Fomba Fijery Kristiana

1. Rground ( 14/03/2008 22:09)
Voasoratra fa miha-ratsy hatrany ny tany, satria
ilay ratsy no manjaka ary mangeja izao tontolo izao, mandrampiavin'Izy namorona ny tany sy ny lanitra ka amin'izany fotoana izany dia hiraraka ireo kintana ary ny volana hody rà...
Ianao ve ho anisan'ireo hitsoaka hiafina... sa ho anisan'ireo ho faly na dia mangohorohoro aza fa tonga ihany ny fanafàhana hatramin'izay ela niharetana izay?

Ahoana izany "mibebaka"?
Manao ahoana izany manana "fomba fijery Kristiana"?
répondu par fahamarinana le 06/04/2008 09:14
2. ikaretsaka ( 14/03/2008 22:37)
Amiko ny hoe mibebaka dia mahatsapa fa misy tsy mety amin'ny ataoko amiko za samirery sy toward ny manodidina ahy dia mila fijerena akaiky sy commitment tsy hanao an'iny intsony, dia miezaka tokoa tsy hanao an'iny intsony

amiko nfomba fijery kristianina dia tsy mi dramatiser sy mampitahotra -tsy mi imposer, tsy mivelona amin'ny tahotra fa acceptance sy mi faire comprendre aza indrindra indrindra, dia contribution araka izay tratry ny aina!
3. rakaroka ( 14/03/2008 22:48)
Mitovy fijery amin'i Ika!^:^
Fa ny tiana ambara: maro anie ny lalana ahafahana mitodi-doha mibanjina an'i Kristy : tsy voatery ny fampitahorana ohatra fa ny fandraisana andraikitra noho ny soa efa nohariany ho antsika koa... Araka ilay teny hoe : "araraoty ny andro azo hanaovantsoa..."
4. rijadolly ( 15/03/2008 01:06)
ikaretsaka:
Amiko ny hoe mibebaka dia mahatsapa fa misy tsy mety amin'ny ataoko amiko za samirery sy toward ny manodidina ahy dia mila fijerena akaiky sy commitment tsy hanao an'iny intsony, dia miezaka tokoa tsy hanao an'iny intsony
Mitovy hevitra fa fanampiny kely fotsiny dia fanolorana azy(ilay ota) amin'Ilay Zank'Andriamanitra mba diovin'RàNy ho foana tahaka ny tsy nisy.Ary Izy no angataka fifonana ho an-tsika eo an-kavanan'ny Ray^:^^:^^:^
5. niryna ( 15/03/2008 03:01)
rijadolly:

fanolorana azy(ilay ota) amin'Ilay Zank'Andriamanitra mba diovin'RàNy ho foana tahaka ny tsy nisy.Ary Izy no angataka fifonana ho an-tsika eo an-kavanan'ny Ray^:^^:^^:^

marina tanteraka izany ,any Amin'i kristy irery no mangataka famelan-keloka ary na inona izany na inona rehefa nataony ho voavela dia avelany tokoa,tsy ilaina ny mamerimberina ilay fangatahana famelan-keloka amin'ny ota iray ,indray mandeha ihany no mangataka aminy dia mino fa voadiony ny ota dia izay ary tsy ho tsarony intsony hoy izy.Isaky ny manao ny tsy mety dia mangataka aminy fa tsy manao famerimberenana fa manjary toa tsy mino azy indray raha efa nodioviny dia averina indray ,sa tsy izany?
----------------------------------------
Tsy misy fampitahorana velively ny filazana ny marina sy ny tenin'Atra izay voasoratra ao amin'ny baiboly,raha manaraka ny tenin'Atra isika dia ho sambatra tokoa satria ny marina no hanafaka antsika,ny marina mandratra ho an'ireo izay mandray sy mino Azy
(the truth will set you free ,it will hurt to those who receive and believe in Him):D

Ny fanontaniana dia hoe "moa ve manaiky an'i kristy ho tomponao sy mpanavotra anao hianao?"
Mibebaha @ fa ho voavela ny helokao,raha mbola tsy nandray Azy hianao na dia izao fotoana hamakianao an'ity resaka ity aza ka mivavaka hianao ary tena mino Azy tokoa amin'ny fonao ,dia ho voavonjy ary dia lasa zanak'Atra manomboka anio.

