Te ho lava andro hihainana,iza no tsy ho tia an'izany?

1. niryna ( 01/02/2008 06:20)
Inona no toro-hevitra omenao ny olona raha te ho lava andro hihainana izy?
1- Mihinana sakafo in-dimy tsikelikely fa tsy sakafo mazefatra sarotra levonina
2-Mihomehy foana,na dia indray mandeha isan'andro aza
"Mihomehy tany vaky" :lol::lol::lol:
3-Misotro rano valo kaopy isan'andro
4-Misotro di-te maintsy telo kaopy isan'andro :roll: lasa 11 kaopy izany,aiza no asiana an'ireo raha lasa toerana lavitra.Loza ity :D
5-Ovay toetra mankahery na positif foana ny saina mandray zavatra amin'ny lafiny ratsy.
6-Manao meditation na dia mipetraka fotsiny ihany aza,mikimpy ny maso ary dia alefa any amin'ny habakabaka ilay adi-tsaina,alefa tsirairay e.
7-Hazakazaka lava moa ny fiainana ka ezaho ny miainga aloha fa tsy mirotoroto
8-Tonga dia fidio amin'ny alina ny akanjo anaovanao na ny sakafo na izay ilay mba tsy hirotoroto na manome tsiny ny tenanao rehefa adino
9-soraty izay zavatra tianao atao na zavatra tiana ho vidiana any an-tsena mba tsy hanome tsiny fa adino ilay izy
10-Izay vita anio dia hisaory Atra ,raha tsy vita rahampitso koa mbola andro :D:D
Inona koa re e
11-Miezaha miakatra ny tohatra fa tsy mandeha ascenseur,ataovy lavitra ny fiara amin'izay mandeha tongotra.
12-Raha mamboly voninkazo,mijery ny firobony sy ny fivelany dia efa ataovy mahafaly anao.
13-Mianara mifoka rivotra madio vao maraina ,mamoaka rivotra faran'izay tratra ary dia mamoaka faran'izay tratra.
14-Misaora an'Atra tamin'izay zavatra rehetra nomeny anao,izao eo am-pelantanana no hifalio,dia mikaroka moramora eo mandra-pa fa tsy mitady ny tsy misy.hi,hi


Anareo indray izao no manampy izay nomeko ireo.Mbola betsaka fa ireo aloha no tadidiko sady mba tiako hizara izay koa hianareo :-*:-*:-*:-*
farany tena farany i, miarahaba an'ireny olona tsy fantatrao ireny dia mitsiky kely,mihena ny kentrona

(l)niryna
novalian'i niryna ny 15/02/2008 06:12
2. nandrianina1 ( 02/02/2008 02:06)
15- tsy maika ny hanambady
16-manambotra taila
:lol::lol:
17-tsiky de atao ampy
3. niryna ( 03/02/2008 07:02)
nandrianina1:

15- tsy maika ny hanambady
16-manambotra taila
:lol::lol:
17-tsiky de atao ampy



:D misy olona maimaika angaha aky ?
4. endrika01 ( 03/02/2008 11:54)
Ny ahy alou de 'lay mitsiky no hitako fa
mahalava andro ihainana é!

ka le fiarabana ihany koa 'lay mifapibanjina fa tsy le sady mandeha no miarahaba
tena tsy mety mihitsy ny eritreritra hoe:'inona ary no nahatonga an'azy tsy mba nijery anh akory?
efa tara ve izy sa sao zah de naninona azy?

dia manjary mampiferin'aina de zay atao rehetra
mandritra iny andro tontolo iny!!!!!
tsis mandé ny asako rehetra 'zay ataoko rehetra!!!


zah angamba no ,marary an-doha tsy fidiny eo!!!!

-Fanampiny omeko an'i niryna;"de mihinana vitamine
1 isan'andro hi hi hi(l)
5. ikaretsaka ( 03/02/2008 14:43)
sport sy meditations e....
mandamim-batana sy saina sy fanahy...
de tsikitsiky lava
6. nandrianina1 ( 03/02/2008 18:14)
niryna>ieeuu misy mintsy ka de refa tafiditra ao iz vao miteny sy mananatra we: aza maimaika ny hanambady zany mintsy akia fa tena tsy kilalao le iz a!
sady matetika ra oul roa(vhv io an) mitovy taona le efa manambady otran' zokiny efa ho 4 na 5 taona refa miara-jerena izy roa
7. niryna ( 04/02/2008 07:40)
endrika01:

Ny ahy alou de 'lay mitsiky no hitako fa
mahalava andro ihainana é!

ka le fiarabana ihany koa 'lay mifapibanjina fa tsy le sady mandeha no miarahaba
tena tsy mety mihitsy ny eritreritra hoe:'inona ary no nahatonga an'azy tsy mba nijery anh akory?
efa tara ve izy sa sao zah de naninona azy?
ka ilay fiainana koa anie feno fanontaniana sy fanahiana lava e,maninona,inona no antony fa naninona indray aza,sns,...toa tsy mety ho tapitra mihitsy.
Izaho izao vao nahita olona nimonjy be avy any fa raha vao noharabaiko kely fotsiny dia nisinda ilay izy,ny zavatra nanafitohana azy tao na nitranga dia mandeha toa tsy mahatsapa izany izy dia izay.



dia manjary mampiferin'aina de zay atao rehetra
mandritra iny andro tontolo iny!!!!!
tsis mandé ny asako rehetra 'zay ataoko rehetra!!!

