io finoana io wa ratsy
1. fijo
(
13/03/2008 19:55)
odorany ny fananany an-tapitrisa
jeudi 13 mars 2008, par Nivo T. A.
Imprimer cet article Enregistrer au format PDF envoyer l'article par mail title=
Loza no nafitsok’ity raim-pianakaviana iray tany amin’ny tanànan’ Andafialava, kaominina Ambinany-Andravory, ao anatin’ny distrikan’i Vohémar. Nodorany ny tranony niaraka tamin’ny entam-barotra rehetra tao anatiny ary tsy nisy nahasakana azy tsy hanao izany ny fokonolona.
Tamin’ny alatsinainy lasa teo, tamin’ny 8 ora maraina tany ho any no nitrangan’ity habibiana ity. Araka ny vaovao azonay avy an-toerana, dia toa mitana ody ratsy ity lehilahy ity ary vokatr’izany no nahatonga azy handoro ny fananany. Toa hoe navadiky ny mpimasiny izy ka niafara tamin’izao fandravàna fananana izao. Naka solitany ny lehilahy ary tamin’ny fotoana tsy naha-tao an-trano ny vady aman-janany no nandoroany ny trano. Niezaka namono ny afo ny fokonolona saingy nosakanan’ilay lehilahy tamin’ny fomba rehetra. Kila forehitra ny fananany izay vao navelany namono afo ny olona. Soa ihany aloha fa mba tsy nihitatra nankany amin’ny tranon’olon-kafa teo akaikiny ity afo niniana natao ity. Araka ny fantatra, dia manodidina ny Ar. 10 tapitrisa any ho any ny teti-bidin’ireo entana lasa lavenona tao amin’ity trano fivarotana enta-madinika tany Ambinany-Andravory-Vohémar ity. Ankoatra ny entam-barotra mantsy dia kilan’ny afo tsy nisy azo noraisina ihany koa ny fanaka rehetra tao an-trano.
Ilay ramatoa vadiny moa dia namantana trano sy fananana lasa lavenona. Nanjavona tao anatin’ny fotoana fohy ny harena nisasarana nandritra ny taona maro. Tsy fantatra aloha izay mbola hataon’ity vehivavy tompon’ny fananana may ity na hametraka fitoriana na hijanona amin’izao fotsiny. Ny vady andefimandriny ihany mantsy no nahavanon-doza ary fananan’izy ireo ikambanana no lasibatra.
Hafa indray ity ! Ny olona mikatsaka fatratra mba hahasoa ny ao an-tokantrano sy hampitombo harena, ny an’ity lehilahy ity ny eo am-pelatanana indray no noravana tamin’ny afo.
Izany tokoa ve ny vokatry ny filalaovana ody tafahoatra ! Asa aloha !

novalian'i Rasiligaoma ny 24/03/2008 05:31
2. ikaretsaka
(
13/03/2008 20:07)
ny zavatra rehetra, na finoana ody io na finoana inona raha vao tafahoatra sy tsy voa controlle dia mamoehitra aby ka
8. fijo
(
13/03/2008 21:52)
mino ody loatra ry cutie an,
rabingo,aza diso enao,fa i staline dia nikofesy niafina foana mandrapahafatiny.izay no tsy nahafaty ny fiangonana ortodoxe tany russie.
pissoa,ka efa finoana ko

15. fahamarinana
(
14/03/2008 04:07)
ikaretsaka:
ny zavatra rehetra, na finoana ody io na finoana inona raha vao tafahoatra sy tsy voa controlle dia mamoehitra aby ka
:arrow:mitovy hevitra amin'ny Ika koa aho:rehefa diso tafahoatra dia lasa mivily lalana.Lalina koa izany tranga zany.(l)
16. prime
(
14/03/2008 11:04)
Misy tsara dinihana ihany satria raha tena fakaina ny toa izao dia mampibaribary fa tsy ny finoana na ilay olona no ratsy fa miankina amin'ilay inoana mihitsy aza...
19. prime
(
14/03/2008 12:57)
Ny tranga matetika dia tsy "conscient" ilay olona eo am-panaovana azy fa rehefa vita vao tonga saina...
20. ari.malala
(
14/03/2008 13:49)
ka izy anie izany diso fanantenana raha azoko tsara e! satria hoe
Araka ny vaovao azonay avy an-toerana, dia toa mitana ody ratsy ity lehilahy ity ary vokatr’izany no nahatonga azy handoro ny fananany. Toa hoe navadiky ny mpimasiny izy ka niafara tamin’izao fandravàna fananana izao