Mpiara-miasa nefa miaraka ...

1. neo83 ( 07/02/2008 08:28)
Salama daholo isika rehetra.

Mba saika anontany ny hevitry ny tsirairay aho zafady amin'ny faitanareo an'ilay oe mpiara-miasa nefa miaraka. Miaraka mpisipa na mpifamofo eo no tiako holazaina. Ka mety ve izany sa tsia ? misaotra indrindra mametraka hevitra.
novalian'i xxx ny 15/02/2008 07:00
2. Ralay ( 07/02/2008 08:40)
Hisy otran'izany indray ve fa rehefa mifanaraka dia miaraka :lol:
3. neo83 ( 07/02/2008 08:44)
Ka raha oe tsy fantatra alou oe mifanaraka sa tsia ka. fa ny lafy ratsiny sa ny lafy tsara no tena betsaka ?
4. Ralay ( 07/02/2008 09:25)
Ka ny fanotanianao hoe mety ve izany na tsia ny valiny dia tsy misy maha ratsy azy.
Mety ho lafy ratsy @ sasany na ho tsara @ sasany satria mifankahita foana 24h/24h.
Mety hampandroso ny asa koa raha mbola mifankatia tsara fa rehefa misy olana dia mety hanimba ny orinasa koa.
Noho izany dia miankina @ tsirairay ihany fa amiko aloha dia tsy misy olana izany.
5. neo83 ( 07/02/2008 09:30)
Misaotra betsaka e.
6. hery ( 07/02/2008 09:44)
Raha tena mifankatia dia vao mainka tsara satria sady mampandroso ny asa.
Vao nisy vokatry ny fikarohana hono nivoaka afak'omaly angamba izy izay hoe vao mainka mahatsara ny vokatry ny asa ny fiarahan'ny mpiara-miasa.
7. neo83 ( 07/02/2008 09:51)
Misaotra betsaka. tena tokony mba nijery an'io nalefan'i Hery farany io le cadre ato aminay fa tena marikoriko.
8. tess ( 07/02/2008 10:34)
misy aza mpivady mitsy no mpiara-miasa ko! in n o maharatsy anzany....ny asa mandeha tsara zareo mifakatia be hatrany ...lay rangahy dokotera lay vadiny sekretera medicale
9. moi ( 07/02/2008 11:14)
Raha efa mpivady dia ratsy ho an'ny te hibirioka izany fa fantatra hatramin'ny fidiram-bola, ny fandehanana mivily làlana moa tsy tafa intsony...

Fa raha tena mpifankatia dia zara aza izay no izy, tsy lany crédit, tsy mitsatoka miandry any ho any... Fa aza miady fotsiny fa mety hanala baraka.
10. neo83 ( 07/02/2008 11:54)
Ka ny tena maaratsy anlé izy anie d isaky ny misy mi-phone ohatra ny iray dia lasa kaodikaody be zany foana ny anakiray e. dia anisan'ilay fitiavana ao amin'ilay izy ve zany sa fahasarotam-piaro manokana miitsy ?
11. neo83 ( 07/02/2008 12:05)
Fa na izany aza alou dia misaotra betsaka foana anareo nandefa toro-hevitra teto. Tsy manakana ny hevitra hafa mbola mety andalo eto moa raha toa ka mbola misy.
12. xxx ( 07/02/2008 14:02)
Misy maharatsy sy mahatsara azy aloa é. Za niaraka tam directeur-ko eny na atram zao aza (saingy efa tsy miara miasa ntsony zay zao).
Tsara le izy fa tena mapandroso ny asa tkoa raha tena mifantia, fa mifanoro sy mifanapy am ze atao.
Ratsy ko nefa le izy raha fantatriny mpiara miasa na ny mpapiasa oe pisipa, satri ciblé ndry zareo enao oe mpisolelaka sady maharatsy ny image.
13. rafoko ( 07/02/2008 14:05)
Ra samy seliba mo maninona
Fa raha ny iray efa manam-bady
na samy efa manana daholo de
lasa fikorontana ho ankilany
sy fahorian'ny sasana (l)
14. rabingogilabanga ( 07/02/2008 19:05)
tena tsara raha izy roa ihany no mpiasa, tsy mividy akanjo na blouse, tonga dia miboridana ao ampiasana!
sa?
bon franchement tsy tsara ka, raha faillite ny entreprise dia miara chômeur izy mitsamy

sady ny hoe mpivady dia tsotra: kidoro no iraisana, sy kianja ilalaovana, fa tsy ny birao
sa ?
15. tess ( 07/02/2008 19:26)
neo: manao ratsy matoa mahana e!:-D
16. ikaretsaka ( 07/02/2008 20:14)
tess:

neo: manao ratsy matoa mahana e!:-D



possiblity koa izay ...
17. soatsara ( 08/02/2008 06:40)

Raha azo atao dia aleo any ivelany no mitady fa tsy tsara le mpiaa-miasa, mikapa an-tananà hoy ny fiteny, ianao ihany no mety hanitsaka ny malotonao, beurk!
18. jiolah ( 08/02/2008 07:39)
zay mitsy, isaky ny mihetsika de mifankahita,tsisy ntsony le oe reraka a fa avy niasa (fa oe enao aza mipetrapotsiny teo ko reraka a reraka) sy le oe mbola tany @ bandy akama fa miara-mody de miara- mande miasa. Tena ts tafa hoa
19. jiolah ( 08/02/2008 07:40)
zay mitsy, isaky ny mihetsika de mifankahita,tsisy ntsony le oe reraka a fa avy niasa (fa oe enao aza mipetrapotsiny teo ko reraka a reraka) sy le oe mbola tany @ bandy akama fa miara-mody de miara- mande miasa. Tena ts tafa hoa
20. jiolah ( 08/02/2008 07:40)
zay mitsy, isaky ny mihetsika de mifankahita,tsisy ntsony le oe reraka a fa avy niasa (fa oe enao aza mipetrapotsiny teo ko reraka a reraka) sy le oe mbola tany @ bandy akama fa miara-mody de miara- mande miasa. Tena ts tafa hoa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.8001