Evanjelista may tao amin'ny trano filokana ...

21. ari.malala ( 20/02/2008 07:02)
ka zay mantsy nge hoa e! za koa mitovy fijery am fijo! misy ilay fiteny hoe tsy ny rebareba no mahamasina, ary ataoko ity Jesoa aza efa nanao izay fanamarihana izay mints nge e! ts we satria mivimbina baiboly sy fihirana fona d masina b fa satria miditra bar sy miaraka am mpiloka sy mpimamo d manao toa azy ireny...
22. fijo ( 20/02/2008 22:15)
le fijery mihintsy no tokony asiana fiovana ngamba.tsy vao hoe "bar" dia midika hoe mamo.
23. ikaretsaka ( 20/02/2008 23:03)
anisan'ny toetra maga coincE sy bornE izay
24. fijo ( 21/02/2008 21:42)
hoyyyyyyy
25. ikaretsaka ( 21/02/2008 22:52)
ieu koh
26. niryna ( 22/02/2008 06:24)
ari.malala:

tsy d azoko loatra ny but an'ilay tantara, fa tsy voatery hoe miloka koa anie ny alehan'ireny mpitondra fivavahana ireny any e, na hoe miditra bar d misotro izay... mety hoe manao ministera iany kou izy ohatra??? isika anie tsy mahalala izay any antsainy any e! mety hoe miloka tokoa no aitanao anazy, fa mety we sad mitarika anle olona miloka ireny izy ohatra na ts haiko! za zao mahalala frera, mopera, miaraka am tanora fona, miaraka amzareo amze alehany sy ze ataony, sad mananatra we ts zany no izy fa zao, fa tena mandaitra tokou alou e

bjr ari-malala.
Ny kristiana raha manao zavatra tsy mety dia mora ho an'ny tsy mpino no miresaka na miteny izay ataony haingana.Raha ny tsy mpino kosa indray no manao tsy mety dia tsy miraika amin'izany ny kristiana.
Inona no antony?
Satria ny kristiana no fanilo,jiro fahazavana,taratra ,tahaka ataon'ny manodidina,ka raha misy tsy mety ataony dia mora ho an'ny olona no miteny aingana
Ity tantara ity indray dia nalefako eto mba hilazako anareo fa nisy zavatra mampalahelo toy izao,olona nofidin'Atra ilay olona,ary nomeny hery hanasitrana sy mandroaka demonia ary mivavaka ny rehetra,na dia izany aza dia nafangarony ny asan'Atra ary dia niteny ny olona kanefa tsy nisy nihaino ireo niteny.
Dia io niafara tao amin'ny fahafatesany tao anatin'ilay trano filokana io izy.
Mampalahelo ilay tantara ary ilazaina ihany koa fa na dia ao am-piangonana aza dia misy olona lasa am-piasain'i satana ka tsy mahatohatra ny fakam-panahy .

27. niryna ( 22/02/2008 06:32)
ikaretsaka:

izay an'i ari koa fijery hafa 1 marina tanteraka

za kao mahafantatra maromaro ihany ireny any @ Gangs sy moitondra harley be ireny nefa mompera sy pasitera .. dia satria ve izy be tatoo sy lava volo sy mihaino ireny dia hoe....

Inona moa ry ika no olana raha gangs ilay olona ka nisy tatoo ny tenany talohan'ny antsoin'Atra azy?
Angaha adinonao ilay tantara nalefako teto ary mbola velona ilay pasitera hatramin'izao?
Ity ny tantarany raha adinona fa maro ihany izay vavolombelona nalefako izay .
Gang na ireo maditra mamono olona tsy mifanaraka izay ataon'ilay ekipa ireny izy,ary dia niloka,misotro, nifoka (rongony sy sigara) ary nilalao vehivavy ireny no nataony.Nisolokiloky koa ,matetika moa rehefa misy toetra ratsy iray ataon'ny olona dia mitombo ilay izy na mifameno eny daholo ilay ratsy(izay no asan'i satana raha tsy fantatrao )saingy hianao moa tsy mino ny satana dia resahiko ihany fa tsy maninona.Mandambolambola izy ary mamandrika ka rehefa tratra ao anaty vovo ilay olona dia lahona vao afaka tao raha tsy misy mamonjy.
Indray andro izy niady ary dia notorahin'ity rangahy iray ny can of soda (na ireny plastika na soda nisokatra ireny ny tavany ka tonga teo amin'ny maso ary dia potika ny masony.Maso ilay sisa izao izy ary dia asiany ireny solomaso mainty toy ny zoro ireny.
Voaantson'Atra izy taty aoriana ary hatramin'izao resahiko izao dia mitety ny am-ponja izy ,izay no andraikitra nampanaovin'Atra Azy.

