resaka sigara

21. melody ( 19/03/2008 13:42)
hoy i bida:
rehefa te hanao économie @ volatsigara ianao, na matahotra ny aretina azo aminy : cancer de poumon, ny gorge, ny vessie ... dia afaka hiala aminy tanteraka tsy misy olana

marina tokoa izany ka :wink:
22. soanja ( 20/03/2008 02:51)
xxx:

Miarahaba ny rehetra. Raha sendra mba misy manana solution nareo oe aona ny miala sigara zafad fa tena tsy mety mits fa efa accro loatra. Tsy aiko oe inona no azo atao raha eto am dago. Misy mahita centre fanaovana desintox ve sa aiza no misy mivarotra patch nicotine sa ... !!!!!???? Tsy aiko e. Mba atoroy ny methode na fika fa so dia ho faty eto ihany.



Ireto misy vavaka vitsivitsy azonao atao isa-maraina handamina ny andronao.

Natao ho an'olona voageja amin'ny zavamahadomelina sy zavamahafaty sy manimba ity vavaka ity ary ampiasaina any amin'ny centre rehetra mampifanaraka ny fahasalamana ara-batana, ara-tsaina ary ara-panahy.
Raha mavesatra ny entanao dia ireto no antso mangina azonao alefa any amin'Andriamanitra. Hitrotro anao hatrany anie Jesoa!

Ny Vavaka ho an'ny Fitoniana.

Ry Ray Tsy Toha o, omeo ahy ny fahatoniana hanaiky ireo zavatra tsy afaka hovaiko sy ny fikirizana hanova ireo izay tokony ho vitako ary indrindra ny fahendrena amin'ny fahalalana ny mampiavaka an'ireo roa ireo.
Raisiko isanandro ny fanomezanao ahy ny andro iainako ary ifaliako izany isaky ny mitranga.

Ny Fanekeko ny fijaliana izay lalana mankany amin'ny fitoniana sy ny fandraisana ity fiainan-tsarotra be siasia ity amin'ny mahaizy azy, toy ny nandraisan'ny Zanakao azy, fa tsy amin'ny tokony hahampety azy amiko ary ny fahatokisana fa Izy irery ihany no afaka hamita ny zava-drehetra tsy hisy tomika raha toa ka apetrako aminy ny aiko sy ny faniriany ho ahy, no hany mety hazahoako amim-pamendrehana ny hafaliana amin'ity fiainana ity ary ho fahasoavana safononoka miaraka aminy mandrakizay.

Amen- Reinhhold Niebuhr




23. soanja ( 20/03/2008 02:54)
Vavaka ho an'ny fialana amin'ny fangejana,

Ry Ilay Mpahary, manomboka izao dia vonona aho hanolotra ny tenako izay manana ny tsara sy ny ratsy ho anao. Hivavaka mangina aho mba hanesoranao amiko ireo fahalemena ao anaty toetrako sy ny momba ahy, izay manakana ahy tsy ho fantsom-pahasoavana mandaitra ho an'ny hafa sy ho ahy. Omeo ahy ny hery sy tanjaka raha mandroso avy eto aho ka hamonjy amin'izay tianao hahatongavako aho. Amen!
24. soanja ( 20/03/2008 02:56)

Vavaka ho amin'ny Fitahiana,

Andriamanitra o, hatolotro anao ny tenako mba hiorina eo aminao sy hanao izay sitrakao. Esory amiko ireo fehy mangenja ahy mba hahafahako manao ny sitraponao. Hamaivano ireo enta-mavesatra eo an-tratrako, ka ho fandresena lalandava manoloana izany no iainako. Hirehareha ho vavolombelon'ny herinao, ny fitiavanao ary ny fomba fiainana ao aminao anie aho sy ny hafa izay ampiako noho izany. Ho tanteraka anie izany! Amen!
25. soanja ( 20/03/2008 02:59)

VAVAKA SANSKRIT IRAY!


Jereo ny andro androany
Ity fiainana izay iainana ity
Ao anaty fotoana fohy monja no mitoetra
Ny zavamisy ary ny fahamarinan'ny fisiana;
Dia ny firoboroboan'ny fivoarana
Ny famirapiratan'ny asa atao
Ny fandresen'ny fahefana...

Satria ny omaly dia tsy inona fa nofy
Ny ampitso kosa dia fitsinjovana ihany
Fa ny androany, no tena voa-aina tsara
Izay mampanjary ny omaly ho nofim-pifaliana
Ary izay ampitso rehetra ho loharano madio antenaina hitondra aina.

