FIFA et RAMIARAMANANA

1. fetrakens ( 18/03/2008 14:31)
De ahoana 'zany, nahato tsy ho mpikambana ao @ :arrow: FIFA i Madagasikara... mety hanatsara ny ho avin'ny baolina kitra aloha io e! sa ahoana hoy ianareo!?
novalian'i Jeankely ny 24/03/2008 16:27
2. rabingogilabanga ( 18/03/2008 14:33)
angaha misy mpanao baolina ao gasikara ao?
3. peugeot ( 18/03/2008 14:52)
rabingogilabanga :feno betsaka lty aty dago fa ela ary aona ka ra tsy izany ve ajanony fifa fa mitady be paka kou
4. rabingogilabanga ( 18/03/2008 15:02)
hay ve! vaovao tsara izany ra-peugeot
ka mba mapidi-bôlina ve zao izy izao, sa fampidirambôlina ( fankana isa)
de t@ oviana hono no 1/4 de finale fotsiny, ohatra isika @ compétition ao afrika ao, sa bôlina jeux des îles no tenenin'i toi?

sao kosa ary hena-bôliana sy mofo-bôlina no resahin'i toi?
5. ikaretsaka ( 18/03/2008 16:09)
fa tena ilaina be ve izany fikambanana fifa fifa anareo izany e?
angaha tsy afaka manao baolina raha tsy mi fifa?
6. Jeankely ( 18/03/2008 16:23)
Azo atao ny manatsara ny mpilalao aloha vao mandray anjara indray. Be no efa nanao izany. Ilay hatsahatra kosa aloha tsy mitovy @ mijanona antsi-trapo fa sazy izany. Rehefa tsy hiaraka @ FIFA dia hiaraka @'ny inona ry Ikaretsaka? Sa baolina antanimbary? Any @ Fanantanjahatena koa ity resaka ity aloha.
7. ravatorano ( 19/03/2008 05:38)
ny FIFA dia tsy maintsy tsy maintsy ilaina raha eo amin'ny sehatry ny baolina kitra
ny antony tsy afaka manao fifaninana iraisam-pirenena mihitsy izay tsy mpikambana ao aminy ary izay no efa nahazo ny firenena maro izay nisitaka taminy ary nandadilady indray vao tafaverina tao.
Aza hadino fa i Afrika Atsimo dia tsy mpikabana tao amin'ny FIFA noho izy nampiasa ny fanavakavaham-bolokoditra ireny ary nony tonga teo amin'ny toerana Ingahy nelson mandela ary niala tamin'izany ilay firenena dia lasa mpikambana tao amin'ny fifa ry zareo.
Ka na lalao ampirahalahiana aza tsy azon'ireo firenena tsy mpikambana ao amin'ny fifa atao dia veloma hatreo aloha izany ny CAN,ny COUPE DU MONDE,ary koa ny jeux des îles ho an'ny foot malagasy

Dia ho hita eo izany izay hataon'Ingahy Ministra hanarenana ny kitra malagasy.
Inona moa no efa noraisin'ny ministera antananan momba ny kitra malagasy ary hatraiza ny fanampiana atobaky ny fifa eto amintsika etsy andanin'izay.

:wink:
8. Jeankely ( 19/03/2008 05:56)
Napetrako ery ambany ny loha-hevitra "Success vs Failure" amin'ny lafiny rehetra. Ny Ministera, hahaha ny Ministra koa ve? Ny Federasiona, ny mpanazatra, ny mpilalao baolina, ny mpijery sa ny Filohampirenena mihintsy koa no tompon'andraikitra? Tsy misy afa-maina amin'io rehefa resy na misy mitranga. Izay tompon'andraikitra aloha dia izy no maivoka mialoha ary rariny izany saingy aza adino lalandava fa tsisy afaka hiala bala amin'io. Mopera vaky damozana.....=))=))=)). Raha tsy diso aho efa toa nilaza ianareo tany aloha hoe tokony mifantoka @'ny taranja mety ahatafavoahana.
9. amfhaja ( 19/03/2008 07:53)
aleo koa hijanona mihitsy ilay baolina fa mandany vola fotsiny kle, mitsangatsangana fotsiny ry zalahy nefa rehefa miverina avy any resy foana, aleo atsaraina mihitsy ny baolina vao miditra @ international ndray, sa ahoana hoy nareo
10. hery ( 19/03/2008 09:05)
Sady mankarary fo fotsiny ny mahita andry zalahy resy. Imbetsaka mihitsy no tokony nandresy fa dia mbola resy indray...

Aleo aloha manatsara ny ao antrano vao mifanandrina aman'olona e.

