Melkizedeka ? tsy manan-dray, tsy manan-dreny,

1. niryna ( 06/02/2008 08:20)
Efa namaky ity tantaran'i Melkizedeka ity ve hianao?
Ao amin'ny Hebreo 7 no ahitanao izany

Fa io Melkizedeka io, izay mpanjakan'i Salema sy mpisoron'Andriamanitra Avy Indrindra, ilay nitsena an'i Abrahama, rehefa niverina avy nandresy ny mpanjaka maro izy ka nitso-drano azy,

2 sady nomen'i Abrahama ny ampahafolon'ny zavatra rehetra aza(voalohany, raha adika ny anarany, dia Mpanjakan'ny fahamarinana, dia vao Mpanjakan'i Salema koa, izany hoe: Mpanjakan'ny fiadanana;

3 tsy manan-dray, tsy manan-dreny, tsy manana tantaram-pirazanana, tsy manana voalohan'andro na faran'ny fiainana, fa natao tahaka ny Zanak'Andriamanitra), - izy dia mitoetra ho mpisorona mandrakariva. :roll:


17 Fa Izy dia nambara hoe: "Hianao no Mpisorona mandrakizay araka ny fanaon'i Melkizedeka" (Sal. 110. 4).

22 dia tahaka izany koa no nanaovana an'i Jesosy ho Mpiantoka ny fanekena tsara lavitra.

23 Fa natao maro ireny mpisorona ireny, satria tsy navelan'ny fahafatesana haharitra izy;

24 fa Izy kosa dia manana fisoronana tsy dimbasana, satria maharitra mandrakizay Izy;

novalian'i niryna ny 07/02/2008 05:35
2. niryna ( 07/02/2008 05:19)
Melkizedeka dia mpanjaka,ary mpisorona ihany koa.
Ahitana taratra an'i Kristy izay mpanjakan'ny mpanjaka ary mpisorona mandrakizay koa izy.
Sal 110:14,Heb 6, Heb 7

Na dia maro aza ireo mpisorona izay nifanesy dia tsy nanaritra izy ireo noho ny fahafatesana mandalo.
Kristy kosa dia mpisorona mandrakizay ka izy no hisolo sy hiaro an'ireo kristiana izay mino azy.
3. niryna ( 07/02/2008 05:35)
Manana Mpisoronabe toy izany isika, dia Ilay efa mipetraka eo amin'ny ankavanan'ny seza fiandrianan'ny Avo Indrindra any an-danitra.

Tsy iza izany fa i Kristy.

2 Mpanao fanompoam-pivavahana ao amin'ny fitoerana masina sy ny tena tabernakely, izay naorin'ny Tompo, fa tsy olona.
4 Koa raha ety ambonin'ny tany, dia tsy mba ho mpisorona akory Izy, satria misy rahateo ireo manatitra ny fanomezana araka ny lalana,

5 dia ireo manao fanompoam-pivavahana amin'izay endrika sy aloky ny zavatra any an-danitra, tahaka ny natoron'Andriamanitra an'i Mosesy, rehefa hanao ny tabernakely izy; fa hoy Izy: "Tandremo mba hataonao araka ny endrika izay naseho taminao tao an-tendrombohitra ny zavatra rehetra" (Eks. 25. 40).
Heb 8
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.051