abrahama

1. Kwasi ( 29/02/2008 12:38)
Ismaela ve sa Isaka no natao sorona?
novalian'i fijo ny 04/03/2008 23:43
2. ni81 ( 29/02/2008 12:49)
Isaka no natao sorona.
3. prime ( 29/02/2008 13:03)
Voavaly sahady.:)
4. tselatra ( 29/02/2008 13:22)
ismaela no natao sorona
5. xxx ( 29/02/2008 15:04)
sady tsy Ismaela no tsy Isaka, fa ondrilahy.
Jenezy 22, 1 - 19
http://baiboly.katolika.org/boky/Jenezy/22
6. rakaroka ( 29/02/2008 15:19)
F'angaha moa tsy i Jesoa 'lay sorona :roll::?::roll::?:8O
7. rijadolly ( 29/02/2008 17:11)
Marina izany fa Ilay Zanak'Ondryn'Andriamanitra no natao sorona
Andriamanitra mihintsy no nanome izay atao sorona mba hanavotana antsika noho ny fitiavany antsika fa tsy sorona izay tiantsika atao,dindon'Jesoa Kristy ilay ondry hita tany ankebahebatany tamin'iny fotoana iny,avy any amin'Andriamanitra mihitsy. http://baiboly.org/toko.asp?boky=GENESISY&toko=22&andininy=8-8&dika=
8. ni81 ( 29/02/2008 17:29)
Isaka no nentina hatao sorona fa rehefa tonga teo @ ilay toerana dia nisy ondrilahy. Nasian'i Kwasi fandrika ilay fanontaniana dia nataony hoe Isaka sa Ismaela:lol::lol:
9. Kwasi ( 29/02/2008 19:31)
Oadray ary nisy teny iray hadinoko t@ ilay izy dia lasa nivadika zavatra hafa an!
Iza ilay SAIKA natao sorona?

Raha ny voalaza dia i Isaka, nefa toa rehefa zohina toa hoatra an'Ismaela indray.
10. fijo ( 29/02/2008 21:02)
isamela zanak'i agara,le noroahina de lasa "silamo"izao.isaka kosa ilay tao an trano naika atao sorona fa hoe nisy nisakana hono.
11. booboo ( 29/02/2008 22:34)
Isaka lé saika gli dia avy teo lé ondry ndray no najedaka

Fijo > ary mbola mahatadidy sekoly alahady a ! zà zao raha tsy niteny an'io ingahy dia tsy tadidiko hoe iza no anaran'i maman'Ismaela. :-D
12. soanja ( 01/03/2008 03:20)
Efa eo ihany isika tsy aleo jerena ny voalazan'i baiboly.

Hebreo 11:17

17 Finoana no nanateran'i Abrahama an'Isaka, raha nizahan-toetra izy; eny, ny zanani-lahy tokana no naterin'ilay efa nandray tsara ny teny fikasana,

Ahoana moa no mahatokana azy. Ishmael angaha tsy zanak'i Abrahama? Isika rehatra samy mahalala fa naterak'i Abrahama i Ishmael tamin'ny andevony Hagara ary i Ishmael no teraka talohan'i Izaaka.

Sa ve tsy zanaka ny zanaky ny andevo? sa ve tsy isan'ny zanaka ny zaza nateraka tsy tao anaty tokatrano? Sa ve tsy isan'ny zanaka ny zaza namboarina tao anaty fahafinaretana sy ny filana???

Fantaro ny voasoratra!

Io ilay atao hoe mampisarantsaraka. Na mahita an'io fotsiny aza ny Silamo dia romotra tompoko satria notsinotsinoavina ny azy.
13. niryna ( 01/03/2008 03:49)
Kwasi:

Oadray ary nisy teny iray hadinoko t@ ilay izy dia lasa nivadika zavatra hafa an!
Iza ilay SAIKA natao sorona?

Raha ny voalaza dia i Isaka, nefa toa rehefa zohina toa hoatra an'Ismaela indray.



:roll: taiza no nahitanao an'izany? sa eritreritra fotsiny?
Lava ny tantara ka aleo ho fintinina.

