Iza marna ireto Vazimba ireto?

1. Alaina ( 25/02/2008 17:40)
Raha atao valin-teny maimaika de we razam-ben'ny Malagasy ny Vazimba. Eken'ny rehetra angamba io. Fa ny tiana hanontaniana de we ireto vazimba ireto ve no nametraka an'ire fomba maha-malagasy rehetra izay lazaina ankehitriny we fomban-drazana: fihavanana, fandevenana, kabary, ohabolana, sns... de ovina marina izy ireo no nonina teto Madagasikara?
2. booboo ( 25/02/2008 18:25)
Tsy fantatro ny daty tena izy, fa fotsiny hoe talohan'ny " première vague de migration " nataon-dry zareo avy ao asia atsimo atsinana dia efa nonina tao M/car ny Vazimba (IXème siècle no fotoana nahitana traces-na fisian'ny mponina ela indrindra fantatra har@ zao ao M/car)
Tsy tadidiko intsony ny fiantso ny mponina t@ faritry Betsileo iny t@ andron'ny Vazimba, fa iray vanim-potoana niainana zareo reo mbaka an-dry zareo Mikea any Atsimo.

Ny resaka fomba sns tsy haiko loatra...
3. ikaretsaka ( 25/02/2008 19:08)
za kao aloha tsy mino ilay hoe vazimba de olona fohy kely sns izany e.
fa mitovy @ io lazain'i booboo io koa hoe
"1 ere vague de migration" an'ireo olona avy tany atsimo antsinanan'i asia ihany io...
olona avy any ihany io fa saingy ry zareo fotsiny no tonga aloha!

le resaka fomba dia amiko io ohatran'ny hoe ireo immigrants bedebe nifindra monina ihany.
raha misy ile vierge ohatra ao antsinanan'i M/kara ka ny sakalava no tonga tao de fomba sakalava aloha no nandeha dia niha nisy nahita dia lasa koa ny betsileo dia niditra ny fomban'ny betsileo.. dia tonga ny vazaha de . de . de
\la loi du plus fort e
4. pika ( 26/02/2008 04:35)
ekena ny voalazan' ikaretsaka
fa lay fomba dia arakarakireo immigrants samihafa niditra teto sy arakaraky ny toerana nitobiny no nitondrany ny fomba2 teto
izany oh ny mahatonga koa hoe samy manana ny fombany isika mlg arakaraky ny faritrany e
fa tsy mitovy akory rehefa gasy
5. soanja ( 02/03/2008 20:47)
Ny vazimba dia misy karazany roa amin'ny fiarahamonina Malagasy.
Ilay heverin'i Alaina izay razamben'ny Malagasy ary ny vazimba ankehitriny izay miara-monina amin'ny Malagasy sasany ihany saingy karazana fanahy mipetraka na tompoina.

Tamin'ny fidiran'ny vazaha voalohany teto Madagasikara ka raha niakatra nananika ny faritra Iarivo ry zareo ka avy any Andrefana dia betsaka ny vazimba na olon-dia tazan-dry zareo ary nanaovany fanadihadihana.
Olona mainty izireo ary fohy ihany fa tsy fohy be toy ny pygme akory. Tsy nanana teny ifandraisana izireo fa betsaka tamin'izy ireo no mifandray amin'ny alalan'ny feo ankorona sy ny fihetsika.
Rehefa nodinihina dia tsy nahaleo ny ady sy ny fidiran'ny Indonesianina sy ny taranaka Malasianina , izay efa nifangaro tamin'ny taranaka Afrikanina ny sasany, tamin'ireo vazimba dia betsaka no maty na nandositra tany anaty lavabato ka ireo mbola nisy tazana ireo ny razany ary ny sasany moa nifanambady tamin'ireto vao tonga.
Nisy fifindramonina in-telo farafahakeliny nandritra ny 150 taona nataon'ireto Malayo-indonesianina- faritra Borneo sy ny mponin'ny nosy eo amin'ny ranomasina Sulawesi ireto tao Madagasikara. Ary samy nanana ny antony nialany ny fireneny avy.
Ireo no nitondra ny fomban-drazany avy any izay betsaka tamin'ireo no lasa fomban-drazana Malagasy.
6. ikaretsaka ( 02/03/2008 22:00)
mba azo velabelarian ve le tiana lazaina hoe olondia? rehefa hoe inona ny toetra dia olondia ny fiantso azy izay?? rehefa any an-davabato??

dia maninona ny vazimba no atao hoe olondia?
7. soanja ( 03/03/2008 00:20)
ikaretsaka:

mba azo velabelarian ve le tiana lazaina hoe olondia? rehefa hoe inona ny toetra dia olondia ny fiantso azy izay?? rehefa any an-davabato??

dia maninona ny vazimba no atao hoe olondia?


