Inona no mahatonga ny olona ho masika be"bitterness"?

21. niryna ( 18/02/2008 06:02)
cutie:

tsy reny oul masiaka be reny ndray no fahazahoako ny bitter fa le oul tsy mahita afa-tsy ny negatif any amin'ny oul foana. Le oul tsy mba positif @ fiainana fa be taraina sy mora kivy ka na zavatra tsara aza de avadika ho zavatra ratsy foana.

=D=D ie anisany iray io
Tena mahagaga tokoa anie ilay fo e,ao anaty ao ilay izy kanefa mety manome fitiavana ary mety manome fahankalana . Zavatra tsy miteny anefa tena mampidi-doza no avoakany.
Toy ny vava ,izay zavatra ao anatin'ny fo no avoakan'ny vava,ary dia ireny olona nolazain'i cutie hoe zavatra ratsy foana.
dia ireny olona tia mifosafosa olona ireny koa tafiditra,tsy mahita zavatra tsara ho lazaina ny olona fa ny lafy ratsiny foana no hitany.Ka rehefa mitombo ilay fankahalana dia lasa miteraka tsy fitiavana,dia mitombo ihany dia lasa tonga mamorina satria lany lainga ...
Nisy ramatoa izay efa noresahiko angamba ity,nisy fivoriana izahay ary dia tezitra be izy fa tsy andeha hono,misy tsininy daholo ny olona ary tsy vitan'izany ihany fa mpiteny ratsy be izy ary rehefa mandalo ny tena dia hoy izy hoe "miala tsiny aho amin'ny teny frantsaiko" na hoe "excuse my french ",tsy teny frantsay izany hoy aho :-D .Rehefa nanontaniako ny antony mahatonga azy ho tezi-dava izy dia tonga dia nitomany ary dia hoy izy hoe ,tsy tiako ny olona mandidy ahy fa ny reniko nandidy ahy foana ary tsy mba nahazo nanao izay zavatra tiako atao aho. Izay dia noentina mandra-pahalehibeny,miampy ny olona izay noheveriny fa tia azy kanjo nihinana ny volany fotsiny hono dia miala ....Mitambatra e.. dia rehefa misy zavatra mitranga dia miverina hoy izy . :x
22. niryna ( 18/02/2008 06:13)
ikaretsaka:

dia ny conclusion anie iznay dia tsy fahampiana (en manque izy) @ ilay lafiny anankiray maha bitter azy iny e
Misy izany ny tsy ampy vavy na tsy ampy lahiny
tsy ampy positivity
tsy ampy equilibre... sns...

dia ampio ko!

Tsy fahampiana zavatra teo amin'ny fiainana mihitsy no an'isany iray koa ka.
Misy zavatra lehibe ao anatinao ao,ary tsy tianao ho resahina amin'ny olona kanefa ilay izy mandratra,na mahasorena na manembatsembana anao,ary misy tahotra koa ao,ohatra hoe mianatra hianao dia matahotra ny tsy ho tafita,na tahotra ny tsy ahita vady na tsy misy maka vady na tahotra ...betsaka ilay tahotra ary misy fahatezerana ao,ary farany misy fakampanahy na fahalemempanahy izay mikiky an'ilay olona na nataony ka tsy nolazainy ny vadiny na ny fianankaviany..ohatra hoe niteraka tany aman'olona tany izy dia nafeniny tamin'ilay ramatoa ilay izy,na nandeha nivoaka niasa tany ivelany izy dia nanitsaka ilay vadiny,..mikiky ilay izy kanefa tsy sahiny ny hiteny,...ohatra hafa koa ireo a,
* hoy ilay tovovavy izay hoe izaho angamba tsy hisy haka vady intsony kanefa ny taonako efa lehibe,indraindray aho hoy izy rehefa mieritreritra an'izany dia manome tsiny ny tenako.
*hoy indray ilay iray hoe ny ahy ny hamalifaty ny raiko izay tsy mba nikarakara anay no ataoko rehefa lehibe aho,tsy mba nisy fifaliana mihitsy tao amin'ny fiainako,kanefa rehefa mieritreritra an'izany aho hoy izy dia inona no tombontsoa
*misy indray miteny hoe raha olona nanome toky anao izao ve no hitanao miaraka amin'ny olona izany ve tsy mampiseho ahy fa tena tsy misy fotony aho..
Ary dia samy feno fahatezerana sy fahavinirana ary very fanantenana avokoa izy ireo,soa ihany fa mba misy olona hitarainana sy manome hery
23. niryna ( 18/02/2008 06:16)
Inona ary no mety ho vahaolana raha misy olona mandalo fotoantsarotra toy izany?
Ahoana moa ny tantaran'ilay hoe valifatin'ilay fo menarana ?
24. Kwasi ( 18/02/2008 12:06)
Izaho koa mahita hoe "Tsy fahampian-javatra", araka ny lazain'i ika io no mahatonga an'io. Ka ilay bitterness dia karazana fitadiavana compensation, izay symptome miseho ety ivelany ihany, fa ny fositra dia any anatin'ny fo sy fanahy any.

