Zaza hafahafa:Vao teraka dia efa nisy nify sy niresaka!

1. ronaldo09 ( 27/02/2008 10:16)
Nandritra ny efatra andro taorian’ny nahaterahany dia miresaka amin’ny reniny foana rehefa alina na amin’ny alalan’ny nofy na miteny mivantana.
Vao teraka ity zaza ity dia tsy niaina nandritra ny adiny enina, ka noeritreretin’ny fianakaviana halevina. Nanindry mandry an-dReniny izy taorian’izany ka niteny hoe « Aza vonoina aho fa hitondra soa ho anareo fa raha tsy izany dia haripako avokoa ianareo ». Tsiverizo Vao Paulin no anaran’ity zazalahikely ity, teraka tamin’ny 25 oktobra 2006 ary monina ao Ampananganana Ouest- Amparihintsokatra any Ambatondrazaka. Tsy nanaiky ny handevenana azy noho izany ny reniny ka notezaina teny izy. Araka ny fanazavan’ny raiamandreniny dia sady tsy mety nampinonoana no tsy nitomany izy nandritra ny efatra andro nahaterahany ary efa nisy nify valo sahady. Nandritra izany dia miresaka amin’ny reniny foana izy manomboka amin’ny 8 ora alina ka hatramin’ny 4 ora maraina na amin’ny alalan’ny nofy izany na miteny mivantana. Tapitra ny efatra andro vao nitomany sy ninono toy ny zaza rehetra izy. Afaka iray volana dia efa afaka nandray zavatra sahady ilay zaza. Ny tarehiny ihany koa afaka intelo miova endrika.
Tsy azo halatsa-drà
Tamin’izy vao teraka dia mitambatra avokoa na ny handriny na ny orony na ny vavany saingy efa hita mazava izany ankehitriny fa ny tanany sy ny tongony no mitambatra toy ireny tongo-tsahona ireny. Efa nisy fotoana saika hitondran-dreniny azy tany amin’ny dokotera saingy hoy ilay zaza hoe: « Tsy azo halatsa-drà aho ». Hain’ity zaza ity ny manalehibe ny masony ho toy ny vodi-tavoahangy iray litatra ireny, hainy koa ny manakely izany tsy ho hita mihitsy. Fantany mialoha avokoa izay rehetra mety hitranga aminy. Maro noho izany ny olona manao voady sy mangata-pitahiana aminy ka tsy vitsy tamin’izany no tanteraka . Ny ahafantaran’ny reniny hoe tanteraka ilay fangatahana natao dia mivaivay be ny tenan’ilay zaza. Afaka roa andro aty aoriana dia tonga ny olona misaotra sy manome zavatra ho azy. Ankehitriny dia efa tsy hita intsony ireo nifiny fony izy vao teraka sady tsy mitombo mihitsy ny halavany .Valo mianadahy ry zareo no iray tampo ary i Tsiverizo no faralahy. Mihalehibe amin’izao ity zaza ity ka tsy araky ny raiamandreniny intsony ny fikarakarana azy ka angatahan’izy ireo fanampiana amin’ireo malala-tanana!!!
2. ni81 ( 27/02/2008 10:47)
Koa angaha tsy hain'io zaza io ny ahazoana fanampiana ho an'ireo ray aman-dreniny? Satria ny hafa aza izany manao voady aminy mahazo kou!
3. mitia04 ( 27/02/2008 10:54)
tena mila mahita ny masoko!:roll::roll:8O
4. sakaizakely ( 27/02/2008 10:59)
angano angano arira arira :-D:-D:-D:-D:-D:-D:-D
5. tess ( 27/02/2008 11:03)
:^):^):^)
6. ronaldo09 ( 27/02/2008 11:18)
ni81:

Koa angaha tsy hain'io zaza io ny ahazoana fanampiana ho an'ireo ray aman-dreniny? Satria ny hafa aza izany manao voady aminy mahazo kou!