Ny fahasoavan'ny tompo anie no andrakotra ny fiainantsika tsirairay avy.Amena


6. Rasiligaoma ( 15/03/2008 03:53)
Itovizako fijery i Rakaroka, Ika sy i Rijadolly. indrindra amin'ilay hoe finiavana ny hanao tsara2 kokoa sy fanekena aloha

ny momba ny filazana ny marina momban'Atra dia misy fomba maro samihafa azo atao. Tsy mila miteny aza isika fa amin'ny atao fotsiny dia efa miseho ho azy izany.
«Commence par faire le nécessaire, puis fait ce qu’il est possible de faire et tu réaliseras l’impossible sans t’en apercevoir.»
[ Saint François d'Assise ]


7. fahamarinana ( 15/03/2008 09:40)
:arrow:Miombon-kevitra amin'ny ika,rasili,rijad,rakaroka koa aho ,raha toy izay daholo ny fijerin'ny tena Xna rehetra dia tena lafatra tanteraka.^:^^:^.
Misy tokoa ny fomba samihafa tokony hilazana ny tenin'Andriamanitra araka io voalazan'ny rasili io,eny na ny Pastera,Mompera sns aza dia misy miezaka manao izany fa misy koa ilay manao didoha be fontsiny hoe toy izao no voalaza ao am baiboly dia ekeo dia izay.Hitako hoe tsy mety nefa raha mba amborina kely ilay fomba filazana azy dia ho maro no hiheno sy hanaraka...iny moa azo ianarana fa tsy misy mahatara azy:D(l)
8. Rasiligaoma ( 16/03/2008 03:10)
=D marina mihitsy izay an'i fahamarinana izay, (toy ny PS -nao ihany)
9. fahamarinana ( 16/03/2008 09:22)
:arrow:rasili::D:D,eka ozy!,amboarina kely fontsiny anie ary ekena fa sarotra fa miezaka e(l)
10. Rground ( 16/03/2008 20:37)
Miombon-kevitra aminareo rehetra koa aho ry zareo,
..na ny an'ikaretsaka manambara ny fahatsapan-tena izay dingana voalohany marina tokoa amin'ny hahatongavana amin'ny "Fibebahana", ary tsy mampatahotra na manery ny hafa...
..na koa ny an'i rakaroka milaza ny fomba fiady dia ny finiavana amin'ny fanaovan-tsoa
...ny an'i rijadolly hoe mila ny fanadiovana avy amin'ny Rà ary Izy Kristy no hangataka fifonana ho antsika.
..nyrina mampahatsiahy fa ilaina ny fandinihan-tena raha manaiky marina an'i Kristy ho Tompo sy Mpanavotra..
..Rasiligaoma milaza fa tsy ilaina akory ny miteny dia taratra ho azy ny avy amin'Ny Avo
..Ny fanamarihina nataon'i fahamarinana hoe tokony hitandrina amin'ny fanambarana ny Teny mba hisarika fa tsy hampandositra ...

Mifameno tokoa ry zareo araka ny fandinihiko ny voalaza...

Fa raha te-hibebaka ny olona iray, inona no tokony hataony? Mivavaka ve izy sa mankany am-piangonana ve izy; sa manatona Mpitandrina sa Mopera sa ahoana no fomba hahatsapàny any anaty any fa avy nibebaka izy ka mahatsiaro afaka...?
..Efa niaina izany ve ianareo?...inona no nataonareo..dia ohatry ny ahoana izany?
































































































































































































