Birthday Party
1. niryna
(
23/02/2008 07:40)
Avy nandeha namonjy seminera ity mpitandrina dia nizaha toerana hisakafoanana.Niditra ity toerana iray izy,ary nanontany izay sakafo masaka,tsy misy sakafo ato hoy ilay rangahy fa zava-pisotro no misy.Raha hisakafo hianao hoy izy dia atoroko anao ny toerana iray miala eto aminay.Aleo aho hoy ity mpitandrina hipetraka kely fa tena reraka raha tsy maninona.Nipetraka izy ary nisy tovovavy teo amin'ilay latabatra ka niangavy azy io izy raha mahazo mipetraka eo.Nifampiresaka kely izy mianaka ary dia lasa tamin'ny resaka hoe rahampitso hoy ilay tovovavy ny andro ahatsiarovana ny nahaterahako.Hay ve hoy ilay rangahy ary inona no ataonao amin'izany?Tsy manao na inona na inona,efa folo-taona lasa aho no tsy nankalaza izany.Tsy mampaninona anao ve hoy izy raha hankalazantsika izany? Tsy niteny ilay tovovavy fa sady nanao veloma no nanjombona ny tarehiny .
Nanontanian'ilay mpitandrina ilay rangahy mpampandroso toaka raha mba afaka hampihaingo ilay tranombarotra ary hanomana mofomamy raha mety izy ary nanontaniana raha mahafantatra ilay tovovavy niara-nipetra taminy teo iny ity rangahy.

novalian'i niryna ny 11/03/2008 03:58
2. niryna
(
23/02/2008 07:44)
Noresahin'ity rangahy fa toerana fisotroana toaka ity,ary iny tovovavy iny dia miandry olona izay hiaraka aminy(mpivarotena)ka tsy nahita olona izy dia lasa nody.Nanontaniana hoe amin'ny firy no mandalo eto izy ary isaky ny inona? Isan'andro amin'ny enina hariva hoy izy.Noresahin'ity mpitandrina daholo ireo olona tao amin'ny bar ary niangaviany ihany koa ny tsy hiteny fa hanao fety ho an'ny olona iray .....Izy,niangaviany ihany koa ireo olona ireo izy ny hitondra olona hafa maro rahampitso hoy izy fa misy zavatra ho resahiko anareo rehetra avy eo.
Tonga ny fotoana,vita fiaingona ny trano fivarotana,niafona tao anaty olona ity mpitandrina ary maro be ny olona no tonga niampy ny namana hafa .Vao niditra ity tovovavy dia niantso antso "Happy Birthday"daholo ny rehetra.
Hendratra izy,tsy nisy nahalala an'izany hoy izy ary tezitra andeha hivoaka ny trano izy no nipoitra moramora ilay mpitandrina.
Izaho no nahalala hoy izy fa hianao no niteny izany tamiko omaly.

3. niryna
(
23/02/2008 07:51)
Tsy nety nanapaka ilay mofomamy ilay tovovavy fa tonga dia nandeha nody kanefa dia niverina indray avy eo.
Rehefa vita ny fisakafoanana dia nilaza ny anton-diany ity mpitandrina.Nanomboka nitoriteny amin'izay izy ary dia niafara ny hafatr'ity tovovavy fa noho izy mpivaro-tena dia tsy niraharaha azy intsony ny havany ary izany no tsy nankalazan'ny ny fetiny nandritra ny folo taona.
Maro ny olona no niova fo,maro no nanaradia an'Atra maro no nandeha niangona ka notarihan'ilay mpitandrina tany amin'ny fiangonana ireo olona ka dia nanaiky sy nanaraka tokoa,ary ilay tovovavy koa dia nanomboka nanome ny fiainana ho tantanan'i kristy.
Isika tsirairay avy dia tonga ety an-tany mba hidera sy hankalaza ny voninahitr'ATra.Aza misalasala ny mizara ny filazantsara ho an'ireo izay olona manodidina antsika,ny fanahy masina no mitarika raha tena mino isika,ary izy no mampianatra an'izany.
Ampahafantaro azy ireo fa Atra mandahatra ny zavatra rehetra,torio azy ireo ny fitiavan'i kristy namonjy antsika teo amin'ny hazo fijaliana,iza no nanampo hoe sakafo no tadiavin'ilay mpitandrina,kanjo lala-kafa no nitondran'Atra azy hamonjy fanahin'olona maro?
Toy izany koa isika raha manaiky ny hiaradia an'i kristy manomboka anio.
Ho Azy Irery hatrany anie ny voninahitra,ary ny fahasoavan'ny Tompo ho antsika tsirairay avy
Amena.
(l)niryna

5. niryna
(
11/03/2008 03:58)
sasasasa:
Tena nisy ve ilay tantara sa ?
tantara tena nisy daholo no omeko antsika ato ka. :D ary maro ny zavatra tsy takatry ny sain'olona sarihan'Atra antsika hiverina any Aminy mba ho voavonjy avy isika :D