Ny mety ho vahaolana dia ny miresaka aminy miara-mitady ny ANTONY, dia avy @ fahafantarana an'iny no ahafahana mamaha ny olana. Raha toa moa ilay olona mihitsy no mahatsiaro tena fa mila fanampiana fa bitter loatra dia tsara ny manoro hevitra azy hanatona psychologue.
25. ikaretsaka ( 18/02/2008 12:54)
niryna:

Inona ary no mety ho vahaolana raha misy olona mandalo fotoantsarotra toy izany?
Ahoana moa ny tantaran'ilay hoe valifatin'ilay fo menarana ?

ny fahatsapan-tenany aloha hoe izy ihany no sourcen'ny probleme-ny fa tsy ho voatery ny manodidina azy
atao fantany ilay tsy fahampiana io
fia asaina ampiany dia raha mila fanampiana izy de..
26. vahiny2004 ( 18/02/2008 13:25)

Mety misy tsy fahampiana @ élément toy ny magnésium ihany koa na calcium na zavatra hafa ... lasa vizana ny saina sy vatana dia irritable sy sensible ary susceptible

Andramo @ io aloha vao miditra @ resaka psychologique be hoe tsy ampy / malahelo / négative .. sns e
27. niryna ( 19/02/2008 04:35)
Kwasi:

Izaho koa mahita hoe "Tsy fahampian-javatra", araka ny lazain'i ika io no mahatonga an'io. Ka ilay bitterness dia karazana fitadiavana compensation, izay symptome miseho ety ivelany ihany, fa ny fositra dia any anatin'ny fo sy fanahy any.

Ny mety ho vahaolana dia ny miresaka aminy miara-mitady ny ANTONY, dia avy @ fahafantarana an'iny no ahafahana mamaha ny olana. Raha toa moa ilay olona mihitsy no mahatsiaro tena fa mila fanampiana fa bitter loatra dia tsara ny manoro hevitra azy hanatona psychologue.

misaotra kwasi a.Ny olana anie dia misy tsy manana olona hitarainana e,toy ilay eo ambony lazaiko hoe tsy misy zavatra azo avelan'ny reniny atao fony izy kely.Izao izy tsy misy ray ,tsy zanaka,tsy vady ary nenitoa sisa kanefa ilay nenitoany koa toa vao maika masika.
Marina tokoa io na therapy no filaza azy,mitady olona hihaino fotsiny dia efa zava-dehibe iray manampy.

28. niryna ( 19/02/2008 04:36)
ikaretsaka:

niryna:

Inona ary no mety ho vahaolana raha misy olona mandalo fotoantsarotra toy izany?
Ahoana moa ny tantaran'ilay hoe valifatin'ilay fo menarana ?

ny fahatsapan-tenany aloha hoe izy ihany no sourcen'ny probleme-ny fa tsy ho voatery ny manodidina azy
atao fantany ilay tsy fahampiana io
fia asaina ampiany dia raha mila fanampiana izy de..

misaotra anao :-*

29. niryna ( 19/02/2008 04:41)
vahiny2004:

Mety misy tsy fahampiana @ élément toy ny magnésium ihany koa na calcium na zavatra hafa ... lasa vizana ny saina sy vatana dia irritable sy sensible ary susceptible

Andramo @ io aloha vao miditra @ resaka psychologique be hoe tsy ampy / malahelo / négative .. sns e

ny any amintsika raha mandeha izany psycho izany toa heverin'ny olona fa mipitsoka e :D

Misy ihany koa ny zavatra mitranga tampoka,fahamoizana olon-tiana,na vady na zanaka na rar ka tampoka ilay izy.
Nisy olona iray izay dia nihidy mihitsy ny fony ,izany hoe tsy nety nisokatra tamin'ny olona intsony izy na dia ny zanany aza fa lasa masika be sy toa tsy kitoana mihitsy,efa roampolo taona taty aoriana izy vao niova ary izy ihany no nibaradaka fa tena nandratra ny fony ny nandao ilay olon-tiany dia ny vadiny izany ary dia tsy nety nitia olona intsony izy.
Ny asa,izay very tampoka koa dia mitarika an'io ary raha tsy mitandrina dia mila hi-pitsoka koa.
Nisy ihany koa olona toa izany ary tsy miasa kanefa mifoka sigara dia lasa mitsimpona tapatapan-tsigara eny rehetra eny izy,tsy adala izy a,fa misy zavatra mahavery dia azy,ny vadiny nanaraka olona ary ny tena very asa.

