Inona no ilana ny fandalinana ny baiboly.

1. soanja ( 23/02/2008 15:37)

Voalaza ao anatin'ny Ohabolana 1:5-6

5 Aoka ny hendry hihaino ka hitombo saina; Ary aoka ny manam-panahy hahazo fitarihana tsara;

6 Hahafantarana ohabolana sy fanoharana Ary ny tenin'ny hendry sy ny teny saro-pantarina ataony.

Izay amin'ny dika anglisy.

5 That the wise man may hear, and increase in learning; That the man of understanding may attain to sound counsel:

6 To understand a proverb, and parables, The words and riddles of the wise.

Tsara indrafo Andriamanitra. Nomeny antsika ny fahafahana hijery, hihaino ary handalina izay nomeny na dia eo koa aza ny fametrahany ny safidy izay tiantsika atao manoloana izany rehetra izany.

Mijoroa ho vavolombelona mahatoky fa Izy no filamatra ary fitoniana mandrakizay ho antsika. Soanja

novalian'i prime ny 28/02/2008 12:41
2. ikaretsaka ( 23/02/2008 16:40)
le wise man sy man of understanding ve ry soanja mba azo velabelarina bebe kokoa ?
ny mampitovy azy .. ny maha samihafa azy sns..
interchangeable ve le izy sns
3. cutie ( 23/02/2008 21:40)
soanja
miandry an'le resaka buddhism za a :)
4. Levy ( 23/02/2008 21:43)
Soanja ! Manontany ny hevitry ny hafa ve ianao sa ahoana ? Tsy dia azoko loatra ny tianao hahatongavana; Satria toa efa valianao sady tohanao am'na versets manko.
5. cutie ( 23/02/2008 22:03)
namaste soanja
misaotra nizara :)
6. ikaretsaka ( 23/02/2008 22:59)
cutie> tsara anie ny mandalina eee:-D
7. rabingogilabanga ( 23/02/2008 23:20)
ho an'ny katolika sy ny tsy mpino dia mipetraka io fanontaniana io:
inona no ilaina ny fandalinana ny baiboly?

ho an'ny protestanta indray dia
ahoana no fomba handalinana ny baiboly?

ho an'ny rehetra indray : iza no tokony handinika,ary iza no tokony handalina?

ny mots cle dia, inona, ahoana, iza, mandinika, mandalina.

ireo angamba no tokony ho question? sa ? mba mi-cadrer fotsiny aho
8. cutie ( 24/02/2008 03:36)
Ika
ka za efa nandalina matoa miteny we namaste soanja :)
9. soanja ( 24/02/2008 15:57)
ikaretsaka:

le wise man sy man of understanding ve ry soanja mba azo velabelarina bebe kokoa ?
ny mampitovy azy .. ny maha samihafa azy sns..
interchangeable ve le izy sns


Misaotra an'Ika nametraka fanontaniana tsara tokoa.

Raha ny fandalinana nataoko dia misy fizarazarany ara-kilasy na sokajy ny olombelona, ka ireto avy izany: manomboka amin'ny farany ambany miakatra 1-4 ka ny 4 no ambony indrindra ao anatin'io sokajin'olombelona io.

1- Ireo ratsy fanahy dia olombelona mifandraika amin'ny biby. Ny fivoarany tao anaty sokajin'olombelona dia tsy tanteraka ary tsy nivoatra; tsy fantany ary tsy azony izany atao hoe moraly sy ny fahafahana mandray sy fananana. Ny fialamboly, fahafam-po tsy maharitra, filerana na fihinanana ary fiterahana na fanamboarana zaza/filan'ny nofo no tena imasoany. Ao anaty fiarahamonina dia ny lalana no mamehy ireto sokajin'olona ireto satria matetika hita ao ny famonoan'olona, fanolanana, ary ireo habibiana mahatsiravina mety vitan'olombelona sy tsy azo vinaniana indraindray ny haratsiny.

