fiaraha-miasa orin'asa sy oniversite

1. LazaDaddy ( 28/02/2008 01:54)
Inona ny misakana ny mpikaroka tsy hitady fiaraha-miasa @ ireo orinasa misy? Maninona no miandry famatsiana lava avy amin'ny fitondrana?

- Hakamoana?
- Tsy fahaizana mandresy lahatra ireo orinasa?
- Tahotra ny tsy ahita vahaolana ho an'ny orinasa?
- Tsy fahalalana ny zavatra takian'ny orinasa?
- Kely ny andraikitra amin'ny fitondrana taxi ka aleo io no atao?

Raha resaka fitaovana izany tsy tokony ho olana raha tena misy ilay fahaizana sy haitao andresena lahatra ny orinasa hamatsy vola ny fikarohana.
novalian'i Jeankely ny 25/04/2008 21:37
2. Jeankely ( 28/02/2008 03:56)
Ka maninona no tsy hianao no mitarika manelanelana voalohany fa tena sady MALAZA no DADANY ianao Ra-LazaDaddy? Misy mpitarika daholo ny rehetra fa tsy mijanona ho hevitra fotsiny. Raha nanao fanadihadiana amin'ny orin'asa ianao dia mahalala fa tezitra ary zara raha manaiky anaovana Interview ireo satria lazainy mandany ny androny ary tsy ahitany vokatsoa akory ny valin'ny fanadihadiana rehetra io. Ny orin'asa vahiny moa hafa ary aza adino fa izay orin'asa mety hifanaraka amin'izay nohon'ny resabe ataonareo dia voalaza fa mpisolelaka amin'ny fanjakana na ao ambadikin'ny fanjakana ka manampy azy mba hivoaran'ny tanana.
3. LazaDaddy ( 28/02/2008 04:09)
Raha ny resak'i Jeankely dia ireto ny fehiny
- Tsy fahaizana mandresy lahatra ireo orinasa?
- Tahotra ny tsy ahita vahaolana ho an'ny orinasa?
- Tsy fahalalana ny zavatra takian'ny orinasa?
4. agoago ( 28/02/2008 05:07)
Ny orin'asa tsy miditra mifampiraharaha aminao izany raha tsy hahitany tombony ara-bola, ka ny fikarohana anefa fandaniambola aloha , aoarian'izay vao mihoty ny vokany. Ka izay no antony ialan'ny orin'asa amin'ny resaka fikarohana,raha ny eto madagasikara.
5. LazaDaddy ( 28/02/2008 05:27)
agoago> Tsy fahaizana mandresy lahatra ireo orinasa izany?
6. Rasiligaoma ( 28/02/2008 05:47)
andramo aminao aloha ry LD hoe ? alohan'ny hitenitenenanao ilay izy?
ndao izato izy, SANTARO
7. LazaDaddy ( 28/02/2008 05:57)
za efa manao ka...sady tsy mitaraina vola amin'ny fanjakana :)
8. Rasiligaoma ( 28/02/2008 05:59)
fanjakana gasy ka
9. Jeankely ( 28/02/2008 06:26)
Raha efa mampifandray ny University sy ny Orin'asa ary efa vitanao ny mandresy lahatra ny Orin'asa ao Madagasikara mba hampiroboroboana ny R&D da mino aho fa tsy misy sahala anao ao Madagasikara ary tena midera anao aho. Mba lazao aminay ireo efa mifandray sy ny Recherches efa mandeha ataonareo amin'izao. Mino aho fa fiantombohany izany vitanao izany ka hanaraka ny sasany. Matoky anao tsy nanao resabe Ra-LazaDaddy.
10. Veloo ( 29/02/2008 00:34)
Laza a,

mety ity no tsy ampy lesy a
- Organization management - sa ahona oy ela?
11. Veloo ( 29/02/2008 00:35)
adiniko ity dia ao ko ilay fanirina hanana vola foana dia tsy mahita solution mihitsy raha tsy misy io...
12. Papoose ( 01/03/2008 06:18)
sady MALAZA no DADANY ianao Ra-LazaDaddy?
mahita tenenina!:-D
13. Jeankely ( 01/03/2008 09:44)
Ka tsy malaza ratsy sahala ny mpanao politika mpijapy "Train" fa tena mahavita azy koa inona no tsy maha-DADANY miampy LAZA azy? Tsy izany ve no mendrika alaintahaka ho an'ny rehetra mbola matory?
14. Rasiligaoma ( 02/03/2008 06:05)
sao lalaovina atao scrabble eo koa io laza dadany io ka hanahirana
15. Jeankely ( 02/03/2008 09:50)
Tsy lalovina io ary tsy atao siligaoma. Azafady fa atsipy moa ny siligaoma rehefa lany tsiro?=))=)) Ny LAZA DADANY tsy miala mihintsy
16. ANARIM ( 03/03/2008 07:28)
amstramgram anagram d malaza oazy eo i daddy
ny soa hono fianatra e! ampenaro ze ita fa mila ampenarina...
17. Jeankely ( 03/03/2008 11:39)
Tsy malaza ho azy fa misy asa voalaza an-dRa-LAZA ka.
18. Papoose ( 03/03/2008 11:51)
ny laza mety lefy ka!
19. Jeankely ( 03/03/2008 15:13)
Tokony tsisy halaza kosa ary ve? Ny olona ihany no mam-paLAZA an'i DADA-ka. Aleo hanao ny mety izy fa aza kiviana.
20. Papoose ( 04/03/2008 12:01)
za tsy manakivy sady tsy milaza hoe tokony tsy hisy halaza fa niteny hoe ny laza mety lefy. that's a fact,zay ihany!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.3265