Sola scriptura

21. ikaretsaka ( 12/02/2008 21:30)
ko efa voaporofo koa... mila hazavaina ve?
22. fijo ( 12/02/2008 22:34)
ny mpikaroka anie mikaroka,ary ny vokatr'izay mety mbola lavin'ny mpikaroka hafa e,ka iza no mpikaroka mahay izany????
izay iny fa tsy any isika aloha.

ny resak adi ahoe hamarino fa io boky io dia ampy.
i prime mo ano nanome fanazavana tsaratsara kokoa hatreto.
saingy ny fanontaniako fotsiny dia hoe.raha ny "torah" no nentin'i lery nampianatra sy nianarany.maninona no nasiana baiboly indray fa tsy io dia natao azo hianarana?izy raha teo maty jiosy fa tsy kristianina
23. ikaretsaka ( 12/02/2008 22:45)
izay koa izao 1
24. fijo ( 12/02/2008 22:50)
izay mantsy.ny baiboly nalaina avy amin'ny torah.saingy mbola nosivanina aloh afa tsy hoe izay tao dia ok aby.ka vao manivan adia misy latsaka izay
25. ikaretsaka ( 12/02/2008 22:55)
de efa nisy latsaka ve de ho ampy?:-o:-o
26. fijo ( 12/02/2008 23:02)
eo le fanontaniana izao.
27. ikaretsaka ( 12/02/2008 23:07)
dia ny nanivana azy (ok... ireo nandravona azy) no niteny hoe tsary ampy.... dia ireo elabe taty afara niteny hoe ampy ?
28. fijo ( 12/02/2008 23:13)
eo moa dia mbola ady ny anareo ka,
fa amiko aloha tsy misy boky mahavita sy ampy izany ,raha resaka finoana no resahina.

izoa fotsiny e;
firy ny voalaza fa mpiantr'i lery????de firy no ao anaty evanjely????ampy ve ny voalazan'ireo?
29. ikaretsaka ( 12/02/2008 23:17)
zay koa izao 1
30. fijo ( 12/02/2008 23:22)
ka izay,tsy azo lazaina ho ampy mihintsy rah aboky iray izay mbola nadika avy amin aboky hafa koa
31. rabilabila ( 12/02/2008 23:25)
raha izany no tsy fantatrao, dia inona no itondran-dRaBila ny argument na chercheur eto, sa hitanao @ internet, sy boky dia enkenenao fotsiny @ izao, tsy hainao akory na bon na mauvais chercheur: attention l\'internet et certains travaux des chercheurs sont à consommer avec moderation;
.

Inona no hitondrako arguments-n\'ny chercheurs eto?

-Satria fotsiny ny zavatra hitan\'ny mpikaroka dia voaporofo fa \"marina\" mandra-pahitan\'ny mpikaroka hafa \"fahamarinana\" mampirodana ilay nolazaina fa \"marina \".
-Satria ireo porofo ireo dia reproductibles ,ary izay no maha-porofo azy .
-Satria mandresy lahatra ahy kokoa ny mahita zavatra mivaingana sy ny zavatra azoko experimenter-na.
-Satria misy fomba fijery hafa mety manazàva an\'itsy sy iroa fa tsy :didy faha x aza mangalatra ,efa voasoratra fa ...ctout,circulez ,y a rien à voir .
-Satria.......Satria....mbola betsaka ny satria.

Tsy mahafantatra ny atao hoe \"bon chercheur\" va izaho ?

Tsy maninona fa atao hoe tsy mahafantatra aho .Ny zavatra kely mba hany fantatro fotsiny : Tout chercheur est bon ( même s\'il ne trouve rien )tant qu\'il ne met pas ses convictions personnelles au dessus de son travail de chercheur .

