Ny fankahalana:may ny trano,naratra ny zaza tsy manantsiny.

1. niryna ( 24/03/2008 06:28)
Tratry ny fetin'ny paka avokoa isika rehetra !:-*:-*

Nisy olona mivady nalefa nanompo an'Atra tany Israely.Vokatry fankahalana misy anefa dia misy mandefa taratasy fampitahorana foana izy mivady.
Toy ny fety krismasy dia mifanolotra zavatra ny olona.Tsy tao an-trano izy mivady fa nitondra ireo mpitsangantsangana nizaha tany,nanoro ireo fiangonana ,hopitaly sy ny sekoly kristiana .Ary ireo toerana malaza mikasika ny fivavahana ihany koa.
Nisy olona nanatitra baoritra teo an-tokontany ary dia faly ery ity ankizy 14 taona andeha hamaha azy,kanjo tsy tonga teo an-tokontany akory dia nipoaka ny tao anatiny.Naratra ilay zaza,potika ny trano,tsy nisy azo noraisina ny varavarana sy ny varavarankely,ny entana,any amin'ny hopitaly ilay zaza amin'izao fotoana izao ary hoy ny mpitsabo hoe fahagagana no mijery ity zaza tsy manantsiny satria raha nanatona minitra kely fotsiny izy dia potika sy maty,ny ray aman-dreniny kosa dia tsy sahy miditra ny trano tsy misy varavarana sy noho ny tahotra.Izy mivady no nokendren'ireto fikambanana mankahala ny kristiana.
Mampalahelo ny toe-java-misy,raha tsy mino ny finoan'ny hafa ny sasany dia tsy tokony hamono ny olona izay tsy mitovy finoana aminy."Ny tenin'Atra dia hoe mifankatiava toy ny mpirahalahy,tiavo ny fahavalona"
2. Rasiligaoma ( 24/03/2008 06:34)
fiainana isan'andro any izany , any Irlande koa ohatran'izany, any somalie
3. milaibe ( 24/03/2008 09:18)
Ny integrisita ,fanatika kristiainina na silamo (lasa lalina ny mody mivavaka)tsy mahalala zany fitiava-namana zany
4. milaibe ( 24/03/2008 09:39)
Ohatr'ireo , vao maika ary lazainy fa irak'Atra ny nanaovany an'zany ka manao ny adidiny hono izy efa zany fôna io
5. niryna ( 24/03/2008 17:04)
Rasiligaoma:

fiainana isan'andro any izany , any Irlande koa ohatran'izany, any somalie

marina izany ka izay no hilazana amintsika fa velona i kristyl,izay no antony iray hankalazana ny paka,velona izy,tokony hiova ny fo, ny fanahy fa raha mino azy na inona toetra ratsy dia miova avokoa,iray no tonga roa ary ny fokontany no lasa vondrona ka tonga ny firenena rehetra no manana fitiavana raha mino azy ,raha mampahafantatra azy ireo ny fitiavana sy raha mivavaka ireo mpankahala olona,sy mizara izany fitiavana izany azy ireo

6. niryna ( 24/03/2008 17:10)
milaibe:

Ny integrisita ,fanatika kristiainina na silamo (lasa lalina ny mody mivavaka)tsy mahalala zany fitiava-namana zany

milaibe a mba omeo fanazavana hoe ny tianao ho tenenina izany hoe fanatika kristianina na silamo izany ? misaotra mialoha.
Amiko rehefa mino dia mino izay hinoany ary matoa ny olona mizara ilay fahasoavan'Atra dia mahatsapa izy fa tena misy,miaina ao aminy ary miaraka aminy ilay Atra ka nahatonga azy ho toy izao,tsy ho kivy na ho faly na fahoriana izany fa misy an'ATra hitarainany satria tsy misy na iray aza hitarainany sy afaka hanampy azy.Izy ihany no hivavahany ,ary ny Anarany irery no nanavotra azy,ka dia tsy ho gaga izay rehetra hitoriany,misy ny mino satria hitovizana ny fahasoavana nomeny na tsy mitovy aza ny fitrangany,ataon'ny tsy mpino ahoana no hino raha tsy ao aminy ilay Atra?