11. prime ( 21/03/2008 11:10)
Fa raha te-hibebaka ny olona iray, inona no tokony hataony?
Raha ny fantatro mikasika ny fibebahana dia :
- ny tenin\'Andriamanitra avy amin\'ny toriteny sy ny asan\'Andriamanitra amin\'ny alalan\'ny mpanompony maro no ahitàna ny herin\'ny voninahitr\'Andriamanitra nefa mety ho avy Aminy Izy mivantana ihany koa mampibaribary izany amin\'ny fomba maro
- miainga amin\'ny fahatsapàna ny halalin\'ny fitiavan\'Andriamanitra mitaha amin\'ny faharatsian\'ny tena (eo dia mila mandini-tena hoy ika sy niryna izay) vokatry ny ota sy ny faharatsiana vita hatrizay
- ka manenina mafy, ary manaiky ny hiova sy hiasàn\'ny fanahy masin\'Andriamanitra ka miala amin\'ny lalana faleha sy amin\'ny fanao hatrizay
- ka manetry tena hanaiky ny fitondran\'Andriamanitra ho amin\'ny lalam-baovao manomboka eo
- ary mandray an\'i Jesosy Kristy ho Tompo sy Mpamonjy amin\'ny fiainana
- ary miroso amin\'ny finoana ka tsy mihambahamba manaiky ny lalana voasoritr\'i Kristy hodiavina
- ary mino sy miray amin\'i Kristy ary manaiky ho isan\'ny vahoakan\'Andriamanitra... (miditra ho fiangonana)
Mivavaka ve izy sa mankany am-piangonana ve izy; sa manatona Mpitandrina sa Mopera sa ahoana no fomba hahatsapàny any anaty any fa avy nibebaka izy ka mahatsiaro afaka...?
Asan\'ny fanahy masina ny fibebahana fa tsy misy avy amin\'olombelona na dia kely aza... noho izany mila feno ny fanahy masina, manatona an\'Andriamanitra, amin\'ny fotoana rehetra, toerana rehetra, tranga rehetra... izay ihaonana amin\'Andriamanitra... ka manaiky ny ota vita ary mangataka famelan-leloka avy amin\'Andriamanitra amin\'ny anaran\'i Jesosy Kristy...

Mazava ho azy fa avy amin\'ny alalan\'ny mpanompon\'Andriamanitra voahosotra ho amin\'izany (Pretra, Pasitera, Evanjelistra, Mpiandry, Révérend, Katekista, Episkopaly...) no andraisana ny fametrahan-tanana famelan-keloka, ilay avy amin\'Andriamanitra amin\'ny anaran\'ny Ray sy Zanaka ary fanahy masina...

Ny fahatsapàna ny vokatry ny fibebahana dia haino any anaty lalina, feno ny fiadanana sy ny fitiavana ary ny fahasoavana avy amin\'i Kristy...
Efa niaina izany ve ianareo?...
izaho manokana efa nandalo ary tena resin\'ny fitiavan\'Andriamanitra ka tena faly ary manolo-tena ho Azy amin\'ny momba ny tena rehetra no sady mametraka ny fiainako Aminy rahateo... arakaraka ny irosoako manatona an\'i Kristy no ahaizako tsikelikely ny momba Azy sy ny herin\'ny fitiavany...
inona no nataonareo..dia ohatry ny ahoana izany?
tsy misy fomba manokana ho amin\'ny fibebahana fa arakaraky ny antson\'i Kristy amin\'ny tsirairay isam-batan\'olona mihitsy izany... ka tsy misy modely vita rafitra mialoha satria asan\'Andriamanitra izay, fa ny nataon\'Andriamanitra ho an\'ny tsirairay no tena ahitàna ny voninahitr\'Andriamanitra... satria ny ota vita, ny fiainana, ny tontolo manodidina, ny rafitra nitaiza sy nikolo, ny fiarahamonina sns iainan\'ny tsirairay dia samy manana ny azy... saingy ny antson\'Andriamanitra dia tsy manavakavaka fa ho an\'ny olona rehetra satria samy mendrika ny handray ny fiadanana sy ny tena fahasambarana avy Aminy avokoa ny olona rehetra mandrapihavin\'i Kristy...
12. Rasiligaoma ( 22/03/2008 05:51)
Fa raha te-hibebaka ny olona iray, inona no tokony hataony? Mivavaka ve izy sa mankany am-piangonana ve izy; sa manatona Mpitandrina sa Mopera sa ahoana no fomba hahatsapàny any anaty any fa avy nibebaka izy ka mahatsiaro afaka...?
..Efa niaina izany ve ianareo?...inona no nataonareo..dia ohatry ny ahoana izany?


