Fanontaniana maromaro

1. ari.malala ( 21/03/2008 09:37)
1/Mahalasa kely ny saiko hoa, ny alakamisy masina hariva no namoronan'i Jesoa ny Eokaristia, ko manin no ny fanasany ny tongotry ny mpianany no Evanjely vakiana @ io andro io?

2/samy mananana ny fitantarany iroe mpanoratra ny Evanjely, fa maninona no i Md Joany irery no mitantara ilay kapiteny nanindrona lefona ny fon'i Jesoa?

3/ ilay vehivavy Samaritana nangatahan'i Jesoa rano kay tsy i Maria Madalenina fa izany Mb Fautine izany ary ny 20mars no ankalazana ny fetiny, tao am rdb no nahenoako an'io, refa le am 6:30maraina sy 12:30 atoandro ny fandaharana ny mpiaro anao.
novalian'i endrika01 ny 30/03/2008 14:54
2. Fody ( 21/03/2008 11:41)
1 - Misy vakiteny telo vakina ny Alakamisy masina:
Ny voalohany dia milaza ny \"sakafon\'ny Paka\" ho an\'ny Jody (Ex 12, 1 -8. 11 - 14)
Ny faharoa kosa dia milaza ny \"sakafon\'ny Paka\" ho an\'ny Kristiana, ny Eokaristia. Izay noforonon\'i Jesoa ny Alakamisy Masina (1Kor 11, 23 - 26).
Ny Evanjely araka an\'i Md Joany kosa dia manome ny dikan\'ny Eokaristia (Jn 13, 1- 15), izay tsy inona fa: \"Fitiavana\" aseho amin\'ny atao.
Lazaina fa fanompoana ny hafa, ary ny tanjona dia ny \"hampiray azy amin\'Andriamanitra\" sy \"hampiray azy amin\'ny hafa\"; satria izay \"Madio\" no mendrika ny hiara-hisakafo amin\'ny Fanasana, ka hiray amin\'ny fianakavian\'Andriamanitra.

2 - Raha mamaky tsara ianao, ny zavatra tena asongadin\'i Joany amin\'ny Evanjely nosoratany dia ny hoe: Jesoa Fitiavana.
Ny Evanjelin\'i Joany dia tsy tantara fotsiny, fa mifono hevi-dalina daholo ireo tranga rehetra lazainy.
Ohatra: ireo evanjelista hafa, dia samy nitantara ny famoronana ny Eokaristia, ary tsy nisy nanisy resaka momba ny fanasana tongotra. Ho an\'i Joany kosa dia iny no notantarainy, izay manome ny dikan\'ny Eokaristia (Don de soi-meme).
Toy izany koa, ny hafa tsy nilaza an\'io fanondromana lefona ny fony io, izay misy hevi-dalina tokoa.

3 - Marina ny filazanao fa tsy i Maria Madelena tokoa izy iny, satria i Maria Madelena dia Jody ary ilay vehivevy niresaka tamin\'i Jesoa teo am-patsakana dia Samaritanina (Jn 4, 1 - 26)

Misaotra anao.
3. hery ( 21/03/2008 11:48)
Valiny tsotsotra fotsiny.

1/ Ao amin'ny Evanjelin'i Joany dia tsy misy fitantarana ny namoronana ny Eokaristia Masina ("ity ny vatako sy ity ny rako") fa io momba ny fanasana tongotra io no nasolony azy. Fanahininian'i Joany napetraka izany hanehoany fa anisan'ny fototry ny Eokaristia koa ny Fifankatiavana sy ny Fifanompoana... ary i Kristy no lohalahrana amin'izany. Ny fivavahana kristianina dia tsy resa-be fotsiny fa fampiharana koa.

2/ Samy manana ny loharanony koa ny mpanoratra ny Evanjely. Mety ny tantaraini'ny sasany tsy voatantaran'ny sasany. Misy tantara goavana vitsivitsy izay hita ao amin'i Joany fotsiny.

3/ I Maria Madalenina dia tsy Samaritana, noho izany dia tsy ho izy mihitsy io. Ny lovatsofina, dia mitantara hoe i Photine no anarany.


Araka ny lovatsofina ihany dia efa taorian'ny nitsanganan'i Jesoa tamin'ny maty izy no natao batemy ary nitory teny tamin'ny toerana maro Carthage, Smyrne, sy Asie mineure izay namonoana martiry azy.

4. hira ( 21/03/2008 12:50)
Izany no mahatonga ny Eglizy hanao ny taona litorjika, satria misy maha samihafa azy daholo ny evanjely 4. olona samy hafa no nanoratra an'ireo, manana approches samy hafa. noho ny taona litorjika dia afaka mahafantatra sy mampitaha izany ny mpino mandavataona.

