mbola tsy ao ny fampitam-baovao

1. maditra ( 21/02/2008 13:30)
Taorian'iny cyclone Ivan teo iny dia mba niezaka ny fampahalalam-baovao sasany hitatitra ny vokatr'ilay rivo-doza tany amin'ny toerana rehetra nandalovany. Tany amin'ny faritra antsinana ohatra dia voalaza doly fa simba Sainte Marie, Fenerive, Est, Tamatave, sns. Tsy mba nisy resaka Soanierana Ivongo tao. Liana ny handre ny any aminay be mihitsy zah kanefa tsy mba misy miresaka, na dia kely aza, an'ny Soanierana Ivongo. Izao vao mba afaka niantso tany aho (satria tapaka doly ny jiro manerana ny tananan'ny Soanierana Ivongo taorian'ilay cyclone). Simba ny tanana any ary tsy voatanisa ny trano sy ny birao rava. Ny sekoly koa etsy andanin'izany. Nefa tsy mba henoheno akory. Mampalahelo.
2. ikalamako ( 21/02/2008 14:20)
soa fa misy anao mba nampita ny vaovao avy Soanierana-Ivongo izany fa sehatra hifampitàna vaovao tokoa ny aterineto ka ny tsy ananan'ny hafa mba omen'ny sasany. Mbola tsy ary fomba ange ny fitaovana any amin'ny tanintsika e, ka mino aho fa tsy fanaovana ikala hafa an'i Soanierana Ivongo no tsy nahazoana vaovao momba azy fa ny tsy fisian'ny olona afaka nitatitra izany teto.
Misaotra dia mampahery ny Malagasy rehetra.
3. ikaretsaka ( 22/02/2008 15:02)
de tokony mihetsiketsika izany soanierana ivongo manao radio, manao BLU, manana groupe ny any @ mairie, sns...
izany koa izany anisan'ny ilaina any ka de..
mampalahelo le izy heo rehefa sendra loza ohatran'izao vao miseho.. fa anatra koa ilay izy fa aia de rehefa voa vao mihilana foana ve
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1748