iza no tena mpandova???

21. ikaretsaka ( 08/02/2008 14:12)
hmmmm ... mandray 2 be io tenin'i LD io
dia ahoana ilay hoe i Kristy sy ny Ray de 1 ihany ..
donc izany Ralaza miara mandova @ Ray?
Mpiray lova inona aminao avy avy aiza kay ilay "Ray"?:wink:
22. cutie ( 08/02/2008 14:52)
mila manetry tena i LD:-D:-D:-D:-D
23. fijo ( 08/02/2008 20:37)
ld,mpiray lova midika fa iray fiaviana"izany hoe tarana na zanak'olona iray"ka i laza izany milaza fa zanak'andriamanitra toa an drakiky koa????

prime,mbol avinavina izany ,fa ny eto no itako ka toaviko
24. ikaretsaka ( 08/02/2008 21:08)
:-/ty ze de mô anareo ity e
25. fijo ( 08/02/2008 21:10)
mamatotra io an
26. ikaretsaka ( 08/02/2008 22:03)
f'hita... izay ilay hoe tsy ny teny ihany fa ny asa koa hoa.... fatoran'ny teny eo any yyy
27. rakapy ( 08/02/2008 23:45)
Ka ilay fanotanian'i Fijo de hoe: Iza no tena handova? Ilay lanitra izany raha ny fahazaoko azy? Tokony hiisy sahy manoratra anarana eto nareo na milaza ny fikambananareo izy handova ny lanitra.
28. soanja ( 09/02/2008 02:39)
fijo:

mifanaritaka sy samy milaza ho tena mpanaraka azy aby ny mpino kristianina,ka hoy ny mpitazana,iza aminareo no tena mpandova azy e????


Zah mino fa samy handova azy aby. Ny lalana ahatongavana amin'izany fotsiny no mety samihafa satria samihafa ny fisainan'ny olombelona ary ny DNA ny tsirairay aby! i Andriamanitra no nanamboatra an'io tahak;izay ka dia isaorana azy hatrany izany!


29. rakapy ( 09/02/2008 03:10)
Ity no zavatra ahiako raha toa ka tonga any daholo ny olona rehetra tsy ankanavaka. Na ireo izay voalaza fa nanao ratsy indrindra teto ambonin'ny tany na izay nalaza fa mpanao soa indrindra! Hiisy ady tsy vita indray any am-paradisa .Toa ho hahoganan'ny Kristianina avy hatrany izao A/tra izao raha izany no hiseho.:-D:-D
30. kiranil ( 09/02/2008 03:59)
Miarahaba,

1-

Ity no zavatra ahiako raha toa ka tonga any daholo ny olona rehetra tsy ankanavaka. Na ireo izay voalaza fa nanao ratsy indrindra teto ambonin\'ny tany na izay nalaza fa mpanao soa indrindra!


Io no tsy maha-mitombona sy tsy logique hoe \'samy ho any an-danitra daholo\' isika rehetra. Mamporisika ny olona hanao izay saimpatany fotsiny io, ary vao maika mampitombo ny ratsy ataony satria na ny famonoan\'olona aza dia lasa hamaivanina @ hoe \'samy handova aby\'.

Eritrereto hoe olona manamafy ny fony hatramin\'ny farafofonainy hoe \"tsy misy iraharahiako izany Andriamanitra izany\"; dia amin\'ny fomba ahoana tompoko no haneken\'Andriamanitra izany olona izany hiditra ny fanjakany?

Ataoko ohatra tsotra hoe : misy fety karakaraiko dia nandefa invitation any aminao ao, dia lavinao ilay invitation na miteny ianao hoe \"tsy mi-existe kiranil\"; dia @ fomba ahoana no hanekena anao hiditra ao @ ilay fety raha avonavona no nasetrinao ilay invitation nomena anao?


Toy izay koa ny Fanjakan\'Andriamanitra. Ary efa nazavain\'i Jesosy Kristy io ao amin\'ny Soratara Masina:


http://baiboly.org/toko.asp?boky=MATIO&toko=22&andininy=1-15&dika=



2- Ny Tenin\'Andriamanitra dia mampianatra mba tsy ho voafitaka; amin\'ny teny toa mahafinarita ny sofina hoe . :: \"handova azy aby\"..sns..

Efa nataon\'Andriamanitra mazava tsara hoe iza ireo tsy handova ny Fanjakany--eny na dia milaza ny tenanao fa kristiana aza ianao-- ary tsy misy hidiran\'ny fisainan\'olmbelona tsy mitovy izany fa ny Sitrapon\'Andriamanitra dia efa nasehony mazava tsara,


Fa ny fijangajangana sy ny fahalotoana rehetra, na ny fieremana, dia aza hotononina eo aminareo akory aza, fa tsy mahamendrika ny olona masina izany,

na fahavetavetana, na resaka fahadalana, na vosodratsy, izay tokony hatao, fa aleo misaotra.