28. niryna ( 22/02/2008 06:37)
xxx:

Efa nisy sekta 800 nodoran'ny mpanorina azy tao anaty fiangonana

Marina izany ary angaha izay ihany fa na dia ny kristiana koa aza dia novonoin'ireo nilaza azy ho kristiana fa nanohitra ny lalana diso izay tsy nekeny.
"boky nodorana kanefa tsy levona" ,ny tantaran'ny malagasy nazera teny ambon'ny tendrombohitra rehefa nivavaka tamin'Atra santionany .
Nisy koa fiangonana nanaiky an'ilay rangahy dia maty tao daholo izy rehetra
Soevietika koa izao vao nisy finoana iray izay nilaza fa ho avy hono ny farandro :roll: (tsy misy malala an'izay ho avin'ny ampitso isika eny fa na i kristy aza dia nilaza fa ny rainy ihany no mahalala izany)ary dia misitrika any ambanin'ny tany izy rehetra ,miandry ho faty :roll:

29. niryna ( 22/02/2008 06:42)
fijo:

tsy voatery hoe diso anie rehefa miditra bar e.izay ilay finoana mandrara izay amiko no tena ratsy.

Tsy ny fidirana bar no diso fa ny loza ateraky ny fisotroana ka raha mpitandrina hianao no mandeha miloka miaraka ireo tsy mpino,miteny ratsy,mifoka ary dia miafara amin'ny zavatra rehetra :wink: .Any anatin'ny territoiren'i satana izy no mandeha.
Inona hoy ny baiboly no hiraisan'ny mpino amin'ny tsy mpino,ny iray ny fanahy masina no miaraka aminy ary ny iray tsy misy fanahy masina miaraka aminy.
"do not yoke to the non-believers"
Ny fananana namana tsy mpino tsy mampaninona fa ny fitaritan'ireo izay tsy mino,tsy manaiky ny tenin'Atra ,ny lalana izay voasoratra no olona.
Hianao tokony anao modely azy ireo indray no manaiky ampiasan'ny satana.
Tsotra fotsiny no hafan'i kristy,na isika miaraka aminy na isika tsy miaraka aminy,ny eo anelanelany dia tsy misy :D

30. niryna ( 22/02/2008 06:56)
ari.malala:

ka zay mantsy nge hoa e! za koa mitovy fijery am fijo! misy ilay fiteny hoe tsy ny rebareba no mahamasina, ary ataoko ity Jesoa aza efa nanao izay fanamarihana izay mints nge e! ts we satria mivimbina baiboly sy fihirana fona d masina b fa satria miditra bar sy miaraka am mpiloka sy mpimamo d manao toa azy ireny...

misy fahamarinana ny teninao,tsy ny baiboly eny an-tanana velively no hilazana fa kristiana.
Tsy ny fanaovana karemy velively koa no hilazana fa mpanara-dia an'i kristy.Tsy misy maharatsy an'izany fa tsara lavitra ny manantanteraka ny sitrapony ary mitandrina ny lalany.
Ny tadiavin'ATra amintsika dia ny manaraka ny sitrapony sy mino sy manaiky Azy ( to obey,to believe, and to trust Him).
Ny atao hoe kristiana dia izay manaiky Azy fa Izy no Tompony,Izy no Mpanavotra azy.ka raha tsy manaraka ny teniny raha mahafantatra fa tsy tokony manao an'ito na ity kanefa mbola manao ihany dia malahelo Izy satria tsy naharitra ny fakam-panahy ireo izay nilaza fa manara-dia Aminy.:cry:ary 6 Hoy Jesosy taminy: Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin'ny Ray, afa-tsy amin'ny alalako. Jaona 14

31. niryna ( 22/02/2008 07:07)
Dia hoy isika hoe mateti-pihavy toa sotrokely e?
Toy izany koa no nahatonga ny olona lasa mamolava,firifiry ny olona asain'ireo olona ambony no nanda tsy nisotro aloha na menatra fa ny lehibe no manasa? kanjo ahoana no fiafarany?
16 Fa hoy izaho: Mandehana araka ny Fanahy, dia tsy hahatanteraka ny filan'ny nofo hianareo.

17 Fa ny nofo manohitra ny Fanahy, ary ny Fanahy manohitra ny nofo; ary mifanohitra izy roroa, mba tsy hahazoanareo manao izay zavatra tianareo.

18 Fa raha tarihin'ny Fanahy hianareo, dia tsy mba ambanin'ny lalàna.Gal 5


ny misotrosotro tsy maninona fa fomba io fa ilay lasa mpisotro,tsy afaka mandrakizay,mamono vady ,mamolava ireny dia voasoratra ao anaty baiboly fa tsy andova ny fanjakan'ny lanitra.

