mbola hiavonavona ihany hihihih
ié ny mpanao arts martiaux nge reny ankizy kely reny dol e:-D
16. milaibe ( 26/03/2008 07:12)
Misaotra @ lay intation tess ,efa manentoento ery zany vao maraina miaraka @kaotsa miam miam
17. tess ( 27/03/2008 06:15)
ka milaibe otran'ny ps nao ihany ge lay izy e!:wink::-D
18. Rasiligaoma ( 27/03/2008 06:18)
saindoux koa mety atao solona beurre tsara
19. bobone ( 27/03/2008 13:22)
Fasaly: misaotra @ le recette aloha fa ny ahy indray ilay rano nolazainao iny nosoloiko ranona voanio na côcô!
maka côcô lehibebe de esorina ny ranony zaraina 2 avy eo kikisana @ ilay hatao hoe "ambozy"tena fitaovana iray fikikisana côcô io an! asiana rano ilay côcô efa voakiky de tsihifina tsara ny ranony ! ka iny le matavy be iny izany hoe le ranona côcô matavy be iny no afangaro @ la farine sy ilay voalazanao tery ambony tery fa tsara an!!! andramo ange e!!!
20. kelly13 ( 27/03/2008 14:15)
non, le beurre resahako tsy le anendasana azy ka, fa atao miaraka @ ny pate n'ilay mofo bôl

ny fanendasana azy menaka comme d'hab iany
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5402