1/ taona A> evanjelin'ny md Matio. Marihiny mafy fa i Jesoa no ilay Messia zanak'A/tra marina izay teo ambavan'ny mpaminany taloha. Betsaka ny paraboles handresena lahatra ny Jody izay mbola miandry ilay messia.

2/ taona B> evanjelin'i md Marka. Ny azy indray dia ny hanentanana ny olona hanaraka ny fampianaran'i Jesoa: batemy, fanarahana azy any an'efitra sy toerana maro hitoriany.

3/ taona C> evanjelin'i md Lioka. Mpitsabo izy, manana lôjika, hanoratra biographie détaillée dans un contexte historique précis. Ankoatr'izay dia Jesoa Fitiavana, Mpamindra Fo ary Mpamela heloka no tena votoaton'ny soratany. Matetika izy no vakiana @ fotoana fibebahana "ny zanaka adala", "ilay vhv janga" sns...

4/ ny mampiavaka an'i md Joany, dia tsy tahak'ireo evanjely telo teo aloha mitantara ny fianan'i Kristy (ny nahaterahany, ny manodidina azy, ny toerana nalehany...), fa ny azy kosa dia lahatsoratra mifono ny votoanton'ny maha kristianina: Jesoa A/tra tonga nofo mandresy ny fahafatesana, manoro antsika olombelona ny lalana raisina mba hahatongavana any @ A/tra. Izany no mahatonga hoe matetika ny evanjeliny foana no vakiana @ vaninandro ankalazaina ny fotompinoantsika.

I Marie Madeleine indray dia Jody, rahavavin'i Marthe, ary anabavin'i Lazare ihany koa. Izy no ilay disciple vavy nahafatrapo indrindra, nasain'i Jesoa nitory ny fitsanganany t@ maty hatraiza hatraiza.

Izay no mba kely tadidiko t@ katesizy fanomanana ny Confirmation! Efa ela ihany fa mbola nisy kely tafajanona.

5. ari.malala ( 21/03/2008 14:01)
merci dool fa mazava :)
6. ikaretsaka ( 21/03/2008 17:51)
1)efa voalaza kao moa ilay hoe ny an' joany dia ny fitiavana no votoatin-kevitry ny evanjeliny
anyways efa voalaza amin'ny fankamasinana koa re io ry ari a:-D ankoatran'ireo vakiteny 2

2)vokatr'io fiompanan'ny Evanjelin'i md Joany @ fitiavana io dia plutit detail ohatran'izany no nasongadin'i lery bebe koakoa

3) I Mb faustina io ramatoa io.. dia io araka ny voalazan'i hery dia nitory teny tany carthage sns tokao izy (raha mamaky boky bedebe momban'ny kristianian orthodoxe ianao dia mahalala bebe kokoa ny momba azy)
7. fijo ( 21/03/2008 21:08)
ka le evanjely koa anie ,samy nanoratra izay tiany tao ry zalahy nandray lovantsofina ,ka be loatra ny niova teny andalana teny e.izay no olana aminy.
8. Rasiligaoma ( 22/03/2008 06:04)
vao 4 aza no hitan'i fijo.. fa raha jerena avokoa ireo izay nanoratra (indrindra momban'ny passion du christ io) dia eo ianao no raisina
9. majesty ( 25/03/2008 05:33)
Mb Faustina;:-w:-w:-w (zay aho vao naheno an'io)
10. ari.malala ( 25/03/2008 07:25)
Arabaina nahavita soa ny paka dool alou zany an, fa ity no tena nahalasa ny saiko fa adinoko, t@ io alakamisy masina io iany, ilay Jesoa niteny hoe hamadika ahy ny iray aminareo, de vao nomeny ilay sombi-mofo i Jodasy de nidiran\'ny demony, de ho sanatria i Jesoa ve no nanome demony an\'i Jodasy? ary hafa noho ireo nidiran\'ny demony i Jodasy fa toa tsy maninontsy maninona izy, nefa ireo hafa hita any @ evajely hafa rehetra ilay hoe mihinjitrinjitra sy mandratra tena sns... Dia mbola eo am le fahasamihafan\'ny fomba fanoratra iany koa, momba an\'i Joany sy Jakoba, misy milaza fa izy roa lahy no nangataka ny hitoetra eo ankavia sy ankavanan\'i Jesoa, misy milaza fa ny reniny no nangataka de lasa misangôjy kely ah :P de fanontaniana manaraka, 12 ny apostoly nantsoina, fa maninona i Piera sy Joany sy Jakoba foana no antsoina isak\'izay misy alehan\'i JEsoa? (fiovan-tarehy, tao an-tanimboly...) de mbola fanontaniana iany:) azafady fa tonga de atambatroato fa sao d misy adinoko e! angaha moa i Lioka Apostoly? rehefa mitory teny mantsy izy any @ asan\'ny apostoly d miteny foan hoe izahay izay niara nihinana sy nisotro t@ iny Jesoa iny... Dia misaotra mialoha dia miala tsiny raha be fanontaniana e!
11. ari.malala ( 25/03/2008 07:59)
Arabaina nahavita soa ny paka dool alou zany an, fa ity no tena nahalasa ny saiko fa adinoko, t@ io alakamisy masina io iany, ilay Jesoa niteny hoe hamadika ahy ny iray aminareo, de vao nomeny ilay sombi-mofo i Jodasy de nidiran\'ny demony, de ho sanatria i Jesoa ve no nanome demony an\'i Jodasy? ary hafa noho ireo nidiran\'ny demony i Jodasy fa toa tsy maninontsy maninona izy, nefa ireo hafa hita any @ evajely hafa rehetra ilay hoe mihinjitrinjitra sy mandratra tena sns... Dia mbola eo am le fahasamihafan\'ny fomba fanoratra iany koa, momba an\'i Joany sy Jakoba, misy milaza fa izy roa lahy no nangataka ny hitoetra eo ankavia sy ankavanan\'i Jesoa, misy milaza fa ny reniny no nangataka de lasa misangôjy kely ah :P de fanontaniana manaraka, 12 ny apostoly nantsoina, fa maninona i Piera sy Joany sy Jakoba foana no antsoina isak\'izay misy alehan\'i JEsoa? (fiovan-tarehy, tao an-tanimboly...) de mbola fanontaniana iany:) azafady fa tonga de atambatroato fa sao d misy adinoko e! angaha moa i Lioka Apostoly? rehefa mitory teny mantsy izy any @ asan\'ny apostoly d miteny foan hoe izahay izay niara nihinana sy nisotro t@ iny Jesoa iny... Dia misaotra mialoha dia miala tsiny raha be fanontaniana e!
12. hery ( 25/03/2008 09:58)
Lasa mirona @ zavatra madinika izany fanontanian'i ari.malala izany. Manjary ho tonga hatramin'ny hoe inona ilay mofo nohanindry zareo etc... :-) [size=6px]dia lasa adihevitry ny sekta. Ny sekta mantsy dia ohatra izany no firesaky ry zareo. Ilay mihevitra ny baiboly ho tantara tahaka ny vaovao antsary @ télé.[/size]