Etude lavabe ity fa miala tsiny raha tsoriko tokoa fa apetraho ny fanontaniana raha misy tsy mazava;

Ny fomba fijery ny fiarahamonina iray dia hita taratra amin'ny zavamisy eny aminy (economic organization) sy ny fombafomba ifandraisan'ny olona ( institutional) ary ny kolontsaina ananany (culture) ka raha ireo no tsy hita loatra ny fototra fisiany sy ny mampiavaka azy amin'ny toerana iray dia lazaina fa dia ny antokon'olona.

Ny olon-dia tokoa dia miompana amin'ny sakafo sy ny fanamboaran-jaza ny foto-piainany. Tsy manana lalana mifehy ny fiarahamoniny izy ireo ary matetika dia tsy manana koa fomba entina hiraketana ny fampitan-kolontsainy afa tsy amin'ny fihetsika andavanandro dia ny fitadiavan-kanina ary ny fiarovana ny vatana tsy hotafian'ny biby hafa na olon-kafa ary ny fanantanterahana ny filana ara-nofo araky ny mahabiby antsika mba hahazoana taranaka.

Matetika dia refesina amin'ny endrika ivelany, ny toerana ipetrahany, ny kalitaon'ny sakafo haniny ohatra hoe misy fikarakarana sa tonga dia lerana, ny fitaovana eny aminy, ny fomba fihetsika ifandraisan'ny samy mpiarabelona na tokatrano io na ety ivelan'ny tokatrano, sns sns maro tsy voatanisa... Ka raha mbola miompana betsaka amin'ireo ambony roa ireo ny zavamisy fa tsy misy famoronana na creativity na zavabaovao nampiasana saina hitazomana ny fahavelomana ho elaela kokoa haharitra amin'ny alalan'ny zavamisy eo amin'ny tontolo iainana dia azo lazaina fa olon-dia ny olona iray.

Matetika raha mifanandrina amin'ny andian'olona manana sivilizationina ny andian'olon-dia dia ireo voalohany no matetika mandresy satria ny azy efa voahevitra daholo ny fomba enti-miatrika olana sy fiainana.

Io resaka voahevitra io izany no mampiavaka ny olondia sy ny tsy olondia satria ny saina no miasa lalindalina kokoa rehefa hampiatra ny fahafahana mahaolombelona antsika isika. Ankaotran'izay dia mitandatra amin'ny kilasin'ny biby satria mitovy ny foto-piaina.



8. ikaretsaka ( 03/03/2008 00:40)
dia ahoana ilay hoe fasam-bazimba ry soanja? mba nahay nanao fasana kosa izany izy ko.

dia nisy koa hoe fanjakana vazimba hono (tao anaty teto anivon'ny riaka no nahitako izany raha tsy diso ahako)

dia ahoana izy no mahaforona kingdom nefa olondia?

dia misy resaka koa le hoe mamangy fasambazimba ireny dia manatitra sakafo ho azy.. toa sakafo tsara karakara vao ekeny ko.. fatra pifidy be ny anao!
9. soanja ( 03/03/2008 01:32)
ikaretsaka:

dia ahoana ilay hoe fasam-bazimba ry soanja? mba nahay nanao fasana kosa izany izy ko.

dia nisy koa hoe fanjakana vazimba hono (tao anaty teto anivon'ny riaka no nahitako izany raha tsy diso ahako)

dia ahoana izy no mahaforona kingdom nefa olondia?

dia misy resaka koa le hoe mamangy fasambazimba ireny dia manatitra sakafo ho azy.. toa sakafo tsara karakara vao ekeny ko.. fatra pifidy be ny anao!


Marina izany,

Mino aho fa isan-karazany ny karazan'olona nisy tao Madagasikara talohan'ny nahatongavan'ireo mpifindra monina avy any asia sy afrika nifangaro.

Tsy ny vazimba rehetra akory no heviriko fa olon-dia fa ireto hitan'ireto vazaha tany anelanelan'i Marolambo sy ny tanana hafa miakatra an'i Tana no hitany fa olondia tokoa; satria na teny aza tsy nanana'ireto fa fihetsika no betsaka teny aminy.

