TSY AFAKA MANAFATRA AN-JANANY NEFA TSY AFAKA MODY

1. ni81 ( 26/02/2008 09:49)
Manana fianakaviana aho mitsabo tena eto frantsa; miasa ara-dalàna izy fa kosa nolavin'ny préfecture ny fangatahany hanafatra ny zanany ho tonga aty satria fitsaboana hoy izy ireo no antony hijanonany eto. 4 taona izy mianaka no tsy nihaona fa dia mifampiantso antariby fotsiny. Tsy afaka mody an-tanindrazana izy satria tsy misy any dago io fitsaboana atao aminy io. Koa sao mba misy afaka manoro hevitra ahatonga io zazakely io aty fa dia mila harary fo mihitsy izy manina ny reniny.
novalian'i Ratoa ny 03/04/2008 15:31
2. sakaizakely ( 26/02/2008 09:51)
na visa touristique ve de tsy azony ?
3. ni81 ( 26/02/2008 09:57)
Visa touristique ho an'ilay zaza ve io anontanianao io?
4. ni81 ( 26/02/2008 10:03)
Raha ny fahalalako azy dia efa nanafatra io zaza io izy t@ taon-dasa fa tsy nomen'ny tao @ ambassade tany dago. Dia nametraka fangatahana vao² indray t@ ty 2008 ity dia mbola tsy nahazo indray. Raha mankany dago izy anefa hoe hamangy an'ilay zaza fotsiny dia mety harary mafy ilay zaza, satria toa ohatry ny mandainga foana ity reny hoe alaiko hankaty amiko ianao kanefa tsy hita izay eo.
5. sakaizakely ( 26/02/2008 10:14)
tsy aleo ve izy farafaharatsiny mamangy ilay zaza ? Azavaina am fotsiny hoe tsy mety ny taratasy, dia neny ihany no afaka ho tonga fa izy tsy afaka ho avy

Ilay fanomezantoky tsy tokony atao fa naman'ny fitaka raha tsy hay akory hoe hahomby ny fangatahana na tsia. Aleo tsorina ny marina fa ny laingalainga vao maika tsy mety amin'ny ankizy

any aorina any mety hivaly pozitifa de atao sirprizy ho an'ilay zaza, fa zao dia ny zavamisy no tokony azavaina aminy

mahereza ny reninjaza hoe (l)
tsy misy mafy hoatr'izany sarajanaka izany angamba
6. kelly13 ( 26/02/2008 10:26)
vaky ny (l) maheno an'izany! fa firy taona ilay zaza? tsy haiko fa d misy oul d fo vato ka :(!

mirary fahasalamana ho an'ny marary d mahereza kou ono oe
7. ni81 ( 26/02/2008 10:35)
6 taona ilay zaza. Dia misaotra betsaka e!
8. kelly13 ( 26/02/2008 10:43)
ountsô, sanatria toy ny kamboty velondreny le zaza! :(
9. ikaretsaka ( 26/02/2008 13:59)
izao izany le heo tsy maintsy hisafidy ko
10. fijo ( 26/02/2008 22:07)
tsy vaovao io,fa efa fanaon'ny prefecture.misy afrikanina mitovy amin'io mihintsy aty.fa de lery no mamangy ilay zanany .
ny iray aza no tena loza,satria dia tsy manana taratasy ahazoana miasa izy,nefa tsy azo roahana koa.
ngamba tribunaly europeanina no tokony alaina amin'io.
11. ikaretsaka ( 26/02/2008 22:26)
ary be vinany koa iznay prefecture izany le
12. tess ( 27/02/2008 20:32)
tena misy cas otran'ny io lzazain'i io fijo io koa fatako! lay sipa zany tsy manana tts aty ivelany!
ny vady aman-janaka any madà telo mianaka!
fa dia efa intelo koa nafarana fa tsy mety omendreo visa e! efa any am liste noir de raha vao mandeha fotsiny ny anarana defa hita hoe efa tsy any tsony io olona io fa aza omena visa mitsy:?
fangah tsy palelo be!
13. ikaretsaka ( 27/02/2008 20:57)
manova anarana le:wink:

panelo mahitsiny anga le ankizy yyyy
14. tess ( 27/02/2008 22:06)
raha mahita fika manova anarana de tena mety fa mbola afera be ndray iny:-P
15. Rasiligaoma ( 28/02/2008 05:17)
mankany amin'ny tribonaly dia manova anarana ka
16. ni81 ( 28/02/2008 07:10)
Ny zaza no ovaina anarana sa ny reniny? Satria raha ny reniny dia tsy ho afaka hanohy ny fitsaboana azy intsony izy fa tonga dia hita hoe niova ny dossier-ny aty, dia miova daholo indray ny zava-drehetra.
17. tess ( 28/02/2008 07:29)
ny zanany no manova anarana! fa aza tratra aloha e!
ovao koa ny date de naissance mba tsy hokobo:°)
satria efa tafiditra anaty lisitra noir lay anaranjareo dia vao misy doosier miala any misy ny anarana dia tsy misy fika mitsy

tena afera be io ka! mety tsy ho vita! ovaina koa ny copie satria raha misoratra am reniny de kobo avy hatrany....dia olona hafa mihitsy no manafatra azy fa tsy ilay mamany tsony....

efa nahafantatra cas otran'io aho fa de tsy maitsy hoe misara toerana ny fianakaviana kely rehefa tsy hody ilay reniny !:?
18. tess ( 28/02/2008 07:33)
ohatra izao hoe! izaho koa nanafatra olona! dia tsy niverina tsony ireo olona ireo! fa nijanona taty ivelany...
rah nanafatra olona hafa aho taty aoriana dia savy de tsy omenjareo visa fa kobonjareo ny anarako hoe efa nanafatra olona dia tsy niverina tsony....
de zay olona hafarako am anarako dia tsy ho tafavoaka tsony mitsy, une fois ahitanjareo zvtr hafahafa tsy mazava tany aloha tany.....dia aleo tsy mitetateta fa mitady olona hafa mitsy hanafatra.
19. ni81 ( 28/02/2008 08:27)
Misaotra ry tess @ torohevitra fa dia asaiko mitady oul izy hanafatra ilay zaza izany. Fa ny olana zao dia ity hoe ovaina anarana ilay zaza kou! Efa nisy maro mantsy ny mpiasan'ny firaisana nigadra nanao io afera io tao dago ka eo no manahirana.
20. tess ( 28/02/2008 08:38)
ka zay mitsy anie e! afera be manadala be io! nefa misy mahavita an! donko misy ny manao!
kanefa iza???izay no olana...aleo tsy mi risk fa andramo ovaina ndray ny oul manafatra azy ohatra vazà mitsy raha mahita vazà tsara fanahy ohatra...
fa ny anaranjareo wa efa any anaty lisitra de mahakely finoana ihany:?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4687