Eglizy, sady mpanota no masina

1. piste ( 15/02/2008 12:01)
Zavatra tsy azon'ny maro eto dia ny Fiangonana dia tsy communauté des saints mais communauté de ceux qui en désirent. Na ny marimarina kokoa communauté des croyants.
Tsy olo-masina ireo mpino ireo fa olombelona ihany, mpanota manana ny kilemany.
Amin'ny maha-olombelona azy izay indrindra anefa dia tsy hilaozam-pahotana ao anatiny. Ka izay no isan'ny mahatonga ireo adalana be dia be vitan'ny Fiangonana izay hiezahan'ny sasany taterin'ny eto ireo.

Ka hanonofy ihany izay hiandry Fiangonana lavorary izany. Ary mpandainga koa izay milaza hoe : aty aminay irery ihany ny fahalavorariana.

Masina : ny Fiangonana satria na na olombelona mpanonta aza no mameno azy dia I Kristy no lohany ary ny asan'ny Fanahy Masina no manamasina azy isan'andro. Ary izay, famalina ny Antso ho amin'ny fahamasinana sy fahalavorariana izay no antony hidirana sy hivavahany ao.

Tsy ny kristianisma ihany no lalana mankany @ fahalavorariana fa eo koa ireo karazam-pinoana maro samy hafa hita manerana an'izao tontolo izao.

Ny zavatra tsapa anefa dia ity : ry zalahy tsy mba manana an'izay appartenance religieuse izay no sahirana no sady problematika fa tsy ny kristianina velively.

Ka asa mba misy afaka manazava ny antony ny namana sasany.
novalian'i fijo ny 20/02/2008 22:36
2. rabilabila ( 15/02/2008 12:53)
Ny zavatra tsapa anefa dia ity : ry zalahy tsy mba manana an'izay appartenance religieuse izay no sahirana no sady problematika fa tsy ny kristianina velively.
.

Io no mba tiako velabelarin'i Piste kely raha tsy mahadiso .

Fa ny ambony iombonako latsaka fahatelony .Latsaka fahatelony hoy aho satria mifangaro ao ny arguments logiques sy convictions.


3. Zina ( 15/02/2008 13:04)
Piste a misaotra.

Ny fiangonana dia hopitalin'ny panota.
4. prime ( 15/02/2008 13:54)
(Manao ahoana Zina, elabe izany... tonga soa)
piste:
Tsy ny kristianisma ihany no lalana mankany @ fahalavorariana fa eo koa ireo karazam-pinoana maro samy hafa hita manerana an'izao tontolo izao.
Itoviako hevitra ilay hoe lalana mankany amin'ny fahalavorariana na dia tsy tena mazava tsara aza... ary ny kristianisma dia dogma iray ao anatin'ny dogma an'alin-kisa misy eto amin'izao tontolo izao... fa ny tena fototra dia ny hoe Jesosy Kristy no lalana (tokana) mankany amin'Andriamanitra Ray ary ny finoana Azy (irery ihany) no lalan'ny famonjena mankany amin'ny fiainana mandrakizay...:)
5. Zina ( 15/02/2008 14:00)
Prime:-*:-* sali njy
fa ny tena fototra dia ny hoe Jesosy Kristy no lalana (tokana) mankany amin'Andriamanitra Ray ary ny finoana Azy (irery ihany) no lalan'ny famonjena mankany amin'ny fiainana mandrakizay...

zay ka
6. ikaretsaka ( 15/02/2008 14:03)
tsy azoko ny tian'ny Rahalahy hambara sy hahatongavana @ ity
Ny zavatra tsapa anefa dia ity : ry zalahy tsy mba manana an'izay appartenance religieuse izay no sahirana no sady problematika fa tsy ny kristianina velively.

raha tsy mampaninona dia velabelaro hoe de izay vao miady hevitra? azafady?
7. soanja ( 15/02/2008 14:21)
piste:

Zavatra tsy azon'ny maro eto dia ny Fiangonana dia tsy communauté des saints mais communauté de ceux qui en désirent. Na ny marimarina kokoa communauté des croyants.
Tsy olo-masina ireo mpino ireo fa olombelona ihany, mpanota manana ny kilemany.
Amin'ny maha-olombelona azy izay indrindra anefa dia tsy hilaozam-pahotana ao anatiny. Ka izay no isan'ny mahatonga ireo adalana be dia be vitan'ny Fiangonana izay hiezahan'ny sasany taterin'ny eto ireo.

