iza no tena mpandova???
42. soanja
(
09/02/2008 17:15)
LazaDaddy:
soanja:
Zah mino fa samy handova azy aby. Ny lalana ahatongavana amin'izany fotsiny no mety samihafa
tsotra sy mazava tsara ny voasoratra momba io...ary na i Jesosy aza (izay inoan'ny silamo ho profety) nilaza fa tsy ho tonga any aby...indrisy...sao sanatria misy olona mandiso fanantenana anareo fa mitandrema..."Tsy misy mankany afa tsy amin'ny alalany" hoy Izy.
"Moa tsy fantatrareo va fa ny olona tsy marina tsy mba handova ny fanjakan'Andriamanitra? Aza mety hofitahina hianareo: fa ny mpijangajanga sy ny mpanompo sampy sy ny mpaka vadin'olona sy ny sodomita sy ny mpangalatra sy ny mpierina sy ny mpimamo sy ny mpanaratsy ary ny mpanao an-keriny dia tsy mba handova ny fanjakan'Andriamanitra." 1 Korintianina 6:9-10
Dia ho valiako mialoha ilay fanontaniana hoe..."tsy misy marina ny olona, ka iza izany no ho tonga any?".
"Ary efa mba toy izany ihany ny sasany aminareo, saingy efa voasasa hianareo, efa nohamasinina hianareo, efa nohamarinina hianareo, tamin'ny anaran'i Jesosy Kristy Tompo sy tamin'ny Fanahin'Andriamanitsika" 1 Korintianina 6:11
=> Tsy misy mankany afa-tsy amin'ny alalan'i Jesosy Kristy.
Amen! Mazava tsara mihitsy. Ny Mpino Kristianina rehetra anefa dia tena tokony handray an;i Kristy raha tena Mpino tokoa izy. Izy ihany no lalana sy Fahamarinana ary Fiainana. Noho izany dia tokony tsy hisy ho very mihitsy aloha ny olona raha ny fahitako azy.
Ka hoe iza no manompo sampy sns dia tsy anjarantsika no mistara izany fa izy Kristy satria mino aho fa izay heverinareo fa mijangajanga na manompo sampy ohatra dia mihevitra ny tenany fa madio tokoa tsy manompo afa tsy Izy Andriamanitra irery ihany amin'ny alalan'i Jesoa Kristy Tompontsika.
Azontsika alalinina anefa ny atao hoe SAMPY sy ny fanompoana azy. Dia hita hoe ahoana ny fivoakany.Hevitra hafa io anefa fa tsy eto.
43. ikaretsaka
(
09/02/2008 17:24)
soanja:
Ka hoe iza no manompo sampy sns dia tsy anjarantsika no mistara izany fa izy Kristy satria mino aho fa izay heverinareo fa mijangajanga na manompo sampy ohatra dia mihevitra ny tenany fa madio tokoa tsy manompo afa tsy Izy Andriamanitra irery ihany amin'ny alalan'i Jesoa Kristy Tompontsika.
Azontsika alalinina anefa ny atao hoe SAMPY sy ny fanompoana azy. Dia hita hoe ahoana ny fivoakany.Hevitra hafa io anefa fa tsy eto.
namaste
44. LazaDaddy
(
09/02/2008 21:38)
soanja:Toa tsy mazava aminao akory iay izy ry soanja...:)
Amen! Mazava tsara mihitsy.
soanja:raha ny fahitanao azy tokoa fa ny hitan'i Kristy dia hoe betsaka lavitra ny ho very noho ny tsy very. Izay no antony hifananarana sy hifankaherezana fa tsy vitan'ny mifandokadoka fotsiny...
Noho izany dia tokony tsy hisy ho very mihitsy aloha ny olona raha ny fahitako azy.
Jehovah Andriamanitra:
Raha hoy Izaho amin'ny ratsy fanahy: Ho faty tokoa ianao! ary tsy mananatra azy ianao, na miteny hananatra ny ratsy fanahy, hialany amin'ny lalany ratsy hamonjena ny ainy, dia ho faty amin'ny helony ihany ilay ratsy fanahy; nefa hadiniko amin'ny tananao ny ràny. Fa raha mananatra ny ratsy fanahy kosa ianao, ka izy no tsy mety miala amin'ny faharatsiany sy amin'ny lalany ratsy, dia ho faty amin'ny helony ihany izy; fa ho voavonjinao ny fanahinao. Ezekiela 3:18-19