19 Fa miharihary ny asan'ny nofo
, dia izao: Fijangajangana, fahalotoana, fijefojejoana,

20 fanompoan-tsampy, fanaovana ody ratsy, fandrafiana, fifandirana, adi-lahy, fiafonafonana, fifampiandaniana, fisarahana, fitokoana,

21 fialonana, fahamamoana, filalaovan-dratsy, ary ny toy izany, izay lazaiko aminareo rahateo, tahaka ny voalazako fahiny koa, fa izay manao izany dia tsy handova ny fanjakan'Andriamanitra. Gal 5
32. niryna ( 22/02/2008 07:59)
5 Ary noho izany izaho koa, raha tsy naharitra intsony, dia naniraka hahafantatra ny finoanareo, fandrao sendra naka fanahy anareo ny mpaka-fanahy, ka ho foana ny nikelezanay aina.(1 Tes 3:5)
33. niryna ( 22/02/2008 08:03)
4 Fa hianareo, ry rahalahy, tsy ao amin'ny maizina, mba hahatratra anareo toy ny mpangalatra izany andro izany.

5 Fa hianareo rehetra dia zanaky ny mazava sy zanaky ny andro; tsy an'ny alina na an'ny maizina isika.

6 Koa dia aza mba matory toy ny sasany isika, fa aoka hiambina [hiari-tory] ka hahonon-tena.

7 Fa izay matory dia matory amin'ny alina; ary izay mamo dia mamo amin'ny alina.( 1 Tes 5)
34. niryna ( 22/02/2008 08:08)
16 Mifalia mandrakariva.

17 Mivavaha, ka aza mitsahatra.

18 Misaora amin'ny zavatra rehetra; fa izany no sitrapon'Andriamanitra ao amin'ny Kristy Jesosy ho anareo.

19 Aza mamono ny Fanahy.

20 Aza manao tsinontsinona ny faminaniana.

21 Fantaro ny zavatra rehetra; hazony mafy izay tsara.

22 Fadio ny fanao ratsy rehetra.

23 Ary Andriamanitry ny fiadanana anie hahamasina anareo samy ho tanteraka, ka aoka harovana avokoa ny fanahinareo sy ny ainareo ary ny tenanareo ho tanteraka ka tsy hanan-tsiny amin'ny fihavian'i Jesosy Kristy Tompontsika. 1 Tes 5
35. ikaretsaka ( 22/02/2008 14:38)
niryna:


izay an'i ari koa fijery hafa 1 marina tanteraka

za kao mahafantatra maromaro ihany ireny any @ Gangs sy moitondra harley be ireny nefa mompera sy pasitera .. dia satria ve izy be tatoo sy lava volo sy mihaino ireny dia hoe....

Inona moa ry ika no olana raha gangs ilay olona ka nisy tatoo ny tenany talohan'ny antsoin'Atra azy?


taorianan'ny antson'Atra izy vao gang ka.. vao nanao tatoo sns...satria tany no mission-ny

36. fijo ( 22/02/2008 22:05)
tsy voatery ho ratsy e.hoy njila "izay ao am po ihany no izy,fa ny sisa seho ivelany ihany"
37. niryna ( 24/02/2008 21:36)
ikaretsaka:

niryna:


izay an'i ari koa fijery hafa 1 marina tanteraka

za kao mahafantatra maromaro ihany ireny any @ Gangs sy moitondra harley be ireny nefa mompera sy pasitera .. dia satria ve izy be tatoo sy lava volo sy mihaino ireny dia hoe....

Inona moa ry ika no olana raha gangs ilay olona ka nisy tatoo ny tenany talohan'ny antsoin'Atra azy?


taorianan'ny antson'Atra izy vao gang ka.. vao nanao tatoo sns...satria tany no mission-ny





:D:D aha,izay miaraka ny amboalambo dia lasa amboalambo izany izy eto?
Aiza moa no misy an'iny teny hoe tsy mahazo asiana tatoo ny vatana? Lev ? Raha tsy nahalala dia tsy maninona fa raha mahalala dia bedin'Atra :roll:
38. niryna ( 24/02/2008 21:39)
fijo:

tsy voatery ho ratsy e.hoy njila "izay ao am po ihany no izy,fa ny sisa seho ivelany ihany"

Ny fo no mahatsara ny olona na maha ratsy azy ?
Ny fo no misy ny fanahy ka hiaraka amin'Atra na handa Azy tokoa e.Ny fo no mitarika ny olona hanaraka ny saina hanao ratsy sa ny saina no mitarika ny fo ahatonga ny olona hanao ratsy na tsara? Ny fo avokoa no loharanon'ny zavatra rehetra,mitia,mankahala,mizara, mitory ny tenin'Atra na manda na mankahala an'izany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0916