2- Ireo kely saina, dia sokajin'olona voafetra ny fahafahany mamita sy manao zavatra ary ny haratsiam-panahy koa mety manjaka ao aminy. Ny zavatra ataon'ireto sokajn'olona ireto dia tsy lasa lavitra ny lanjany na short-sighed gains. Mahavita mametsifetsy, miolakolaka ary be vinany amin'ny zavatra tsy misy dikany na tsy manan-danja izay ireo. Matahotra ny miseho vatana manao zava-dratsy izy ireo satria be fahatahorana ka miafina avokoa ny fanaovan-dratsy ary amin'ny fomba miolaka. Tsy manana atolotra ny fiarahamonina amin'ny ankapobeny ireto olona ireto fa mpandray ny efa misy sy atolotra azy. Ny lalana koa no mamehy ny momba azy vao voafehy izy.




10. soanja ( 24/02/2008 16:10)
3- Ireo manam-panahykosa dia sokajn'olona mahalala sy mahay ary miaina ny atao hoe fanarahana ny lalana moraly, fahafahana amin'ny fananana sy fandraisana ary mamboly ny fahafahana sy talenta satria ny fananana sy ny fisainana no mitarika sy mitantana ny tenany. Faniriany ny ahitan'ny daholobe fahazavana sy fahafaham-po indrindra amin'ny samy olombelona. Raha betsaka ny isan'ireto sokajin'olona ireto ao anaty fiaraha-monina dia mivoatra sy miroborobo ny filaminan-tsain'ny olona. Fa raha kosa vitsy ireo olona ireo na mihena dia miferinaina ilay fiaraha-monina.

4- Ireo hendry dia ireo izay tena miaina , miatrika ary mahatsapa ny fisian'ny fahamarinana eo amin'ny fiainan'olombelona. Ireto sokajin'olona ireto dia tsy mitsahatra mikatsaka izay hahasoa ny mpiara-belona aminy na amin'ny alalan'ny saina, fanahy ary asan'ny vatana andavanandro ka mampiahatra izany amin'ny alalan'ny fampianarana/fiaina amin'ny fiarahamonina mba hampita izany fahamarinana izany.
Manome fahazavana sy manatsara ny mahaolombelona izy ireo ary mampandry filaminana na fitoniana eo amin'ny fiainana sy ny tontolo. Ny fahaizana dia saika voajanahary eny aminy nefa noraisiny tamin'ny alalan'ny fiainana ary tiany ny mahita izany ho an'ny hafa. Izy dia ny rariny sy nyy hitsiny ary ny fiahina ny rehetra no tanjony. Tsy ilaina akory ny lalana raha ireo ny olombelona eto an-tany.

Koa ireo anankiroa farany ireo Ika no mifandray ka manome ny fifohazam-panahy.

Mazotoa hatrany mikatsaka ny tsara indrindra. Soanja.
11. soanja ( 24/02/2008 16:27)
Marihako fa mbola misy ambonin'io ny sokajy saingy ny Fanahy no mitarika azy ary sokajiana ireo ao anatin'ny sokajin'ny lanitra. Omeko miandalana izany raha mbola misy liana.
12. ikaretsaka ( 24/02/2008 17:00)
misaotra an'i soanja.. namaste
13. soanja ( 24/02/2008 21:54)
Ika> Tsy misy fisaorana Ranadahy!:-*:-*:-*
14. prime ( 25/02/2008 12:13)
Ny fifohazam-panahy dia zavatra hafa mihitsy fa tsy misy ifandraisany amin\'ny fahalalàna sy ny fahendrena na dia kely aza...
Raha io fanazavàna io no zohina dia any amin\'ny fari-bolan-tany avaratra no tena tokony hivoy sy hiroborobo ny fifohazam-panahy... any nefa no tena betsaka ny olona tsy mino an\'Andriamanitra intsony... ary mahagaga fa any amin\'ny faribolan-tany atsimo no tena iroboroboany sy iaingàn\'ny hetsika fifohazam-panahy rehetra ankehitriny...

Ilay sokajy 4 indray dia fomba fandinihana araka ny fahitan\'ny soanja azy tokoa fa tsy misy fototra ara-tsoratra masina satria raha ilay sokajy voalohany fotsiny ohatra no asian-teny dia toa mifanohitra amin\'ny zava-misy ihany satria mahagaga fa matetika ny olona heverina ho manam-pahaizana sy manam-pahalalàna sy manam-pahendrena no tena isian\'ireo karazana habibiana ambara ireo, fanolanana, famonoan\'olona isankarazany...