Fahatsapana ny ao anatiny io
13. fahamarinana ( 22/03/2008 06:54)
:arrow:miombon_kevitra tanteraka amin'ny prime,tena mahafinaritra ahy ilay maheno ilay teninao ity hoe :

prime:

arakaraky ny antson'i Kristy amin'ny tsirairay isam-batan'olona mihitsy izany... ka tsy misy modely vita rafitra mialoha satria asan'Andriamanitra izay, fa ny nataon'Andriamanitra ho an'ny tsirairay no tena ahitàna ny voninahitr'Andriamanitra....
(l)
14. Rasiligaoma ( 24/03/2008 05:36)
marina izay..
izay mety amin'i prime tsy hiety amin'o Sily na hety amin'i Fijo ka aza forcena ny olona
15. Rground ( 24/03/2008 09:13)
...Eny tokoa ry prime fa "arakaraky ny antson'i Kristy amin'ny isam-batan'olona tsirairay mihitsy izany"...

Dia rehefa mahatsapa izany ao anaty ao araka ny voalàzan'Rasiligaoma etsy ambony dia inona no ohatra azo tsapain-tanana hahatsapàna ny mampiavaka ny olona iray izay nibebaka ka nanjary mpino, amin'ny olona iray tsy manaiky ny hibebaka?(eny amin'ny sedran'ny fiainana an-davan'andro io)
16. prime ( 02/04/2008 12:17)
Rground> Maro dia maro ny azo tsapain-tanana satria ny olona rehefa ovain'Andriamanitra niala tamin'ny fahafatesana ho amin'ny fiainana dia feno ny fanahy masin'Andriamanitra... ary ny asan'ny fanahy sy ny vokatry ny fanahy dia maro raha tsy hitanisa vitsy2 izay voasoratra efa nambaran'ny Apostoly Paoly ho an'ny galatiana indrindra hoe, amin'ny anaran'i Kristy :
"22 Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana,23 fahalemem-panahy, fahononam-po; tsy misy lalàna manohitra izany.24 Fa izay an'Kristy Jesosy dia efa nanombo ny nofony mbamin'ny faniriany sy ny filany tamin'ny hazo fijaliana.25 Raha velon'ny Fanahy isika, dia aoka handeha araka ny Fanahy." Galatiana 5:22-25

Tena ara-bakiteny ary hitan'ny maro manodidina azy ireo rehefa mandray an'i Kristy ny olona iray... lasa olona tia mizara fifaliana, sy fahombiazana ho an'ny hafa ary manompo ny hafa amin'ny endriny rehetra satria fantany fa nandray maimaimpoana izy, dia mizara toa izany koa...
17. Rground ( 05/04/2008 09:34)
prime:

Rground> ... nambaran'ny Apostoly Paoly ho an'ny galatiana indrindra hoe, amin'ny anaran'i Kristy :
"22 Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana,23 fahalemem-panahy, fahononam-po; tsy misy lalàna manohitra izany.24 Fa izay an'Kristy Jesosy dia efa nanombo ny nofony mbamin'ny faniriany sy ny filany tamin'ny hazo fijaliana.25 Raha velon'ny Fanahy isika, dia aoka handeha araka ny Fanahy." Galatiana 5:22-25
...


Mila mamaky an'io matetitetika aho ry prime mba hahazahoako miaina feno io voalaza io.
Mahereza sy mitomboa fahasalamàna ary mirary soa ho anao.
18. Rground ( 05/04/2008 09:46)
Mirary fahasalamana sy tanjaka ara-pinoana ary ny soa rehetra ho antsika :
ikaretsaka
Rakaroka
rijadolly
niryna
Rasiligaoma
fahamarinana
prime
...

Fa mahasoa ny toro-lalanareo ary mampitraka ny fanohananareo.
Mahavità be ary Ny Avo indrindra hiaro anareo!

19. fahamarinana ( 06/04/2008 09:14)
:arrow: Merci Rground,ho anao koa torak'izany :mahafinaritra ny fifanakalozan-kevitra dia mirary ny soa sy ny tsara ho anao eo ambany fitarihina sy fanambinanan'ny Tompo hatrany dia mahereza daholo tsika ato e!!! (l)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.2067