Sola scriptura

41. prime ( 15/02/2008 11:17)
ikaretsaka> fa taiza ho aiza no niteny hoe "ny baiboly ihany dia ampy" ry ika??? tsy nihodinkodina ny amin'izany mihitsy aho fa tsotra ny nambarako hoe diso ny filazàna fa "tsy ampy" ny baiboly raha entina ilazàna na amantarana ny momba an'Andriamanitra sy ny sitrapon'Andiamanitra...

Ary tsy efa im-piry moa aho no mpiresaka aminao hoe tsy "sola scriptura" fotsiny no foto-kevitra iaingàn'ny protestantisma... ireo ambaran'ny namana ao ambony ireo izao dia tsy haiko na hodianao tsy hita na heverinao ho maivana kokoa miteny hoe, mbola ao koa ny "sola fide" sy ny "sola gracia"... ka raha terenao amin'ny fijerinao ilay hevitra fa tsy vohizinao araka izay tena fototra dia manjary mandeha ila ilay resaka etoana...

fijo> inona ilay hoe "miala bala"? hazavao kely raha azo atao fa tsy dia azoko loatra ny tianao ambara... misaotra...
42. ikaretsaka ( 15/02/2008 14:12)
prime> nga moa ianoa tsy sola scriptura indray... tsy bible alone?

hay niova izany indray?
azafady fa tsy fantatro fa "sola" amiko dia midika hoe "ihany" fa tsy "izany rehetra izany"

Mea culpa indray izany fa tsy arako indray ilay lozikanao misangojy rehefa nahodikodinao ohatran'ny vandro ambavan'ny banga!
43. fijo ( 15/02/2008 23:54)
prime ny ataoko hoe fialana bala dia ilay filazana nataonao hhoe "za tsy jesoa.."io fomba entina tsy hamaliana fanontaniana.

ary hono hoaho,raha milaza i koto hoe:
"diso ny filazana fa "tsy ampy "raha ny vary ihany dia mahavoky anay"

sy rabe izay miteny hoe:
"vary ihany no anay aty"

samy hafa ve ireo??
44. prime ( 18/02/2008 10:41)
ikaretsaka:
prime> nga moa ianoa tsy sola scriptura indray... tsy bible alone?

hay niova izany indray?
azafady fa tsy fantatro fa "sola" amiko dia midika hoe "ihany" fa tsy "izany rehetra izany"

Mea culpa indray izany fa tsy arako indray ilay lozikanao misangojy rehefa nahodikodinao ohatran'ny vandro ambavan'ny banga!
...:) raha izay no fahazoanao azy dia akory atao, fa ny ambaran'ny namana rehetra dia tsy "sola scriptura" "ihany" no foto-pinoana protestanta...
fijo:
prime ny ataoko hoe fialana bala dia ilay filazana nataonao hhoe "za tsy jesoa.."io fomba entina tsy hamaliana fanontaniana.
... tsia, raha mamaky tsara ianao dia tsy fialàna bala izany fa fandraisana andraikitra... aza ilay fomba tsaraina raha hanao ihany ianao fa izay hevitra ambara...
fijo:
ary hono hoaho,raha milaza i koto hoe:
"diso ny filazana fa "tsy ampy "raha ny vary ihany dia mahavoky anay"

sy rabe izay miteny hoe:
"vary ihany no anay aty"

samy hafa ve ireo??
... mitovy ve ireo?
45. ikaretsaka ( 18/02/2008 13:23)
ianao ilay ni insiste sy ny persiste be t@ "sola scriptura" "sola fide" sy izay nisy "sola " taloha nifindra ho tsy iznay tamppoka no nampisangojy ny olona ko


Hoy i fijo:
ary hono hoaho,raha milaza i koto hoe:
"diso ny filazana fa "tsy ampy "raha ny vary ihany dia mahavoky anay"

sy rabe izay miteny hoe:
"vary ihany no anay aty"

samy hafa ve ireo??
... mitovy ve ireo?


samihafa ireo amiko.. i koto mihinana zavAtra hafa raha io lojikan'i fijo io
fa i Rabe tsary te hahalala afa tsy vary


46. prime ( 20/02/2008 07:09)
ikaretsaka> izay mantsy, samihafa tokoa ireo...

Ni-"insiste" sy ni-"persiste" hoe ahoana tsara ra-Ika a???:-D
47. LazaDaddy ( 20/02/2008 07:16)
prime> Ka ilay "scriptura" resahina aza samihafa...fa ny an'ny sasany misy an-dalana nasisika :) http://serasera.org/forum/index.php?rub=dinika/message&msgid=m47ba90c4bc124#m47bb7381cf672
48. prime ( 20/02/2008 07:46)
LD> Misaotra... mahavariana...
49. prime ( 20/02/2008 08:05)
LD> Misaotra... mahavariana...
50. fijo ( 20/02/2008 22:51)
izany hoe i prime izany manaiky fa tsy ampy raha ny baiboly ihany.
karetsaka> fa taiza ho aiza no niteny hoe "ny baiboly ihany dia ampy" ry ika?
51. ikaretsaka ( 21/02/2008 00:46)
tsy niteny ialahy hoe baiboly de ampy ka
52. fijo ( 21/02/2008 21:57)
tsy za no niteny an'io fa i lery ka.jereo ery ambony ery.

. Mpandefa : prime [ Valio ] 15-02-2008 12:17:13
Lohateny : Re : Sola scriptura
ikaretsaka> fa taiza ho aiza no niteny hoe "ny baiboly ihany dia ampy" ry ika???
53. prime ( 22/02/2008 08:30)
fijo> hamafisiko ny hoe taiza aho no niteny hoe "ampy ny baiboly"???

Tsy indray mandeha aho no miteny fa tsy ny baiboly (boky) no ampy fa ny soratra masina manambara ny tenin'Andriamanitra voarakitra ao amin'ny boky atao hoe baiboly raha hamantatra ny momba an'Andriamanitra sy ny sitrapon'Andriamanitra ny amin'ny tena fiainana...

Ary ny fiarahana amin'ny Kristy dia tsy ny baiboly "ihany" dia ampy fa ny fiainana ny tenin'Andriamanitra eo ambanin'ny fahasoavan'i Jesosy Kristy sy finoana marina miorina amin'Izy ilay lalana tokana mankany amin'Andriamanitra Ray...

Ireo no mahalaza amin'ny ankapobeny ny foto-pinoana nambara matetika miainga amin'ny hoe sola scriptura, sola gracia, sola fide...
54. Mandefitra ( 22/02/2008 11:56)
Miombon-kevitra @ Prime.
55. ikaretsaka ( 22/02/2008 16:26)
dia aiza , amin'ny fomba ahoana, vokatry ny inona.....kay prime no ahafahana mitompo tena fatrattra hoe ny soratra masina navondrona ao anaty baiboly ihany dia ampy hamantarana an'Atra ?
io no tsy azoko
56. ikaretsaka ( 22/02/2008 16:27)
ho'zy manko ilay olona izay fony mba nihodina tany @ cotes ilay mandrafitra trano fiangonana ireny aho hoe hoe ahoana no ahafahana miteny fa ny lambahoany ihany no ampy atao hoe lamba fitafy
57. prime ( 25/02/2008 10:59)
ika> ny fiainana ny tenin'Andriamanitra no ahatsapanao izany...
58. ikaretsaka ( 25/02/2008 14:58)
ka ny tenin'andriamanitra avy aiza??? eo isika ange izao e!
ohatran;ny hoe ny lambahoany hamidy ao @ pavillon ihany ve??


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0655