Raha ilay resaka internet sns ...indray ,tsy vao ianao no manenjika ahy amin\'io ,ka aleoko hitsikiana fotsiny.

saingy ho valiako ihany,
ny bon chercheur:
-nanangona ny materiel, sy ny materiaux momban\'n\'ilay sujet; nadray ny argument sy contre-
argument; nanka ny conclusion; ni-tester ny conclusion; ary surtout mitanisa ny source-ny sy ny methode d\'authentification-ny


Ataoko fa hoe :
-Mametraka hypothèses aloha
-Miezaka mi-verifier ireo hypothèses amin\'ny alàlan\'ny expériences
-Mamerimberina ilay expérience imbetsaka
-Raha vita tsy misy olana ny famerimberenana ilay expériences ,izay vao mametraka conclusion.
-Io conclusion io mbola azo atao remise en question raha misy facteur hafa tsy no-teniavana compte => ilay conclusion izany valable sous conditions .

Sa tsy izany ?

Ny fazahoako an\'io tanisainao io mantsy dia ny fomba fanoratana \"memoire\" na \"thèse\".


32. ikaretsaka ( 12/02/2008 23:25)
andrasana izay ny antithese faheno iny ny version an'ny anankiray..

33. fijo ( 12/02/2008 23:34)
ka izay,ny fikarohana tsy misy hoe ity tsara dia mandrakizay io.
34. prime ( 13/02/2008 08:37)
ikaretsaka:
Izao ary:

ny ahy tsotra fotsiny ny lojikako...

1)iarahana manaiky fa tsy manam-petra sy tsy hita pesipesenina Andriamanitra.. ok hatreo?
... tsy dia mazava loatra aloha ilay tianao lazaina amin'ny hoe tsy manam-petra sy tsy hita pesimpesenina... fa azo ihany ny hevitra tianao ambara amin'ny maha Andriamanitra an'Andriamanitra... noho izany ekena aloha hatreo...

ikaretsaka:
2)Ianao (Atao hoe i prime) manam-petra aza.... ny zavatra nolazainao rehetra dia tsy ho ary voasoratra avokoa, Ok hatreo...

3) Atao hoe lasa ianao dia nametraka diary
--->amin'ny fomba ahoana no ilazako fa ireo izay nosoratanao sy voasoratra sy voaangoko tamin'ireny ihany no teninao sy hilazako ny momba anao rehetra?? ... dia ahoana izany raha mainka fa A/tra tsy manapetra ??

sa hoe atao hoe maty i Prime ohatra dia nanoratra testament (epistily) sy autobiographie.... dia izay fotsiny ve dia hoe fototra ampy hahalalan'izay te hitory sy hahalala ny fiainan'i prime sy ny momban'i prime rehetra ???
kozy serieux raha tsy mihevona any am-pasana ianao raha tonga izany fotoana izany dia hanangatra ami'izy ireny!

Vao hoe i prime aza izany..... prime manam-petra..... efa tsy voafehy sahady... mainka fa A/tra
... tsy dia mazava loatra ny fomba itondranao ny hevitra fa azoazo ihany ny tianao ahatongavana...

prime aloha tsy Jesosy Kristy ka dia mazava fa tsy hety mihitsy ilay fanoharana entinao...

Mikasika ny diary sy ny asa soratra dia mazava fa ny an'i Kristy dia nisy vavolombelona ary nijoro tamin'izany tamin'ny fahasahiana sy ny finoana ireo vavolombelona ireo... mazava ho azy fa ny asan'ny mpijoro vavollombelona no nanamarina ny seho sy ny tranga ary ny zavatra nisy marina... ny sisa dia resaka sy asan'ny finoana sisa fa tsy misy idiran'ny hoe "misy hafa tsy voasoratra" sy "ireo ihany no voasoratra"... fa raha misy aza ny hafa tsy "voatahiry" (ary tena nisy) sy ny "tsy voasoratra" (ary tena nisy) dia tsy mandika akory na manohitra ireo izay voatahiry sy voasoratra ireo fa manamarina ireo mihitsy aza...

Eo no mahagaga amin'ny ambaranao satria na nisy aza ny tsy voasoratra sy ny tsy voatahiry dia ndrao heverinao fa milaza hevitra vaovao na hafa amin'ireo voatahiry sy voasoratra ireo...
35. ikaretsaka ( 13/02/2008 15:25)
ka izao fotsiny ry prime an.. ianao aza ny voalazanao rehetra tsy voatahiry sy voasoratra ny ankamaroanynefa ianao manana tanana sns afaka manoratra

vao ianao fotsiny.... ianao manampetra, betsaka ny vavolombelona afaka miteny sns.. nahita ny fiainanao sy nataonao.... ireo namanao ato @ serasera fotsiny ohatra anisany.... (ireo ray amandreninao fotsiny ohatra sy ireo miara miaina aminao ) ... fa izany ho an'ny olona tsy nahalalala anao sy eny na amiko nahalalala izay fantatro momba anao dia tsy ampy hahalalako ny ny momba anao tanteraka.