1- Abrahama dia taratra ho antsika mino an'Atra rehetra,izay mino Azy dia omeny tso-drano ny taranaka mandimby misesy rehetra.Ary ao aminy no loharanom-pamonjena :arrow:Abrahama,Isaka ary Jakoba.
2-Niala tao amin'ny toerana nahazatra azy Abrahama rehefa nomen'Atra fanekena fa homba azy hatrany.Isika rehetra izay mino an'Atra koa dia miala amin'ny toetra ratsy nahazatra satria ny zanany no nataony sorona ho antsika ka homba antsika hatrany izy.
3- Na dia nino ny fanantenana nomen'Atra azy aza Abrahama dia tsy nahatohitra ny fakam-panahy ka nanaiky ny tenin'ny vadiny mba hanambady ny mpanompony dia Haggar izany na Hagara ary niteraka an'i Ismaela (zanaka anelankelantrano no filaza azy ankehitriny)
Isika rehetra koa dia mety misy zavatra mahazo amin'ny fiainana ary indrindray dia tsy mino ny teny sy ny fanomezana ary ny toky nomen'Atra antsika ka dia manaonao foana.
4- Nanao fitsapana an'i Abrahama Atra raha tena olon'Atra tokoa i Abrahama.Amintsika ihany koa dia andalo fitsapana maro isika ka izay maharitra hatramin'ny farany no ho vonjena.
5- Ny nizahan'Atra toetra an'i Abrahama: 1 ARY rehefa afaka izany zavatra izany, dia nizahan'Andriamanitra toetra Abrahama, ka hoy Izy taminy: Ry Abrahama ô! ary hoy izy; Inty aho.

2 Ary hoy Izy: Ento ny zanakao, ny lahitokanao izay tianao, dia Isaka ka mankanesa any amin'ny tany Moria; ary atero any izy ho fanatitra dorana ao amin'ny tendrombohitra anankiray izay holazaiko aminao.
:arrow: Isaka dia nataon'Atra ho fanatitra hodorona ary Abrahama dia nanaiky anao ny zanany ho fanatitra ihany koa.:arrow:Atra dia nanome ny Zanany ho fanatitra ho antsika rehetra ho afaka amin'ny ota.
6- Aiza ny fanatitra?7 Ary Isaka niteny tamin'i Abrahama rainy ka nanao hoe: Ry ikaky ô! dia hoy izy: Inty aho, anaka. Ary hoy izy: Indreto ny afo sy ny kitay; fa aiza kosa izay ondry hatao fanatitra dorana? :roll: (raha nahalala ilay zaza fa izy no atao fanatitra angamba izy lasa nitsoaka nandositra e?) :D
7-8 Fa hoy Abrahama: Anaka. Andri­amanitra no hahita izay ondry hatao fanatitra dorana; dia niara-nandeha izy mianaka.:arrow: ho an'ny kristiana dia tsy matahotra ny ampitso satria Atra no mpiahy sy mpamelona ary mpitantana ny ho avy,rehefa mino Azy ka mametraka ny fiainana rehetra eo aminy dia vitany ny tsy hain'olombelona
8-10 Ary Abrahama naninjitra ny tànany ka nandray ny antsy mba hamonoany ny zanany.
Isaka dia nataon'i Abrahama sorona ary tena nataony tokoa izany :arrow: toy izany koa isika ,raha mafy aza ny manjo tsy kivy ,tsy miverindalana fa fantany ny fahoriana mahazo antsika ary dia omeny vahaolana rehefa mino azy tokoa.ATra dia nanao sorona ny Zanany Malalany ho antsika ^:^
9- 11 Fa niantso azy Ilay Anjelin'i Jehovah tany an-danitra ka nanao hoe: Ry Abrahama, ry Abrahama ô ary hoy kosa izy: Inty aho.

12 Dia hoy Izy: Aza ma­ninjitra ny tànanao amin'ny zazalahy, ary aza maninona azy akory hianao; fa hitako izao fa matahotra an'Andriamanitra hianao, ka tsy narovanao tamiko ny zanakao, dia ny lahito­kanao.
=D ^:^

Ity ve no atao hoe izay sahy maty ihany no mifono lambamena ?

