Raha omena safidy hianao,iza no asiana mitaiza azy?
41. rijadolly
(
28/02/2008 05:16)
fijo:
mitovy fijery amin'ika.izay hafaka hitaiza azy amin'ny maha olona azy .
ika:marina ny an'ika .Resaka ara-pinoana ilay izy ka.
ny mianatra angaha safidy ara-panahy..
Izany indrindra ry ika no ilazako hoe ny fianarana aza v tsy voasazy maika fa ara-pinoana no hitenenana ilay zaza mba hanaraka ny maha Kristianina,satria Kristiana ianao an!
Eny é manaiky aho fa raha oh ka tsy mitombina tsara amin'maha Kristianina za oh dia ataoko manao sabaka eny koa izy mandrapaha very azy na mandrapaha matotra ara-pinoana azy.
42. Rasiligaoma
(
28/02/2008 05:41)
samihafa kosa ny ara batana sy ara-pinoana .
tsy forcena ny maha kristianian aloha raha izaho no jerena raha hoe tena te hampivelatra ilay olona amin'ny maha olona azy tokoa ianao e
aleo izy ihany no anao karazana fahitana ny hoe aiza no metimety aminy.
Ohatran'ny vady izany io e, tsara sy mampivelatra kokoa raha hazavaina fotsiny hoe izao izany vady izany, dia ilay olona no mitady izay mety aminy , noho ilay terena hoe itsy ny vadinao.
tsy forcena ny maha kristianian aloha raha izaho no jerena raha hoe tena te hampivelatra ilay olona amin'ny maha olona azy tokoa ianao e
aleo izy ihany no anao karazana fahitana ny hoe aiza no metimety aminy.
Ohatran'ny vady izany io e, tsara sy mampivelatra kokoa raha hazavaina fotsiny hoe izao izany vady izany, dia ilay olona no mitady izay mety aminy , noho ilay terena hoe itsy ny vadinao.
43. niryna
(
28/02/2008 18:17)
ikaretsaka:
niryna:
amiko raha resa pinoana sy resaka ara-panahy dia Aleo le olona sy andriamanitra no misafidy fa tsy ianao no mi imposer hoe tsy maintsy izao...
io no lasa miteraka rebellion foana manko
ahoana no hiresahiny amin'Atra raha izany?
Raha nanafatra izy fa tiany ho tazaina amin'ny fivavahana ny zanany,rehefa lehibe izy na inona ataony efa vita fotombonkase ilay zaza ka na mibiloka aza ,zanak'Atra. Sa mbola tsy zanak'Atra ?
Mi -rebelle ny olona raha tsy nihaino na nino kanefa minomino zavatra maro dia tsy hitany intsony izay tena Atra hivavahany.Raha Atra iray ihany mantsy no hivavahany dia miaraka aminy ny fanahy masina na mbola kely aza ilay zaza.
Mi-rebelle ny olona raha te hanohitra ny hanatry ny rar ary tia mitsakatsaka,saingy tadidio fa raha zanak'Atra ilay izy ,raha mivavaka aminy ny rar dia tsy maintsy miova foana izy.Nanome fanantenana antsika Atra ka tsy mivadika amin'izany.
Dia eo indrindra no ijerena ny halalina sy ny hamafin'ilay finoana sy fitokisana ko... ny self awareness an'ilay zaza, ny sitrapon'Atra aminy fa tsy ny sitraponao aminy
dia ahoana no ahalalanao fa sitrapon'Atra na tsia?
44. ikaretsaka
(
28/02/2008 19:04)
tsy iano no mahalala fa ilay zaza sy andriamanitra... ianao mi observe fotsiny
45. ikaretsaka
(
28/02/2008 19:06)
tsy misy hafa @ masina Maria sy Md Joseph ny asan'ilay mpitaiza @ io e...
na ny zanaka vavin'i faraona nitaiza an'i Moizy
self awareness ilay zaza fa tsy ianao no mi impose azy hoe tsy maintsy zao.
na ny zanaka vavin'i faraona nitaiza an'i Moizy
self awareness ilay zaza fa tsy ianao no mi impose azy hoe tsy maintsy zao.