11. Mandefitra ( 19/03/2008 09:10)
Raha mba nisy fitiavana kitra sy fitiavan-tanindrazana tao @ ekipan ny FMF, dia nametra-pialana izy.
Fantatra ny tsy fahombiazana, nefa de aleo ihany le hoe "raha maty aho matesa rahavana" ...
12. ronaldo09 ( 19/03/2008 09:44)
Any amin'ny sport ity lohahevitra ity fa tsy tokony ho ato amin'ny politika !!!
13. ravatorano ( 19/03/2008 10:26)
ronaldo< kanefa dia idiran'ny polifika daholo ny zava drehetra amizao !

za kosa aloha mahita fa misy madilana ho tetenina ihany satrai izao tsy ny "zalahy" mpilalao fotsiny anie no mahatonga ny faharesena ireny e fa aza adino fa isika raha manao regroupement izany hiatrehana lalao iraisam pirenena dia iray volana farany fahabetsnay na roa herinandro no manao izany ? Ny antony ny federation irery no mizaka ny fandaniana amizany ! ka inn ary no mba anjara biriky raisin'ny fitondrana amin'izany ary ?
Raha mandeha ny kitra ao cote d'ivoire dia noho ny fandraisan'ny fanjakana antanana izany dieny mobla any ampotony ! raha nanaitra ny lalao nasehon'ny afrikanina tatsimo tamin'ny can izany ntao tany aminy dia noho ny fandraisana andraikitra nataon'ny fanjakana tao aminy ary aza hadino fa ny ankamaroan'ny mpilalao tao tamin'izany dia mpilalao matihanina amin'ny diviziona voalohany tany ampita avokoa ka tsy nahagaga raha vao niditra tao amin'ny fifa ry zalahy dia azony ny CAN izay natao tany aminy.
amiko raha izao ny fanjakana vao mihevitra ny hijery ifotony ny kitra dia efa diso tara loatra izany ary tsy hampandro fa hampihemotra aza no atahorako
Aiza sy ahona no hahafanatsika mandrefy ny dingana vitatsika raha tsy afaka manao fihaonana iraisampirenena isika sa dia isika samy isika ihany no hifampikotrnana eto ?
asa aloha ?
:wink:
14. Mandefitra ( 19/03/2008 11:11)
Tompon andraikitra voalohany ny fmf @ tsy fandehan ny kitra ao @ tanana.
Jereo t@ andron i Ntsoa, natahotra antsika ny afrikana.Nigeria aza nanao sahal teo alarovia, zambia sy rd congo zany resintsika.
Efa lany DTN izy no nisy namosavy ary dia maty soa amantsara.
Mamisoa sy Nahoda ny defense. Oviana moa izany?
H@ zao ve isika mbola tsy manana mpilalao hanoloana an i Mamisoa foana?@ mponina 15M
Na tsy mahay baolina ny gasy, na tsy mahay mitantana ny FMF.
De mbola mendrika ny hipetraka eo ve ry zalahy?

15. Jeankely ( 19/03/2008 13:25)
Ho Ravatorano oh!!! Fa firy amin'ny Malagasy moa no 1ere division any amin'ny andafy misy anao any? Firy amin'ny mpilalao baolina Malagasy no milahatra @'ireo malaza anarana ireo? Koa ahoana no ahavitana sahala nyvitan'ny hafa? Manonona anarana iray raha misy mahalala hoe iza izany na malaza Malagasy aza. Samy sahirana ary rariny raha kely ny vokatra satria variana @ zavatra hafa daholo. baolina politika aza mifanompa mpitondra sns no mahavariana koa inona fa samy vizana.
16. Veloo ( 19/03/2008 18:39)
ny fijeriko azy kosa lesy dia izao a tsy dia manana discipline firy sy tokony ho serieux ilay kitra gasy ka zany no tsy mahatafakatra azy?
sa ahona?
17. Jeankely ( 20/03/2008 02:51)
Averiko ny fanontaniako veloo an. iza avy ny mpilalao baolina kitra Malagasy efa lasa 1ere division (International)ary nampidirindreo miaka-tsehatra. Tsy ny baolina kitra ihany io fa mila mivoatra daholo hatrany ampotony na isiaka mpiresaka eto aza misy fomba fijery ilaina ampitomboina. Samy mihevitra mahay daholo fa tsy tonga saina hoe ny fototra @'ny zavatra maro mifandrohirohy ary mahatonga ny faharesena @ lafiny rehetra. Baolina resy ary ny toe-karena maharesy sa fahafiry eran-tany. Isiaka mpandahatra koa maharesy ve sa ahoana? Ezaka daholo.
18. ravatorano ( 20/03/2008 05:06)
jeankely< aako any razà ka eto andoharanofotsy no monina fa tsa any ampitan-dranomasina zany !

nolavin'ny chambre administrative izany ny fitoriana ntao'ny FMF ka dia nihatra anio izany ny "sanction"avy amin'ny FIFA.
eo izany isika ka dia ho hita eo indray ny tohiny !

izay razà ah !
19. Jeankely ( 20/03/2008 05:39)
Ny resako hoe samy ratsy fototra daholo tsy hidiran'i Ravatorano mihintsy. Efa mahatsapa tena ve isiaka hoe voadona mafy hatrany amin'ny fotony amin'ny lafiny rehetra? Aza ny tsy mandeha iray ihany no jerena na hifanomezana tsiny fa samy mila mivoatra ary miara-mivoatra. Ny etsy pempoina ny ery alefa nefa tsy mandeha.
20. Mandefitra ( 20/03/2008 06:07)
Lasa any tripoli hono Ahmad e ... zany ve le hoe hihatakataka aho fa lehilahy lehibe? :°)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0519