13 Ary Abrahama niherika nijery ka,[i] indro, nisy ondrilahy teo ivohony, voasanga­zotry ny kirihitrala ny tandrony; dia lasa Abrahama ka naka ny ondrilahy ary nanatitra azy ho fanatitra dorana ho solon'ny zanany.
Gen 22

Abrahama eto dia fanoharana an'Atra izay nanome ny zanany atao sorona ary Atra dia nanome an'i kristy ho sorana velona ho antsika rehetra izay mino sy manaiky ary mibebaka fa mpanota.Raha mino Azy tokoa isika ary manaiky azy fa i kristy no sorona velona hanafaka antsika amin'ny ota rehetra dia ho voadion'ilay zanak'ondrin'Atra izay manala ny fahotan'izao rehetra izao ny fahotantsika.

Misy fifaliana mihoatra noho izany ve ? =D=D
Omeo tantanany manomboka anio ny fiainanao fa matoa tonga eto ny fanazavana toa izao dia tiany sy mbola tiany ho voavonjy avokoa isika rehetra.Aza mangataka andro fa tsy ho fantatra izay ho avin'ny ampitso,mifona aminy,maneke fa manao ny zavatra rehetra izy,mahalala ny ao am-po miafina izy ary omeo ho tantanany ny fiainanao fa misy Atra,nisy Atra ary mbola miasa ny heriny hatramin'izao.
Miantso antsika rehetra ny Tompo.

(l)niryna
14. rijadolly ( 01/03/2008 05:03)
sao dia misy coran any mampiseho ireo ahyahy nareo ireo fa izay aloha no voasoratra ao anatin\'baiboly Kristiana hoe Isaka no nangatahan\'Andriamanitra atao sorona.
Ahoana moa no mahatokana azy. Ishmael angaha tsy zanak\'i Abrahama? Isika rehatra samy mahalala fa naterak\'i Abrahama i Ishmael tamin\'ny andevony Hagara ary i Ishmael no teraka talohan\'i Izaaka.
Sa ve tsy zanaka ny zanaky ny andevo? sa ve tsy isan\'ny zanaka ny zaza nateraka tsy tao anaty tokatrano? Sa ve tsy isan\'ny zanaka ny zaza namboarina tao anaty fahafinaretana sy ny filana???
Tsy vady aloha ny vady elakeletrano iray izay,Isaka no neken\'Andriamanitra satria avy amin\'Saraha izay mbola neken\'Andriamanitra ho vadin\'Abrahama ihany koa,roa izay,ary avy amin\'i Isaka no nampetraka ny teny fikasan\'Andriamanitra,telo.
Fanazavana kely amin\'io dia hita fa tao aorian\'Isimaela no nahatongavan\'ireo Anjelyn\'Andriamanitra 3 nilaza an\'Ambahama sy Saraha hanamafy amin\'fikasan\'Andriamanitra indray na dia antitra aza izireo.
Noho ny halahelon\'Hagara mafy loatra sy noho ny amin\'Abrahama dia nahazo dia nahazo tokoa i Ismaela,Noho izany zanaka izy fa tsy nomena ny fanekena. http://baiboly.org/toko.asp?boky=GENESISY&toko=17&andininy=1-27&dika=
15. xxx ( 01/03/2008 05:08)
rijadolly:

sao dia misy coran any mampiseho ireo ahyahy nareo ireo fa izay aloha no voasoratra ao anatin'baiboly Kristiana hoe Isaka no nangatahan'Andriamanitra atao sorona.
Ahoana moa no mahatokana azy. Ishmael angaha tsy zanak'i Abrahama? Isika rehatra samy mahalala fa naterak'i Abrahama i Ishmael tamin'ny andevony Hagara ary i Ishmael no teraka talohan'i Izaaka.
Sa ve tsy zanaka ny zanaky ny andevo? sa ve tsy isan'ny zanaka ny zaza nateraka tsy tao anaty tokatrano? Sa ve tsy isan'ny zanaka ny zaza namboarina tao anaty fahafinaretana sy ny filana???
Tsy vady aloha ny vady elakeletrano iray izay,Isaka no neken'Andriamanitra satria avy amin'Saraha izay mbola neken'Andriamanitra ho vadin'Abrahama ihany koa,roa izay,ary avy amin'i Isaka no nampetraka ny teny fikasan'Andriamanitra,telo.
Fanazavana kely amin'io dia hita fa tao aorian'Isimaela no nahatongavan'ireo Anjelyn'Andriamanitra 3 nilaza an'Ambahama sy Saraha hanamafy amin'fikasan'Andriamanitra indray na dia antitra aza izireo.
Noho ny halahelon'Hagara mafy loatra sy noho ny amin'Abrahama dia nahazo dia nahazo tokoa i Ismaela,Noho izany zanaka izy fa tsy nomena ny fanekena. http://baiboly.org/toko.asp?boky=GENESISY&toko=17&andininy=1-27&dika=