46. niryna
(
29/02/2008 08:33)
nandrianina1:
f'anga mo voatery ho lozab fona ny havana e!
zao no fahazoako az> ra fantatr'ilay ramatoa we fianakavina tsis filaminana ny ao@ le rahavaviny an tsy nanonona io option io akory izy fa tonga de nalefany tany@ rahavavivy ao@ Tompo
fa matoa iz mbola nanonona le rahavaviny de mbola mis azo antenaina ihany zany any aminy
marina izany,safidiny ilay izy ary ny faniriany dia ho tazaina ara-pivavahana ny zanany,matoa izy naka safidy roa dia ny iray iray tam-po aminy kanefa fantany fa tsy mpino ary ny iray na dia tsy havany aza ,tsarovy fa ny mpinamana dia mifankatia lavitra noho ny mpiray tampo rehefa mifandray ,mifanampy ary miara mizara ny fahoriana .
47. niryna
(
29/02/2008 08:35)
ari.malala:
hafahafa fipetraka le olana... inona ny filaza ny zanaky ny mpirahavavy, tsy hoe kibo tsy omby ve? de raha misy manjo ny reny, tsy ny rahavavindreny ve no mahasolo kokoa ny reny? k ra za no sanatria eo amle toerana d ny rahavaviko iray tampo amiko aloha no anankinako ny sombinaiko. Izay maha mpino na tsy maha mpino azy tsy idirako lalina satria aferany sy Andriamanitra! zaza 2taona v moa mbola mahalala inona? na averimberina in100 ao antsofiny aza ny hoe Andriamanitra tsy mbola misy zavatra fantany izany! avela aloha ho lehibebe ilay zaza d eo izy misafidy! (raha tsy diso aho d 7taona no manomboka ny âge de raisonnement) d eo zany le zaza no manomboka hahalala izany resaka momba an'Andriamanitra izany... rehefa tsy capable hampianatra azy ny ao antrano d ampidirina fikambanana masina izy toy ny scoutisme na FET na ts haiko TAMPIKRI arakarany
bjr aky ari-malala :-*
misaotra betsaka
48. niryna
(
29/02/2008 08:42)
rijadolly:izay indrindra
Marina tokoa ny anareo fa tsy nipetra ilay option' ilay reny raha tsy misy zavatra hitany ao.Inona ary ilay izy?Ny hitany araka ny fahazoako azy hatrany am-boalohany dia ny rahavaviny tsy mpino.Nefa ilay zaza tiany hanaraka azy ho mpino.Raha amin'fijery ety ivelany fotsiny dia any amin'rahavaviny iray kibo azy ilay zaza no tokony hipetraka.Noho izay antony izay anefa no nahatonga ny option satria tiany ho any amin'ilay rahavavy ao amin'Tompo izy no mipetraka(ny fahazoko ny heviny haviatrany zany an!)satria tiany ho mpino ilay zaza.
6 Zaro amin'izay làlana tokony halehany ny zaza, Ka na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala amin'izany.Ohabolana 22
ari-malala:
Izay maha mpino na tsy maha mpino azy tsy idirako lalina satria aferany sy Andriamanitra! zaza 2taona v moa mbola mahalala inona? na averimberina in100 ao antsofiny aza ny hoe Andriamanitra tsy mbola misy zavatra fantany izany! avela aloha ho lehibebe ilay zaza d eo izy misafidy! (raha tsy diso aho d 7taona no manomboka ny âge de raisonnement) d eo zany le zaza no manomboka hahalala izany resaka momba an'Andriamanitra izany... rehefa tsy capable hampianatra azy ny ao antrano d ampidirina fikambanana masina izy toy ny scoutisme na FET na ts haiko TAMPIKRI arakarany
Sao dia tara zany,satria mantsy efa raiki-po amin'ilay rahavaviny izy amin'izay dia izay tenenin'ilay rahavavaviny dia ekeny.
