Iza no vadin'i Kaina? #2

21. soanja ( 22/02/2008 17:59)
Mandefitra:

Mitondra famonjena ve, sa hahalalana an'Andriamanitra sy ny sitrapony ary ny fitiavany ny fahalalana an'i vadin'i Kaina?

Itimoty 1:
3"..., mba handidianao ny sasany tsy hanao fampianarana hafahafa,
4 na hitandrina ny anganongano sy ny tantaram-pirazanana tsy hita lany izay mahatonga ady hevitra, fa tsy mampandroso ny fitondrana araka an'Andriamanitra amin'ny finoana, dia toy izany koa no ataoko ankehitriny."



Izay indrindra no itondrana ny hevitra eto , hijeranao akaiky ny finoana raha mitombina amin'ny zavatra maharitra sa marefo.

Matoa afaka mifanditra sy mifanazava ary mifanome hevitra eto isika momba ny baiboly dia tsy lafatra zany izy. Ahitana lavaka be dia be tokoa ary tsy hitondra n'aiza n'aiza ny tsy fahalalana ny fototra.

Ny zavatra lafatra tsy mampisaratsaraka fa mampitambatra. Ny zavatra lafatra manampy ny rehetra fa tsy manilikilika. Ny zavatra lafatra dia FENO ary ampy hohalalinina.

Ny valin-teny toy izao no mitondra ny antsoina hoe Dogma. Raha tianao alalinina ny atao Dogma de azoko omena eto koa.

Inona no fototra niatombohan'ny baiboly dia izay no atao hoe fahalalana. Tsy tokony hamky akory ny baiboly ny olona iray raha tsy mahalala ny fototra niantombohany.

Eto aho dia hilaza hoe matoa tsy nomena dia misy antony tokoa.

Io antony io izany no tokony tadiavintsika raha tena te hijery akaiky ny fototry ny finoanao ianao.

Farany, matoa betsaka ny Kristianina no sahirantsaina sy mahatsiaro tsy tony ary indrindra misalasala momba an'Andriamanitra dia mbola tsy ampy ny fampianarana azony. Ka na hiantso Fanahy Masina aza ianao, tsy midina ny Fanahy Masina raha tsy fantatrao tanteraka ilay INOANAO , ary fantatrao ny momba azy.

FANTARO ANDRIAMANITRA ARY KATSAHO IZY AMIN'NY LAFINY REHETRA MONBA ANAO! AMEN!


22. ikaretsaka ( 22/02/2008 18:09)
namaste

Izay indrindra no itondrana ny hevitra eto , hijeranao akaiky ny finoana raha mitombina amin'ny zavatra maharitra sa marefo.

Matoa afaka mifanditra sy mifanazava ary mifanome hevitra eto isika momba ny baiboly dia tsy lafatra zany izy. Ahitana lavaka be dia be tokoa ary tsy hitondra n'aiza n'aiza ny tsy fahalalana ny fototra.

Ny zavatra lafatra tsy mampisaratsaraka fa mampitambatra. Ny zavatra lafatra manampy ny rehetra fa tsy manilikilika. Ny zavatra lafatra dia FENO ary ampy hohalalinina.

23. fijo ( 22/02/2008 20:42)
dia hita fa tsy voavaly ary tsy hovoavaly mihintsy ity fanontanian aity rahany boky no andrasana
maika ery ilay boky milaza fa i eva no vadin'i adama,koa nahoan ano tsy niazakazaka izy nilaza hoe i XX no vadin'i kaina ry laza?
24. ikaretsaka ( 22/02/2008 22:49)
izay no tsy azoko mihitsy hoe maninona no pendina ery hilaza fa Eva no vadin'i Adama
fa tsary lazaina hoe ia ro vadin'i Rakaina
de shefa inona ro lazaina de shefa inona ro tsary iiii?

25. soanja ( 23/02/2008 02:20)
fijo:

dia hita fa tsy voavaly ary tsy hovoavaly mihintsy ity fanontanian aity rahany boky no andrasana
maika ery ilay boky milaza fa i eva no vadin'i adama,koa nahoan ano tsy niazakazaka izy nilaza hoe i XX no vadin'i kaina ry laza?


Misaotra indrindra nitondra ity hevitra nomenao ity ry Fijo fa izay indrindra no tiako ahatongavana.

