Ombay mitady, MAIKA BE

1. sipagasy ( 19/03/2008 09:27)
Indro zaraiko aminareo mailaka azoko ny 18/03/2008, koa raha misy mahalala ireo olona ireo reh, na ny havany dia aza misalasala miantso io N° tel io e!

Misaotra ny rehetra,
Mandria am-piadanana ianareo mivady!

FILAZANA MANJO SY ANTSO FITADIAVANA NY FIANAKAVIANA:

*
Indro (vakio etsy ambany ) taratasy voaray, avy amin'-Pastera Theodore RANDRIAMANANTENA Filoha mpanampy mpitandrina Birao Foibe FPMA"
*
Mizara fa "Niantso ahy io maraina io ny pasteur CLAVAIROLY François, ERF Paris, 5 rue Roquépine, 75008 - Paris , Tel 01 42 65 43 58 , fa maty noho ny hain-trano juste eo am-pitan'ny Fiangonana ERF ity ireto malagasy mpivady ireto : Charles RANDRIANTSEHO sy RANDRIANARISON Livasoa.

Raha ny filazan'ingahy mpîtandrina dia mpiangona ao aminy izy mivady ireo fa tsy miangonana ao amin'ny FPMA akory. Fa ny tian'ny mpitandrina hangatahana amintsika Malagasy ato amin'ny FPMA dia ny hampahafantatra izay fianakaviany izao fahafatesan'izy mivady noho ny hain-trano nitranga io maraina io tamin'ny 3 ora sy sasany.

Koa izay mahafantatra azy ireo , indrindra mahafantatra ny fianakaviany dia antsoy ny mpitandrina amin'io adiresy ambony io.
"
*
Miara-ory feno amin'ny fianakaviana isika koa mitondra ny teny fampaherezana ao amin'i Jesoa Kristy Tompo antoky ny finoantsika ny fitsanganan'ny tena amin'ny maty
*
Manasa ny rehetra hamaly ny antso koa tsy hihahotra hampita malalaka izao taratasy izao
*
Manainga izay mahafantatra ireo anarana voatonona ireo sy ny fianakaviana mba hamaly ny antso koa hifandray amin'ny Mpitandrina ERF voalaza esty ambony



Misaotra mialoha,
sipagasy
novalian'i ni81 ny 07/06/2008 21:26
2. yonikafopl ( 19/03/2008 09:33)
ooofff, mampanahelo be zany:(:(
3. ni81 ( 19/03/2008 09:48)
Tena mampalahelo tokoa zany! Ary raha hapetraka any @ mairie misy an'io pasitera io ny filazana ve tsy mety? Satria mety mahalala ny momba² azy ireo ny ao mantsy. Sa ahoana?
4. sipagasy ( 19/03/2008 09:58)
inoako fa efa nataony izany kann
5. mihanta ( 19/03/2008 10:40)
mandria am piadanana dia mirary fiononana ho an'ny fianakaviana.

merci nampita hafatra sipagasy
6. booboo ( 19/03/2008 10:45)
Misaotra nampita hafatra dia efa nampitako kounkou.

Mirary fiononana feno ho an'ny fianakaviana.
7. tsiafoi1 ( 19/03/2008 10:57)
Mirary fiononana feno ho an'ny fianakaviana tompoko
8. tess ( 19/03/2008 10:58)
mampalahelo ! mirary fihononana e! :(
tena tsy fantako ilay olona voalaza anarana
misaotra an'i sipagasy!
9. NHIRI ( 19/03/2008 12:41)
ka tsy hita ry zareo fa izay le fiainana fa mirary fampiononaana feno.:-D
fa maninona ary i sipagasy no nandefaasan'i Paster an'izany?????tsy nisy vola ve niaraka t@io mess io:*
10. tslem ( 19/03/2008 12:44)
Efa fahoriana ve ry NHIRI dia mbola hihomehezana ihany? :roll:

enga anie mba ho hita ny havan'izy mivady kely ireo.
11. booboo ( 19/03/2008 12:44)
12. tslem ( 19/03/2008 12:48)
booboo >>> fa maninn?
13. booboo ( 19/03/2008 13:02)
tslem > hihihihi niara-nanoratra tsika fa i NHIRI no nataoko 8O fa tsy enao kah hihihihihi
14. kelly13 ( 19/03/2008 13:08)
mirary fiononana ho an'ny fianakaviana!

lalampiainana marina fa tsy hitako oe aiza ho aiza le mampimé, sady inn no hidiran'ny hoe "sy nisy vola ve niaraka t@io mess io"?
15. endrika01 ( 19/03/2008 13:20)
Mampalahelo be izany!Mandefa teny fampiononana hoan'ny fianakavian'izy ireo!
16. jemimah ( 19/03/2008 13:43)
NHIRI;manodiava anao sy ny taranakao
17. ravatorano ( 19/03/2008 13:47)
mirary fiononana ho an'ny fianakaviana !
18. mmmhh ( 19/03/2008 14:07)
Mampalahelo be, @ io tonga de niara-maty!!:snif::snif::snif::snif::snif:
19. mansoor ( 19/03/2008 15:54)
olona kou ve io NHIRI io sa in é!toa otsan'tsy mahalala fahoriana!:?:
20. sipagasy ( 19/03/2008 16:06)
NHIRI:

ka tsy hita ry zareo fa izay le fiainana fa mirary fampiononaana feno.:-D
fa maninona ary i sipagasy no nandefaasan'i Paster an'izany?????tsy nisy vola ve niaraka t@io mess io:*



miarahaba anao aloha,

Voalohany, raha nahazo io mailaka io aho dia tsy inona sa mpiangona tsotra @ fiangonana FPMA aty frantsa, asa ianao raha mpiangona na tsia, tsy izay ny fanontaniana, fa izahay dia mahazo mailaka milaza ny vaovaom-piangonana sy ny soritr'asa rehetra atao isan-kerinandro, ao anatin'iznay koa ny perikopa sns e!!!!! ngamba tsy hainao raha toa ka tsy mpiangona ianao....Marihiko etoana fa tsy ny Tafo Lille ihany no nahazo io ttsy io fa ny tafo FPMA frantsa rehetra, koa afaka manantona mpiandraikitra ianao raha tia hahazo fanazavana bebe kokoa!

Misaotra anao niserana teto ihany anefa.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.0421