Ny \"taux de criminalité\" tena olana dia tsy ilay any amin\'ny \"bas quartiers\" sy ny \"ghetto\", vokatra ny filàna kely etsy sy eroa fa ilay \"crime organisé\" isankarazany izay olona manan-tsaina sy manam-pahalalàna avokoa no mibaiko sy mampanao ireny... ary ny \"opérations\" in-dray mandeha dia mandeha amin\'ny fahazato sy faharivo ny olona vonoina fa tsy fahafolo akory...

Rehefa misy ny vono olona ohatra na ny fanolanana ohatra, any amin\'ny sehatra avo lenta no tena misy azy saingy vitsy no sahy mitory sy manambara satria ny aina no manaraka raha manao izany... (viol au sein des cadres professionnels, provenant des Hommes de pouvoir, des supérieurs hiérarchiques, harcèlement, attentat, terrorisme, rapt, arnaque, chantage...) ny vono olona vokatr\'ireny mbola betsaka lavitra noho ilay miseho isanandro amin\'ny quotidien d\'info...

Asa fa mba fanamarihana ny ahy iny...
15. ikaretsaka ( 25/02/2008 14:16)
le hoe fototra ara tsoratra masina lazain'i prime... sao le heo izay andalana tiana ihany?
"very se"??
asa fa mba fanamarihana kao ny ahy iny
16. soanja ( 25/02/2008 14:45)
Misaotra Prime amin'ny hevitrao.

Ny tiako marihina fotsiny dia tsy ny fahaizana akory no mahalaza fa Hendry ny olona iray fa ny fitiavana miahy ny hafa ary ny fikatsahana ny fitoniana na ny aminy na ny hafa, izay miseho amin'
ny alalan'ny asa vitany sy ny fihetsiny ety ivelany manoloana ny fiarahamonina.

Raha ny fahhitako azy aloha dia mety ny cinema sns no jerenao angamba hakanao ref momba ny habibiana sy ny zava-dratsy vita eto an-tany.

Ny zavamisy dia ny zavatra mivoaka amin'ny media dia satria manana ny mahaizy aza zany ilay olona. Na izay heverin'i societe fa olona tsara nefa ratsy ny zavabitany. De ireny mivoaka ain'ny tele sns fa ny crimes isan-karazany dia mitranga isanandro n;'aiza n'aiza amin'ny toeran'ireo ratsy fanahy saingy efa tsy mirahraha izany firy ny media satria tsy manaitra olona izany fa ny an'ny media dia izay azahona ny volan'olona no mahamaika azy de izay mahavariana no asehony.

Ny fandalinako dia tsy miankina amin'ny baiboly ihany fa manerana. Izay vonona handray dia tsara saingy tsy azo lazaina fa io no lafatra.

Samy manana ny fahendreny ny olona ary ny fifohazam-panany amiko mety tsy mitovy amin'ilay fifohazam-panahy aminao. Am-pitiavana hatrany!
17. ikaretsaka ( 25/02/2008 14:53)
miombokevitra @ soanja..
misy sujet momba io fifohazam-panay blabla lazain'i prime io manao hoe

ny mifoha sy ny mihiratyra maso ao anaty box (chambre noir ana camera) ve azo lazaina heo mifoha?
18. soanja ( 26/02/2008 07:53)
soanja:


Voalaza ao anatin'ny Ohabolana 1:5-6

5 Aoka ny hendry hihaino ka hitombo saina; Ary aoka ny manam-panahy hahazo fitarihana tsara;

6 Hahafantarana ohabolana sy fanoharana Ary ny tenin'ny hendry sy ny teny saro-pantarina ataony.

Izay amin'ny dika anglisy.

5 That the wise man may hear, and increase in learning; That the man of understanding may attain to sound counsel:

6 To understand a proverb, and parables, The words and riddles of the wise.

Tsara indrafo Andriamanitra. Nomeny antsika ny fahafahana hijery, hihaino ary handalina izay nomeny na dia eo koa aza ny fametrahany ny safidy izay tiantsika atao manoloana izany rehetra izany.

Mijoroa ho vavolombelona mahatoky fa Izy no filamatra ary fitoniana mandrakizay ho antsika. Soanja




Ary hamaranako ny hevitro dia ireto misy andalana roa mameno ny tiako ampitaina.

Ampiasao ny tenin'Andriamanitra ary amin'ny alalan'ny asa no hilaza ny hatsarany!

