zavatra mahazo ny sasany:mampietry,manalabaraka

1. niryna ( 23/03/2008 14:21)
Misy teny raha adika ilay izy dia hoe "Humiliation" na zavatra mampietry tena na mety manalabaraka ka ny fianarana na ny ezaka atao mba hampietry tena dia mitaky finiavantena lehibe ,fanarahana lalana indraindray na mety miafara amin'ny sazy akory aza izay miantefa amin'ny fangirifirina izany na ara-nofo na ara-tsaina

* tsy ho voatery misy fiantraikany amin'ny hafa ilay izy fa anao irery:
Ohatra amin'izany:ilay fisehosehoana diso lalana na diso eritreritra,mamaky saina ny zavatra mbola tsy mitranga akory.
Iny ity rangahy iray mitondra fiara adin'iray andeha hiasa,tonga dia mieritreritra eny am-panidinana eny fa miandry azy ny asa maro ao am-piasana,raha izao moa no misy olona tsy tonga miasa,izaho irery no hanao ny asa. :arrow: mamorona adi-tsaina fotsiny

*misy indray dia olona roa na hafa no mahatonga an'izany ,ohatra: masika be ilay mpampiasa na tsy tia ilay olona dia mitarika fiantraikany amin'ilay mpiasa izany na amin'ilay olona izay ampijaliana izany,kamo izy andeha hiasa,manahy izy fa anao teny mankarary azy indray ilay mpampiasa na inona ataony sy fahazotoany,ilay fahasiahan'ilay olona iray izany dia miteraka fahakiviana ,fahalemen-tsaina ho an'ilay am-pijaliana ary dia miteraka tebiteby sy tsy fahitan-tory izany.

* farany alaiko ohatra ireo mpanao baolina ka miankina amin'izy ireo ny fahaizan'ny milalao no maharesy azy na tsia ary matetika miantehatra aminy indrindra ny mpampianatra azy ny zavatra rehetra.Ilay mpanomana ny lalao izany no hiantefany voalohany indrindra,ilay mpilalao no faharoa,ary dia ireo ekipa rehetra ny fahatelo.
Misy hery lehibe ao hanosika ny hoe fandresena,
tahotra,tebiteby ahiahy ary mety hiafara amin'ny aretim-po mihitsy aza.
Ny fandresena? fifaliana lehibe mihitsy,ny faharesena alahelo,manome tsiny ny tenany ilay nanao baolina ary izy rehetra mihitsy no misy fiantrakany.

Misy mahita hafa toy izany koa ve? ahoana ny fianarana,ny tanora,ny rar? isika tsirairay ?

misaotra mialoha

(l)niryna
novalian'i niryna ny 26/03/2008 17:24
2. niryna ( 26/03/2008 17:21)
Ny tanora?
Miandrandra azy ireo ny ray aman-dreny ary indraindray isika toa izay tiantsika no heverintsika fa ho tiany koa,raha toa ka manaraka ny hevitsika anefa izy fa tsy mba manaraka izay noheritreretiny dia ho zava-poana iza mba hetany ka dia ho very fanantenana izy
Nisy ankizy nalefa nianatra tao amin'ity fianarana natokana ho an'ny ankizy mahay indrindra,tsy zakany ilay izy fa matahotra ny ray aman-dreniny izy. Nianjera tany amin'ny 10 eme etage ilay zaza ary tsy mbola fantatra ny hiafarany.:cry:
3. niryna ( 26/03/2008 17:24)
Ny mpianatra?
Misy ny ankizy izay mihevitra ny tenany ho matanjaka,tsy mahay fa any amin'ny sandry no mahery ka dia manao toetra tsy zaka ho an'ireo kely.
Ny zanaky ny mpanana tsy mety miaraka ny zanaky ny mahantra,mitokana irery ilay zaza fa toa tsy mba misy namana.Ary dia misy fiantraikany amin'ny ho aviny koa izany.
Ny ray aman-dreny ,tsy miteny teny tsara ny zanaka maditra sy ilay kamo fa io teny kamolahy na kamovavy foana no ambetin-teniny ,eny na dia kamo tokoa aza ilay zaza .Izay no fantany ary izay no ataony ary dia tsy mivoatra izy fa dia mijanona eo amin'ilay ankamoany
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1313