Fa fantatrareo marimarina, fa samy tsy manana lova eo amin\'ny fanjakan\'i Kristy sy Andriamanitra na ny mpijangajanga rehetra, na ny olom-betaveta, na ny olona mierina (mpanompo sampy izany).


Aza mety hofitahin\'olona amin\'ny teny foana hianareo
; fa izany zavatra izany no mahatonga ny fahatezeran\'Andriamanitra amin\'ny zanaky ny tsi-fanarahana.

Koa aza mety ho mpiombona aminy hianareo.

Efesiana 5


Fehiny: Aza mety hofitahin\'olona fa diniho ny Soratra Masina hamatarana ny tena Sitrapon\'Andriamanitra.

Misaotra.
31. soanja ( 09/02/2008 04:09)
Kiranil> Ny Mpino Kristianina aloha dia tokony tsy hanana ireo notsidrianao ireo: ny fijangajana sy ny fahavetavetana sns voatonona.

Ny Kristianisma dia tokony hitondra amin'i Tsara lalandava na dia samihafa aza ny fiasany amin'ny tsirairay.

Raha mino izy fantany ny tokony ataony. Hanalavitra ny ota!
32. rakapy ( 09/02/2008 04:16)
Kiranil> Marina ny teninao araka ny voalazan'ny baiboly fa ny voalazako anie ka nosoratako mazava hoe "RAHA TOA KA" Iza moa no afaka hilaza izay fiovan-kevitr'A/tra any? Ka apetrako aminao ny fanotaniana hoe "Mba ahoana no fihetsem-ponao raha toa ka homen'A/tra famelana daholo ny olona rehetra na ny nanao ny ratsy na ny nanao ny tsara?" Dia handova ny lanitra miaraka amin'ireo mpametaveta sy mpijangajanga sns... ianao?
33. LazaDaddy ( 09/02/2008 05:12)
soanja:
Zah mino fa samy handova azy aby. Ny lalana ahatongavana amin'izany fotsiny no mety samihafa

tsotra sy mazava tsara ny voasoratra momba io...ary na i Jesosy aza (izay inoan'ny silamo ho profety) nilaza fa tsy ho tonga any aby...indrisy...sao sanatria misy olona mandiso fanantenana anareo fa mitandrema..."Tsy misy mankany afa tsy amin'ny alalany" hoy Izy.

"Moa tsy fantatrareo va fa ny olona tsy marina tsy mba handova ny fanjakan'Andriamanitra? Aza mety hofitahina hianareo: fa ny mpijangajanga sy ny mpanompo sampy sy ny mpaka vadin'olona sy ny sodomita sy ny mpangalatra sy ny mpierina sy ny mpimamo sy ny mpanaratsy ary ny mpanao an-keriny dia tsy mba handova ny fanjakan'Andriamanitra." 1 Korintianina 6:9-10

Dia ho valiako mialoha ilay fanontaniana hoe..."tsy misy marina ny olona, ka iza izany no ho tonga any?".

"Ary efa mba toy izany ihany ny sasany aminareo, saingy efa voasasa hianareo, efa nohamasinina hianareo, efa nohamarinina hianareo, tamin'ny anaran'i Jesosy Kristy Tompo sy tamin'ny Fanahin'Andriamanitsika" 1 Korintianina 6:11

=> Tsy misy mankany afa-tsy amin'ny alalan'i Jesosy Kristy.
34. rakapy ( 09/02/2008 05:15)
Ary raha @ alalan'A/tra direct ve tsy tonga any koa?
35. LazaDaddy ( 09/02/2008 05:22)
rakapy> ahoana izany rakapy? angaha misy lalana ambanin'ny tany koa sa misy lalam-poza toy ny "Ankatso-Ampasapito"...? :)
36. rakapy ( 09/02/2008 05:30)
Misy ka! tsy ambanin'ny tany fa tonga de direct. Ilay lalana atoronareo mantsy mbola mandalo gara. Sa misy fisavana ticket?
37. LazaDaddy ( 09/02/2008 05:31)
Aiza izany lalana izany rakapy? :)
38. rakapy ( 09/02/2008 05:34)
Ka efa we direct any @ A/tra wa:-D:-D
39. LazaDaddy ( 09/02/2008 05:36)
Rakapy> Izy efa nanoro lalana hoe iny ny Zanako...tsy misy lalana afa-tsy amin'ny alalany...Izy no ankasitrahany...dia ise hamoron-dalana hanohitra ny Teniny? =))
40. rakapy ( 09/02/2008 05:41)
Mbola tantara lave be raha ho lazaiko anao izy ity.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.4524