Eliza Freda
1. razamble
(
09/03/2008 15:39)
Misy mahafantatra ny tononkalon'i Eliza Freda ve ? Ohatra :
Ao ambany
dongon-tany,
ao anaty
vatam-paty
misy reny
tsy miteny,
hatry ny ela
no tavela
(Eliza Freda)
2. xxx
(
09/03/2008 16:29)
Singan'olona toa very izany izaho
Ravin-kazo tafasaraka aman-taho
Tapak'ahitra entin-drano ka indrisy
Izay mba toeran-kitodiana toa tsy hisy
tsy tadidiko intsony; hirain'i Bodo io
3. razamble
(
11/03/2008 21:13)
Misaotra ry xxx. Hay va re io hiran'i Bodo io an'i Eliza Freda ê ! Tena tsara tokoa. Misy mahalala hafa ve ?
©
Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 -
2025 - page load 0.3695