7. niryna ( 24/03/2008 17:17)
milaibe:

Ohatr'ireo , vao maika ary lazainy fa irak'Atra ny nanaovany an'zany ka manao ny adidiny hono izy efa zany fôna io
ndry mampalahelo hianao,ny finoanao aloha dia tsy fantatro sady tsy anjarako koa no mitsara an'izany,vao nitranga io ary vao nivavahan'ny mpiray fiangonana omaly ireo olona mianakavy rehetra ireo.
Ataovy eo amin'ny toeranao foana na dia tsy mino an'Atra aza hianao sanatria,raha ny zanakao nijanona tao an-trano no napoakan'ny olona ny tranonao ary any amin'ny hopitaly izy,tsy angano angano anie ity e,tena misy
Inona no antony? fankahalana,tsy manana fitiavana,tsy manana fo mifaly,fialonana,hitarika hanaraka ny Atra izay tsy miteny na mamaly vavaka na mamonjy amin'ny faran'ny fialantsika eto,fialonana e,rehefa tsy mino ilay Atra velona dia tsy mino saingy tsy tiany hitatra ny fanjan'Atra ka dia nataony ny fampitahorana sy nanalana ny ain'izy mivady saingy navotan'Atra izy mivady ary na ny zanany aza dia navotany.Izay ilay miaraka amin'i kristy,tsy misy na iray aza afaka ny hanala izany fitiavany izany raha tsy izy nanao antsika ihany.
Raha mbola tsy manana experience amin'ny fiainana hianao dia andramo ny manankina ny fiainanao aminy,ary aminy irery dia ho hitanao izany (guarentie 100% io )tsy mila vola,na harena na fitaovna fa ny fonao irery no atolory azy ary mino fa velona izy,mino fa manasitrana izy,mino fa manafaka anao amin'ny fahotana izy ary mino fa raha misy izy ka mino azy hianao dia ahazo fiainana mandrakizay .
Andramo ,eny andramo

8. hira ( 24/03/2008 23:19)
rehefa tsy mino ilay Atra velona dia tsy mino saingy tsy tiany hitatra ny fanjan'Atra ka dia nataony ny fampitahorana sy nanalana ny ain'izy mivady saingy navotan'Atra izy mivady ary na ny zanany aza dia navotany.Izay ilay miaraka amin'i kristy,tsy misy na iray aza afaka ny hanala izany fitiavany izany raha tsy izy nanao antsika ihany

amiko indray dia ny fahalemen'olombelona io, ny fifankahalan-drizareo any @ iny faritra iny: ny jiosy miady @ silamo, ny kristianina sasany manohina ny silamo, ary ny sasany manohina ny jiosy... tsy miheritreritra akory izay fihitaran'ny fanjakan' Andriamanitra na tsia, na ny andaniny na ny ankilany; fa miady hoan'ny fisian'ny fireneny, sy ny identité-ny... "mbola tsy androny" hoy ny gasy izay no tsy nahafaty ireo zazakely ireo, fa tsy ny hoe ny finoany an'i Kristy. aza entina @ fampitahorana ny finoana sy ny fivavahana. raha izay mantsy ny raisonnement dia ny conséquence dia hoe ireo maty izany dia tsy nino "assez" na "pas du tout", nefa tsy izany mihintsy no messagen'ny finoana kristianina aloha raha amiko manokana. aza adino, fa Andriamanitra dia manampitiavana "assez" mandrotsaka ny fahasoavany ho an'ny mino SY ny tsy mino.
9. ikaretsaka ( 24/03/2008 23:27)

Izao ary:

raha ampifamadihina ny role ary

atao hoe tsy kristianina izy mivady fa silamo dia ilay tany nalehan'izy mivady atao hoe tany kristianina na jiosy dia kristianina na jiosy ilay nanao attentat di atsy naninona ry zareo

Dia hanao koa ry zareo hoe izay ilay miaraka @ ALLAH, tsy misy na 1 aza hanala iznay fitiavany izany.. manitatra ny fanjakan'i allah ry zareo!
10. majesty ( 25/03/2008 05:03)
zay ihany no tsy ahafoizako ny eto an-tanana,eto aho milamina tsara,isaky ny 26 juin vao mba misy zavatra mipoapoaka eo an-tokontany:D
11. niryna ( 25/03/2008 12:22)
hira:

amiko indray dia ny fahalemen'olombelona io, ny fifankahalan-drizareo any @ iny faritra iny: ny jiosy miady @ silamo, ny kristianina sasany manohina ny silamo, ary ny sasany manohina ny jiosy... tsy miheritreritra akory izay fihitaran'ny fanjakan' Andriamanitra na tsia, na ny andaniny na ny ankilany; fa miady hoan'ny fisian'ny fireneny, sy ny identité-ny... "mbola tsy androny" hoy ny gasy izay no tsy nahafaty ireo zazakely ireo, fa tsy ny hoe ny finoany an'i Kristy. aza entina @ fampitahorana ny finoana sy ny fivavahana. raha izay mantsy ny raisonnement dia ny conséquence dia hoe ireo maty izany dia tsy nino "assez" na "pas du tout", nefa tsy izany mihintsy no messagen'ny finoana kristianina aloha raha amiko manokana. aza adino, fa Andriamanitra dia manampitiavana "assez" mandrotsaka ny fahasoavany ho an'ny mino SY ny tsy mino.
ka taranaka roa samy hafa ireo ary tsy hitsahatra ny ady satria mbola kely aza dia efa novonoin'ny zokiny ny zandriny. Tsy misy entina am-pitahorana ilay kristy fa raha mbola tsy mahalala ny fahasoavana azo avy aminy ilay olona dia ho sarotra ho azy ny ahazo ny fitiavany ,ny fahasaovany.Toy ny miteny zavatra izay tsy fantany akory ihany io

