Ny vola ? Voa roa toy ny dakam-boriky

1. niryna ( 17/03/2008 04:56)
Hiaraha mahalala fa ny fiainana rehetra dia mila an-dravola avokoa,io no tadivintsika,hiasantsika andro aman'alina ary ny tsy fanana an'io koa dia miteraka ilay toetra hivadika ka ahatonga hanao ratsy"money is root of evil".Tsy ny vola no ratsy fa ilay eritreritra mampiasa azy.
Manankarena ity izy mivady, tsy andrin'izy mirahalahy izay ahafatesan'iry roa ka dia nanao tetika hamonoana azy mivady izy roa lahy,nataony izay tetika mora mba handovany ainga koa dia novonoiny ,nofatorany aloha dia notapenany tamin'ny harona maity ny tavany,nojeren'izy roa lahy fa tsy maty dia nolakamony tamin'ny hazo ary dia niala teo ny ain'izy mivady.
Voa roa toy ny dakam-boriky izy roa lahy,ny rar maty ny tena mijanona any am-ponja mandrapahafaty.:evil:
Aza miantehitra ny haren'ny ray amandreny fa ny mihary no aingana.
Maninona no atao hoe "money is root of evil"?,ilay saina tonga tao anaty ka nomen'ny devoly fanahy hanala ny ain'izy mivady ve ?

Aza miantehitra ny haren
novalian'i niryna ny 10/04/2008 14:40
2. Rasiligaoma ( 17/03/2008 05:00)
omeo an'i Cesara izay an'i Cesara e
3. mmmhh ( 17/03/2008 08:57)
ozy ny fitenenana malagasy hoe "ny Vola tsy hangidy na oviana"
Izy roalahy ne zao eto olona mety hoe miadana tsara teo anivon-DRAD-ny e! fa ny erireritra fotsiny hoe rah tsy eo zao ireto olona ireto de tonga de isika roalahy no mahazo ireto volabe;
Ny olona tsy mba hafa-po @ izay hananany zany mintsy, manana 10$ ohatra izy androany e te hanana 20 ndray izy rampitso de 40 ny @ manaraka....de miafara @ asa ratsy isan-karazany mba hahazoanan an-dravola.
4. xxx ( 17/03/2008 10:33)
ny vola no fototry ny fahotana rehetra. Mahavita zava-dratsy ny olona mitoky be loatra @ vola.
5. niryna ( 17/03/2008 17:49)
Rasiligaoma:

omeo an'i Cesara izay an'i Cesara e

ka iza ilay cesara eto?
6. niryna ( 17/03/2008 17:51)
mmmhh:

ozy ny fitenenana malagasy hoe "ny Vola tsy hangidy na oviana"
Izy roalahy ne zao eto olona mety hoe miadana tsara teo anivon-DRAD-ny e! fa ny erireritra fotsiny hoe rah tsy eo zao ireto olona ireto de tonga de isika roalahy no mahazo ireto volabe;
marina izany tena niadana izy roa lahy saingy tsy nahandry ny lova :cry:

Ny olona tsy mba hafa-po @ izay hananany zany mintsy, manana 10$ ohatra izy androany e te hanana 20 ndray izy rampitso de 40 ny @ manaraka....de miafara @ asa ratsy isan-karazany mba hahazoanan an-dravola.
ie, tsy afafo tokoa e,ary raha ohatra ka miezaka mifaly izay kely eo am-pelantanana dia izay dia manana fifaliana e,sa mbola mitady ihany?

[/quote]

7. niryna ( 17/03/2008 17:53)
xxx:

ny vola no fototry ny fahotana rehetra. Mahavita zava-dratsy ny olona mitoky be loatra @ vola.

=D
8. Veloo ( 17/03/2008 18:04)
Ika taxes anie io omena an'i cesara io e? norma zany
cesara=gouvernement

aza mety andevozin'ny vola e zay ny ahy ny motto-ko.