Ka ny toe-javatra tahak'itony ange le olona mitaiza azy tsy de manana avantage raha miohatra amin'ny hafa sady toa tsy mety raha atao fitadiavam-bola satria ilay zaza mihitsy no manda an'izany!!!

7. rongisa ( 27/02/2008 11:38)
ny adiresy sy ny daty no hita eto;
fa ny source-nao aiza

raha mitantara aho

zaza hafahafa, manitra hetotra, mipipy coca-cola, mikaka sandwitch, mipetraka ao Ambalantsokina, Mandritsara, teraka t@ 29 Oktobra 2005

de ahoana...
8. rongisa ( 27/02/2008 11:41)
de hihinana ronaldo09?

de bonap'tit ary e!
9. mitia04 ( 27/02/2008 11:43)
rongisa, dé mbola mila mahita ihany ny masoko :-D:-D:-D:-D:-D:-D
10. ari.malala ( 27/02/2008 12:28)
incroyable b le zavatra tantaraina eto... mil amaita ny masoko hoy i mitia04 de miombonkevitra tanteraka ah
11. ni81 ( 27/02/2008 12:53)
hoy rongisa
raha mitantara aho zaza hafahafa, manitra hetotra, mipipy coca-cola, mikaka sandwitch, mipetraka ao Ambalantsokina, Mandritsara, teraka t@ 29 Oktobra 2005
:lol::lol::lol::lol:
12. xxx ( 27/02/2008 13:12)
tena ohatran ny oe tsy mampino izany a kozy e
13. kiadi ( 27/02/2008 17:37)
mino fotsiny ihany ozizy ranamana zay ! :-D:-D:-D
14. simplex ( 27/02/2008 21:33)

sao d mba nisy nanakalo tao ny tena zanak'ilay ramatoa aloha e.:)
Jereo fa sao d robo le ao, na extra terrestre :P
15. mmmhh ( 28/02/2008 08:26)
na izany :
kirikou , izy tsinn niresaka t@ mamany tamy izy mbola tao an-kibo, de vao teraka izy tonga de nande sy niresaka,
kirikou est petit,....:-D:-D:-D=))=))

na koa zanaka demony tonga teto an-tany,
16. Jeankely ( 01/03/2008 15:39)
Asaivo aterin'ny Raiamandreniny any @'ny Governemantra fa handroso haingana ny tanana raha mahazo hevitra avy @'izany=))=))=))
17. ronaldo09 ( 03/03/2008 12:52)
Ie tena marina io resk'i jeankely io ,aleo mihitsy aterina any sady volabe koa!
18. xxx ( 04/03/2008 07:01)
incroyable mais vrai koa izy zany
19. HESHA ( 04/03/2008 07:53)
f anga tsy hoe hitondra soa ho an ny ray aman dreniny izy e ? Koa hila fanampiana aona ndray ?
Tsy azoko ka, sady zaza vao tsy 2 taona zany ko ts ho velon ny ray sy reniny ? Izy no te hiterak azy ka ny oul no angatahina fanampiana ?
20. tsiambaratelo ( 16/03/2008 11:44)
Mety mila fanampiana kosa angamba izy(Rad)satria mety enta-mavesatra hoazy lay zaza,dia mba tiany homena olon-kafa ndray ny fitaizana,koa maninona raha
apetraka any @ mpiandry é,hivavahana sao dia mba olon-javatra,mampahery ny ray aman-dreniny tsy lasa kosa raha zay heritreretiko rehetra tonga dia fantany avokoa!dia avy eo hoentiny hanalemena ahy,


Ny zazakely vao teraka nisy nify aloha efa nahita aho,zanak'ilay zazavavy namako,zaho aza koditra nijery azy satria ozizy aho hoe angamba Vampire kely,nefa toa ny nify teo anoloana no nisy fa tsy ny vangy hi hi hi hi,dia toa niala hoazy ihany lay izy,zara tsy nohaniny tao aza ny kibon-dreniny!!!!

hitako sahady ny adin-tsain'ireo manodidina azy,:-D:-D:-D:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.0453