Ahoana ary no fomba hanazavana ireto fanontaniana ireto?

Ny tena foto-kevi-dehibe itambarana dia hoe i Jodasy, na hoe mpianany ihany, no namadika an'i Jesoa. Ny ankoatra an'io dia pitsopitsony araka ny fitantaran'ny evanjelistra. Ary araka ny nolazaina t@ fanontaniana tery ambony dia miavaka amin'ny fitantara ny an'i Joany.

Ny fitantaran'ny mpanoratra dia miankina be dia be amin'ny zavatra tiany haseho. I Marka sy Matio ary Lioka ohatra Mk. 14. 10-25,Mt. 26. 14-16 sy Mt. 26. 21-25 dia i Jodasy no nandeha voalohany tany amin'ireo mpisorom-be. Ary teo amin'ny sakafo farany dia fampisehoana hoe fantatr'i Jesoa ny zavatra nataony. Io no lojika kokoa raha araka ny tantara.

I Joany indray no milaza io nolazainao io http://baiboly.katolika.org/boky/Joany/13/26-30

Tian'i Joany hamafisina bebe kokoa mantsy ilay hoe fanoloran-tena no tena nataon'i Jesoa. I Jodasy dia fitaovana fotsiny fa izy dia efa nivonona hanolotra ny tenany hamonjena an'izao tontolo izao.

Dia averina foana hoe rehefa mamaky ny bokin'i Joany dia ny fanontaniana tokony hovaliana dia hoe iza i Jesoa fa tsy hoe inona no nataon'i Jesoa.

Ny sasany mbola hovaliana tsikelikely :-)
13. ari.malala ( 25/03/2008 12:51)
hery, non, tsy ho tonga amzany mints ka! ilay hoe nidiran'ny demony no mahalasa saina ahy hoe dia ho sanatria ve i Jesoa no nanome demony an'i Jodasy? dia raha azo atao, aza atao madinika kely otran'io ny zavatra soratanao fa tsy hitako . Dia misaotra amin'ny valin-teny:)
14. ikaretsaka ( 25/03/2008 13:14)
miombon-kevitra @ Hery :amiko ny mahaliana dia ny "iza" i jesoa sy ny hoe "fa maninona" .... fa tsy ny "ahoana" sy ny "inona aby"
Qui et pourquoi, fa tsy comment sy quels
[size=7px]raha izay manko dia lasa fanadinana sy sekta be le izy[/size]:wink:
15. fijo ( 25/03/2008 22:27)
11. Mpandefa : hery [ Valio ] 25-03-2008 10:58:58
Lohateny : Re : Fanontaniana maromaro
Lasa mirona @ zavatra madinika izany fanontanian'i ari.malala izany. Manjary ho tonga hatramin'ny hoe inona ilay mofo nohanindry zareo etc... dia lasa adihevitry ny sekta. Ny sekta mantsy dia ohatra izany no firesaky ry zareo. Ilay mihevitra ny baiboly ho tantara tahaka ny vaovao antsary @ télé.