Ka hanonofy ihany izay hiandry Fiangonana lavorary izany. Ary mpandainga koa izay milaza hoe : aty aminay irery ihany ny fahalavorariana.

Masina : ny Fiangonana satria na na olombelona mpanonta aza no mameno azy dia I Kristy no lohany ary ny asan'ny Fanahy Masina no manamasina azy isan'andro. Ary izay, famalina ny Antso ho amin'ny fahamasinana sy fahalavorariana izay no antony hidirana sy hivavahany ao.

Tsy ny kristianisma ihany no lalana mankany @ fahalavorariana fa eo koa ireo karazam-pinoana maro samy hafa hita manerana an'izao tontolo izao.

Ny zavatra tsapa anefa dia ity : ry zalahy tsy mba manana an'izay appartenance religieuse izay no sahirana no sady problematika fa tsy ny kristianina velively.

Ka asa mba misy afaka manazava ny antony ny namana sasany.



Ekena tokoa afa tsy ilay itadiavn'ny hafa fanazavana. Ampiako kely fotsiny hoe na ny tsy manana karazam-pinoana aza dia miasa mankany amin'izay fahalavorariana izay koa.

Tadidio fa manam-panahy ny olombelona na mivavaka izy na tsia. Ny fampiasana azy no samihafa ary mifandraika amin'izay toerana isan'ny fanahiny ny olany.


8. hery ( 15/02/2008 15:12)
Ny zavatra tsapa anefa dia ity : ry zalahy tsy mba manana an\'izay appartenance religieuse izay no sahirana no sady problematika fa tsy ny kristianina velively.


Normal io.
Ny tsy feno ihany no mikobana :-p

Ny fahazoako azy angamba dia hoe ry zalahy tsy kristianina indray no sahirana @ kristianina.

(Ry zalahy tsy katolika indray no sahirana @ katolika) oups
9. rabilabila ( 15/02/2008 15:18)
waooouh!!!!:-w
10. ikaretsaka ( 15/02/2008 15:25)
hah... marina sy mazava indray iny an'i hery iny
misaotra tompoko
11. rabilabila ( 15/02/2008 17:54)
feno inona aloha :-P
sahirana ahoana?:-P
Mangataka famelabelarana kely azafady o!! Satria appartenance religieuse no resaka eto fa tsy katolika ,na protestà , na silamo !!!
12. ikaretsaka ( 15/02/2008 18:13)
tsy feno ilay appartenansa re izany e
13. rakaroka ( 15/02/2008 18:14)
"évident" raha sahirana ireo tsy manana "appartenance réligieuse" satria samy milaza ho manana ny "marina daholo ny etsy sy eroa!", ka alohan'ny hanjohiana ny lalana marina mila ajusté-na tsara aloha ny direction hoe hankaiza moa izany ny dia:roll::?::?:.
Ka raha diso "direction" gravy ihany izany hoe toute une éternité araka ny finoana apetraky rizareo koa no ho very an: ...aleoko ihany aloha mandinika dieny mbola afaka mandinika e:-w:-w:-w:@:@:@:@:@
14. rakaroka ( 15/02/2008 19:00)
En taite, tsy finalité de l'objectif rahateo angamba ny "réligion" heverina fa "chemin qui mène
vers Dieu" ka io misy karazany ilay lalana mankany koh ; misy miodina Bbbe, misy mba tsinjonao taratra ihany ilay endrik' Atra mihazo telle ou telle chemin.
Misy toa tsapanao fa "impasse" izany no miandry.
Ka ilay église amin'ny endriny voalaza eto aloha dà tsa haiko loatra hoe cela nous amène où?...
15. fijo ( 15/02/2008 22:39)
tsy ekeko ilay filazan'i prime hoe"jesoa no hany lalana tokana"??????midika mantsy io,fa ny hafa jiosy ,silamo,boudista indo dia efa voahilika atrany amboalohany.?????

hery,tsy hoe manahirana ny kristianina,fa misahirana tenany.tsy ny tsy mpino no nanasaraka anareo ho katolika sy protes,sy ortodoxe sns.