2 Timothy 3:16- 17

16 Izay soratra rehetra nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin'ny fahamarinana,

17 mba ho tanteraka ny olon'Andriamanitra, ho vonona tsara ho amin'ny asa tsara rehetra



19. soanja ( 26/02/2008 08:15)
Ho an'i Prime>

Joda 1: 1-25

15 hitsara ny olona rehetra sy hampiaiky ny olona ratsy fanahy rehetra ny asan'ny haratsiam-panahy rehetra, izay nataony tamin'ny haratsiam-panahiny sy ny teny sarotra rehetra izay nitenenan'ny mpanota ratsy fanahy hanohitra Azy."

16 Ireo dia mpimonomonona sy mpimoimoy, mandeha araka ny filany (ary ny vavany manao teny miavonavona loatra) ka mandoka olona mba hahazoany zavatra.

20. prime ( 27/02/2008 12:01)
soanja> misaotra ny amin\'ny tenin\'Andriamanitra... na nosoratana ho an\'ny mponina tany jodia aza dia manambara fahendrena lalina ny amin\'ny tokony hiambenana ny amin\'izao fiainana izao mba tsy ho voafitaky ny fampianarana sandoka maro isankarazany... (joda 1-25)

Dia mankasitraka koa ny amin\'ilay teny tianao hamaranana azy na dia vao manomboka aza ny fahitako ny adihevitra eto... (II Timoty 3:16-17)

Tsy filma na sinema ireo nambarako ireo fa zava-misy isanandro iainan\'ny olona andavanandro... fa raha ny iainan\'ny mpiasa any @ zone franche sy ny orinasa maro fotsiny eto Madagasikara ohatra mikasika ny \"harcèlement\" sy ny \"viol\" dia zava-misy io fa tsy tantara foronina (fiction)... ny amin\'ny famonoan\'olona isankarazany dia tsy takona afenina ny \"manipulation\" ataon\'ny firenen-dehibe sy ireo mpitondra ao aminy any @ tany mahantra mikasika ny ady isankarazany etsy sy eroa ka mahafaty olona maro tsy hita noanoa isanandro... tsy sinema koa izany fa zava-misy...

Mikasika ny fifohazam-panahy amin\'ny finoana dia tokana ny ambaran\'izany fa tsy maro... fa raha vao miresaka momba ny fifohazam-panahy dia mazava ny amin\'io... tsy hoe hafa ny anao dia hafa ny ahy... fa tokana ny fiainana fifohazam-panahy iainan\'ny fiangonana maro dia izay ao amin\'ny Jesosy Kristy... ny ankoatr\'izay dia mba fomba fiteny angamba...

Mikasika ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina ary ny fahalalàna ambara eto amin\'ity lohahevitra ity dia tsy dia mitovy loatra amin\'ilay ambaran\'Andriamanitra... hoy indrindra ny voasoratra ny amin\'izany amin\'ny anaran\'i Kristy : \"Ny fahatahorana an\'i Jehovah no fiandoham-pahendrena; Ary ny fahafantarana ny Iray Masina no fahazavan-tsaina.\" Ohabolana 9:10

\"Ny fahatahorana an\'i Jehovah no fiandoham-pahendrena; Fahalalana tsara no ananan\'izay rehetra mankatò izany*; Maharitra mandrakizay ny fiderana Azy.[Heb. ireo]\" Salamo 111:10

Io indrindra no mahatonga ahy miteny hoe tsy dia tena mampitombina loatra ilay sokajy 4 napetrak\'i soanja... ny sokajy 4 napetrak\'i Hitler koa dia tsy dia mifanalavitra loatra amin\'io ambaran\'i soanja io fa saingy miampy ny \"aspects physiques\" sy ny \"caractères physiologiques\" fotsiny sisa...

Amin\'Andriamanitra, izay heverina ho adala sy tsy manan-tsaina indrindra eto amin\'izao tontolo izao no nantsoiny hoe hendry satria manaiky Azy... araka ny voasoratra hoe amin\'ny anaran\'i Kristy : \"fa ny adala amin\'izao tontolo izao no nofidin\'Andriamanitra hampahamenatra ny hendry; ary ny malemy amin\'izao tontolo izao no nofidin\'Andriamanitra hampahamenatra ny mahery;\" I Korintiana 1:27...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.5376