Ny baiboly dia ninia ary nanao tsinotsinona ny vehivavy tokoa. Diniho tsara ny fomba famoahana hevitra ao ain'ny baiboly, ny fomba filazana ny firazanana sns.. raha niteraka vehivavy i Adama sy Eva dia tsy tazana izany tao anaty teny voasoratra, ary toy izany hatrany mandrapahatonga tany amin'i Noa sy ry Lota angambany.

Mampalahelo tokoa izany satria nezahina koa ny fampisehoana fa ny ratsy dia niatomboka avy any amin'ny vehvavy sns... ny hevi-dratsy, ny ota sns... Azoko omena miandalana eto avokoa ny ireo teny milaza fanaratsiana ny vehivavy, ny tsy mampadio azy sns ao anaty baiboly.

Tsy mino aho ary tsy hino mandrakizay fa mankahala vehivavy Andriamanitra. Ny kolontsaina nanomana ny sain'ny mpanoratra ny baiboly no nahatonga izany ka nahitana taratra ny tsy fisian'ny soatoavina momba ny vehivavy.

Tsy ny rehetra ao anaty baiboly anefa no ilazako ny tsy fisian'ny hasin'ny vehivavy eo amin'ny sehatra finoana Xtianina raha io baiboly io no resahiko fa ny ankamaroan'ny zavatra voalaza ao. Hany ka sarotra amin'ny finoana xtianina sasany aza ny hanaiky fa afaka manao Pasitera ny vehivavy ohatra. Efa nila fivoarana goavana sy fanasana atidoha ary fijerena ny zavamisy akaiky vao betsaka no nanaiky an'io.

Ka raha izay vadin;i Kaina any tsy olantsika no ahalalana izany tokoa fa ny tsy fitarafana fa azo ateraka koa ny vehivavy ary azo ampidirina ao anaty lisitry ny nateraka no antony mahatonga ny hevitro hibahana eto.

Araky ny tantara;

Luluwa no anaran'i vadin'i Kaina ary izy dia kambana tamin'i Abela. Nifankatia fatratra i Kaina sy Luluwa. Saingy nalahelo izy nony novonoin'i Kaina ny anadahiny. Nalahelo torak'izany koa i Adama sy Eva. Ny anton'ny namonoin'i Kaina ny rahalahany dia tsy noho ny fiangaran'Andriamanitra na nankasitrahan'Andriamanitra fotsiny ny sorona sy ny fanompoana nataon'i Abela fa teo koa ny fialonana nisy tamin'izy mirahalahy. I Adama sy Eva nihevitra fa i Abela no hanambady an'i LULUWA. Kanjo moa maty izy. Tsy nanana safidy izy ireo ka navelany nanambady an'i Kaina i Luluwa ary ireo no niteraka be dia be tokoa tany amin'ny tanin'ny mpiriaria.


26. cutie ( 23/02/2008 03:13)
zay zany no nahatonga an;le ry "kaina" iny :-D
27. cutie ( 23/02/2008 03:14)
zay zany ny nahatonga an'le hira ry "kaina" iny :-D
28. LazaDaddy ( 23/02/2008 05:08)
fijo> inona ny olan'ise raha tsy voatonona ny anarany fa fantatra hoe vady sahaza nomen'Andriamanitra azy izy? :)
29. Rasiligaoma ( 23/02/2008 06:37)
mahagaga lahy ianareo! rehefa ny rahalahin'i jesosy sy i Maria sy dia maimaika ery hitady, fa raha vao i kaina dia valiana boraingina. nefa samy personnage milaza ny famonjena antsika daholo izy ireny

ankoatr'izay dia iombonako hevitra ilay hoe tsara ny tsy hanaovana tsinontsinona ireny fa hijerena akaiky azy

Izay indrindra no itondrana ny hevitra eto , hijeranao akaiky ny finoana raha mitombina amin'ny zavatra maharitra sa marefo.


Io antony io izany no tokony tadiavintsika raha tena te hijery akaiky ny fototry ny finoanao ianao.
matoa betsaka ny Kristianina no sahirantsaina sy mahatsiaro tsy tony ary indrindra misalasala momba an'Andriamanitra dia mbola tsy ampy ny fampianarana azony. Ka na hiantso Fanahy Masina aza ianao, tsy midina ny Fanahy Masina raha tsy fantatrao tanteraka ilay INOANAO , ary fantatrao ny momba azy.