Raha miraiki-po amin'ilay rahavavy ara-mpinoana indray izy dia izay tenenin'ilay farany teo no ekeny.
Raha ampidirin'ilay rahavaviny,tadidio fa raha zavatra tsy tianao dia tsy ho alefanao anao an'iny koa ilay zaza ,sa tsy mety izany ?
49. ari.malala
(
29/02/2008 14:43)
tsy tara izany hoy aho, hevitro ana manokana ity ts mamatotra afa-tsy izaho. Averiko fa tsy tara, satria amiko zaza 2taona izany tsy mbola mahalala inona akory. Mitovy @ ataon'ny any amn'ny finoana hafa iany io hoe raha tsy efa vory saina tsy atao batisa sy mianatra mpandray e! nahoana ireny ts tara ko, refa asaina tezain'olona de lasa tara loatra raha efa lehibe vo asaina misafidy?
50. rijadolly
(
29/02/2008 15:54)
Dia mino ary ve sé fa alefany any am-piangonana io zaza io rehefa afaka 5taona.Za koa ari.malala efa naheno ankizy 2taona niteny ratsy an!teny ratsy be mihitsy zany;sao dia efa naheno koa sé sa tsy?
Mitovy @ ataon'ny any amn'ny finoana hafa iany io hoe raha tsy efa vory saina tsy atao batisa sy mianatra mpandray e! nahoana ireny ts tara ko, refa asaina tezain'olona de lasa tara loatra raha efa lehibe vo asaina misafidy?Tsy antsika ny fotoana ry sé a!Eny fa na dia ny Zanaka aza tsy mahalala izany fotoana izany.Sambatra izay mbola nahazo fotoana hibebahana hatramin'izao.
51. ikaretsaka
(
29/02/2008 16:47)
raha alefany any am-piangonana ka par force fotsiny no handehanana'ilay zaza any, dia tsy vao mainka ve hamotika ilay zaza?
52. fijo
(
29/02/2008 22:20)
za koa momba an'i ari malala.tena zavatra tsy tiako le hoe ankizy mena vava de atao batisa???za ohatra.raha navela nisafidy aho tsy nanaiky natao izany.naninona raha navela nisafidy aho??
53. ikaretsaka
(
29/02/2008 23:49)
le zaza kely tsy tompon'ny tenany
fa raha heo efa tompon'ny tenako sy efa mahalala ny tokony atao sy tsy atao aho no forcena @ safidiko..
tsary ann ka!
fa raha heo efa tompon'ny tenako sy efa mahalala ny tokony atao sy tsy atao aho no forcena @ safidiko..
tsary ann ka!
54. niryna
(
01/03/2008 06:42)
ari.malala:io ilay atao hoe misotro ronono,mila hianarana tsikelikely ary omena ronono ilay olona fa tsy tonga dia vonga-kena :D
Mitovy @ ataon'ny any amn'ny finoana hafa iany io hoe raha tsy efa vory saina tsy atao batisa sy mianatra mpandray e! nahoana ireny ts tara ko, refa asaina tezain'olona de lasa tara loatra raha efa lehibe vo asaina misafidy?
Misy fahamarinana izany hoe atao batisa rehefa lehibe izany satria tamin'ny mbola kely dia (dedicated na hoe namasinina ilay zaza) fa rehefa mahatsiaro saina izy ka tena vonona tokoa fa hanaraka an'i kristy dia ny fanaovana batisa azy dia fijoroany ho vavolombelona eo amin'izao tontolo izao fa manaraka an'i kristy amin'izay izy ary ny lasa rehetra dia ho voafafa fa olona vaovao eo amin'i kristy indray izy.Dia manomboka miova daholo ny toetra,ny fiteny,ny fandraisana olona ,izay toetra ratsy rehetra izany dia miezaka ary mangataka amin'Atra mba hovainy ary dia miova tokoa rehefa mino satria ilay fanahy masina izay vaovao ao anatiny no mampianatra azy,manazava azy ary mitari-dalana sy mampahatsiahy azy.
