TSARA VE OLONA KRISTIANINA?

1. peugeot ( 28/02/2008 08:09)
ahoana ny hevitrao @ olona kristianina ,tsara ve izy ireny mihoatra ny slamo ?
novalian'i fijo ny 05/03/2008 22:58
2. veromahefa ( 28/02/2008 09:02)
Tsara ahoana? tsy azoko lay fanontaniana ! ohatry ny hoe mampitaha entana eny an-tsena zany ianao!ka i tsy hisy hanaratsy ny azy !
IRAY no tsara dia ANDRIAMANITRA
3. mmmhh ( 28/02/2008 09:19)
Zà kristianina, tsy haiko aloha le tianao anntaniana fa amiko ny kristianina Tsara manara_dia an'i kristy zany ve tsy tsara?
fa @ lafin'ny fifanenjehana de hitako hoe ratsy: ny musulman tsy de mifanenjika zany, fa ny Xana, loza rah hifanenjika, Tsy haiko angaha hoe misy Jehovah sy jesosy be de be, fa samy milaza fa ny atsy no marina, ny anay no marina. rah @ lafiny izay de mahafinaritra ny silamo; tsy mifanenjika
4. peugeot ( 28/02/2008 10:02)
ny tiako o lazaina de we ny olona mitonoa ny tenany we kristianina ,de we slamo nefa reo samy manana ny toetrany ka tsara ve ny mitonona anizany ?:twisted:
5. Bita ( 28/02/2008 11:27)
Avy aiza aloha ilay teny hoe: Kristianina: tsy avy @ "Kristy"?
Mahay Karate daholo ve ny mpanao karate? . Tsy ary ho tsara daholo ny olona ao fa mbola samy manana ny toetrany ihany fa ny zavatra nianarany no hitovizany.
Dia hoy indray ianareo hoe inona indray no hidiran'ny Karate@ izany? Dia hoy aho hoe tsy nisy olona nateraka ho Kristianina na iray aza fa na ianao miditra membre (antokom-pinoana) dia mianatra ny zavatra nianarrrranao dia mampiatra azy dia izay ianao vao izy, dia toy izay koa ny karate. Ka raha misy milaza azy ho kristianina dia mahay ny zavatra nianarany izy aloha ka raha tsara ny nianarany dia tsara izy izany. Mbola ho lava ny ambiny fa hatreo aloha. Mazotoa
6. veromahefa ( 28/02/2008 12:20)
Bita> =D=D=D^:^^:^^:^
7. mmmhh ( 28/02/2008 14:20)
tsisy maharatsy ny Xna na ny silamo rah toa ka tsy mifanohitra @ foto-pinoany ny zvtr ataony.
ireny ny mahatonga ny olona sasany ndraindray reefa le mpivavaka be reny manaonao fôna de hoe " zany hono izy mba ...."
8. Veloo ( 28/02/2008 17:03)
Zao fotsiny ry reto a, ilay dikan'ny Kristiana no tena mbola betsaka ny tsy mahay azy. Ataovy ao an-tsainy ity ary raha ohatra mananteraka an'ilay izy dia kristiana ny tsiray2.

Kristiana = manaradia an'i Kristy. mihezaka mi-imiter azy satria isika mbola panota be eto an-tany.

Misy silamo izay mety ho tena kristiana any tsy fantan-tsika izany ary misy kristiana izay tsy kristiana mihitsy fa maka ny anarana fotsiny.
9. pissoa ( 28/02/2008 20:29)
peugeot:

ahoana ny hevitrao @ olona kristianina ,tsara ve izy ireny mihoatra ny slamo ?


Mila ampitahaina tsirairay fa tsy afaka manao fijery ankapobeny ! :-D:-D:-D

10. rakaroka ( 28/02/2008 23:37)
Ny Xtiana ve.Heu...:roll::-w:-w:-$MAHAFINARITRA Beeee ny miresaka amin-drizareo matetika fa mi-tourne en boucle izany foana ny resaka atao: particulariténdrizareo izay!:-P:-D:-D:-D
11. ikaretsaka ( 28/02/2008 23:46)
rehefa samy any @ le groupe bornE ireo dia samy ratsy :°)
12. mmmhh ( 29/02/2008 06:01)
ika:
rehefa samy any @ le groupe bornE ireo dia samy ratsy :°)

tena marina;

fa misy koa ny olona sasany le misehoseho ho Xna (la mpitory teny be; na koa diakona)nefa le manao zé manafintohina ny manodidina azy ireny. Tena misy izany an,
13. niryna ( 29/02/2008 09:04)
peugeot:

ahoana ny hevitrao @ olona kristianina ,tsara ve izy ireny mihoatra ny slamo ?