30. Mandefitra ( 26/02/2008 10:37)
Ka na hiantso Fanahy Masina aza ianao, tsy midina ny Fanahy Masina raha tsy fantatrao tanteraka ilay INOANAO , ary fantatrao ny momba azy.

1/Ianareo ve no manome ny Fanahy Masina no halalanareo zany?
2/Ahoana no hilazanao fa tsy fantatro zay inoako?satria ve tsy fantatro ny vadin'i Kaina?
3/Ho an Ika sy Rasil:Inona no antony hanaovana Batemy ny zaza ho @ anaran'ny Ray sy ny Zanak ary ny Fanahy Masina?fantr izy ireo anga ny vadin'i Kaina? sa tonotonotniny fotsiny zany fa tsy hiasa ao aminy akory ny Fanahy Masina satria tsy fantany zay inoany.

Misaotra
31. ikaretsaka ( 26/02/2008 13:17)
St Augustin:
Raha izay tiatianao momba ny finoana an'Atra sy ny tantarany ihany no alainao sy tsimponinao, fa izay tsy tiana sy tsy azoazonao loatra dia na odianao fanina na tsy jerena tsotra izao, dia tsy Andriamanitra intsony no inoanao amin'izay fa ny tenanao
32. papala ( 27/02/2008 09:55)
Ny vadin'i Kaina ry reto a! Dia ireo anjely zay niady tamin'Andriamanitra fony mbola tany andanitra daholo izy ireo (ry devil, ry satan, ry belzebob,be dia be......). Tezitra Andriamanitra ka nazerany tety antany daholo ireo anjely zay nikomy taminy.Ireo no nalain'ny zanak'olombelona vady, ary nandehandeha i Kaina ka nahita vehivavy tsara tarehy (ny anjely zany a dia tsara tarehy) ary nalainy ho vady. tsy angano io lazaiko aminareo io, fa fony za nianatra sekoly alahady, de efa nazavaina tsara mihintsy ny nahatonga ny ota betsaka tety ambonin'ny tany, de noho ireo anjely maromaro nanohitra an'ANdriamanitra!
33. tsiafoi1 ( 27/02/2008 14:52)
Ny fanambadiana ny anabavy anie de zava-nisy fahiny ary voatantara ao anaty baiboly (jereo tantaran'i Isaka sy Rebeka zanak'olom-pianadahy cousin-cousine), koa raha nanambady ny anabaviny Kaina de azo eritreretina ho mitombina izany...

Tsy we akory nisy izany de raisina atao modely, de andeha hanao izany koa isika, fa notantaraina ireny zava-nisy ireny sy ny vokany, de anjarantsika no misintona lesona avy @'ireny tantara ireny we mety ve sa tsy mety ny manao an'le izy...

"Ny zava-dht azo atao, fa tsy ny zava-dht no mahasoa". Zay novadian'i Kaina any de novadiany, fa ny lesona azo tsoahana @'ny tantaram-piainany atao misongadina hanitsiana ny dia;
34. ikaretsaka ( 27/02/2008 15:47)
marina
35. fijo ( 27/02/2008 22:48)
laza ,amiko tsy misy olana,fa mba te ahalala ny marina fotsiny aho.iza no vadin'i kaina?
36. Rasiligaoma ( 02/03/2008 06:36)
tsara ihany ny ahalalana izany mba hoeritreretana momba ny finoana aloha amiko e!
fanontaniana kely ohatran'iznay momba ny fototr'ilay inoanao aza tsy voavaly ko mainka fa. dia atao ahoana ny hanazava ny finoanao rehefa miditra lalindalina kokoa?

37. sasasasa ( 09/03/2008 15:45)
angamba mbola misy zavatra mahaliana sady ilaina valiny maika noho izay vadin'i Kaina tokony ho karohina aonaty baiboly ohatra: ahoana no atao ahavoavonjy ? ny fanafahana amin'ny fahotana, ny fahalalàna an'Atra.... fa ny baiboly aloha tsy namela ny sarin'ny vadin'i Kaina izany e sao dia sahirana be isika
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0932