Noho izany, iasao mafy ary fehezo ny androany!
26. soanja ( 20/03/2008 03:05)

Ilay Vavaka Faha- 11

Tompo o, ataovy ho fantsom-pitoniana avy aminao ny tenako, ka izay misy fankahalana dia aoka hitondra fitiavana aho... izay rehetra misy tsy fetezana, dia aoka ho fanahy mpamela heloka aho, ... izay rehetra misy fifandirana, dia aoka ho mpamitram-pihavanana mirindra aho... izay rehetra misy heloka dia aoka hitondra fahamarinana aho, ... izay rehetra misy ahiahy, aoka ho mpitondra finoana aho, ... izay rehetra misy fahakiviana dia aoka hitondra fanantenana aho, ... izay rehetra misy aloka, aoka ho fanilo aho, ... izay rehetra misy alahelo dia aoka hitondra hafaliana aho.

Tompo o, enga anie ka ho mpampionona aho toy izay hampiononina. Hahazo aho toy izay ho azo... Hitia toy izay hotiavina.

Fa satria mantsy eo ampanadinoana ny tenany no hahiratra ny olona iray. Eo ampamelan-keloka no ho voavela heloka ny olona iray. Ary eo ampahafatesana no hifoha ahita ny fiainana mandrakizay ny olona iray. St Francis.
27. soanja ( 20/03/2008 03:07)
"Hisokatra eo anatrehanao anie ny masom-panahy mitondra fitoniana!" Soanja
28. comptezo ( 20/03/2008 17:38)
http://
sakaizakely:

ito kosa ve de mbola mampte hifoka ihany ?



rehefa fantatrao fa mety hanimba ny ainao dia tokony ho efa motivation 1 lehibe tokony hijanonana izay

tsy dia mahita solutions atolotra fa ny sainao no ampatanjaho mba tsy ho dépendant intsony @ nicotine ny tenanao
mitadiava zavatra polipolesina rehefa mahatsiaro nervezy te hifoka, ohatra le balom latex kely ireny

ny vidin'ny patch zany koa lafo toy ny sigara, miala am dépendance 1 dia miditra am anankiray :{

mahereza




Mino angamba za fa izay mpifoka sigara defa malala an'io "refrain"io
Io kalou de mokondoha ihany no ialana aminio eh!
Za mantsy efa niala t@ alalan'ny mokondoha nefa.........

29. bilakarenjy ( 02/04/2008 14:45)
salut daholo an!
Efa nifoka tokoa za taloha ,fa vao 5 taona zay no afaka ary tsy te-hifoaka intsony .

Ny tena nahafahako t@ sigara aloha de saina e!,tena nanampan-kevitra tanteraka ary avy hatrany de nijanona .Notanterahiko io hevitro io .

Tsy misy mahazo mifoka sigara ao an-tranoko ary tsy misy fasiana tain-tsigara koa .

Ary hatramin'izao de tsy te-hifoaka ,fa raha vao misy mifoka de kofona sy te-hikohaka foana za fa tsy mahazaka le fofon-tsigara .

Zay aloha no nahafahako t@ sigara e! ary ampiana kely @ vavaka sy fangatahana izay nosoratan'i soanja ireo mba ho marim-pototra tsara ny fahafahanao @ sigara .

Tanteraho fotsiny ny fanampahan-kevitrao ary mijoroa @ izay hevitrao izay , fa afaka io .

Dia mazotoa daholo ary e!
30. Papoose ( 06/04/2008 01:35)
bjr xxx, ny nataoko dia mitady zvt azo hanina tena tiko fa nety aloha e!
za tia citron b dia raha vao te hifoka dia mihinana citron na misotro jus de citron na zay azo atao @ citron dia haniko dia lasa ho azy le fokafoka sady ratsy be le siraga plisy sitro! :D
eo am-pijerena tele ndrindra no tena fihinana citron au lieu de mifim!
fa zao za sady tsy mi-sitro no tsy mifim! :D
31. ainakelyio ( 30/07/2008 11:47)
slt,izao é na izaho koa aza efa teo no niala tsy dia asiana resaka b io fa tonga dia manapà hevitra dia vita;za aza izao lasa miady aminy mïntsy.Sao mba misy manana chiffrage @ abus nareo:na sigara,paraky,toaka,rongony......fa tena mila za
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1815