Olo-Raitra TVM

1. zamanoro ( 18/02/2008 19:04)
Tsara ilay fandaharana saingy ho an'ny manana zaza latsaky ny 14 taona dia toa tsy mendrika loatra ilay izy satria be resaka kapaoty sy resa-piraisana loatra. Lasa dokam-barotra SIDA sy kapoty no betsaka. Marina fa ilaina ho fantatry ny ankizy izany, saingy misy fotoanany ny fampahalalana azy an'izany.
Ka tokony mba atao alinanalina kely ilay izy raha toa asiana an'ireny fihetsika na fiteny ireny.
Mitovy amin'ny maths ihany io, tsy zaza 10 taona no omenao lesona log sy expo
novalian'i dziana ny 05/05/2008 11:01
2. tess ( 18/02/2008 19:06)
oadray ry zamanoro; ,u resaka kapoty defa atoro ny ankizy any am primaire knouç!:-P8-)
3. ravakamalala ( 18/02/2008 20:27)
andrekaky ô! fianarana aiza no misy an izany mba tsy andefasako ny zanako any?
tsy hitako mihitsy inona no ilana izany kapôty kapôtinareo izany
4. LazaDaddy ( 19/02/2008 03:50)
ravakamalala> inona moa izao no tsy ampianarina ny ankizy any an-tsekoly? Fanteno tsara ihany ny andefasana ny zaza raha azo atao...

- Atsy Etazonia izao dia ampianarina sy voarara tsy mahazo miteny hoe "dada" na "neny" ny ankizy any an-tsekoly ao California...satria hono ny "homo" sady tsy dada no tsy neny, ka tsy azo avakavahina.

- Firifiry ireo ray aman-dreny nogadraina sy ireo nitsaoka tao Allemagne satria mampianatra ny zanany ao an-trano noho ny fampianarana "hafahafa" any an-tsekoly?
5. dziana ( 05/05/2008 11:01)
Raha ny sain'ny " zaza " ankehitriny dia efa tsy misy ze tsy mahalala ny atao hoe kapaoty ... zany 10ans zany .Ka tsy aleo ary ve dienizao dia fantany zany mba farafaharatsiny misy hitandremany toy izay efa tafiditra amizany izy vao hanazava ny sainy .Tsy efa tara be ve .Marina nge le hoe " Ny misoroka no tsara,ny mitsabo sao dia tara "!
Tsy blem amiko ny hijeren'ny akizy Olo-raitra satria tsy hoe film porno nge no ao ;raha porno dia zavatra hafa ndray zay;






















© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1925