Manina an'i dada.

1. niryna ( 06/02/2008 06:03)
Maro ny zavatra mifamahofaho amin'ny fiainantsika ankehitriny:Toa lasa mihena ilay fitiavana na eo amin'ny fianakaviana izany ary indrindra eo amin'ny ray aman-dreny sy ny zanaka.
Ny 50% ny olona no misara-bady ary mihoatra izany ny ankizy kamboty velon-dray na reny.
Raha misy ankizy folo miara-mianatra ny fito amin'ireo tsy manana ray na misaraka ny rar.
Ny lalana ankehitriny anefa dia miova be ihany ka mitaky zo ho an'ireo reny mitaiza ny zanany hitaky volan-jaza.
Ny vehivavy hoy ity rangahy iray sivy volana no mitondra ilay zaza,fa isika lehilahy kosa 21 taona.Izany hoe raha mangataka volan-jaza ka mahazo ilay vehivavy dia voafehin'ny fanjakana mando volan-jaza ilay ray mandra-pahatongan'ilay zaza feno 21 taona.
Ity hira ho antsika ray,ampio ireo reny na dia tsy misaraka aza isika,mila fitiavana ny ankizy,mila tambitamby,mila fitiavana isika tsirairay ary ao an-tokantrano no manomboka izany.
http://fr.youtube.com/watch?v=Yhu5u7_Jrog
Misaotra betsaka
(l)niryna
novalian'i niryna ny 15/02/2008 18:49
2. tess ( 06/02/2008 06:06)
marina!
3. mitia04 ( 06/02/2008 06:32)
tena marina zany! za tena mahita dada fantôme mintsy, mba anarany ilay zaza mba manana ray, nefa tsy rarahiana, na akanjo , na kilalao, na tambitamby tsy mba azo amin'i dada, d mangoraka ny tena mijery azy, mitovy am tsy manana ihany e! voatery mizaka irery ihany ilay reny amzay, satria tsy mahatanty hoe tsy mba hitovy amin'ny zanaky ny oul ny zanany, tena mampalahelo=((
4. mmmhh ( 06/02/2008 07:43)
marina izany , izy sy le reny no tsy mifanaraka de ilay zaza no mizaka ny mangidy. Mampalahelo;:cry:
5. eisy ( 06/02/2008 11:43)
Niainana zany e! fa ny tena henjana rehefa mahita ny an\'olona miaraka aminy ianao de enao tsy mba manana na manana fa ts miraharaha...
6. mitia04 ( 06/02/2008 11:51)
eisy:

Niainana zany e! fa ny tena henjana rehefa mahita ny an\'olona miaraka aminy ianao de enao tsy mba manana na manana fa ts miraharaha...

hazavao ny tin'ny mpanoratra ambara, marina ra azoko mintsy izay tinao lazaina!
7. ari.malala ( 06/02/2008 11:59)
mazava b zany ry mitia04 a! enao ts manana dada nefa ny olona miaraka am dadany d enjana b ny miaina anzany:-(
8. fahamarinana ( 06/02/2008 12:54)
:arrow:Za zao ho bedinareo fa ny hevitro ndray dia izao :ny hitako aloha amin'ny manodidina dia tsy voatery ho jusqu'à 21ans no mandoa pension ali ilay Ray fa miankina amin'ny ressources-ny koa io:mety mihena,mety mitombo ary mety foana tanteraka aza ny fanampiana rahatoa oh izy manambady vaovao ka manan-janaka maro be.Amiko,manokana dia tsy hoe andraikitry lay Ray irery ny zaza ara-bola fa andraikitry ny Reny ihany koa.Ny hanomezako tsiny fontsiny ny Ray sasany dia varimbariana indrindra rehefa manana vady vaovao.Nefa kosa tsy ny Ray rehetra fa ataontsika hoe vitsiana angamba ny tena concernés amin'ny zanany.Etsy andaniny koa matetika tsy mifankahazo ny Ray sy Reny dia lasa otage ireto ankizy.
Nefa koa misy mi-réussir ny fiainany après ny fisarahana fa rare be.(l)
9. LazaDaddy ( 06/02/2008 23:52)
Manina an'i dada.
noheveriko fa hoe "Daddy" :)
10. cutie ( 06/02/2008 23:59)
lol
11. LazaDaddy ( 07/02/2008 00:02)
aza saro-piaro ry cutie ah! =))=))=))=))
12. cutie ( 07/02/2008 02:47)
vo maika:-D:-D:-D:-D
13. mitia04 ( 07/02/2008 06:25)
Izay vo azoko lé izy ari-malala a, za kou vé e? melsi njy!
14. niryna ( 07/02/2008 06:48)
tess:

marina!



:D
Ankizy maro no mianjeny eny,tsy ampy fitiavana @ rar .Ny fiainana koa moa miha-sarotra ka dia vizaka miasa ny olona,ny zaza ireny no ajanona ao an-trano,manao izay maha diavolana ny masony,mijery TV.
Hita feno fahabangana ilay izy e,tena lasa mihena tokoa anie ilay fitiavana e,aiza izany taloha izany?Miara-miangona ny iray trano,mitety fianakaviana miarahaba rehefa tonga ny taom-baovao,mifanaretsaka,mihirahira rehefa madiva ho diavolana iny ny andro ary dia samy manao izay mahafaly ny fony mampiaka-peo.Sady tsy mahay no tsy menatra.Miaraka foana ny fianakaviana,tsy misara-mianakavy e. Manao fivoriambe,mampilalao ny ankizy ny olon-dehibe sns..
Mila ny rar foana ny ankizy na dia minitra kely fotsiny ihany aza anontaniana ny zavatra nataony .
15. niryna ( 07/02/2008 06:52)
mitia04:

tena marina zany! za tena mahita dada fantôme mintsy, mba anarany ilay zaza mba manana ray, nefa tsy rarahiana, na akanjo , na kilalao, na tambitamby tsy mba azo amin'i dada, d mangoraka ny tena mijery azy, mitovy am tsy manana ihany e! voatery mizaka irery ihany ilay reny amzay, satria tsy mahatanty hoe tsy mba hitovy amin'ny zanaky ny oul ny zanany, tena mampalahelo=((