Ny mampalahelo mantsy dia tsy manana boky voasoratra na zavatra mazava momba ireto vazimba ireto isika afa tsy amin'izay tantaram-bazaha ny ankamaroany raha ny tamin'ny andro taloha elabe 1820 ka hatramin'ny 1920 any ho any. Ka zary ny fanadihadihana nataon'ireto no fototra iaingana ahafahana mijery ny fiarahamonina tamin'izany fotoana izany.

Raha ny tena izy aza anie mety tsy andian'olona ny vazimba fa karazan'olona iray dia izay taloha rehetra noraisina ho vazimba daholo.

Misy boky izay tantaran'i Marco Polo nanao voyage ho any Maurice ka nandalo teo akaiky ny Madagasikara izao dia isan'ny azo nahafantarana ny momba ireto olona taloha ireto.
Tamin'izany dia mbola nisy an'ilay vorona goavana be indrindra nanitsaka ny tany, eapyornis . Dia ireto olon-dia araka ny filazany manenjika an'iny no hazavainy eo sy fiaimpiainan'ireto.

Raha ny avy amin'ny fahendrena sy tantara Malagasy lovantsofina sy kolontsaina dia nanana organization tokoa ry zareo amin'ny fomba fihevintsika saingy raha tonga ny vazaha ka nampitaha an'ny fiainan'olona tao Andratsay ohatra sy an'ny Analamanga dia nahita fa mbola miaina amin'ny natiora tsy nampiasa saina firy ireto hitany tao anaty alabe, izay lazan'ny rehetra gasy teo fa vazimba.

Koa miankina na azo atao hoe miankina amin'ny fijerin'ny tsirairay no ilazana fa mety dia ny olona iray na tsia saingy ny ankapobeny kosa dia ireo ambony ireo no andrefesana azy.



10. ikaretsaka ( 03/03/2008 02:17)
le an'ny vahiny koa anie tsy maintsy haratsiany foana e
ohatran'ireo cas an'ny algonquin sy ny mohicans sy ny iroquois taty ihany io.. lazaina fa sauvages foana rehefa tsy mitovy education t@ ny azy.

mety niezaka nifampiresaka ihany angamba efa mety vaovao aminy ilay fiteny ohatra akory dia efa mahagaga azy dia stereotypeny ho sauvages avy hatrany.

Misy olona manao reaction an'izany rehefa ilay any @ olona tsy fantany ireny....misy aza samy gasy manao izany..
vao anona kely dia "inona hono?" Vao Taninarivo sy Bira aza iznay fa tsy niresaka Antandroy aho
11. booboo ( 03/03/2008 14:27)
Raha ny tena izy aza anie mety tsy andian'olona ny vazimba fa karazan'olona iray dia izay taloha rehetra noraisina ho vazimba daholo.

tena izay mihitsy ilay izy. Ny Mikéa any atsimo zao ray tarika t@ vazimba fa tsy vazimba ry zareo na izany aza fa Mikea.
Ny kalanoro ihany koa angamba mety ho tahaka izany...

Efa nisy fasam-bazimba iray izay " nosokafana " archéo malagasy, dia ny raha nivoaka avy @ fandinihana ny hita tao dia hoe mitovy² halava @ malagasy @ zao ihany ny halavan'ny vazimba (manodidina ny 1m50 à 1m60).

Ilay fahafantaran'ny ankamaroan'ny malagasy @ zao ny vazimba hoe fohy kely sy ratsy tarehy sns, dia isan'ny tetika nataon-dRalambo t@ izy niady t@ Vazimba mba hahazoana ny taniny. Dia mbola voatahiry hatr@ zao ilay izy...

Matetika koa ny fasam-bazimba @ toerana " fady " dia zay rehetra mandeha² eo dia na marary na gli matetika. Dia rehefa natao koa ny fanadihadihana dia nataon'ny Vazimba @ toerana misy entona ny fasan-dreo (gaz) dia zay no mahatonga ilay lasa marary na gli rehefa niaina maharitra loatra ilay entona teo @ ilay toerana.... (nanao masque angamba ny Vazimba t@ nandevina t@ zany....)




