tantara marina !
1. Stretch
(
24/03/2008 10:29)
Izaho dia olona tena tia voanjobory. Isanandro dia io no ataoko laoka. Afangaroko saosisy na totonkenakisoa rehefa sendra mandray karama ka mba misy vola kely. Azo isaina @ ratsantongotra ny fihinanako hena anatin'ny herintaona, noho ny hamafin'ny fiainana.
Samy manana ny fahalemeny ny olona. Ny an'ny sasany toaka, ny an'ny sasany sigara, na mamono vady, na mandainga, na mangalatra. Ny ahy dia ny voanjobory. Na inona tsy mety, na inona tsy ampy ato anaty tranobongoko ato dia tsy maintsy mihinana voanjobory aho. Efa zatra mandevona azy ny taovako ka tsy mamofona intsony rehefa manapoaka rivotra.
Fahafinaretana ho ahy koa ny mandefa rivotra moramora eny an'ivombahoaka. Somary misodoka manentoento moramora izay ilay fofona. Miherikerika daholo ny manodidina mijery hoe iza izany manao tsy fanao izany fa odiako fanina foana. Hatramin'izao dia tsy mbola tratra aloha. Enga anie hitohy.
Dia inona koa no azoko anampiana ny mombamomba ahy ?
Izaho dia tovolahy tsobolo mangirangirana. Tsy hadinoko ny manoso menaka diloilo ny voloko isanandro. Osorako diloilo daholo ny vatako iray manontolo hampangirangirana ahy.
Tiako dia tiako ny mijery ny vatako mangiloilo. Raha vehivavy aho dia ho tara tampoka @ bikako sy ny hatsarantarehiko. Saingy lehilahy ny tenako sady tsy homoseksoaly dia sarotrarotra amiko ihany izany hitia ny tenako izany. Noho izany dia miandry tovovavy mitovitovy amiko aho mba ho tia ahy toy ny hitiavako ny tenako.
Saingy efa ela aho no niandry, nefa tsy mbola nahita izay ho olontia sy ho tiaviko hatramin'izao. Ilay ramatoabe tompontranoko nahiboko ato ambany lakaviko efa ampolotaonany maro izao no miteny ahy tsindraindray hoe ny fofoko hono no mety tsy itiavan'ny vehivavy ahy. Asa na mety ho marina izany na tsia, fa tsipazako ranondolana ramatoabe rehefa manivatsiva ahy toy izao. Satria dia tena marary mihitsy ny foko ela niandrasana ilay olontiana izay. Rahoviana vao mba hisy tovovavy bikàna sy mahatehotia mihoatra ny fitiavako voanjobory, hiaramipetrapetraka amiko eto ambony akalana hamaofy voanjobory atao laoka ? Rahoviana ? hoy aho aminao
Raha mpamboly voanjobory ianao, na mpivarotra voanjobory, na koa mpakafy voanjobory toa ahy, dia manorata amiko fa ho valiako ampo madio.
Esoriko tao ambany lakavy tao ramatoabe tompontranoko dia ataontsika dipleksa ny efitranobongoko ary ato isika roa no hirevy voanjobory mandramparain'ny andro
Raha revinao ny reviko dia peho ny dimy, avia manatona ahy homeko bakely
raha lehilahy ianao mamaky ny mombamomba ahy ka manana namana vehivavy na anabavy na fianakaviana mety ho fofombadiko dia aza misalasala manoratra amiko
Dia ilaozako kely vetivety ianao mpamaky fa andeha kely hamely ny ambindaokako tamin'ny antoandro @ vetinampango aho. Voalavo no nataoko fangaron'ny voanjobory anikeheo fa ela tsy nihinankena loatra aho dia tsy nisy afatsy ny voalavo tao amindRafotsibe no azoko nohanina.
Dia izay ary fa miandry hafatra marobe avy aminareo rehetra eran'ny valamparihy ny tenako
Samia salama ho tahian'ny voalavo daholo
Ny mpanoratra
xxxx1
:*

novalian'i tsiambaratelo ny 03/05/2008 20:35
4. xxx
(
24/03/2008 12:02)
tsy azoko :-/ . i Stretch ve no mitady sa olona hafa io mpanoratra io ?
dia hatsikana sa tena nisy ?
dia tena nihinana voalavo ve ilay olona ?
Mba valio ange ry Stretch an :)

6. kelly13
(
24/03/2008 13:04)
stretch>ka io nge le tena nampimé b ahy tary ananona tary e! hihihihi!
7. naughtyboy
(
24/03/2008 13:08)
=))=))nilay kosa zany resaka boriboriny strech ato zany,nena mo zany resaka lavalava otrany tsaramaso no reviko de aleo ho avy eo i rasiligoma hotsakotsakona ny resaka
8. naughtyboy
(
24/03/2008 14:22)
ny tena nampe anah de le maka fafiny mangetotra antsena=))=))=))=))
9. ainaheri
(
24/03/2008 14:36)
[IMG]http://smileys.sur-la-toile.com/repository/Films_et_TV/tete-yoda-3d.gif[/IMG]revenareo atr@ tsinay maintiny le borivoandro an
11. Stretch
(
24/03/2008 20:59)
xxx:
tsy azoko .:°) i Stretch ve no mitady sa olona hafa io mpanoratra io ?
Ny mpanoratra
xxxx1
xxx:
dia hatsikana sa tena nisy ?
dia tena nihinana voalavo ve ilay olona ?
Mba valio ange ry Stretch an
aiza ary tsika zao =ato am hotely HL
kiadi::-D:-D:-D
f'anga mapangetotra ny voanjobory?
sady tsara fofona be 8-)
naugty:
ny tena nampe anah de le maka fafiny mangetotra antsena
ny tena napimé ana farou de le maka fafiny , kay kay kay =)) =)) =))
sady mody gisa no maka fafiny :-$
13. hira
(
25/03/2008 13:49)
tsy loza raha mpiondana tsaramaso ilay andriambavilanitra hiaraka aminao? :^)
15. Simpona
(
26/03/2008 14:03)
=))=)):lol::lol:
Mlay e,voanjobory leena sa maina le iz kle
Ary le rafotsibe ao ambany lakaly angamba leomboananana
:):)

16. xxxx1
(
30/03/2008 14:00)
simpona>
le lena ihany no milay :-D
ka nohidiko ao ambany lakavy amin'izay aho tsy mila mandoa hofantrano intsony :lol:
strech>
dia navoakanao hohitambahoaka eto ny tantarako ve :-o

17. tsiambaratelo
(
03/05/2008 20:35)
ntsssss,mba hatsikana ve sa tantara hampatoriana mitsangana!Hi hi hi maztoa mihinana voanjobory!