Ahoana izany dada fantome izany?
ka ilay izy anie mila mifanampy isika e,ny ray sy ny reny,mila hita taratra ao amin'ilay tokantrano koa izany ilay fitiavan'izy mivady.Ireo no tena zava-dehibe voalohany.
Tadidiko ny ray aman-dreniko fahiny tsy mba hitako miady izany ry zareo,olona ve moa tsy mifamaly fa ny azy toa tsy mba nataony teo imasonay ilay adiny :D
Ilay hira efa elabe izay miteny hoe :tonga teto an-tany aho noho ny sitraponareo,kanefa dia navelanareo mitoreo"tena marina mihitsy.
Tsy ho voatery hoe misy vola ihany no mizara izany fitiavana izany fa na dia mitsika fotsiny amin'ilay zaza na mandany andro kely fotsiny dia efa zava dehibe. :D
16. niryna ( 07/02/2008 06:55)
eisy:

Niainana zany e! fa ny tena henjana rehefa mahita ny an\'olona miaraka aminy ianao de enao tsy mba manana na manana fa ts miraharaha...



:cry: .Tsy aiko aloha fa izaho tena mora malahelo ireny ankizy ireny e.
Misy firenena aza anie ry ireto,noho ny tsy fahampian'ny fivelomany dia omeny ny vahiny ny zanany vavy kely tena mbola voatavo tsy mifandraka moa no filaza an'izany?Mbola zaza,ilay fanjakana koa dia tsy miteny fa dia midoretra fotsiny eo.Fantatrareo angamba io firenena io an ! :cry:
17. niryna ( 07/02/2008 07:01)
eisy:

Niainana zany e! fa ny tena henjana rehefa mahita ny an\'olona miaraka aminy ianao de enao tsy mba manana na manana fa ts miraharaha...

toa tsy mazava tsara tokoa ilay izy?
Tsy omeko tsiny koa aloha ny ankizy raha saro-piaro ny rainy na ny reniny eny am-pelantanan'ny olona e.
izay ve no tianao ho tenenina fa tsy aiko?

eny e,izay ilay fiainana,maro hitako koa dia ireny ankizy nilaozan-dray na reny(misy koa reny fa tsy ny ray ihany an),mitazona alahelo,matetika izay tsy eo tsy raharahiny fa ilay mijanona mitaiza azy no mangana.Tsy ainy angamba ny manavaka hoe ilay ray no niala ny tokantrano na ilay reny dia izay mitaiza azy indray no hianjeran'ny rihatra.


18. niryna ( 07/02/2008 07:07)
fahamarinana:

:arrow:Za zao ho bedinareo fa ny hevitro ndray dia izao :ny hitako aloha amin'ny manodidina dia tsy voatery ho jusqu'à 21ans no mandoa pension ali ilay Ray fa miankina amin'ny ressources-ny koa io:mety mihena,mety mitombo ary mety foana tanteraka aza ny fanampiana rahatoa oh izy manambady vaovao ka manan-janaka maro be.Amiko,manokana dia tsy hoe andraikitry lay Ray irery ny zaza ara-bola fa andraikitry ny Reny ihany koa.Ny hanomezako tsiny fontsiny ny Ray sasany dia varimbariana indrindra rehefa manana vady vaovao.Nefa kosa tsy ny Ray rehetra fa ataontsika hoe vitsiana angamba ny tena concernés amin'ny zanany.Etsy andaniny koa matetika tsy mifankahazo ny Ray sy Reny dia lasa otage ireto ankizy.
Nefa koa misy mi-réussir ny fiainany après ny fisarahana fa rare be.(l)

misaotra aky nizara a.
Ny zavatra misy dia misy tsy mahatsiaro matetika na lahy na vavy izay mandao ny tokantrano,hiandrasana takiana vao manome.
Ny tokony ho izy raha tany aloha no dinihina dia aina no fetra ,ary toy ny lamban'akoho izany raha tsy ohatra ka nanitsakitsaka ilay olona.Ankehitriny dia mety tsy mifanaraka intsony ary dia manimba ny ankizy fotsiny ny mijery azy ireo miady lava dia nisaraka izy ireo.Misy toerana manome hevitra azy ireo anefa ka raha mandeha amin'ireny izy ireo dia mety misy voavaha ihany ny olana.
Ny tena tsy aiko dia ilay hoe miteraka any amin'ny vehivaviny any na lehilahiny any ilay olona dia ny zanany taty aloha tereny ho tia sy hijery ny zanany tamin'ilay sipany vao na ilay vadikeliny.Raha mbola tsy vonona ve ilay ankizy ry ireto dia azo forceny amin'izany?

19. niryna ( 07/02/2008 07:08)
LazaDaddy:

Manina an'i dada.
noheveriko fa hoe "Daddy" :)


manina an'i daddy ary e,dada ihany koa anie io e
20. niryna ( 07/02/2008 07:10)
ari.malala:

mazava b zany ry mitia04 a! enao ts manana dada nefa ny olona miaraka am dadany d enjana b ny miaina anzany:-(

tena tsy azokoa indray aky izy izany ry ari-malala a

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2284