Sitrakao ve ny handray ny tanako
hitantana anao, hiaraka amiko (2)
hamakivaky iry lalantsarotra iry
lalantsarotra, lalan'ny fitia (2)
raha toa ka tena fitiavana tokoa
fa tsy kitoatoa no homenao ahy
dia vonona aho (2) ho namanao
hiaraka tsy hifandao hamakivaky ny fiainana
tsy ny harena be na bika aman-tarehy no entina mitia
sanatria
fa fo anankiroa mifanara doha
tsy manan-dolom-po fa mitambatra ho iray
mandrakizay
mihirà finaritra