Andramo ny manao zavatra amin'ny fo,izay tena vokatry ny fonao,ary raha misy zavatra ataon'ny olona ka tsy mifanaraka ny eritreritrao dia ovay ho zavatra hafa tsara ilay antony fa tena ho hitanao.

zah angamba no ,marary an-doha tsy fidiny eo!!!!

-Fanampiny omeko an'i niryna;"de mihinana vitamine
1 isan'andro hi hi hi(l)

marina izany,misy olona hono maro ny olana misy azy dia izay tratrany na mifanena aminy no hanamparany.
Ilay vitamina indray maro be ka mila tsy ho fantatra intsony izay akambana na tsia.
Mihinana voana amande (almond) 8-12 isan'andro na voanjo na voanjavatra (voatavo,tanamasoandro,walnut na voankazo noix ,sy izay voa azo hohanina e ,tena tsara be mihitsy.Manampy ny fo,ny hoditra ,mampihena ny fikentronana amin'ny tarehy,ary misy vitamine E ao anatiny.Indrindra moa rehefa mangatsiaka ny andro,dia manampy ilay izy.
Raha azo atao dia mitsako no tena tsara,raha tsy misy nify dia azo totoina mikambana.
Atao eo ambony latabatra dia mitsaingoka daholo ny iray trano.
8. niryna ( 04/02/2008 07:54)
ikaretsaka:

sport sy meditations e....
mandamim-batana sy saina sy fanahy...
de tsikitsiky lava

Marina izany ary na dia mandeha tongotra 15-20 mn isan'andro fotsiny ihany aza.
Misotro rano matimaty vao mifoha,ary mihinana vahona(manadio ny ao anaty) voatabia tapany (fiarovana ny cancer)
Ny ahy koa vahona (aloe vera) no fihinanko miaraka ny tantely raha vao mifoha,rehefa avy misotro rano.
Mihinana paoma tapany maraina sy tapany amin'ny hariva koa tsara.
Raha manana robot fanaovana jus dia andramo ity na isan'andro aza fa sady mahasalamana no matsiro tsy mila siramamy.
Karoty,celery,cocombre,poma marikivy,ary betterave.
Mahatsara maso(karoty),manasitra ny fery any anaty(celery),mampiakatra ny olona kely ra (betterave) ary mampihena izay te hihena(poma marikivy)
Mahatsara hoditra sy manampy ny hoditra tsy hiroroka be haingana ireo :D
Farany:mila maka aina isika,ny aty aminay dia mijanona maka aina isaky ny adin'ny roa (mahazo 30 mn) ary rehefa avy eo indray fotoana fisakafoanana (mahazo adin'ny 45-60 mn)dia amin'iny no maka tori-maso kely 10-20 mn voa mihinan-kanina,ary mahazo (30 mn indray avy eo,isaky ny adin'ny roa izany ary farany alohan'ny hodiana dia mahazo (30 mn indray)
Mandray karama daholo amin'ireo a.
Mila maka sasatra kely tokoa ny vatana.
9. tsiafoi1 ( 12/02/2008 16:41)
"Manaja ny Rainao sy Reninao mba ho maro andro enao" : Didy faha-5 ao @'ny didy folo izay.
Ny fanajana ray aman-dreny no tsiambaratelo. Ny Ray aman-reny voalohany de Andriamanitra, zay loharano nipoirana.
Arahana tsara zay toro-hevitra nomeny eo @'ny lafiny moraly, sakafo fihinana, fahaiza-miaina ara-piaraha-monina.
De tsy be fanahiana fa mianki-po aminy mandrakariva. Mahay mamela heloka sy miaiky heloka. Ary farany kolokoloina tsara ny vatana zay tempolin'ny Fanahy Masina.
Tsiky de ampy ho famenon'izay
10. niryna ( 15/02/2008 06:12)
tsiafoi1:

"Manaja ny Rainao sy Reninao mba ho maro andro enao" : Didy faha-5 ao @'ny didy folo izay.
Ny fanajana ray aman-dreny no tsiambaratelo. Ny Ray aman-reny voalohany de Andriamanitra, zay loharano nipoirana.
Arahana tsara zay toro-hevitra nomeny eo @'ny lafiny moraly, sakafo fihinana, fahaiza-miaina ara-piaraha-monina.
De tsy be fanahiana fa mianki-po aminy mandrakariva. Mahay mamela heloka sy miaiky heloka. Ary farany kolokoloina tsara ny vatana zay tempolin'ny Fanahy Masina.
Tsiky de ampy ho famenon'izay

:-*:D

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3745