12. kiadi ( 11/03/2008 08:36)
tena marina ny lazain'i ika fa raha vazimba mahay mandevina ny razany (fasambazimba) ve dia mbola lazaina fa olondia?
matoa manana io fomba ray io de efa azo lazaina fa karazan'olona misaina ka diso ny milaza oe oldia
refa inona dia atao oe vazimba de inona no atao oe kalanoro de inona no atao oe mikéa?
13. tsiambaratelo ( 11/03/2008 10:06)
Resaka Vazimba,nisy tovolahy zay lasa adala,dia netin\'ny havany tany@mpanandro,t@iny faritra Ambatondrazaka iny,de hoy lay mpanandro t@ny fianakavian-dralehilahy we,naterin\'ilay sipany any@fasam-Bazimba ny volon-dohany.(de le gaz zany nisy fiatraikany t@le volon\'le lhl?)toa we nalain\'ilay mpanandro tany le volo,nahodidin le vhv t@fantsika efa tota be ireny,nasiany tately hoy lay panandro dia nitangoronan\'ny vitsika,de inona daholo no ifandraisan\'izany?Avy any Faratsiho zany le tovovavy,tena we ratsy ve lay Vazimba?Sa ny malagasy misy manana pouvoir na don zay tsy hainy ny mampiasa azy @rariny.
14. Alaina ( 12/03/2008 21:22)
Tena lasa lavitra be le resaka vazimba. Kanefa ataoko fa tsy tokony ho varina amin'ireo met ho fandikana vilana avy amin'ny honohono isika ka mitazona an'ireo toetra tsy dia tsara loatra entin'ny sasany handikana ny vazimba fa tokony hikatsaka hatrany an'ilay hoe:
1- Inona tamin'ireo fomban-drazana izay mbola hiainantsika hatramin'izao no nampidirin'ireto andian'olona ireto.
2 - Ankoatran'ny vazimba dia iza koa na karazan'olona avy aiza no nitondra ny fombany teto Madagasikara ka raikitra sy nolovaintsika hatramin'izao?
15. kiadi ( 13/03/2008 20:14)
zah aloha tsy mino ny honohono sy ny oe ny vazimba manana hery miafina sy ny sisa eh!
16. booboo ( 14/03/2008 09:32)
1- ilay anarantsika misy dikany beeeee angamba ?
2- ireo vahoaka maromaro nifindra monina avy any atsinana sy ny arabo ary afrikana. Nisy tandrefana koa taty afara. Ny fomba² indray : fiompiana, fambolena vary, fanandroana, fasana miakandrefam-baravarana sy fomba fandevenenana misy any @ faritra hafa, voambolana fampiasa andavan'andro, fitaovana fanjonoana sy lakana, tao-trano, sns. :^):^)
17. comptezo ( 15/03/2008 12:35)
Any ambalanay mbola misy vazimba de mandehana any raha te hanao interview..........
18. endrika01 ( 02/05/2008 14:07)
comptezo:

Any ambalanay mbola misy vazimba de mandehana any raha te hanao interview..........



Aiza zany?
19. Vazimbatia ( 24/11/2008 20:59)
Manao ahaona daholo ianareo? Voalohany indrindra aloha dia tsipihiko fa olona feno ny vazimba, izany hoe manan-tsaina, manam-panahy, manam-po afa-mitia ary amin'ny mha olombelona azy dia manan'aina velona afa-miara-monina. Ny teny hoe olondia dia tsy ankasitrahiko loatra. Io dia ny vazaha no nitondra io sy nivoy azy io. Ka hatrany amerika atsimo dia tsy noheverin'izy ireo fa tsy feno ny maha olona ireo tompon-tany tany, vao mainka loza aza ny fandraisany ny vahoaka mainty hoditra, fa tsy noheveriny ho toy ny olona feno fa biby hono. Olombelona ny vazimba, izy ireo no anisan'ny mponina tranainy teo anivon'ny riaka araka ny voalazan'ny tantara sy ny lovantsofina. Afaka manatona anay izay tsy mino mijery sy manao fanadihadina fa izahay vazimba dia tsy biby masiaka, na zava-mampahory, fa olombelona izahay. Mirary soa ny rehetra.
20. sitlo ( 24/11/2008 21:39)
Mahafinaritra kosa izany misy vazimba izany ato.
Fanontaniana voalohany ary aloha, ahoana no ahafantarana hoe vazimba ny olona iray? Izany hoe ahoana no nahafantaranao hoe vazimba ianao?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6507