Iza no mpamonjy ny fanahin'ny olona?

41. ikaretsaka ( 27/02/2008 22:19)
raha sanatria kao ve ialahy voan'ny accident de mbola ialahy no hamonjy an'ialahy?
42. fijo ( 27/02/2008 22:58)
iny pizika,hafa indray,ity resaka fanahy
43. ikaretsaka ( 28/02/2008 03:11)
ataoko fanoharana :wink::wink: ohatran'ny nataon-dralavavolo koa izao physique no nilazany momban'ny fanahy
44. prime ( 29/02/2008 10:47)
rakaroka> ianao ihany dia mamaly ny fanontanianao... "choix" tokoa... ary izay no mahatonga ilay valiny manao hoe amin'ny anaran'i Kristy :

"[Izay mino sy atao batisa no hovonjena; fa izay tsy mety mino no hohelohina]"
Marka 16:16

"satria raha manaiky an'i Jesosy ho Tompo amin'ny vavanao ianao ary mino amin'ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin'ny maty, dia hovonjena ianao." Romana 10:9
45. yonikafopl ( 29/02/2008 11:21)
Iza no mpamonjy ny fanahin'ny olona?

Izaho ihany no afaka mamonjy ny fanahiko
Ianao ihany no afaka mamonjy ny fanahinao
Ny olona ihany no afaka mamonjy ny fanahiny.

Azavaiko ny hevitro, ny ataonao, ny fomba fiainanao,ny toetranao,ny fitsinjovanao ny mahantra sy ny manodidina anao, ireo no hahavonjy ny fanahinao.Tsy ny fanononanao ny anaran'i Jesosy isan'ora,na ny fandanianao fotoana hivavahana no hahavonjy ny fanahinao.
46. prime ( 29/02/2008 11:48)
yonika> dia hoy ny tenin'Andriamanitra : "tsy avy amin'ny asa, fandrao hisy hirehareha." Efesiana 2:9

Tsy ny fanaovana asa soa no mahavonjy fa ny finoana...
47. yonikafopl ( 29/02/2008 12:35)
prime, ny fomba fiainanao sy ny toetranao nga asa??? ireo no isan'ny mampiseho ny maha ianao anao, ny momba anao.

Tsy ny fanaovana asa soa no mahavonjy fa ny finoana...

Ny olombelona rehetra dia samy manana finoana, fa ny finoana fotsiny koa ve mahavonjy??
Raha hidradradradra aho fa mino,na mametraka ny tenako ho isan'ireo mpino.Moa ve ampy izay raha ny fiainako sy ny toetra asehoko isanandro manao mpitari-bato vilambava???????
48. prime ( 29/02/2008 12:54)
yonika:
ny ataonao, ny fomba fiainanao,ny toetranao,ny fitsinjovanao ny mahantra sy ny manodidina anao, ireo no hahavonjy ny fanahinao.
... tsy asa ve izany???
yonika:
prime, ny fomba fiainanao sy ny toetranao nga asa??? ireo no isan'ny mampiseho ny maha ianao anao, ny momba anao.
... ny mahaianao anao ve mahavonjy izany???
yonika:
Ny olombelona rehetra dia samy manana finoana, fa ny finoana fotsiny koa ve mahavonjy??
... ny finoana tiana ambara eto dia ny finoana an'i Jesosy Kristy...

Io finoana an'i Jesosy io dia tena mahavonjy mihitsy, tsy mino izany ve ianao?
yonika:
Raha hidradradradra aho fa mino,na mametraka ny tenako ho isan'ireo mpino.Moa ve ampy izay raha ny fiainako sy ny toetra asehoko isanandro manao mpitari-bato vilambava???????
... tsy ny fidradradradrana tokoa na ny filazana tena ho mpino no mahavonjy... fa ilay finoana latsapaka ka manaiky marina an'i Kristy ho Tompo sy Mpamonjy...

Raha tena Kristy no monina ao amin'ny mpino iray tsy sahy "mitari-bato vilam-bava" izy satria manana tahotra an'Andriamanitra ny ho mbola hotsaraina ny amin'izany ataony izany...
49. yonikafopl ( 29/02/2008 13:23)
Prime, ka firy isanjaton'ireo milaza azy ho kristiana no tsy mitari-bato vilambava???

Io finoana an'i Jesosy io dia tena mahavonjy mihitsy, tsy mino izany ve ianao?


Za tsy hoe tsy mino, manana izay hinoako aho, fa lazaiko anao fa tena tsy mahavonjy mihintsy raha finoana an'i Jesosy fotsiny.

50. fijo ( 29/02/2008 22:24)
marin ako aio an'i yonika io.
51. ikaretsaka ( 29/02/2008 23:58)
prime:

yonika> dia hoy ny tenin'Andriamanitra : "tsy avy amin'ny asa, fandrao hisy hirehareha." Efesiana 2:9

Tsy ny fanaovana asa soa no mahavonjy fa ny finoana...


raha tsimpona....

i efesianina 2:9 tokoa no marina sa i jakoba2:14 e???:-D:-D:-D
52. yonikafopl ( 01/03/2008 09:42)
ika azavao fa tsy azoko,za kamo hanokatra baiboly :wink:
53. prime ( 07/03/2008 10:34)
yonika:
Prime, ka firy isanjaton'ireo milaza azy ho kristiana no tsy mitari-bato vilambava???
... tsy nisy nandinika izany statistika izany loatra satria tsy dia mitondra inona amin'ny fiainam-pinoana...
yonika:
Za tsy hoe tsy mino, manana izay hinoako aho, fa lazaiko anao fa tena tsy mahavonjy mihintsy raha finoana an'i Jesosy fotsiny.
... efa nanandrana ve ianao?
ikaretsaka:
efesianina 2:9 tokoa no marina sa i jakoba2:14 e???
... Ny tenin'Andriamanitra no marina...

Ireo ampitahainao ireo dia tsy mifanipaka fa tena mifameno mihitsy...

Efesiana 2:9 dia manamarina izay efa nambaran'i Kristy tsy in-dray mandeha fa im-betsaka manambara fa ny finoana Azy irery ihany no mahavonjy fa tsy misy avy amin'ny asa na dia kely aza...
Jakoba 2:14 dia manamafy izany, fa ny olona voavonjy (efa nibebaka ary mino sy manana an'i Kristy) dia tsy maintsy mampiasa izany finoany izany fa raha tsy izany dia mihamalemy na mihamaty mihitsy ny finoana...

Ka asa na mamaky tsara ika na tsia... fa ny Jakoba 2:14 dia tsy miteny na dia kely aza fa izay miasa no voavonjy fa manamafy fotsiny ny hoe izay mino dia tokony hiambina sy hitaiza ny finoana ao anatiny ka miasa sy manatanteraka izay ambaran'i Jesosy Kristy ilay inoany... izany hoe ny fitaizam-pinoana no ampianarin'ny Jakoba 2:14 fa tsy manohitra velively izay ambaran'ny Efesiana 2:9...

Ny finoana an'i Jesosy Kristy no mahavonjy... ary ny fanatanterahana ny sitrapony (asany) no mahavelona ny finoana...:) Mifanohitra ve izany???
54. cutie ( 07/03/2008 12:04)
I hate to say but I agree with prime:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0439