Isika tsirairay avy dia misy vidiny eo anatrehan'Atra,tsara avokoa,ary tian'Atra avokoa,tsy misy tombo sy ala,fa matoa isika mihevitra ny tenantsika ho tsy tsara dia isika no manao ny tenantsika ho tsy tsara ary dia sarotra ho antsika koa izany no ho tia ny hafa raha ny tenantsika aza tsy tiantsika.
Ny resaka hoe tsara sa ratsy ny kristiana raha mihoatra ny tsy kristiana dia tsy azo ferana sy tsy azo atao ny hitsara ilay olona.
Misy manana toetra daholo na iza izy na izy,ny toetra ananao mety tsy ananan'ny hafa na mifanohitra amin'izany.Na tsara izany na ratsy,ny maha kristiana dia mampiantra ny ao anaty baiboly ka rehefa manao toetra ratsy dia ny fanahy masina no mampahatsiahy azy ary dia miova izy na mifona aingana.
Misy kristiana mamono ny olona izay heveriny fa kristiana tsy mitovy rafitra amin'ny maha kristiana azy ,ary misy na misy koa ny finoana hafa izay mamono ny kristiana na ny kristiana mamono ny hafa.Tadidio fa herin'ny maizina daholo no mahatonga ireny olona ireny manao an'izany,raha manana ny mazava izy dia mampiseho ny mazava mandrakariva.
Ka hoy aho hoe raha te ho voavonjy,te hanana ny fiainana mandrakizay dia manaraha an'i kristy
Raha tsy mino moa dia tohizo izay fahendrena tsara hananan'izay tsy mino,mazava ho azy fa tsy mieritreritra ny fiainana aorian'ny fiainana mandrakizay izy,dia manaova ny marina mandrakariva mba ho lova soa ho an'ny taranaka mandimby azy.Ny soa nataony no hitan'ireo taranaka fa ny fiainana any an-koatra indray dia azy sy ATra no hifanazava.
Fehiny samy manana toetra avokoa ny rehetra na inona finoana na inona,saingy mahazo ovaina izany mba ho tsara :arrow: samy tsara avokoa ilay olona na kristiana na silamo na bodista na mormonista,na mino an'i dada rabe :D:D
14. Rasiligaoma ( 29/02/2008 09:14)
mmmhh:

araka ny no;azain'i ika: rehefa samy any @ le groupe bornE ireo dia samy ratsy :°)

tena marina;

fa misy koa ny olona sasany le misehoseho ho Xna (la mpitory teny be; na koa diakona)nefa le manao zé manafintohina ny manodidina azy ireny. Tena misy izany an,

vao mainka tena marina!


15. yonikafopl ( 29/02/2008 10:36)
Hoy mmmh
fa misy koa ny olona sasany le misehoseho ho Xna (la mpitory teny be; na koa diakona)nefa le manao zé manafintohina ny manodidina azy ireny. Tena misy izany an,


Io le tena olana sy manjary hankahalako ny olona miseho ho kristiana. Ny libanais sy ny gasy de mitovy mihintsy, miseho ho mpivavaka beeuuuhh nefa ny toetra asehony isanandro tena mamohehitra mihintsy, mpihatsaravelatsihy tssssssssssss


16. fahamarinana ( 29/02/2008 11:49)
niryna:

Fehiny samy manana toetra avokoa ny rehetra na inona finoana na inona,saingy mahazo ovaina izany mba ho tsara :arrow: samy tsara avokoa ilay olona na kristiana na silamo na bodista na mormonista,na mino an'i dada rabe :D:D


:arrow:Miombon-kevitra tanteraka amindry aho niryna eto.Samy misy tsara daholo no misy ratsy ihany koa e.Tsy ny finoana no mitondra na ny maha-Xna fa isan'ny afaka manampy indrindra anefa raha mandray izany ihany koa ilay olona.(Hevitro manokana iny)
17. fijo ( 29/02/2008 21:35)
raha sahala amin'i ben laden sy zarkawi no atao hoe silamo dia ratsyyyyyyyyy.tano hoanareo silamo.

raha sahala amin'ireo pretra mpanolana zaza koa no atao hoe kristianina dia ratsyyyyyy tano hoanreo.

fa raha toa andry papa J paoly II sy ry mera theresa,ry papa clément5 dia tiako.
18. ikaretsaka ( 29/02/2008 23:47)
izay izany e.. rehefa trop de ratsy foana..
le RWFE (Right wing freako Extremist ) ho'zy cutie izay
19. niryna ( 01/03/2008 05:05)
mmmh:
fa misy koa ny olona sasany le misehoseho ho Xna (la mpitory teny be; na koa diakona)nefa le manao zé manafintohina ny manodidina azy ireny. Tena misy izany an,
Tsy laviko izany ka izay no mahaolombelona azy dia anjaranao no mivavaka azy raha izany fa hianao no nomen'Atra saina mahita ny haratsiny.Tsy misy tonga lafatra ary mino aho fa mba niezaka ny ho tsara ihany koa izy fa tsy nahatohatra ny fakampanahy koa vonjeo ary izy,hivavaho fa ny vavaky ny maro mahataka-danitra.:P
yonikafopl:

Io le tena olana sy manjary hankahalako ny olona miseho ho kristiana. Ny libanais sy ny gasy de mitovy mihintsy, miseho ho mpivavaka beeuuuhh nefa ny toetra asehony isanandro tena mamohehitra mihintsy, mpihatsaravelatsihy tssssssssssss

ka izany no hiangonany kou,matoa izy mandeha miangona dia mbola mahatsiaro fa mila fanovana ny ao anatiny.toy ny hopitaly ny fiangonana ny marary no mila fanafody fa tsy ny salama.Ireo salama moa dia ireo olona mitsikera ny hoe mpihatsaravelatsihy ,miseho mpivavaka e,sns,raha misy endrika izay hitarafana fa fanenjehana ny mpiara-belona aminy dia mila mandinika ny tenantsika isika :arrow:Izaho miteny ny olona hoe toy izao ny mpivavaka na mpanohitra ny mpivavaka,mila manontany tena ,izaho ity mba ahoana :D=))
angaha amin'ny teny gasy ihany no hilazana hoe mpihatsaravelatsihy? :arrow: misy erak'izao tontolo izao io toetra io ary tafiditra ao anatiny koa isika raha mitsara satria avy amin'ny teny hoe fitsarana ilay teny :roll: mitsara,fitsarana ,mpitsara,mpihatsara + ivelany + tsihy :arrow: :roll: dia diniho foana ny tenantsika.

20. Rasiligaoma ( 01/03/2008 05:12)
tsy voatery niryna an tsy voatery,
tsy hainao angaha ilay fiteny hoe miangona alahady dia mangalatra akoho alatsinainy,
dia miangona indray rehefa alahady:wink:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0442