Mahavita zava-dratsy ny olona mitoky be loatra @ vola.

mahavita zava-tsara ko io an
9. ikaretsaka ( 17/03/2008 18:44)
ny vola no hozatry ny fiainana :wink:
10. Rground ( 18/03/2008 08:44)
...Ilaina ny vola fa ny andevozin'ny vola no maha-biby jamba izay tratrany. Ny momban'ireto roalahy ireto izao, tsy nahalala ny dikan'ny hoe "LOVA" akory fa tonga dia jamban'ny hoe: "Sôôôsssy Be!" (Harena)...nefa ny ao ambadik'io "lova" io anie amin'ny ankapobeny ka misy tokony hajaina koa e!...Mba tsy hinoino foana aho fa misy "hafatra" io avy amin'izay niadohany tany...sa ahoana?
11. niryna ( 18/03/2008 11:30)
Veloo:

Ika taxes anie io omena an'i cesara io e? norma zany
cesara=gouvernement

marina izany e,ary ahoana tokoa manome taxes ny karaman'ny tena ny tena, sady betsaka,kanefa rehefa miresaka ny fanomezam-bola any am-piangonana ,tezitra daholo ny ankabetsahan'ny olona ?
tsy terena ny olona e,ny mahantra indray no takiana vola sy adidy e,sns, kanefa raha manana 10 ny olona ny 1 ihany no omena, ary raha manana 100, ny 10 no omena dia mitovy ihany izany sa tsia?

aza mety andevozin'ny vola e zay ny ahy ny motto-ko.
hi,hi

Mahavita zava-dratsy ny olona mitoky be loatra @ vola.

:D
mahavita zava-tsara ko io a

12. niryna ( 18/03/2008 11:32)
ikaretsaka:

ny vola no hozatry ny fiainana :wink:

marina izany ary amin'izay maha hozatry ny fiainana azy izay raha tsy manana dia mitatra ny saina dia lasa manao ratsy,ny fahakamona koa miteraka ny fitaritan'ny saina,toy ireo olona miloka ohatra,te-hanan-karena aingana :lol::lol:

13. niryna ( 18/03/2008 11:38)
Rground:

...Ilaina ny vola fa ny andevozin'ny vola no maha-biby jamba izay tratrany.
marina izany .
Ny momban'ireto roalahy ireto izao, tsy nahalala ny dikan'ny hoe "LOVA" akory fa tonga dia jamban'ny hoe: "Sôôôsssy Be!" (Harena)

izay indrindra ,ary ny tsy takatry ny sainy dia namoy ireo olona noeritreretiny fa ho lovany,marobe ny olona na tsy mamono ny rar aza izy,mety misy mieritreritra kely ilay lova,ary ny sasany vao vita ny fizarana dia amidy ilay izy :cry: io ilay vola adala tompo,tsy nisy nisasarany :cry:
...nefa ny ao ambadik'io "lova" io anie amin'ny ankapobeny ka misy tokony hajaina koa e!...
:D
Mba tsy hinoino foana aho fa misy "hafatra" io avy amin'izay niadohany tany...sa ahoana?
misy mihitsy,ary ilay lova tsy mifindra?
Misy tonga dia miteny hoe omeko anareo zanako ireto,tonga dia zarainy mbola velona fa tsy misy mahazo mivarotra ,hi,hi. Tsy ratsy,amin'izay misy ho dimbiasin'ny fara aman-dimby na tsy misy olon-kafa miditra eo amin'ilay tanana :D

14. Rasiligaoma ( 24/03/2008 05:29)
niryna:

ny vola no hozatry ny fiainana :wink:

marina izany ary amin'izay maha hozatry ny fiainana azy izay raha tsy manana dia mitatra ny saina dia lasa manao ratsy,ny fahakamona koa miteraka ny fitaritan'ny saina,toy ireo olona miloka ohatra,te-hanan-karena aingana :lol::lol:

dia ny atidoha no mitotra ny fiainana

15. niryna ( 10/04/2008 14:40)

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.059