Mainka fa Andriamanitra, izay firy heny lavitra noho ianao??
36. fijo ( 13/02/2008 22:12)
prime an,fialan abala kosa le filazana hoe "prime tsy jesoa"ohatra no atao eto.ary mitombona kosa eto ilay ohatra ampiasain'ika momba ilay diary
37. prime ( 14/02/2008 10:55)
ikaretsaka> izaho angaha moa mamaly hoe diso ny ambaranao raha tsy manaiky hoe nisy tokoa ny tsy voatahiry sy ny tsy voasoratra...:)

Fa ny tiako ahatongavana dia ny hoe, ireo tsy voatahiry na tsy voasoratra ireo dia tsy mifanohitra na mandika izay voatahiry sy voasoratra...

Ny zavatra tsy azo ekena amin'ny ambaranareo dia ny filazàna hoe "tsy ampy" ny baiboly... dia rehefa alalinina ilay tsy mahaampy azy dia entina hanamarinana fampianarana tsy avy amin'i Kristy hoe ilay ampianarina anay any am-piangonana sy any amin'ny fikambananay sy nitaizàna anay (zezoita ohatra...) dia anisan'ny tsy voasoratra na tsy voatahiry fa azonay t@ lovan-tsofina sns... eo no tsy mampitovy hevitra antsika fa tsy ny filazàna hoe voatahiry na voasoratra avokoa na tsia ny momba an'Andriamanitra...

ohatra mivaingana : niakatra velona Maria renin'i Jesosy, virjiny mandrapahafaty Maria renin'i Jesosy, ny "inquisition", ny fivarotana famelan-keloka, ny fandraràna ny laika tsy hamaky baiboly fa sao mahalala ny zava-miafina rehetra momba an'Andriamanitra ka manao tsinontsinona ny Eglizy sy ireo olom-boahosotra, ny fivavahana ho an'ny maty, ny fampiakarana ho olon-tsambatra sy ho olo-masina... sns maro tsy voatanisa...

Ireo rehetra ireo nefa sady tsy voasoratra no tsy voatahiry saingy mifanohitra amin'ny fampianaran'i Kristy avokoa... d rehefa ambara ny sitrapon'Andriamanitra hoe tsy misy izany ny voasoratra ary ny fampianaran'i Kristy tsy mifanojo amin'izany dia ahilika fotsiny hoe ka tsy ampy ny baiboly ary tsy voasoratra avokoa ny momba an'Andriamanitra... hummmmmm

fijo> ny ilazàko hoe prime tsy ho Jesosy Kristy mihitsy dia satria i prime tsy mahavita na inona na inona mila raiketina an-tsoratra... azo tonga dia resahina hoe i Jesosy avy hatrany ilay anaovana fanoharana dia mety hazava kokoa aza amin'ny mpidinika rehetra...
38. ikaretsaka ( 14/02/2008 13:59)
ka amin'i prime ve hoa: ireo voasoratra ihany ve no hoe "ampy" ??
io anie hiodinkodinanao foana e?
39. ikaretsaka ( 14/02/2008 14:07)
ohatran'ny rano io ho'a ry prime an
ekena... ilaina ny rano ary betsaka ny asan'ny ... fa tsy ny rano ihany akory dia ampy, mila misakafo mila savony..
fa tsy heo misasa sy misotro rano de izay!
40. fijo ( 14/02/2008 23:10)
prime an,ohatra anie no natao teo e.izay no ilazako hoe fialana bala ilay izy.

za aloha tsy mpino,nefa kosa za dia miombonkevitra amin'ny ika raha milaza izy hoe raha te ahalala zavatra iray dia tsy ampy raha ny voasoratra ihany no handinihina azy. io moa samymanana ny fomba fahitany azy,fa tsy anomezako tsiny an'izay mino izany
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1822