30. Veloo ( 19/02/2008 16:26)
matoa ko ny olona masiaka satria io no mba defense -ny (low self-esteem) dia izay itany rehetra dia mampasiaka azy daholo. Tsisy securite
31. niryna ( 20/02/2008 06:21)
Veloo:

matoa ko ny olona masiaka satria io no mba defense -ny (low self-esteem) dia izay itany rehetra dia mampasiaka azy daholo. Tsisy securite

marina koa izay.Hoy ilay ramatoa izay hoe sarokenatra hono izy dia ny avonavona no ataony fa mety hanalana henatra amin'izay tsy misy miresaka izy fa hoe miavonavona izany raha vehivavy :cry: Taty aoriana izy niova hiany ary nifanohitra an'izay indray aza no nataony.

32. ikaretsaka ( 23/02/2008 16:53)
ts'isy, mila, tsy ampy. ..

tsy fahampiana aby izany dia mila ampiana io dia milamina e
33. niryna ( 24/02/2008 00:57)
ikaretsaka:

ts'isy, mila, tsy ampy. ..

tsy fahampiana aby izany dia mila ampiana io dia milamina e

:D
34. nefertiti3 ( 14/04/2008 11:20)
hereditaire : taranak'olona masiaka na tsy mahatanty olona tsy mivaky loha be fanahiana, na koa tsy tia zavatra kitoatoa fa efa voataiza araka izany
35. booboo ( 14/04/2008 11:24)
tsy ampy crac crac kounkou mampasiaka :°)
36. niryna ( 18/04/2008 22:02)
nefertiti3:

hereditaire : taranak'olona masiaka na tsy mahatanty olona tsy mivaky loha be fanahiana, na koa tsy tia zavatra kitoatoa fa efa voataiza araka izany

misy tokoa anie fianakaviana toa tsy mba mitsiky mihitsy izy rehetra e,ary toa marary fo daholo,mety mitombina ihany izany.
Ilay mahatonga ny olona ho masika tsy faly lava koa hono dia noho izay ratra ao anatiny ao,izay zavatra nahazo azy fahiny dia tsy mety mamela izy ka izy tenany ihany no ratrany eo,misy tsininy avokoa izay olona itany rehetra ary toa izy irery ihany foana no manana ny marina,ny hafa dia toa tsy misy dikany aminy,ary misy olona iray izay nisy zavatra nahatezitra azy omaly ohatra androany tontolon'ny andro izy mbola tezitra ihany ary farany hoy aho hoe hatramin'izao ve aky indry dia mbola tezitra amin'izany ihany?dia hoy izy hoe ka mahasosotra ahy ny toetran'ilay mpampiasa ka,andeha hody aho izao ha,ha, izy ihany no tsy ahazo karama e k'ty

37. endrika01 ( 13/05/2008 14:10)
Raha izaho zao no hamaly dia tsotra no azoko hamaliana azy,satria fantatro ny mahatonga ahy hasiaka ndraindray.Ilay tsy fanarahan\'ilay namana izay natoro ny hevitra izay narosoko nefa fantatro fa mahasoa azy sy ny ankohonany ilay hevitra naroso!Matoa ianao manome hevitra olona iray dia azo antoka 100%ny valiny mety ho azo avy eo,ohatra iray nisy ramatoa fantatro ,notoroiko hevitra izy reh tompoko t@mbola fahavelona ny vadiny(tsy mifosa maty aho)we mba ataovy ity torohevitra ity fa hahasoa anareo,henoy izany rahazon-damosina,iza koa ianao zay sipakely io no mba hanome moral anah,kinanjo lasa tampoka rangahy,nikorosy fahana ny fiainany,ny zanaka nianatra tany @ecole libre nijanona avokoa,ny hofa-tranon\'olona tsy voaloha,lay harena be teo aloha nanjavona daholo!Lasa nasiaka tsy fidiny aho nifamaly resaka taminy!Nalahelo azy ireo aho!Ary tena nangoraka fa tsy nasehoko izany fa hasikana no namaliako azy.Marary ny aina we raha mba nanaraka ny torohevitra nomeko mantsy ity ramatoa ity a hoatr\'izay tsy toy izao.Tsy fanarahan\'ireo olona toroko hevitra ny hevitra omeko dia mahatonga fahasiahana,tsy we autoritaire akory fa manoro izay mahasoa.Ny faharoa indray dia ny hendrikendrika sy ny fanaovana tsinotsinona ny hasin\'ny mpiara-monina!Zay no tena hitako mampasiaka be ahy!Raha ny resaka tsy fahampiana lahy an an ,tsy miteraka fahasikana raha amiko io satria tsy mba mirona amzany ny saina sy ny eritreritra.Zay no fanazavana azoko omena raha amiko manokana.:lol::D:-P
38. endrika01 ( 13/05/2008 14:11)

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2839