Ahoana ary no fomba hanazavana ireto fanontaniana ireto?

Ny tena foto-kevi-dehibe itambarana dia hoe i Jodasy, na hoe mpianany ihany, no namadika an'i Jesoa. Ny ankoatra an'io dia pitsopitsony araka ny fitantaran'ny evanjelistra. Ary araka ny nolazaina t@ fanontaniana tery ambony dia miavaka amin'ny fitantara ny an'i Joany.

io fomba famalin'i hery io dia tena ratsy amiko,satria misakana ny olona tsy hikaroka.

raha avy dia boriborian afotsiny hoe "jodasy dia namadika" dia vita ny resaka ,tena loza be izany.tsy mila dinihina akory ve hoe "naninona izy no namadika ??sns"

amiko dia rariny i ari rah amikaroka sy te ahalal aizay "nisy"satria raha ny evanjely anie ka hiaraha mahalala fa misangoditra be e.ary na ny mpretra aza "jereo ilay tatitra nataoko momba ilay fandaharana momba an'i jodasy"fa pretra ilay niteny hoe mifamaofao be ny evanjely rah amitantara zavatra na tranga iray.ka avela hofanina eo ve ny mpino?
16. ari.malala ( 26/03/2008 06:07)
Tena tsy azo atao mintsy ve kay le hoe ts atao madinika kely le soratra? raha @ reel dia toy ny migonongonona tsy hay na manompa na manozona izao... ary eto aho dia miombon-kevitra @ fijo hoe , toy ny mamaly boraingina ftsn nareo fa tsy mitarika ary tsy manazava... efa niteny ah fa ts hirona @ hoe inona ilay mofo mints ny fanontaniako, tsy tonga tany am zany akory aza ny saiko, fa ilay hoe vao notolorana ilay sombi-mofo i Jodasy dia nidiran'ny demony... iza no nanolotra, i JEsoa, ka eo indrindra no nahalasa ny saiko hoa... Dia tsy hahazo fahafaham-po izany aho @ io fanontaniako io fa dia hoe namadika i Jodasy d zay...
17. hery ( 26/03/2008 09:11)
Tsy boraingina io... Miala tsiny tamin'ilay soratra madinika fa tsy te hanafintohina aho. Ny tiako holazaina teo dia hoe manao fanontanian'ny sekta raha miditra @ andininy iray fa tsy manontany ny ankapobeny. Mila vakiana miaraka ny Joany Toko faha 13 manontolo.

Raha novakianao tanteraka ilay toko faha 13 fa tsy tsimponina fotsiny tahaka ny fanaon'ny sekta (tsy nataoko soratra kely intsony) dia hitanao fa vao amin'ny andininy faha-2 dia efa nomen'ny Demony hevitra hamadika azy i Jesoa.

Maninona ary no mbola misy ery ambany hoe : "Vantany vao nihinana ilay sombi-mofo Jodasy dia nidiran'ny demony, ka hoy Jeso taminy: Ataovy haingana izay ataonao." http://baiboly.katolika.org/boky/Joany/13/27

Dia io ilay nolazaiko sy hamafisina foana hoe ny fandraisana ny Evanjelin'i Joany dia tokony hamaly ny fanontaniana hoe IZA i Jesoa.

Ny zavatra tiany holaina indrindra dia hoe i Jesoa no Zanak'Andriamanitra ilay TSY MAINTSY ho faty hamonjena ny olona. Araka ny nolazain'ny mpaminany (and. 18) ary IZY no manolotra ny tenany.

Ny fanontaniana tokony hipetraka izany dia tsy hoe "oviana i Jodasy no nidiran'ny demony" ao amin'ny andininy faha-2 sa ao @ and. 27. Satria tsy tantara chronologique io. Fa ny fanontaniana tokony hipetraka dia hoe Inona no antony nahafaty an'i Jesoa.

18. ari.malala ( 26/03/2008 13:01)
ok merci
19. ikaretsaka ( 26/03/2008 16:51)
misaotra an'i hery
:wink:
20. fijo ( 26/03/2008 22:22)
izay ahay,mba misokatra kokoa le ady hevitra.

ary tsara io fanontaniana hoe "inona no antony nahafaty an'i jesoa io.

eo moa dia mbola maro ny valiny,fa dia samy maka arak'izay itany fa mitombona kokoa ny tsirairay.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0404