raha azoko ny tian'i hery tenenina dia hoe aza misaina na miresaka ny momba anay mpino izay tsy mpino.dia hionona ao izany hianareo?????
ary nareo rehefa mitarika ny olona hino,manao inona izay?????misahirana amin'ny tsy finoany sa akory?
16. niryna ( 16/02/2008 04:06)
piste:
Tsy ny kristianisma ihany no lalana mankany @ fahalavorariana
inona no tianao tenenina amin'izany?


ka ny kristiana angaha mitady ny hoe lavorary? Ny famonjena amin'ny andro fara-fofonaina ,hiala eto an-tany ka hametraka ny fiainany hoe eo ampelantanan'ilay kristy mahery Mpamonjy sy Tompony no tena tanjon'ireo kristiana izay miresaka famonjena lava ato,izay mifanohitra ny an'ny hafa,jereo raha mba miresaka ny famonjena avy amin'i kristy mihitsy ireo hafa fa Atra ilay Ray ihany no resahiny .
prime:

ary ny kristianisma dia dogma iray ao anatin'ny dogma an'alin-kisa misy eto amin'izao tontolo izao.

=D=D..
prime:
fa ny tena fototra dia ny hoe Jesosy Kristy no lalana (tokana) mankany amin'Andriamanitra Ray ary ny finoana Azy (irery ihany) no lalan'ny famonjena mankany amin'ny fiainana mandrakizay...:)
=D=D ^:^^:^ ary izay koa no tena zava-dehibe ary anisany iray tsy hitovizan'ny samy kristiana eto.

Hianao no fiainana sy fahamarinana ,ry Tompo o ,lalana tokona mankany amin'ny Ray.Tompo o
dia tokony ho izay mihitsy ilay izy satria ny hira aza dia efa manambara hatrany saingy indrisy mantsy ...:cry::cry:
17. ikaretsaka ( 16/02/2008 04:07)
hors sujet indray
18. rakaroka ( 16/02/2008 10:21)

ary nareo rehefa mitarika ny olona hino,manao inona izay?????misahirana amin'ny tsy finoany sa akory?

Eka ouzy^:^^:^^:^=D=D=D=D=))=))=))=))=))=))=)):-$:-$
Dia avy eo apetraka ny fanontaniana hoe fa "inona no antony tsy mampazoto ny olona miangona intsony:roll:8O:?::?::roll:8O.
Mianina amin'ny kely azo e! Tsy ho mpanaraka ilay teny izay hoe:"ataoko mpanarato olona ianareo!":-P



19. ikaretsaka ( 16/02/2008 12:29)
:-D:-D
rehefa tianao hino ny olona aza "Haratovina fotsiny" fa karakarao @ maha olona azy koa
20. prime ( 18/02/2008 13:09)
Raha ny mpino an\'i Jesosy Kristy aloha rehefa mahazo maimaimpoana, sy mandray maimaimpoana dia manana andraikitra ny hizara maimaimpoana... ka na ahoana fandraisana azy na ahoana ny tena mankarary ny kristiana dia ny fanjakazakan\'i satàna amin\'ny zavaboaharin\'Andriamanitra ka mahatonga azy ireo tsy hanana ilay tena fiadanana avy Aminy Izy ilay Andriamanitra te hizara ny fitiavany feno...

Kristy tia an\'izao tontolo izao, ary te hanome fifaliana sy fiainana ary fiadanana mandrakizay... fa Izy tsy manery fa miantso am-pitiavana mba handraisana izany am-pitiavana ihany koa...

fijo:
tsy ekeko ilay filazan\'i prime hoe\"jesoa no hany lalana tokana\"??????midika mantsy io,fa ny hafa jiosy ,silamo,boudista indo dia efa voahilika atrany amboalohany.?????
... Aiza ho aiza amin\'ny tenin\'i Kristy ry fijo no miteny hoe fa ny jiosy sy ny silamo sy ny bodista dia voahilika???

Ny nambaran\'i Kristy dia tsotra, \"Hoy Jesosy taminy: Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin\'ny Ray, afa-tsy amin\'ny alalako.\" Jaona 14:6...

Sao heverin\'i fijo ary fa tsy mino an\'i Kristy avokoa ireny mpino silamo sy jiosy sy bodista ireny???... toa ianao indray no mitsara mialoha avy hatrany fa ny mpino an\'i Kristy tsy miteny izany...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0503