12. niryna ( 25/03/2008 12:36)
ikaretsaka:

Izao ary:

raha ampifamadihina ny role ary

atao hoe tsy kristianina izy mivady fa silamo dia ilay tany nalehan'izy mivady atao hoe tany kristianina na jiosy dia kristianina na jiosy ilay nanao attentat di atsy naninona ry zareo

na inona finoan'ny olona na inona ry ika rehefa mamono na manala ain'olona dia diso izany eo anatrehan'Atra a
Ny didy folon'Atra milaza an'izany ary na inona na inona finoana efa nosoratan'Atra ao am-pon'ny tsirairay io ,fa anjaran'ny iray fotsiny no manaja azy na tsia.
Hoy ilay ramatoa izay hoe nohaninao angaha ny cookies teo ambony latabatra? dia hoy ilay zaza hoe an,an a.(ny molony feno potina mofo),ary mbola nataony indray hoe angaha nisy an'izany teo ambony latabatra :roll: sady nandainga izy nilaza tsy nihinana,no nandainga ihany koa nilaza tsy nahita.
Iza no nampianatra azy?
Ny tiako tenenina dia na inona finoana rehefa manimba ny mpiarabelona aminy dia ratsy eo anatrehan'Atra izany.Toy ireo kristiana nanapa-doha ny vadiny eo imasony vady aman-janany satria nanohitra ilay finoana izay noheveriny fa niova lalana sy diso fampianarana. :roll:
ikaretsaka:
Dia hanao koa ry zareo hoe izay ilay miaraka @ ALLAH, tsy misy na 1 aza hanala iznay fitiavany izany.. manitatra ny fanjakan'i allah ry zareo!

inona moa izany fanjakan'i allah izany,mba azavao hoe ?

13. hira ( 25/03/2008 12:46)
ka taranaka roa samy hafa ireo ary tsy hitsahatra ny ady satria mbola kely aza dia efa novonoin'ny zokiny ny zandriny. Tsy misy entina am-pitahorana ilay kristy fa raha mbola tsy mahalala ny fahasoavana azo avy aminy ilay olona dia ho sarotra ho azy ny ahazo ny fitiavany ,ny fahasaovany.Toy ny miteny zavatra izay tsy fantany akory ihany io

dia taranak'inona ny soldats amerikanina na angalisy mamono tsy fidiny civils irakianina? ireo zazakely irakinina maty ireo izany dia maty satria tsy mino an'i kristy? ny firenendry zareo ni s'écrouler tanteraka satria "izany allah izany" no hivavahany? inona no responsabilitén'ireo firenena "mino an'i kristy" ni-envahir azy?
14. ikaretsaka ( 25/03/2008 13:31)
izay manko!
15. niryna ( 25/03/2008 16:52)
hira:

ka taranaka roa samy hafa ireo ary tsy hitsahatra ny ady satria mbola kely aza dia efa novonoin'ny zokiny ny zandriny. Tsy misy entina am-pitahorana ilay kristy fa raha mbola tsy mahalala ny fahasoavana azo avy aminy ilay olona dia ho sarotra ho azy ny ahazo ny fitiavany ,ny fahasaovany.Toy ny miteny zavatra izay tsy fantany akory ihany io

dia taranak'inona ny soldats amerikanina na angalisy mamono tsy fidiny civils irakianina? ireo zazakely irakinina maty ireo izany dia maty satria tsy mino an'i kristy? ny firenendry zareo ni s'écrouler tanteraka satria "izany allah izany" no hivavahany? inona no responsabilitén'ireo firenena "mino an'i kristy" ni-envahir azy?

tsy aiko indray ny amin'izany ,ny resaka resahiko mahatonga ahy niteny an'izany.Teneno ny mpitondra fa tsy izaho no nandefa ny zanak'olona hamono ny olona mitovy ra aminy. Ny tiako tenenina fotsiny dia hoe tsy anjaran'ny olona na mino an'i kristy izy na tsy mino no mamono ny olona mitovy ra aminy.Tafiditra daholo ny finoana rehetra.Izay no antony hivavahana mba hisy fandriimpahalemana .Ataovy eo aminao foana hoy aho ny toerana dia angotsoka ny fanahinao
16. ikaretsaka ( 25/03/2008 16:54)
dia aza miteniteny foana ary!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0647