tafiditra ny baolina,izay ilay tian'ny sasany ampitahana .

16. Kwasi ( 01/03/2008 11:09)
Fa ahoana moa no hoe vady anelakelantrano i Hagara? Tsy hoe i Saraha akory no nanome azy an\'i Abrahama ho VADINY? Abrahama koa tsy afaka ny nanao n\'inon\'inona @ Hagar raha tsy nisy lEgitimitE tao.

Raha niray t@ i Hagar i Abrahama, nahoana no toa tsy voateny hoe tezitra A/tra fa nanao ny tsy nety izy, fa nijangajanga? Ka ahoana no ilazana fa tsy neken\'A/tra ny maha-vady an\'i Hagar?
17. rijadolly ( 01/03/2008 13:22)
fomba fiteny re le hoe elakela-trano a!Azafadi fa tsy sitrapon'Andriamanitra no tena izy.
Raha nanaiky ny ataon'Abrahama sy Saraha(tsy nino) Andriamanitra dia i Ismaela no nomena ny teny fikasan'Andriamanitra dia tsy nisy i Isaka.Fa noho ny fandavaNy dia tsy azon'Ismaela ilay izy na dia nitaraina mafy nandohalika aza i Abrahama noho ny mbola tsy finoany ihany koa.
18. soanja ( 01/03/2008 15:50)
Ka amin'i Rijadolly>

Firy ny zanaka lahin'i Abrahama? Niteraka an'i Ishmael ve i Abrahama sa tsia? Mba valio anie azafady raha sitrakao.
19. rijadolly ( 02/03/2008 05:09)
Azafady soanja fa tena tsy dia tsara ny cpnnexionay dia zay vao hitako io fanotanian'sé io:-*:-*

Masika mihitsy sé ty an!
Marina fa 2 ny zanaky Abrahama,dia Ismaela sy Isaka,fantatro fa izay ny tian'sé ho teneniko.
Tadidin'sé moa ilay vehivavy samaritana teo am-patsakana le nangatahan'Jesoa rano http://baiboly.org/toko.asp?boky=JAONA&toko=4&andininy=16-18&dika= ,eto koa dia oh zay ihany tsy vadiny araka ny sitrapon'Andriamanitra i Hagara fa noho ny tsy finoan'Saraha indrindraindrindra no nanesika an'Abrahama.Izany hoe hevitr'olona fa tsy ny hevitr'Andriamanitra noho izany = 0.
Amin'Andriamanitra zany dia tokana ny zanaky Saraha sy Abrahama averiko Saraha sy Abrahama.satria izy ireo no sitrak'Andriamanitra.
Amiko dia maivana kokoa ny lalana ataon'olona noho ny lalan'Andriamanitra amiko hoy aho an!koa ny lalana aza ve ry sé tsy manaiky ny handovan'zanaka hafa reny na hafa ray...,eny é mety diso angamba za mampitaha izany fa oh tonga ato an-tsaiko fotsiny ilay izy.
20. Rasiligaoma ( 02/03/2008 05:21)
ahoana kosa no isahianao hitompoina teny fatratra hoe tsy izany no hevitr'Andriamanitra?
tsy hoe ny zavatra azo rehetra dia avy amin'Andriamanitra daholo? Iza no nahary an'i Hagara? Iza no nampi toe-jaza azy sy hiteraka an'Ismaela?
Tanteraka daholo iznay noho i Andriamanitra,
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0078