Sambatra tokoa anie ny manana an'i kristy e!
55. niryna
(
01/03/2008 06:46)
rijadolly a> matoa tokoa nisy safidy roa tao dia itan'ilay ramatoa fa tsy azony antoka ny rahavaviny :roll:fa raha tsy izany tonga dia nomeny,izy irery ihany no mahalala ny toetran'ilay rahavaviny ka nahatonga azy nifidy olona iray hafa
56. ari.malala
(
03/03/2008 09:45)
rijadolly, teny ratsy aminao ilay izy satria ianao efa ary saina mahalala ny tsara sy ny ratsy, fa ilay zaza 2taona tsy mbola mahalala akory izay mety ho hevtitr'ilay teny fa reny notenenin'ny olondehibe nanodidina azy dia naveriny... Ekeko fa tsy antsika ny fotoana, ary tsy afaka manao na inona na inona isika amin'izay tsy maha antsika ny fotoana izay... ametrahako fanontaniana ary ianao ry rijadolly, valio honêntement, tena tadidinao daolo ve ny nitranga eo amin'ny fiainanao fony ianao 2taona? raha eny, dia manaiky aho hoe taraiky be raha avela ho ary saina ilay zaza vo ampianarina momba an'Andriamanitra... Ary raha hoe tsy halefan'ilay nenitoa any am-piangonana ilay zaza, moa tsy samy mahalala isika fa miara miasa hahasoa ireo izay tia an'Andriamanitra ny zavatra rehetra? mety hoe ny fahitany ny namany miara-milalao eny an-tokotany eny no hahatarika azy, ohatra velona pretra iray namako izay, protestanta ny RAD ny, nefa koa ireo RAD ireo aza tsy miditra am-piangonana, fa ny namany no nitarika azy hoe ndao hiaraka aminay hivavaka, de nande izy, ary nitombo teny ny finoany, protestant hoy aho fa pretra izany olona izany amintsika miteny izao... izay ilay lazaiko we manana ny làlany Andriamanitra fa tsy isika no ndeha hisalovana hoe raha hapetrako @ rahavaviko tsy mpino de tsy hoentiny any amp-iangonana sns... sady tsy forcena b io hoe ts maintsy izao, fa izay sitrapony iany no tsy maintsy tanteraka.
57. niryna
(
09/03/2008 02:58)
ari.malala:marina izany dia izay no mahatonga antsika hitarika ny ankizy any amin'ny lalana mahitsy dieny mbola kely,raha olona mpiteny ratsy no miara-miaina aminy dia iny no rivotra hiainany.Mafy anie aky izany zanaka omena olona izany e,fa raha fantatra kosa fa tsy hamokatra ilay iray tampo tsy mampaninona ahy ny manome ny zanako amin'ny olona tena akaiky ahy
rijadolly, teny ratsy aminao ilay izy satria ianao efa ary saina mahalala ny tsara sy ny ratsy, fa ilay zaza 2taona tsy mbola mahalala akory izay mety ho hevtitr'ilay teny fa reny notenenin'ny olondehibe nanodidina azy dia naveriny...
Ekeko fa tsy antsika ny fotoana, ary tsy afaka manao na inona na inona isika amin'izay tsy maha antsika ny fotoana izay...dia izay indrindra no antony maro mety ahazo ilay zaza. Izaho efa nahita fa nomena notazain'ilay dadatoany ilay zaza fa tsy niteraka izy roa,iny toetran'iny dadatoany iny no lasa toetran'ilay zaza. Na tsara io na ratsy,kanefa matetika ny ratsy no tena mibahana toerana raha izay ny rivotra niainany.
58. ari.malala
(
12/03/2008 08:18)
efa mahazatra ahy ry niryna ny fombanao hoe izay metimety aminao iany no tsimponina sy valiana ka aoka ifarana eto ny famaliako ny resakao!!! niresaka zavatra hafa aho momba izay hoe resaka fitaizana izay fa tsy noraharahianao fa ny tiatianao no no citenao d valianao k anao ny anao!
