Eny hoy aho

1. Rafahafahana ( 21/03/2008 15:11)
Fa maninona kay ny malagasy rehefa aty am-pitan-dranomasina aty no lasa miavonavona sy hafahafa fisainana? Tena gaga aho :oops: indray maka.Ka nanontany tena hoe fa nahoana?:!:
Dia misaotra anao mamaly aho.
2. rush ( 21/03/2008 15:15)
nanontany malagasy aho ndray mandeha,zà no niarahaba fa ry zareo nivandravandra teo fotsiny nijery anay,matahotra hono ny gasy aty andafy sao misy mamitaka,manararaotra,samy gasy hono manao an'zany,tsy azoko ,aty lavitra aty ve dia hisy hanao zany?tsy tokony hifanampy ve ra misy sahirana?
3. mbaliana ( 21/03/2008 16:04)
ç depend ny andafy misy anao angamba
4. ni81 ( 21/03/2008 16:30)
Arakaraka ny tanàna hipetrahanao tokoa aloha io e! Nefa koa arakaraka ilay toetran'ilay olona. Misy olona, vao mifanena fa hoe samy gasy dia mifampitsikitsiky, fa misy kosa na dia miarahaba azy aza ianao dia tsy mamaly izy. Ary misy koa ilay vao mahita dia miodina haingana toy ny tsy teo. Ny gasy vao tonga hoy ry zareo no tonga dia miarahaba raha vao mahita.:lol:. Fa misy koa hono gasy ratsy toetra manararaotra dia tsy tia hierika sy mifandraindray intsony ny gasy sasany fa aleony dia mihatakakataka.:?
Raha izaho manokana aloha raha vao mifanena samy gasy dia mitsiky e, na dia hoe tsy hifampiresaka aza. Fa indraindray aho mifanena, dia mitsiky, fa tonga dia mahita loha mianjona be. Tsy olana ary tsy hivakiako loha.
5. lovemetoo ( 21/03/2008 16:56)
marina mitsy io ka ,mataotra ry zareo ,za koa matsikaritra anizany mitsy ,na mahazo ilay anarana oe GVT eo ko
6. kelly13 ( 21/03/2008 17:06)
za tsy te halala fa arabaiko na tsy iarahaba ahy aza! une fois fotsiny za no tena vasoka b fa tonga d niarahaba b "manaôna ôôôô?" d le sipa kou tonga d nanatona sady nanao biz, kay izy ty sipa reunionezy, fa tena ohatran'ny gasy, hahahaha!
7. mbaliana ( 21/03/2008 18:16)
kelly13 hahahhahahahaa...
noteneneiko hoe ça depend an'le toerana satria efa zay ary ny fomba nahazatra ny gasy toga o amin'io toerana io
8. ftma ( 21/03/2008 19:08)
Tsy ny gasy rehetra aty andafy an, misy tena sariaka be mihitsy indrindra rehefa henony miteny gasy ianao any anaty bus.
9. milaibe ( 22/03/2008 11:59)
Faux prétexte lay voafitaka fa misy miala sao de mahalala ny ataony(complexe) dia tonga hoe GVT no mody hanakanany lay resaka,misy ihany le hoe zà ve iarahac an'io aloha(lehilahy/vavy ;tanora/olon-dehibe) ,efa 16ans zà teto paris fa miarahaba ary fa tonga de tsiky be ny valiny an, miafara @ num tél sy mail ary ndraindray !hahaha .miaraba fa gratuit io e, zay filazany any tsy asiana koi
10. ni81 ( 22/03/2008 12:49)
Arakarak'ilay toetr'ilay olona foana io e! Samy manana ny fiainany sy fanabeazana azony sy raisiny. Fa misy koa gasy mametsifetsy ny namany fotsiny e! Ohatra iray ity. Vao tonga taty andafy izy dia nipetraka tao @ ilay ramatoa izay. Miara-mitoetra ao izy rehefa W.E, ary manomboka alatsinainy dia izy irery no ao an-trano fa ilay ramatoa nandray io lasa niasa dia tsy miverina raha tsy W.E. Inona no nataony? Tsy mahalala mampirina ny trano itoerany ao akory izy fa ny zanak'ilay ramatoa indray no tonga mampirina. Izany dia tena toetra mahamenatra mihitsy fa tsy mahatsapa tena nefa oul efa mitondra tokantrano tany dago!
11. kelly13 ( 22/03/2008 13:07)
ndray mande zay nande metro zay d nahita vhv gasy tao d narabainay le sipa d nivandravandra b fotsiny, d hozy le bandy niaraka taminay oe "jereonareo tsara nge fa ra itenenako teny ratsy io zao d choquée b e!" d tena nitenenany ratsy tokou le sipa fa rangitra b oa, hahahahahahaha! zany izahay menakavy tao anaty metro ra tsy tapatapatsinay dol
12. ni81 ( 22/03/2008 13:13)
Tsy mitondra mankaiza ange io avonavona io e! Mahafaty ve zao raha namaly ny arahaba fotsiny? Tsy hoe nge tsy maintsy hanao resa-be e! Tsiky dia ampy:lol:
13. tess ( 22/03/2008 13:17)
marina dool izany lazainaoreo izany...
misy antony marobe ny mahatonga ireny gasy miavona ireny,
Mety izy tsy te hifandray amin'ny gasy fa matahotra ny ho tsidihina any an-tranony ny any, hoe manjary ho fantatrao ny toe-piainany sns....

Mety izy efa leo amin'ny gasy sasany, satria tena misy ary tena marina fa misy ny gasy mpananararaotra fotsiny ary tsy mahafantatra afa tsy ny azy ihany....
ka aleony mimpirimpirina ....

Misy anefa dia tena miavona tsotra izao, satria hoe aty andavy dia lasa vazaha hono ka tsy mila miresaka amin'ny gasy intsony fa vazaha dool ihany no namana, cas efa itako io mantsy......

Misy koa gasy tsy miarahaba anao izy satria tsy mifankafantatra ianao sy izy dia izay fotsiny...

Misy izy efa notaizàna azy tany antranony tany ny fitaizàna fiavonavonana ity ka atao ahoana ary....

izay mamaly ny arahabanao tsara izay tsy mamaly aza atao mankarary fo sy tsy hivakina loha....

fa tsy ny gasy rehetra aty velany akory dia tafiditra ao anatin'ialy hoe miavonavoana sy manana fisainana hafahafa araka ny voalzaan'i Rafahafahana etsy ambony.....
14. ikaretsaka ( 22/03/2008 15:20)
mbaliana:

ça depend an'le toerana satria efa zay ary ny fomba nahazatra ny gasy toga o amin'io toerana io

mitovy hevitra


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4047